2012
Naorina ny Tsatòka Voalohany any Inde
Ôktôbra 2012


Naorina ny Tsatòka Voalohany any Inde

Azo tsapain-tanana ny fientanentanana sy fankasitrahana rehefa nivory tao amin’ ny Toeram-pivorian’ i Novotel tao Hyderabad, Inde, ireo mpikambana mihoatra ny 1500 noho ny fanorenana ny Tsatòkan’ i Hyderabad, Inde, izay tsatòka voalohany ao amin’ io firenena io, tamin’ ny 27 Mey 2012. Ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo no niahy izany ary niaraka taminy ny Loholona Donald L. Hallstrom avy ao amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy sy ny Loholona Anthony D. Perkins avy ao amin’ ny Fitopololahy izay Filohan’ ny Vondrom-paritr’ i Azia. Notronin’ ny vadiny avy ireo mpitarika tsirairay tamin’ io fihaonambe io.

I John Gutty no notohanana ho filohan’ ny tsatòka niaraka tamin’ i Suresh Natarajan ho mpanolotsaina voalohany ary Rajaratnam Bushi ho mpanolotsaina faharoa. Ny patriarika voalohan’ i Inde dia ilay filohan’ ny distrika teo aloha, i Prasad Rao Gudey.

Rehefa nandray fitenenana teo anivon’ ilay fivorian’ ireo Olomasina faran’ izay lehibe indrindra hatramin’ izay tany Inde i Randy D. Funk, izay filohan’ ny Misiônan’ i Bangalore Inde dia nilaza hoe: “Zava-miseho tena lehibe ao anatin’ ity andro manan-tantara ity izao, andro izay ho tsaroantsika foana. Ho tsaroantsika foana fa nisy Apôstôlin’ ny Tompo tonga teto.”

Ny Loholona Perkins dia naneho ny fitiavana avy amin’ ny Fiadidian’ ny Vondrom-paritr’ i Azia ary nilaza hoe, “Hitantsika izao ny fiantombohan’ ny asa iray mahagaga eto amin’ ity firenena ity.” Ny fitomboan’ ny Fiangonana sy ny fananganana tsatòka dia tanterahina araka ireo fitsipika mandrakizain’ ny filazantsara sy ireo lamin’ ny fisoronana izay napetraka.”

Raha nilaza ny Loholona Hallstrom fa izy dia vavolombelona faharoa amin’ ny fiantsoana ny fiadidian’ ny tsatòka vaovao, dia nazavainy ilay dingana mifono fanambarana eo amin’ ny fisafidianana ny mpitarika vaovao ao amin’ ny tsatòka. Amin’ ny maha-mpikambana azy ao amin’ ny Fitopololahy azy, hoy izy, dia notendrena izy ary tonga tsy niaraka tamin’ ny fitongilanana atsy na aroa na fihevitra mialoha. Tonga araka ny fomban’ ny Tompo izy ary miantehitra amin’ ny Fanahiny mba hahazo fanambarana. “Ny sitrapon’ ny Tompo dia ny haha-filohan’ ny tsatòka ny Filoha Gutty,” hoy ny Loholona Hallstrom.

Rahavavy Kristen Oaks izay niaraka tamin’ ny vadiny dia niresaka momba ny fampianarana ny ankizy mba hinoan’ izy ireo “satria nahafantatra izany ny renin’ izy ireo” (jereo ny Almà 56:48).

Ny Loholona Oaks izay mpandahateny farany nandritra ilay fivoriana dia naneho ny fankasitrahany tamin’ ny firenen’ i Inde, izay firenena iray ahitana fahalalahana ara-pivavahana ka nanome fahafahana ireo mpikambana ao amin’ ny Fiangonana “hivory sy hiresaka momba ireo fitsipiky ny finoantsika.”

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Oaks fa nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ ny Fanahy izy fa nomanin’ ny Tompo sy nofidiany ireo mpitarika izay voantso ireo. Niresaka koa momba ireo andraikitra vaovao eo anivon’ ny tsatòka ny Loholona Oaks.

Ny mpaminany Isaia ao amin’ ny Testamenta Taloha dia nampitaha an’ i Isiraely tamin’ ny lay iray izay nialofan’ ireo zanak’ i Isiraely, hoy izy. “Ny Fiangonana ankehitriny no ilay lay. Fantatsika rehetra fa ny lay iray dia tsy maintsy tohanana amin’ ny alalan’ ny tsatòka maromaro. Ankehitriny rehefa lasa tsatòkan’ i Ziona i Hyderabad, dia ho antenaina ianareo handroso sy hanome fanohanana lehibe kokoa eo amin’ ny lafin’ ny fahafolonkarena sy ny misiônera.”

Vokatry ny fitsanganan’ ny tsatòka dia ho afaka ny hahazo tsodranon’ ny patriarika ireo mpikambana ao Hyderabad. Ny Loholona Oaks dia nanazava ny zavatra hita ao anatin’ ny tsodranon’ ny patriarika, ka ireo fitahiana dia nofaritany ho toy ny “soratra masina ho an’ ny tena manokana.”

“Ny tsodranon’ ny patriarika dia manambara hoe taranak’ iza no misy anao ao amin’ ireo fokon’ i Isiraely, ka amin’ ny alalan’ izany no ahazoana fitahiana lehibe,” hoy ny Loholona Oaks. “Ny tsodranon’ ny patriarika koa dia manambara fitahiana sy fampanantenana izay azontsika antenaina raha toa ka mahatoky isika.”

“Rehefa miroborobo ny Fiangonana aty Inde dia ho tonga ny fotoana izay hahazoan’ ny mpaminany fitaomam-panahy hanorina tempoly aty Inde,” hoy izy nanohy. “Ny tsatòka rehetra miorina dia mampitombo ny fanampoizana fa hisy tempoly iray indray andro any. Rehefa maneho fahamendrehana sy fanoloran-tena ny olona dia ho tonga ny tempoly.”

Teo am-pamaranana dia nomen’ ny Loholona Oaks ny tsodrano: “Ao anatin’ ity tsatòka voalohany ao amin’ ity firenena lehiben’ i Inde ity dia mitsodrano anareo aho mba hahatsiaro ireo fampianarana tamin’ ity fotoana ity. Mitsodrano anareo aho mba hahatsiaro ireo fanekempihavanana izay nataonareo fony ianareo natao batisa. Mitsodrano anareo aho mba hanana fahatsiarovana sy fahavononana hitandrina ny didin’ Andriamanitra mba hahafahanareo mahazo ireo fitahiany.”

Ny fiadidian’ ilay Tsatòka vaovaon’ i Hyderabad Inde izay vao naorina (ankavia mankany ankavanana): Suresh Natarajan, mpanolotsaina voalohany; John Gutty, filoha; Rajaratnam Bushi, mpanolotsaina faharoa.

Tanora tokan-tena 600 latsaka kely avy any Inde sy Népal ary Sri Lanka no nivory tao anatin’ ny fihaonambe iray talohan’ ny fanorenana ny tsatòka voalohan’ i Inde.

Maribolana:

Nandritra ny fitsidihan’ ny Loholona Oaks sy ireo mpitarika hafa ao amin’ ny Fiangonana an’ i Hyderabad, Inde, dia nihaona tamin’ ireo mpikambana an-jatony avy tany Inde sy Népal ary Sri Lanka izy ireo.

Maribolana:

Sary nalain’ i James Dalrymple

Hamoaka printy