2012
Fomba Fitafy sy Bika Aman’ endrika
Ôktôbra 2012


Ry Tanora, Mahereza

Akanjo sy Bika Aman’ endrika

Ao anatin’ ity izao tontolo izao ity ankehitriny dia maro ireo tsy mahatakatra na tsy manaja ny maha-masina ny vatantsika. Miavaka ireo Olomasin’ ny Andro Farany amin’ ny alalan’ ny fanaovana akanjo izay mampiseho fa fantatsika ny maha-sarobidy ny vatantsika (jereo ny Jeunes Soyez Forts [bokikely, 2011], 6–8). Miresaka momba izany fitsipika izany i Mary N. Cook, mpanolotsaina voalohany ao amin’ ny fiadidian’ ny Zatovovavy maneran-tany ao amin’ ny pejy 52 ao amin’ ity laharana ity:

“Rehefa aorina ny tempoly iray dia misy ny fikarakarana lehibe an’ izany mba hahazoana antoka fa voaro sy voahaingo any anatiny sy ivelany izany. Ny fanalahidin’ ny fandrafetana ny tempoly dia ny fahatakarana fa ny tempoly dia maneho ny Tompo-Tranony izany. Isika dia manaja ny tempoly ho toy ny toerana masina izay ny olona mendrika ihany no afaka miditra ao. Isika dia maneho fanajana lalina ny tempoly satria ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana izay andraisantsika anjara dia manao izay ahafahantsika hiverina any amin’ ny Raintsika any an-danitra.

“Ny vatanao dia sarobidy kokoa noho ny tempoly faran’ izay tsara indrindra eto an-tany. Zanakalahy na zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianao! Ireo fitsipika ireo ihany koa—fanehoana, fanajana, fanomezam-boninahitra—dia tena miantefa bebe kokoa amin’ izany mba hikarakarana sy hiarovana ny vatanao.”

Ireto torohevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hampianatra ny zanakao ireo fitsipika marina mikasika ny akanjo sy ny bika aman’ endrika. Tsarovy koa fa ny ohatra asehonao eo amin’ ny fanaovanao akanjo maotina dia hampianatra ny zanakao ny maha-zava-dehibe ny fananana akanjo mifanaraka amin’ ny tokony ho izy.

Sosokevitra momba ny Fomba Hampianarana ny Tanora

  • Vakio miaraka amin’ ny zatovonao ny fizarana mikasika ny akanjo sy ny bika aman’ endrika ao amin’ ny Jeunes Soyez Forts. Ny fanaovana izany dia hanome fahafahana anao hiresaka an’ireo fotopampianarana sy fitahiana ary fampitandremana mikasika ilay fitsipika sy hamaly izay mety ho fanontaniana ananan’ ny zanakao lahy na vavy.

  • Manaova takarivan’ ny mpianakavy izay miompana amin’ ny maha-zava-dehibe ny fomba fiakanjo sy ny bika aman’ endrika. Afaka manontany ny fianakavianao ianao hoe, raha toa ny Tompo ka miaraka aminao any am-piangonana, dia mba inona no akanjo tianao hanaovana. Amin’ ny fomba ahoana no tianao hanehoana ny tenanao Aminy? Inona no tsapanao rehefa manao akanjo maotina ianao? Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra momba ny akanjo tokony hanaovana amin’ ny fotoana hafa toy ny any an-tsekoly na any am-piasana na any amin’ ny zava-miseho eo amin’ ny fiaraha-monina.

Sosokevitra momba ny Fomba Hampianarana ny Ankizy

  • Maneho ny zavatra manan-danja amintsika ny fomba fiakanjontsika. Mba hamelabelarana izany fitsipika izany dia manaova takarivan’ ny mpianakavy iray ka manao akanjo fanaovan’ ny misiônera ny tsirairay na manao ny akanjony tsara indrindra fitondrany Alahady.

  • Na dia mbola kely aza ny ankizy dia afaka manomboka manao akanjo maotina. Avereno jerena miaraka amin’ ny ankizy ireo torolalana hita ao amin’ ny pejy 7 ao amin’ ny Jeunes Soyez Forts ary mitadiava akanjo izay mifanaraka amin’ ireo torolalana ireo.

Sary nataon’ i Scott Greer

Hamoaka printy