2012
Mitsena Vanim-potoana Vaovao eo amin’ ny Fiainana
Ôktôbra 2012


Mitsena Vanim-potoana Vaovao eo amin’ ny Fiainana

Moa ve ianao mipetraka any amin’ ny faritra izay hiovan’ ny hazo loko hiomanana amin’ ny ririnina? Ireto mpinamana efatra ireto dia mipetraka any amin’ ny faritra ahitana izany. I Noah B., Dylan L., Patrick M., ary Ben M. dia mipetraka any amin’ ny Nosy Prince Edward daholo izay any am-povoan-dranomasin’ ny faritra akaikin’ ny morontsirak’ i Canada. Toy ireo hazo ireo dia mivonona hiatrika an’ ilay vanim-potoana vaovao eo amin’ ny fiainana ireto ankizilahy ireto. Samy hifandimby ho feno 12 taona alohan’ ny faran’ ny taona izy rehetra ireo ary midika izany hoe handao ny Kilonga ary ho tonga soa ao amin’ ny Zatovolahy. Ireto ny zavatra tsy maintsy nolazain’ izy ireo mikasika ny hoe mitombo taona dia mandeha mandroso amin’ ny dingana manaraka.

Aoka Ianao Hitoetra amin’ ny Maha-ianao Anao

Rehefa nifindra tany amin’ io toerana io i Noah dia nampian’ ireo namany vaovao izy mba hizatra amin’ ny fiainana teo amin’ ilay nosy. Ankehitriny amin’ ny maha-zokiny indrindra azy ao amin’ ilay vondrona dia manampy azy ireo mba hizatra amin’ ny fiainana ao amin’ ny Zatovolahy izy. “Niahiahy mikasika ny fandraisana ahy sy ny fomba ahalalako ny hafa aho,” hoy i Noah raha niresaka nikasika ny Zatovolahy. “Nanampy tokoa ny fandehanana nanatrika ireo fiaraha-mientana.” Ny hiran’ ny Kilonga tian’ i Noah indrindra dia mikasika ny miaramilan’ i Helamàna ary toy izany no ahitany ny kôlejin’ ny fisoronana—miaraka miray hina.

Inona no toroheviny? “Aoka ianao hitoetra amin’ ny maha-ianao anao.”

Hajao ny Fisoronana

Ho an’ i Patrick ny fandraisana ny fisoronana dia tsy resaka hoe nahatratra sokajin-taona iray ianao. Resaka fahamendrehana sy fiomanana izany. “Tsy hoe mandray fotsiny ny fisoronana ianao satria 12 taona,” hoy i Patrick. “Mila miomana ianao.”

I Dylan dia mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiomanana. Miezaka ny tonga 15 minitra mialoha any am-piangonana izy mba hiomanana ara-panahy amin’ ny fizarana ny fanasan’ ny Tompo. “Nizara ny fanasan’ ny Tompo in-telo na in’ efatra aho ary isaky ny nanao izany dia nokasihan’ ny Fanahy ny foko. Mieritreritra aho fa tsy maintsy ho zatra an’ izany,” hoy ny filazany

Nilaza i Ben fa ny fizarana ny fanasan’ ny Tompo dia mampahatsiahy azy ny Fanasana Farany: “Nijoro teo i Jesoa. Mijoro eo amin’ ilay toerana nisy an’ i Jesoa isika ary tiany mba ho eo isika.”

Manàna Tanjona ho any amin’ ny Tempoly

I Ben dia manao asa mba hahazoana ny mari-pankasitrahana ao amin’ ny Devoirs Envers Dieu ary miandrandra ny hanao batisa ho an’ ny maty vao voalohany. “Mbola tsy tao anatin’ ny tempoly aho, saingy ny olon-kafa dia mijoro ho vavolombelona foana mikasika ny fahatsapana zavatra mitondra hafanana sy zavatra tsara rehefa avy any,” hoy i Ben.

Vao haingana i Noah no nanao ny fitsidihany voalohany ny tempoly. Nolazainy fa ireo zatovolahy ao amin’ ny kôlejiny dia nandray azy ho toy ny fianakaviana. “Mety ho sahiran-tsaina ianao, saingy hisy olona hanampy anao any,” hoy izy. “Hahatsapa fandraisana tsara ianao.”

Noah

Dylan

Patrick

Ben

Sary nalain’ i Marissa Widdison

Hamoaka printy