Ny Fitahiana avy amin’ny Fanompoana
Mitahy ny fiainan’ny hafa sy manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona ny mpikamban’ny Fiangonana rehefa manaraka ny ohatra nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fanompoana ny hafa.
Ny fanompoana tsara alain-tahaka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson dia fantatry ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsara. Efa mihoatra ny enimpolo taona izao no nanampiany ireo izay mila fanampiana, nizarany fampiononana sy fiadanana ho an’ny olona maro tsy tambo isaina ary nanompoany mivantana ireo marary sy mijaly.1
Nilaza ny Filoha Monson hoe: “Ankehitriny dia maro ireo fo tokony hampifaliana, ireo asa tokony ho atao—eny fanahy tokony havotana.” “Mihikiaka mitady ny fanampiantsika daholo ireo marary, trotraka, noana, mangatsiaka, maratra, manirery, antitra, ary ireo mirenireny.”2
Tamin’ny fanompoana nataon’ny tenany manokana, no nampisehoan’ny Filoha Monson ny fahasamihafana eo amin’ny fanatanterahana sy ny fanompoana. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia manatanteraka fandaharan’asa sy ôrdônansy, fa kosa manompo ny olona sy mitia ary mamonjy azy ireo. Nanaraka ny ohatra nataon’ny Mpamonjy izay “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo” ny Filoha Monson teo am-panampiana ny hafa (Marka 10:45).
Ireto tantara efatra manaraka ireto dia maneho ireo Olomasin’ny Andro Farany izay “mandeha, ary manao … toy izany koa” (Lioka 10:37) amin’ny fitahiana ny hafa, ny Fiangonana ary ny tenany.
Ilay Samaritana sy ny Kirepy vita tamin’ny koban-dafarinina sy atody ary ronono
Ny fahatsaran’ny fahasalamako taorian’ny fandidiana kely natao tamiko dia tsy mora araky ny nieritreretako azy. Kanefa amin’ny maha-filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ahy dia nahatsapa aho fa tokony hanome fanampiana ny hafa fa tsy hangataka izany akory. Ny Alatsinainy maraina, telo andro taorian’ny fandidiana natao tamiko, dia tsy maintsy namoha sy nanomana zaza fito halefa hianatra aho. Teo aho vao tonga saina hoe tahak’izay notazonina tato an-trano ihany ny zanako vavimatoa mba hanampy amin’ny fikarakarana ilay zazakely.
Raha mbola teo am-pieritreretana izany aho dia naneno ny lakolosy tao am-baravarana. I Vickie Woodard, mpanolotsaiko faharoa sy namana akaiky, no tonga hanampy. Nolazainy tamiko fa hanao kirepy no nahatongavany. Nitondra vilia jobo misy koban-dafarinina misy atody sy ronono izy teny an-tanany ary nanontany hoe aiza no misy lapoaly. Faly ny ankizy.
Taorian’ny sakafo maraina dia naterin’i Vickie tany an-tsekoly ireo ankizy, nodioviny ny trano ary nentiny tany an-tranony ilay zazakely mandrapahazoany tory hatramin’ny mitatao vovonana. Nony kelikely dia nanontaniako izy hoe iza no mikarakara ireo zanany mbola kely. Nolazainy tamiko fa nanokana adiny roa tsy hiasana ny vadiny mba ahafahany nanampy ahy.
Ny asa fanompoana nataon’i Vickie sy ny vadiny tamin’izany andro izany dia nahafahako nanangona ny heriko ary nanampy tamin’ny fahasitranako.
Beverly Ashcroft, Arizona, Etazonia
Amin’ireto Kely Indrindra
Indray andro raha iny sendra izaho irery sy ny zanako faralahy iny no tao an-trano dia nibolisatra aho ary nianjera. Nanaintaina nandritry ny andro maro ny faritry ny kiboko ka nandeha tany amin’ny dokotera aho.
Bevohoka aho tamin’izany fotoana izany ary ny fizahana no nampiseho fa nisaraka ny tavony tao amin’ny tranon-janako. Izany toe-pahasalamako izany dia nitaky fakana aina be fa raha tsy izany dia mety hamoy ny zanako aho.
Niahiahy aho satria manan-janaka kely anankitelo izahay ary tsy manam-bola hakana mpanampy. Tsy niangaviana akory anefa ireo rahavavy tao amin’ny sampana nisy ahy fa dia nanampy rehefa nahita ny toe-pahasalamako. Nifandamina ho vondrona telo izy ireo mba hanampiana ahy ny maraina, atoandro ary ny hariva.
Manasa lamba, mipasoka, mahandro, manadio, ary manampy ny zanako amin’ny enti-modiny no nataon’izy ireo. Ilay rahavavy antsoina hoe Rute, izay natao batisa tao am-piangonana fony aho tsy afa-nihetsika teo am-pandriana, dia lasa olom-pantatray loatra tao an-tokantranonay. I Rute, izay mpitsabo mpanampy, no nanampy nandritry ny alina ary nanindrona ireo fanafody izay ilaina.
Tsy mila manontany ny zavatra ilaina akory aho fa efa voarindran’ireto rahavavy ireto ny zavatra ilaina ary efa nokarakarainy ny zava-drehetra. Rehefa maro loatra ny olona mifanampy eo dia misy rahavavy iray mitoetra eo akaikiko ary miresaka amiko. Nanao izany izy ireo nandritry ny telo volana.
Nanome tanjaka, fitiavana ary fanoloran-tena ho ahy ireto rahavavy ireto. Nanolotra ny fotoany sy ny talentany izy ireo. Nahafoy tena izy ireo mba ho eo. Tsy nangataka tambiny izy ireo tamin’izany. Naneho fitia sy nanompo izy ireo, nanaraka ny ohatra nataon’ny Tompo, izay nampianariny antsika manao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko” (Matio 25:40).
Enilze do Rocio Ferreira da Silva, Paraná, Brésil
Ento Fotsiny ny Akanjony
Nifoha ny vadiko, Brandon, izay nanao asa tany Orlando, Floride, indray alina noho ny fanaviana mahery tsapany sy ny tsy fahafahany miaina tsara. Niantso fiara vonjy aina izy mba hitondra azy any amin’ny toeram-pitsaboana ka nahalalany tamin’izay fa voan’ny aretin-tratra goavana izy.
Satria mbola manan-janakalahy vao kely izaho sy Brandon dia tsy afaka niala tany Pennsylvanie izay nisy anay ho any Floride avy hatrany aho. Niantso an’i Brandon isan’andro aho, nanantena fa hisy fihatsarany ny fahasalamany ka afaka ny hiverina hody izy.
Kanefa niharatsy hatrany ny toe-pahasalaman’i Brandon. Rehefa nantsoin’ny mpitsabo mpanampy tao amin’ny hôpitaly aho mba ho tonga faran’izay haingana indrindra any amin’ny hôpitaly dia nanomboka nieritreritra aho hoe iza no afaka hitaiza ireo zanako lahy.
Nanaiky ny hanokana fotoana tsy hiasana ny reniko ary nilaza haingana araka izay tratrany kanefa ny fiaramanidina izay horaisiko dia hiainga alohan’ny fahatongavan’ny reniko any aminay. Niantso namana vitsivitsy aho mba hijerijery ny zanako lahy mandrapahatonga ny reniko. Namana iray avy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, i Jackie Olds, no nilaza fa faly izy hijerijery azy ireo.
“Ento fotsiny ny akanjony sy ny lamban-jaza,” hoy izy, “fa hotaizako izy ireo na firy andro na firy andro no tsy maintsy handehanana any.”
Nandà aho satria ity rahavavy ity, izay manana zaza telo, dia be zavatra iandraiketana, kanefa tsy nanaiky izy. Rehefa tonga nametraka ireo zanako lahy aho fotoana fohy taty aoriana dia nolazainy hoe: “Aza manahy ny momba azy ireo. I Brandon eritreretina ary ataovy izay hahasitrana azy mba hodiany. Efa nikarakara zaza madinika foana aho taloha.”
Fantatro fa tsy misy atahorako ny amin’ny zanako, ho faly ary ho voakarakara tsara izy ireo ary izay mihitsy no nitranga. Afaka niaraka tamin’ny vadiko aho izay tena efa narary mafy tamin’ny fotoana nahatongavako tany amin’ny hôpitaly. Kanefa andro vitsy taty aoriana dia efa nihatsara izy ka afaka nody izahay.
Feno fankasitrahana aho tamin’ny namana iray izay nanampy sy nanao—mihoatra lavitra noho ny zavatra nangatahiko taminy—ary nanompo anay tamin’ny fotoan-tsarotra.
Kelly Parks, Pennsylvanie, Etazonia
Fanompoana teo amin’ny Fandrian’ny hôpitaly
Rahalahy Anderson, filohan’ny Zatovolahin’ny paroasy izay vao 35 taona ary tena mavitrika, dia karazan’irony mpitarika vao tanora herotrerony ankasitrahan’ny rehetra irony satria nahavita asa fitoriana ny filazantsara, rain’ny zaza dimy, mpandraharaha, ary mbola tena tanora. Kanefa ankehitriny dia voan’ny homamiadan’ny ra izy. Taorian’ny nandrenesana izany vaovao izany avy tamin’ny eveka, dia nandray andraikitra ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona, Ryan Hill, ka niantso ireo mpisorona tsirairay avy na ny mazoto na ireo malaina tao amin’ny kôlejiny.
“Ho any amin’ny hôpitaly isika handeha hijery an-dRahalahy Anderson. Ilaina ny fahatongavantsika rehetra any. Afaka mankany ve ianareo?” naverimberiny izany fangatahana izany nandritry ny antso an-tariby tsirairay nataony.
“Tsy azoko antoka hoe ho afaka aho,” hoy ny mpisorona iray. “Mila miasa aho.”
“Raha izany dia handrasanay ianao rehefa avy miasa,” hoy ny navalin’i Ryan. “Zavatra tsy maintsy ataontsika miaraka izy ity.”
“Eny ary e!” hoy ilay mpikamban’ny kôlejy namaly. “Aleo fa alamiko amin’ny mpiara-miasa amiko ary ny ora.”
Nandeha nankany amin’ny hôpitaly avokoa ireo mpisorona 11. Tonga teo avokoa na ireo malaindaina mankany am-piangonana na ireo mavitrika indrindra amin’ny fanatrehana ny fivoriam-bavaky ny Alahady. Niara-nihomehy, nitomany, nivavaka ary nanao drafitra ho amin’ny hoavy teo izy ireo. Nandritra ireo volana maro taorian’io dia nametraka lamina izy ireo ny ho avy hikosoka ny tongotry Rahalahy Anderson rehefa iny tsy mikoriana tsara iny ny rany, ary nifandimby ny hanome rà mandritry ny roa ora avy mba ho ny ran’izy ireo ihany no omena azy, ary nitondra fiara amin’ny halavirana 32 km mihitsy aza tamin’ny alim-pandihizana lehiben’ny mpiara-mianatra miaraka amin’ireo tovovavy nasainy (ny roa tamin’ireo tovovavy ireo dia tsy mpikamban’ny Fiangonana) ho any amin’ny hôpitaly ho eo anilany mba hahafahan’izy ireo hizara ny traikefan’ny fianaran’izy ireo aminy.
Nandritry ireo andro sisa niainany dia nanasa azy ireo Rahalahy Anderson mba hanao asa fitoriana, sy hanambady any amin’ny tempoly, ary mba tsy hifanadino mihitsy. Roa ambin’ny folo taona taty aoriana, rehefa nahavita asa fitoriana, nanambady tany amin’ny tempoly, ary samy efa manana ny ankohonany avy izy ireo, dia mbola tsaroan’izy ireo izany traikefa ara-panahin’ny fanompoana niarahana tamin’ny mpitarika malalan’izy ireo izany izay nanova ny fiainany.
Norman Hill, Texas, Etazonia