Ilay Koba Katsaka Voakosoka Mahagaga
“Avia ianareo, aoka isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, hankany an-tranon’ … Andriamanitra” (2 Nefia 12:3).
Nisy zatovolahy roa niakanjo fotsy sy nanao karavato tonga tao an-tranonay tany Honduras. “Avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izahay,” hoy izy ireo.
Nampandrosoan’ny mamako izy ireo. Nampianatra ny fianakaviako mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Na dia vao sivy taona aza aho tamin’izany dia nahatsapa tao am-poko ny fahamarinan’ny teny nolazain’izy ireo.
“Inona no tokony ho ataonay mba ho tonga mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy?” Hoy ny fanotanian’ny dadako.
“Hatao batisa,” hoy ny iray tamin’ireo rahalahy.
Natao batisa izaho sy ny mamako ary ny dadako iray volana taty aoriana. Ny rahalahiko, Tomas, izay enin-taona tamin’izany dia ho atao batisa afaka roa taona.
Nazavain’ireo rahalahy nandritry ny fampianarany anay bebe kokoa ny filazantsara, fa azo fehezina miaraka any amin’ny tempoly ny fianakaviana.
Ny tempoly akaiky indrindra dia tany Guatemala, izay any amin’ny kilaometatra maro dia maro. Mila mandeha fiara fitaterana mandritry ny roa andro sy mipetraka amin’ny trano fandraisam-bahiny roa alina eo amin’ilay tanàna izahay. Tsy nanana vola sahaza entina hanatanterahana izany dia izany izahay kanefa tsy navelan’ny mamako sy dadako ho sakana tsy handehananay any amin’ny tempoly izany.
Isan-taona dia mamokatra katsaka ny fianakavianay. Ampiasainay hokosehina izany koba katsaka izany mba hovarotana amin’ireo mpizahan-tany izay mandalo eo an-tanànanay.
Naka taratasy sy pensilihazo ny mamako. Nanao kajikajy teo izy ary niteny hoe: “Tsy maintsy mahalafo koba katsaka voakosoka 2.500 isika mba hamitana izany dia izany.”
Nihiratra ny masoko. Tena koba katsaka voakosoka maro be izany! “Mbola tsy nivarotra koba katsaka voakosoka maro toa izany velively isika,” hoy aho.
Tsy mba nanana fanahiana kosa ny mamako. “Ho ampian’ny Tompo isika,” hoy izy. “I Raoul sy ianao ary i Tomas dia tsy maintsy manampy an’ny dadanareo hioty katsaka,” hoy i Mama tamiko.
Nanampy ny Dadako hioty katsaka izaho sy i Tomas. Isan’andro dia mitoto izany ny Mamako, manao ny koba ary manendy azy. Entinay sy i Tomas any an-tanàna avy eo ireo koba katsaka voakosoka.
“Nisy fiarabe nitondra mpizahan-tany androany,” hoy aho tamin’ny Mamako rehefa tonga tany an-trano. “Nahalafo koba katsaka voakosoka maro izahay.”
“Fahagagana izany,” hoy ny Mamako.
Isan’andro dia mahalafo koba katsaka voakosoka maro be hatrany izahay. Tao anatin’ny volana vitsivitsy izahay dia nahangona ny vola ilaina hanatanterahina ny dia mankany Guatemala. Kanefa mbola niahiahy ihany aho. Naheno aho fa misy mpangalatra nanakana fiara izay mandalo ny ala mikitroka. Alain’izy ireo daholo ny fananan’ny mpandeha.
“Dia ahoana izany ny amin’ireo mpangalatra ireo?” Hoy aho nanontany.
“Hiaro antsika ny Tompo,” hoy ny Mamako. Dia nanontany izy avy eo: “Raoul a! Mino ny filazantsara ve ianao?”
“Eny.”
“Dia fantatrao fa tokony hanao izay tratry ny herintsika isika hanarahana ny Tompo sy ny Mpaminaniny.”
Herintaona taty aoriana dia vonona ny handeha ho any amin’ny tempoly ny fianakaviako. Nandeha tany amin’ny Renivohitr’i Guatemala tamin’ny fiara fitateram-bahoaka izahay. Tsy ho hadinoko mihitsy ny Fanahy izay tsapako rehefa nofehezina niaraka tao amin’ny tempoly ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay ny fianakaviako.
Tamin’izany alina izany, rehefa nandohalika nivavaka aho, dia nisaotra ny Ray any An-danitra tamin’ny fitahiana azo avy amin’ny tempoly.