2012
Ny Fomba Nijanonako ho Matanjaka tao amin’ ny Filazantsara
Ôktôbra 2012


HO AN’NY ZATOVO

Ny Fomba Nijanonako ho Matanjaka tao amin’ ny Filazantsara

12 taona no natao batisa ary izaho irery no hany mpikamban’ ny Fiangonana tao amin’ ny fianakaviako nandritra ny taona maro. Tsy mora foana anefa izany, saingy soa ihany fa nanana mpitarika tsara aho izay nanampy ahy tao anatin’ ilay diako nianatra ireo fotopampianaran’ ny filazantsara sy nampiasa ireo fotopampianarana ireo mba hanamafy orina sy hanatsara ny fiainako. Noho ny fanapahan-kevitro hijoro amin’ ny zavatra inoako, dia nahita fitahiana maro tonga teo amin’ ny fiainako aho ary taty aoriana teo amin’ ny fiainan’ ny olona tao amin’ ny fianakaviako koa.

Ireto ny zavatra sasany izay nanampy ahy hitoetra ho matanjaka.

  • Manakaikeza ny Ray any an-danitra amin’ ny alalan’ ny fanaovana zavatra toy ny vavaka ary ny fandalinana ny soratra masina. Fantany ny toe-javatra atrehintsika. Ny fanakaikezana Azy dia nanampy ahy hahatsiaro hoe iza moa aho.

  • Araho ny torohevitr’ ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana. Hitako teo amin’ ny fiainako manokana ny fahamarinan’ ny torohevitra avy amin’ ireo mpaminany sy apôstôly.

  • Fantaro fa ny fiainana ny filazantsara dia miteraka fiainana tsara ankehitriny sy mandrakizay. Nanampy ahy hihazona ireo fitsipiko sy ny finoako izany. Namporisika ahy handeha ho any amin’ ny tempoly ireo mpitarika, izay nanampy ahy hahazo sary an-tsaina ny fiainana mandrakizay.

  • Manàna namana tsara izay manaraka ny fitsipika arahinao. Nanana namana tsara izay nanamora ny fandraisako fanapahan-kevitra sy ny fihazonako ny finoako aho.

  • Manakaikeza ny fianakavianao. Tiako ny fianakaviako ary naniry ny hanorina fifandraisana mafy orina tamin’ izy ireo aho.

  • Iaino ilay fiainana. Araho ny fitsipika ary mandraisa anjara amin’ ireo fandaharan’ asan’ ny Fiangonana. Hanampy anao haneho ny finoana sy hanao safidy tsara izany. Ny safidy tsara dia matetika manamora kokoa ny fiainana ary mitondra fifaliana kokoa foana eo amin’ ny fiainana.

Hamoaka printy