2009
Izaho ve? Ho Mpiandry ondrin’ny Isiraely?
Ôktôbra 2009


Izaho ve? Ho Mpiandry ondrin’ny Isiraely?

Efa nanatri-maso sy nandray anjara tamin’ny famangiana an’arivony natao tamin’ireo ondry malaina aho. Mijoro ho vavolombelona aho tamin’ny fahitako ny firotsahan’ny Fanahy Masina mihoam-pampana izay niaraka tamin’izy ireny.

Elder Daniel L. Johnson

Iray amin’ireo fombafomba izay mampiavaka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fananana mpitarika tsy karamaina. Tsy manana mpitarika karamaina isika eo anivon’ny paroasy, sampana, tsatòka ary distrika eto amin’ny Fiangonana; fa kosa, misy ireo mpikambana izay mifanompo eo amin’izy samy izy.

Ny mpikambana tsirairain’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana antso ny ho mpiandry ondrin’ny Isiraely. Ireo mpikambana mpiandry ondry ireo dia manompo eo anivon’ny episkôpà sy fiadidian’ny sampana, na mpitarika ao amin’ny fisoronana na vondrona fanampiny, na mpitamboky sy mpitantsoratra, na mpampianatra isan-karazany—ao anatin’izany koa ny mpampianatra sy mpamangy isan-tokantrano—ary any amin’ny lafin’ny fanompoana maro samihafa.

Misy zavatra itovizana eo amin’ireo mpiandry ondry tsy karamaina ireo. Ny tsirairay dia natao hikolokolo, hamporisika ary hanompo. Nantsoin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpanompo nofinidiny ny tsirairay avy amin’izy ireo. Tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Tompo ny tsirairay avy amin’izy ireo mahakasika ny andraikitra sahaniny amin’ny maha-mpiandry ondry azy.

Mikaroka ireo Ondry Very

Nandao ny tany niaviany tao Haiti i Joseph Serge Merilus tamin’ny faha-19 taonany ka nifindra tany amin’ny Repoblika Dôminikana tamin’ny taona 1980 mba hitady asa. Valo ambin’ny folo volana taty aoriana dia niverina tany Haiti izy, nahita ilay sitraky ny fony, ary avy eo niverina tany amin’ny Repoblika Dôminikana niaraka tamin’ny vadiny vao vita raharaha taminy dia i Marie Reymonde Esterlin.

Nahatsapa hetaheta ara-panahy goavana i Joseph tany am-piandohan’ny fiainan’izy ireo tamin’ny naha-mpivady azy ireo tao amin’ny tany iray vaovao ho azy ireo. Nitsidika fiangonana maro izy sy Marie mba hitadiavana fahafaham-po amin’izany hetaheta goavana izany, saingy noho izy ireo Haisiana miteny kiriola ao anatin’ny firenena miteny Espaniôla dia sarotra amin’izy ireo ny mahatakatra ny hafa sy ny mba ho azon’ny ny hafa. Nifanena tamin’ny misiôneran’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany izy ireo ary nasain’ireto farany hanatrika ny Fiangonana. Taorian’ny nanatrehan’i Joseph sy Marie fotoam-bavaka maromaro dia nampianarin’ny misiônera azy ireo tamim-paharetana tamin’ny fiteny Espaniôla ireo lesona ary dia natao batisa ny volana Septambra 1997 izy ireo.

Nanompo tao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady i Joseph, avy eo dia mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny sampana ary taty aoriana dia filohan’ny sampana. Kanefa vokatry ny tsy fifankahazoana sy fanafintohinana nifanesisesy, izay ny ankamaroany dia noho ny tsy fifankahazoan’ny fiteny dia lasa tsy nandeha tany am-piangonana intsony i Joseph, Marie, sy ireo zanany dimy ary dia adinon’ny mpikamban’ny Fiangonana teo an-toerana tanteraka izy ireo.

Nandritry ny fito taona manaraka dia mbola niteraka efatra fanampiny izy mivady ary nitaiza tao an-tranony ny zanaky ny havany mianadahy avy tany Haiti koa. Noho ny ezaka lehibe nataony dia lasa matihanina amin’ny fiteny Espaniôla sy Anglisy i Joseph ary nanomboka nampianatra teny Anglisy sy kiriola avy any Haiti tamin’ny orinasa teo an-toerana.

Tamin’ny Aogositra 2007 dia nisy mpitarika ao amin’ny fisoronana roa, teo am-pikarohana ireo ondry verin’ny Tompo, tonga nandondona ny varavarany. Tsikaritr’izy ireo fa mbola nanana tsara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny filazantsara i Joseph sy Marie, na dia tsy nanatrika ny Fiangonana nandritry ny fito taona aza. Nasain’ireto mpitarika roa ilay fianakaviana mba hiverina any am-piangonana izay zavatra nataon’izy ireo ny ampitson’iny ihany—izy 13 mianaka. Tsy nitsahatra ny nanatrika izy ireo hatramin’izao.

Ankehitriny dia nantsoina ho mpitarika ny misiônan’ny sampana ao Barahona i Joseph, any amin’ny faritra atsimon’ny Repoblika Dôminikana. Manompo ao amin’ny fitarihan’ny sampana koa ny zanany roalahy zokiny, ary ilay zanaky ny havany, izay vao naroso ho loholona vao haingana no filohan’ny Zatovolahy. Vao haingana izay no nandeha tany amin’ny tempoly izy ireo, izay namehezana azy ireo ho fianakaviana mandrakizay.

Eritrereto hoe ondry very 13 no hita satria nisy mpikambana mpiandry ondry nanao an-tsitrapo ny fikarohana, fikolokoloana ary fitarihana ity fianakaviana ity hiverina ao amin’ny valan’ny Tompo. Voatarika ho any amin’ity tokantrano ity izy ireo toy izaho sy ianao hotarihana eo am-pikarohana ireo ondry very izay andraikitsika.

Efa nanatri-maso sy nandray anjara tamin’ny famangiana an’arivony natao tamin’ireo ondry malaina aho. Mijoro ho vavolombelona aho tamin’ny fahitako ny firotsahan’ny Fanahy Masina mihoam-pampana niaraka tamin’izy ireny. Nahita ondry very maro niverina aho ary efa nahatsapa ilay fifaliana izay mitranga noho ny fandraisana azy ireo mba hazoto tanteraka indray. Nahita fo nahatsapa ny Fanahy, tsodrano narotsaka, ranomaso latsaka, fijoroana ho vavolombelona nozaraina, vavaka natao sy voavaly ary fitiavana naseho aho. Nahita fiainana niova aho.

Mamahana ny Ondry

Nandritry ny taona manodidina ny 592 sy 570 talohan’i J.K, Andriamanitra dia niteny tamin’ny Mpaminaniny Ezekiela mikasika ireo mpiandry ondry tsy mamahana ny ondriny. Vokatr’izany tsy firaharahiana izany dia niparitaka ny ondry. Mikasika ireo mpiandry ondry ireo indrindra no nilazan’ny Tompo hoe:

“Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: … Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry? …

“Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very. …

“… eny, any amin’ny tany rehetra no ielezan’ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.

“Izao no lazain’i Jehovah Tompo: … hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony” (Ezekiela 34:2, 4, 6, 10).

Amim-panajana no hilazako fa lasa mpiangona miantehitra amin’ny trano fiangonana isika. Manao ezaka lehibe isika hamahanana ara-panahy sy ara-pihetseham-po ireo izay tonga ato am-piangonana, kanefa manao ahoana kosa ireo izay nivoaka izany trano fiangonana izany?

Raha toa ka nandray antso hanompo ato am-piangonana ohatra aho dia midika izany fa manana ondry izay andraikitra masina ho ahy ny mikarakara sy manompo azy ireo. Ohatra, amin’ny maha-mpampianatra ahy dia tsy mpiandry ondrin’ireo izay tonga ao an-dakilasy ihany aho fa ho an’ireo tsy tonga ihany koa. Manana andraikitra amin’ny fikarohana azy ireny aho, hahafantatra azy ireny, ho tonga namany, hikarakara izay ilainy ary hitondra azy miverina ato amin’ny vala.

Mitondra Azy Ireo Miverina

Amin’ny maha-mpikambana mpiandry ondry antsika dia tsara raha mitadidy sy misaintsaina ny fampianarana ao amin’i Lioka 15 isika. Ao amin’io toko io ny Tompo dia nampianatra ireo fanoharana ny amin’ny ondry very, sy ny farantsakely very, ary ilay zanaka adala. Ireo fanoharana telo ireo dia mifandray amin’ny “zavatra izay very” ary avy eo dia hita indray. Ao amin’ny fanoharana ny amin’ny ondry very ny Tompo dia manontany hoe:

“Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?

“Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy.

“Ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.

“Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany” (Lioka 15:4–7).

Ao amin’io fanoharana io dia iray ihany ny ondry very kanefa tsy mba toy izany ny zava-mitranga ao amin’ny paroasintsika na ny sampana misy antsika. Ny dikan’ny fanoharana dia mitovy ihany, na firy na firy ny isan’ireo ondry nivoaka ny vala.

Tsy namaritra ny fanoharana hoe mety ho hafiriana no lany amin’ny famerenana azy ireny indray ao am-bala. Amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fiandrasana ondry dia misy ireo ondry izay hiverina aorian’ny fitsidihana indray mandeha fotsiny fa ny hafa kosa mety handaniana taona maro izay arahina famporisihana tsy tapaka sy amim-pahatsorana.

Mandritr’izany fotoam-pamerenana ny rahalahintsika sy anabavintsika izany dia aoka tsy ho hadinontsika fa ireo ondry izay “enti[ntsika] … miverina ao am-bala” dia “sarobidy ao am-pon’Ilay Mpiandry Ondry.”1 Fantany ny tsirairay avy amin’izy ireny. Tiany amin’ny fitiavana tonga lafatra ny tsirairay avy amin’izy ireny. Satria Azy ireny dia hotarihiny sy hotantaniny ary hotaominy fanahy isika amin’ny zavatra holazaintsika raha toa ka manontany sy mihaino ny feon’ny Fanahy isika. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia maro amin’izy ireny no hanaiky rehefa mikaroka amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena isika.

Aoka hotsaroantsika ny andraikitsika amin’ny maha-mpiandry ondry antsika mba hahafahantsika manome tatitra amin’ny Tompo mikasika ireo ondry izay nasainy niandraiketantsika tsirairay avy.

Fanamarihana

  1. “Au Berger elles sont chères,” Cantiques, no. 142.

Sombiny avy tamin’ Ny Lalana mankany Betlehema, nataon’i Joseph Brickey; ankavanana: sombiny avy tamin’ I Kaina sy Abela, nataon’i Robert T. Barrett

Tsy ho Very Intsony, nataon’i Greg K. Olsen, tsy azo adika; sary nataon’i Laureni Fochetto