2012
Ahoana no Ahafahana Manohy Miaina Araka ny Tokony Ho Izy ao amin’ ny Faritry ny Fahavalo
Ôktôbra 2012


Ahoana no Ahafahana Manohy Miaina Araka ny Tokony Ho Izy ao amin’ ny Faritry ny Fahavalo

Avy amin’ ny lahateny natao tamin’ ny 22 Janoary 2012 nandritra ny fampitana ny fahazato taonan’ ny seminera.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Mankalaza ny faha-100 taonan’ ny seminera ny Fiangonana. Mihazona kofehy izay miverina mankany amin’ ireo andro tany am-piandohana aho raha zara raha nisy ireo loharano ho an’ izany fandaharan’ asa izany.

Raha nanomboka tamin’ ny fomba tsotsotra isika dia ankehitriny manana mpianatra miisa 375.008 ao amin’ ny kilasin’ ny seminera any amin’ ny firenena 143 miaraka amin’ ireo mpampianatra manao asa an-tsitrapo sy mpampianatra amin’ ny fotoana feno. Mametraka ny fitokianay ao amin’ ireo zatovo izahay. Fantatray ny fanananareo lanja sy hery anaty.

Hanampy Anareo Handresy ny Fahavalo ny Fahendrena

Izaho dia miresaka toy ny olona efa nahita ny lasa ary hanomana anareo amin’ ny hoavy.

Mitombo ao anatin’ ny faritry ny fahavalo ianareo. Rehefa lasa matotra ara-panahy ianareo dia hahatakatra ny fomba nisovohan’ ny fahavalo tao amin’ ilay tontolo manodidina anareo. Izy dia hita any amin’ ireo tokantrano, fialamboly, fampitam-baovao, fiteny—ao amin’ ny zavatra rehetra manodidina anareo. Raha ny ankamaroan’ ny zava-miseho dia tsy hita ny fanatrehany eo.

Te hilaza aminareo an’ ilay zavatra tena manan-danja sy mampitsiriritra indrindra aho. Milaza ny soratra masina hoe: “Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena,” ary ampiako an’ izao izany: “Mandrosoa miaraka amin’ ireo zavatra rehetra azo [nareo!]” (Ohabolana 4:7). Tsy manana fotoana ho lanilaniana fotsiny aho ary toy izany koa ianareo. Noho izany dia henoy!

Tena nazava tato an-tsaiko ilay fotoana nanapahako hevitra ho mpampianatra. Vao 20 taona mahery kely aho nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ary mpanamory fiaramanidina tao amin’ ny Tafika An-habakabaka. Napetraka tao amin’ ny nosy kelin’ i Ie Shima aho. Io nosy io izay kely sy mitokana ary mitovy halehibe amin’ ny hajian’ ny paositra dia any amin’ ny afovoan-dranomasina akaikin’ ny lohany avaratr’ i Okinawa.

Indray harivam-pahavaratra raha irery aho dia nipetraka teo amin’ ny harambato iray mba hijery ny filentehan’ ny masoandro. Nieritreritra ny zavatra hataoko eo amin’ ny fiainako aho aorian’ ny ady raha toa ka tsara vintana aho hoe velona soa aman-tsara. Te ho inona aho? Tamin’ izay alina izay no nanapahako hevitra fa te ho mpampianatra aho. Nieritreritra aho fa ny mpampianatra dia mianatra foana. Ny fianarana no tanjona fototry ny fiainana.

Tamin’ ny 1949 tao Brigham City no nampianarako voalohany ny seminera. Mpianatra tao amin’ izany seminera izany aho fony mpianatra tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa.

Taranja telo tany am-piandohana no nampianarina tao amin’ ny seminera: Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao ary Tantaran’ ny Fiangonana. Nanana fahafahana nanampy kilasy iray vao maraina mba hampianarana ny Bokin’ i Môrmôna aho. Izaho dia niverina avy tany amin’ ny ady niaraka tamin’ ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’ i Môrmôna sy ny fahatakarana ny fiasan’ ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Hiaro Anao ao amin’ ny Faritry ny Fahavalo ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Nampianarina nandritra ny fiainanao mikasika ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao, saingy mety hijanona hatreo ihany ny fampianarana izany. Ianao dia afaka ary raha ny marina dia tsy maintsy mandeha irery eo amin’ ilay lalana sisa mba hahitana ao anatinao hoe ahoana no ahafahan’ ny Fanahy Masina ho hery mitarika sy miaro.

Mitovy ny dingana arahana ho an’ ny zatovolahy sy zatovovavy. Zavatra katsahana mandritra ny fiainana ny fanaovana izay ahitana ny fomba fiasan’ ny Fanahy Masina. Raha vao hitanao izany dia afaka miaina ao anatin’ ny faritry ny fahavalo ianao ary tsy ho voafitaka na ho ringana. Tsy misy mpikambana ato amin’ ity Fiangonana ity—ary midika izany hoe tsy misy aminareo tsirairay ireo—izay hoe nanao hadisoana lehibe ka tsy nampitandremin’ ny bitsiky ny Fanahy Masina aloha.

Indraindray rehefa nanao hadisoana ianao dia mety niteny an’ izao taorian’ izany hoe: “Efa fantatro fa tsy tokony nanao an’ iny aho.” Tsy nety ilay izy,” na angamba hoe: “Fantatro fa tokony ho nataoko izany. Tsy nanana ny herim-po hanaovana azy fotsiny aho!” Ireo zavatra tsapa ireo dia tsy inona fa ny Fanahy Masina izay miezaka ny mitarika anao any amin’ ny tsara na mampitandrina anao mba tsy ho tra-pahavoazana.

Misy zavatra vitsivitsy tsy azonao atao raha tiana hijanona hisokatra ny lalam-pifandraisana. Tsy afaka ny hoe handainga na hametsifetsy na hangalatra na haneho fahalotoam-pitondrantena ianao dia hihevitra ny hihazona an’ ireo ambaratongam-pifandraisana ireo tsy ho tratran’ ny fikorontanana. Aza mandeha any amin’ ny faritra izay manohitra ny fifandraisana ara-panahy.

Tsy maintsy mianatra mikatsaka ilay hery sy fitarihana izay omena anao ianao, dia manaraka izany lalana izany na inona na inona mitranga.

Apetraho voalohany ao amin’ ny lisitrao misy ny “zavatra tokony hatao” ny teny hoe vavaka. Vavaka mangina no hataonao ao anatin’ ny ankamaroan’ ny fotoana. Afaka mieritreritra vavaka iray ianao.

Afaka manana taribim-pifandraisana mivantana amin’ ny Rainao any an-danitra foana ianao. Aza avela mandresy lahatra anao ny fahavalo hoe tsy misy mihaino eny amin’ ny lohany ilany. Heno foana ny vavaka ataonao. Tsy Irery Ianao!

Karakarao ny vatanao. Aoka ianao hadio. “Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?” (1 Korintiana 3:16).

Vakio tsara ireo fampanantenana hita ao amin’ ny fizarana 89 ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny Tenin’ ny Fahendrena dia tsy mampanantena fahasalamana tanteraka fa hoe lasa hatanjaka ny fitaova-mpandray ara-panahy ao anatinao.

Halaviro ny tombokavatsa ary ireo zavatra mitovy amin’ izany izay mandoto ny vatanao. Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ny vatanao.

Mampianatra Izay Zavatra Marina ny Torohevitra avy amin’ ny Mpaminany

Izao aho dia te hiresaka amin’ ny fomba fanaovan-dresaka mivantana mikasika ny lafin-javatra iray hafa.

Fantatsika fa ny hoe mahalahy sy mahavavy dia efa napetraka tany amin’ ny tontolo talohan’ ny nahaterahana.1 “Ny fanahy sy ny vatana no atao hoe olona velona” (F&F 88:15). Lasa mampiahiahy be tokoa an’ ireo Rahalahy io resaka mahalavy sy mahavavy io toy ireo lafin-javatra rehetra mikasika ny fitsipi-pitondrantena.

Ny sasantsasany aminareo dia mety nahatsapa na nolazaina fa teraka tao anatin’ ny fahatsapan-javatra mikorontandrotana ary tsy meloka raha toa ka mirotsaka ao anatin’ ireo fakam-panahy ireo. Fantatsika ara-potopampianarana fa raha marina izany dia ho nesorina ny fahafahantsika misafidy saingy tsy hitranga anefa izany. Manana safidy ny hanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina foana ianao ary hanana fiainana madio ara-pitondrantena izay feno hatsarana.

Nanambara an’ izao manaraka izao ny Filoha Gordon B. Hinckley nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana: “Manontany ny fihevitsika ny olona mikasika an’ ireo izay mandray ny tenany ho … lehilahy mirona amin’ ny fitiavana lehilahy na vehivavy mirona amin’ ny fitiavana vehivavy. Ny valinteniko dia hoe tiantsika izy ireo amin’ ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra azy ireo. Mety manana karazana fironana sasantsasany izay mahery vaika sy mety ho sarotra fehezina izy ireo. Ny ankamaroan’ ny olona dia manana karazana fironana iray na anankiray hafa amin’ ny fotoana samihafa. Rehefa tsy manao fihetsika manaraka izany fironana izany izy ireo dia afaka ny handroso toy ireo mpikambana hafa rehetra ao amin’ ny Fiangonana. Raha mandika ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena sy ireo fenitra ara-pitondrantenan’ ny Fiangonana izy ireo dia iharan’ ny fitsipi-pifehezan’ ny Fiangonana tsisy hafa amin’ ireo olon-kafa.

“Te hanampy ireny olona ireny izahay ary hampahery sy hanampy azy ireo amin’ ireo olana ananany sy hanampy azy amin’ ny zava-tsarotra lalovany. Nefa tsy afaka ny hijery fotsiny isika raha toa izy ireo manao fihetsika mifanohitra amin’ ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena sy raha miezaka izy ireo ny hanohana sy hiaro ary hiaina an’ ilay lazaina hoe fanambadian’ ny lehilahy samy lehilahy na fanambadian’ ny vehivavy samy vehivavy. Raha omena vahana ny zavatra toy izany dia ho toy manamaivan-danja ilay fototra tena manan-danja sy masin’ ny fanambadiana nankatoavin’ Andriamanitra ary ny tena tanjony, dia ny manorina fianakaviana.2

Niteny ho an’ ny Fiangonana ny Filoha Hinckley.

Ampiasao ny Fahafahanao Misafidy mba Hijanonana na Hiverenana ao amin’ ny Faritra Azo Antoka

Ny fanomezana voalohany azon’ i Adama sy i Eva dia ny fahafahana misafidy: “Mahazo mifidy ho an’ ny tenanao ianao, satria omena anao izany” (Moses 3:17).

Manana izany fahafahana misafidy izany koa ianao. Ampiasao amim-pahendrena izany mba handavana ny hanaovana zavatra avy amin’ ny fihetsehampo tsy hay tohaina izay maloto na handavana fakam-panahy ratsy izay mety tonga ao an-tsainao. Aza mandeha any fotsiny, ary raha toa efa any ianao dia mialà tao ary miverena. “[Lavo] ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra” (Môrônia 10:32).

Aza kitikitihana irery na miaraka amin’ ny lehilahy na vehivavy ny herin’ ny fananahana ao anatin’ ny vatanao. Izay no fitsipiky ny Fiangonana ary tsy hiova izany. Rehefa mihamatotra ianao dia misy ny fakam-panahy te hanandrana na hamantatra zavatra mifono fahalotoana ara-pitondrantena. Aza manao izany!

Ilay teny tena manan-danja dia hoe fifehezana—fifehezan-tena. Aoka ianao ho mpanara-dia ny Mpamonjy ary dia ho voaro ianao.

Mety hieritreritra ny iray na roa aminareo hoe: “Efa meloka noho ity na iry hadisoana lehibe iry aho. Efa tara loatra aho.” Tsy misy an’ izany hoe efa tara izany.

Nampianarina momba ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ianao tany an-tokantrano sy tao amin’ ny seminera. Toy ny gaoma ny Sorompanavotana. Afaka mamafa ny fahatsapana ho meloka izany sy ny vokatr’ izay zavatra nahatonga anao hahatsapa ho meloka.

Fanaintainana ara-panahy ny fahatsapana ho meloka. Aza mizaka fanaintainana mafy. Esory izany. Vitao ny momba izany. Mibebaha ary raha ilaina dia mibebaha indray dia ataovy foana izany mandrapahatonganao—fa tsy ny fahavalo—ho tompon’ andraikitry ny tenanao.

Tonga avy amin’ ny Fibebahana Matetika ny Fiadanana Maharitra

Hita fa lasa fitohitohizan’ ny fitsapana sy hadisoana ny fiainana. Ampio hoe “mibebaka matetika” ny lisitry ny zavatra tokony hataonao. Hitondra fiadanana maharitra ho anao izany izay tsy voavidin’ ny vola eto an-tany. Ny fahatakarana ny Sorompanavotana dia mety fahamarinana tena manan-danja iray azonao ianarana mandritra ny fahatanoranao.

Raha toa ianao ka miarakaraka amin’ ny olona hafa izay mampirefarefa anao amin’ ny tany fa tsy mampivoatra anao dia ajanony izany ary miovà namana. Mety ho irery ianao ary manirery indraindray. Ny fanontaniana manan-danja mety hapetraka amin’ izay dia ny hoe: “Rehefa irery ianao, moa ve miaraka amin’ ny namana tsara toetra?”

Ny fanajanonana ny fahazarana iray izay navelanao hamatotra anao dia mety ho sarotra. Saingy ao anatinao ilay hery. Aza kivy. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra hoe “ny olona rehetra izay manana vatana dia manana hery eo amin’ ireo izay tsy manana.”3 Afaka manohitra ny fakam-panahy ianao!

Tsy hoe tena hihaona manokana amin’ ilay fahavalo akory ianao. Tsy maneho ny tenany toy izany izy. Saingy na dia tonga manokana eo aminao aza izy mba hisedra sy haka fanahy anao dia manana tombony ianao. Afaka mampiasa ny fahafahanao misafidy ianao ary dia tsy hanelingelina anao izy.

Araraoty ireo Fitahiana avy amin’ ny Seminera

Tsy olona tsotra ianao. Tena miavaka ianao. Tena tsy mana-tsahala ianao. Ahoana no ahafantarako izany? Fantatro izany satria ianao dia teraka tao anatin’ ny fotoana sy toerana izay ahafahan’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy ho tonga eo amin’ ny fiainanao amin’ ny alalan’ ireo fampianarana sy zavatra atao ao an-tranonao sy ao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Izany araka ny nilazan’ ny Tompo tenany azy no “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ ny tany manontolo” (F&F 1:30).

Misy zavatra hafa azontsika ampidirina ao amin’ ilay lisitra, saingy fantatrao ny tokony hataonao sy ny tsy tokony hataonao eo amin’ ny fiainanao. Fantatrao ny mety sy ny tsy mety ary tsy mila baikoina amin’ ny zava-drehetra ianao.

Aza simbasimbaina fotsiny ireo taonan’ ny fianarana seminera. Araraoty ilay fitahiana lehibe anananao ianarana ireo fotopampianaran’ ny Fiangonana ary ireo fampianaran’ ny mpaminany. Ianaro izay zavatra tena manan-danja. Hitahy anao sy ny taranakao maro ho avy izany.

Afaka taona vitsivitsy dia hanambady sy hanan-janaka ianao, fanambadiana izay tokony hofehezina any amin’ ny tempoly. Ny vavaka ataonay dia ny mba hahafantaranareo ny tenanareo sy ny zavatra tianareo hatao ary ny hitoeranareo soa aman-tsara ao amin’ ny fianakavian’ ny paroasy na sampana.

Mandrosoa Amim-panantenana sy Amim-pinoana

Aza matahotra ny hoavy. Mandrosoa amim-panantenana sy amim-pinoana. Tsarovy ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay avy an-danitra. Mianara mba hanaiky ho ampianarin’ izany. Mianara mikatsaka izany. Mianara miaina amin’ ny alalan’ izany. Mianara mivavaka foana amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 18:19–20). Ny Fanahin’ ny Tompo dia hanampy anareo ary hitahy anareo.

Manana finoana lalina anareo izahay.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho—fijoroana ho vavolombelona izay azoko fony aho mbola zatovo. Ary tsy samy hafa na amin’ iza na amin’ iza na amiko aza ianareo. Manana zo be dia be hahazo izany fijoroana ho vavolombelona izany toy ny hafa ianareo. Ho tonga aminao izany rehefa ataonao izay ahazoana azy. Omeko anareo ny tsodranon’ ny Tompo—tsodrano mba hahatongavan’ izany fijoroana ho vavolombelona izany eo amin’ ny fiainanareo mba hitarika anareo rehefa manomana hoavy feno hasambarana ianareo.

Fanamarihana

  1. Jereo “Family: A Proclamation to the World,” Liahona, Nôv. 2010, 129; jereo koa ny Mosesy 3:5; Abrahama 3:22–23.

  2. Gordon B. Hinckley, “What Are People Asking about Us?” Ensign, Nôv. 1998, 71.

  3. Enseignements des Présidents de l’ Eglise: Joseph Smith (2007), 211.

Sary nataon’ i Cary Henrie

Sary mitovy amin’ ny nalain-tahaka nataon’ i Scott Greer

Hamoaka printy