2012
Miakanjo Toy ny Diakona
Ôktôbra 2012


Miakanjo Toy ny Diakona

  1. Tsingerintaona nahaterahan’ i Eli androany. Efa-taona izy.

    Afaka efa-taona fanampiny dia hatao batisa ianao.

    Ary efa-taona aorian’ izany dia ho lasa diakona ianao ary ho afaka mizara ny fanasan’ ny Tompo.

  2. Rehefa avy eo dia nampian’ i Neny i Elo mba hanolo ny akanjo fitondrany matory amin’ ny akanjo fitondra alahady.

  3. Moa ve ny diakona manao patalohan’ ilay lehilahy igagana amin’ ny tanjany sy ny hakingany rehefa hiangona?

    Tsia. Manao pataloha tsara ny diakona.

  4. Moa ve ny diakona manao ambonin’ akanjon’ ilay lehilahy igagana amin’ ny tanjany sy ny hakingany rehefa hiangona?

    Tsia. Manao lobaka fotsy sy karavato ny diakona.

  5. Te-hanao lobaka fotsy sy pataloha tsara aho. Te hiakanjo toy ny diakona aho.

    Nampian’ i Neny i Eli mba hanao pataloha tsara, lobaka fotsy ary karavato.

  6. Tany am-piangonana dia nampifanindrian’ i Eli ny tanany rehefa nijery an’ ireo diakona nizara ny fanasan’ ny Tompo izy.

  7. Rehefa nentin’ ny diakona iray teo amin’ i Eli ilay fanasan’ ny Tompo, dia naka tapa-mofo iray izy dia natolony an’ i Neny ilay viliabe.

  8. Nitsiky tamin’ i Eli i Neny. Faly izy fa nanampy. Nahatsapa ho toy ny diakona izy.

Sary nataon’ i Simini Blocker

Hamoaka printy