Ny Fahafahana nananako Hanompo
Miomankomana hiatrika andro iray vaovao hanatanterahana asa fanompoana tsy misy tambiny i María José de Araújo, 70 taona, alohan’ny hisokafan’ny varavaran’ny Tempolin’i Recife Brésil izay hanatanterahana mandritry ny andro anankiray indray ireo ôrdônansin’ny famonjena.
Mba hahatongavany any amin’ny tempoly dia mandany adiny iray sy sasany i María miova fiara fitateram-bahoaka in-efatra avy any an-tranony any Cabo de Santo Agostinho, atsimon’i Recife, any amin’ny morontsiraka avaratra-atsinanan’i Brésil. Fa alohan’ny hiaingany dia manomana sakafo sy zavatra ilain’ilay havany jamba mipetraka sy karakarainy ao aminy izy.
“Ohatra tsara amin’ny fanompoana ny hafa i María,” hoy i Cleto P. Oliveira, mpikarakara ny firaketana ao amin’ny tempoly. “Hatramin’ny nanokanana ny tempoly tamin’ny Desambra 2000 dia nanolo-tena an-tsitrapo hanompo ato amin’ny tempoly izy isan’andro isan’andro isaky ny misokatra izany. Hatramin’ny andro fialan-tsasatra aza dia mbola tonga izy.”
Miasa ao amin’ny trano fisakafoana ao amin’ny tempoly i María, manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora hariva isaky ny Talata hatramin’ny Asabotsy, manasa lovia sy manomana salady. Satriny tokoa, hoy izy, hiasa elaela kokoa saingy tsy maintsy miala aloha izy mba ho tafody alohan’ny ahatongavan’ny alina satria mbola handeha fiara fitateram-bahoaka mandritry ny fotoana maharitra.
Tenenin’ny Rahalahy Oliveira i María hoe tsy mila mankany amin’ny tempoly isan’andro izy kanefa etsy ankilany dia miaiky izy fa mila olona roa vao mahavita ny vitany. “Mitsiky fotsiny izy no sady miteny hoe natokany ho an’ny Tompo ny fiainany” hoy izy.
Voninahitra lehibe ho an’i María ny manompo ao amin’ny tempoly isan’andro.
“Nomen’ny Raiko any An-danitra fahasalamana tsara aho ka ny tanjoko dia ny hanohy ho tonga isan’andro raha toa ka mbola salama hatrany,” hoy izy. “Nanao fanekempihavanana aho mba hanolotra ny talentako rehetra sy ny fahaiza-manaoko hanompoana ny Tompo. Rehefa tonga ato an-trano avy manompo any amin’ny tempoly aho dia tsy mahatsiaro reraka. Tahian’ny Tompo tahaka izany aho.”
Talohan’izany dia nikaroka ny rohim-pianakaviany i María, fony izy nanompo nandritry ny enin-taona tao amin’ny foiben’ny asa tetiaran’ny paroasiny. Ary nandritry ny Asabotsy maraina maromaro alohan’ny handehanany miasa ao amin’ny trano fisakafoanana ao amin’ny tempoly dia nanatanteraka asa fisoloana tena ho an’ny taranaka efatra nifandimby avy amin’ny lafin’ny reniny izy. Nampanao ny asa fisoloana tena ho an’ny taranaka efatra nifandimby avy amin’ny lafin’ny rainy koa izy.
Raha vao nanomboka ny fikarohana ny fianakaviany izy dia nahatsapa fa mety tsy ho tontosa izany andraikitra izany—indrindra indrindra tamin’ny tsy fahitany ny anaran’ireo ray aman-drenin’ny raibeny sy ny renibeny roa. Kanefa indray alina dia nambara taminy tamin’ny alalan’ny nofy ny anarana fenon’izy ireo. Tamin’ny voalohany dia nanontany tena izy raha toa ka marina izany anarana voarainy izany, ka rehefa nikaroka teo anivon’ny firaketan’ny reniny izy dia nahita fa misy fifandraisana amin’ny fianakaviana ireo anarana izay tsy azony antoka ireo. Nino izy fa ilay nofy tonga taminy dia toy ny fitahiana azony noho ny ezaka ataony amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny Zanany.
“Ny tempoly no fiainako,” hoy i María. “Tena very tombontsoa sy fitahiana lehibe ireo olona izay tsy mankany amin’ny tempoly. Amin’ny alalan’ny fanompoana ao amin’ny tempoly no hahatakarantsika ny tena dikany sy ny tena herin’ny tempoly.”