2012
Hisafidy ny Asa ve Aho sa ny Fiangonana?
Ôktôbra 2012


Hisafidy ny Asa ve Aho sa ny Fiangonana?

Kenya Ishii, Japana

Nivady tao amin’ ny Tempolin’ i Tokyo Japon izaho sy ny vadiko tamin’ ny 1981. Tsy mora tamin’ ny voalohany ny fiainanay taorian’ ny fanambadiana. Feno fankasitrahana aho noho ny fananako asa saingy sahirana izahay nanenjika ny vola ilainay. Nangataka fanampiana tamin’ ny Ray any an-danitra izahay ary nanao izay vitanay mba hivelomana amin’ izay eo am-pelatanana sy handoavana ny fahafolonkarena. Fantatray fa raha matoky ny Tompo izahay dia hanome izay ilainay Izy.

Tao anatin’ ny herinandro anankiray dia samy nitondra zavatra kely nohetezana avy tao amin’ ny gazety ny vadiko sy ny namako. Tolotr’ asa iray mitady mpampianatra Anglisy mandritra ny fotoana feno izany.

Nandefa curriculum vitae tany amin’ ilay orinasa aho ary nangatahany mba ho tonga hanao tafa sy dinika. Tany amin’ ny faran’ ilay tafa sy dinika dia nilaza ilay mpanao tafa sy dinika hoe: “Nosoratanao tato amin’ ny curriculum vitae momba anao fa nanao asa an-tsitrapo mba ho misiôneran’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ianao. Midika izany fa miangona ianao isaky ny alahady sa tsy izany? Raha toa ka mila manapa-kevitra ianao hoe hiangona sa hiasa isaky ny alahady dia inona no hofidianao?”

Fanontaniana sarotra izany satria nila asa tsara kokoa aho. Saingy taorian’ ny fisaintsainana kely dia namaly aho hoe: “Handeha hiangona aho.”

Hoy ilay mpanao tafa sy dinika niaraka tamin’ ny tsiky hafahafa hoe: “Hay! azoko.” Dia nalefany aho niaraka tamin’ ny fampanantenana fa handray fanapahan-kevitra ny orinasany ny harivan’ iny ary tokony hiantso aho hahafantarana ny vokany. Rehefa nandao an’ ilay efitrano aho dia nieritreritra hoe tsy nahomby.

Rehefa harivariva tamin’ izay dia tonga ilay fotoana iantsoana. Niantso tamim-pahatahorana lehibe ny nomeraon’ ilay orinasa aho.

“Nanao ahoana ny valin’ ilay tafa sy dinika?” Hoy aho nanontany an’ ilay sekretera. “Tsy nahomby aho sa tsy izany?”

Gaga aho nefa faly tamin’ ilay valinteniny.

“Te hangataka anao hiasa ho anay izahay,” hoy izy.

Iray volana teo ho eo taty aoriana dia fantatro ny antony nahazoako ilay asa. Nanazava ilay sekretera fa ilay mpanao tafa sy dinika dia nipetraka tany akaikin’ ireo misiônera Olomasin’ ny Andro Farany manao asa fitoriana amin’ ny fotoana feno. Matetika izy no mahita ireo misiônera mandeha haingana rehefa mitaingina ny bisikiletany hamonjy ny asany amin’ ny maraina.

“Nino izy fa noho ianao mpikambana ao amin’ izany fiangonana izany, dia hiasa mafy ho anay toy ny fiasan’ ireo misiônera ho an’ ny fiangonany,” hoy izy. “Tsara vintana ianao!”

Nanomboka tamin’ izay dia nanana izay nilainay foana ny fianakavianay.

Isaky ny mieritreritra an’ izany zavatra miavaka niainana izany aho dia mahazo famporisihana sy fankaherezana. Fantatro fa matetika Andriamanitra mampiasa olona hafa mba hitahiana ny zanany. Tena mbola tsy ampy ny fanehoako fankasitrahana ny vadiko sy ny namako noho ny fanentanam-panahy azon’ izy ireo mba hitondra ilay gazety misy tolotr’ asa tany amiko, ary fankasitrahana an’ ireo misiônera miasa mafy sy ny ohatra asehony, ary fankasitrahana an’ ilay Raintsika any an-danitra be famindram-po sy fitiavana ary feno fikarakarana, izay manana hery mahagaga hanolorana ireo toe-javatra iainantsika mba hahasoa antsika.

Hamoaka printy