2012
Mampifandray ny Tantaram-pianakaviana sy ny Asa Atao any amin’ ny Tempoly ireo Zatovo Bireziliana
Ôktôbra 2012


Mampifandray ny Tantaram-pianakaviana sy ny Asa Atao any amin’ ny Tempoly ireo Zatovo Bireziliana

Nahatsikaritra zavatra iray izay lasa miseho matetika i José A. Moscão: ireo zatovo izay tonga any amin’ ny Tempolin’ i Campinas Brésil dia toa “nandany fotoana ela nipetrahana sy niandrasana.”

Rahalahy Moscão, talen’ ny foiben’ ny tantaram-pianakaviana izay mifanila amin’ ny tempoly, dia nahafantatra fa noho ny halaviran-dalana tsy maintsy diavin’ ny zatovo maro mba hahatongavana any amin’ ny tempoly dia nanao diabe miaraka ny ankamaroan’ izy ireo ary nijanona teo nandritra ny andro maro. Tsy azo nialana ny fotoana teo anelanelan’ ireo fotoana anatrehany ny ao amin’ ny toerana fanaovana batisa sy ny fotoam-pisakafoanana ary ny fiandrasana ny ray aman-dreniny sy ny mpitarika azy ireo izay nandray anjara tamin’ ny fanaovana ôrdônansy hafa tao amin’ ny tempoly.

Saingy angamba, hoy izy nieritreritra, afaka manolotra safidy hafa ho an’ ny zatovo izy ankoatry ny fandehandehanana eo an-tokotanin’ ny tempoly isaky manana fotoana malalaka izy ireo.

Dia nataony izany.

Fanasana

Nanomboka nanasa zatovo mba ho ao amin’ ny foibe izy ary nanolo-tena ny hampianatra azy ireo ny fanaovana firaketana anarana faobe na indexation ao amin’ ny FamilySearch.

Menatra na tsy niraika ny sasany tamin’ ny voalohany. Saingy nilaza Rahalahy Moscão fa rehefa niresaka tamin’ izy ireo izy mikasika ny famonjena ny olona ao anatin’ ny haizina sy ny fitondrana ny anaran’ izy ireo ho eo amin’ ny hazavana ho fankatoavana ny tenin’ ny mpaminany velona dia nanohina ireo zatovo izany (jereo ny David A. Bednar, “Hitodika ny Fon’ ny Zanaka,” Liahona sy Ensign, Nôv. 2011, 24–27).

Zava-dehibe ny fahitana ny tempoly sy ny foiben’ ny tantaram-pianakaviana ao amin’ ny toerana iray ihany satria izany dia manamafy amin’ ny fomba azo tsapain-tanana fa ny asa atao any amin’ ny tempoly sy ny asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana dia lafin-javatra roa ao anatin’ ny ezaka iray lehibe. Izany hoy i George A. Oakes, filohan’ ny Tempolin’ i Campinas Brésil, dia zavatra iray izay manomboka ianaran’ ny zatovo ao amin’ ny distrikan’ ny tempoly.

“Talohan’ ny fanantitranterana ny fanaovana izay hampandraisana azy ireo anjara amin’ ny tantaram-pianakaviana sy ny firaketana anarana faobe, dia niompana tamin’ ny fanaovana batisa ho an’ ny maty fotsiny ihany ny tena anton’ ny dian’ izy ireo tany amin’ ny tempoly. Ankehitriny dia lasa tafiditra ao anatin’ ny asa ataon’ izy ireo ny firaketana anarana faobe,” hoy izy.

Fampidirana

Rehefa tonga ao amin’ ny foibe ireo zatovo dia ampahafantarin-dRahalahy Moscão sy ireo misiônera miasa an-tsitrapo ao amin’ ny foibe azy ireo ao anatin’ ny fanoroan-dalana fohy sy tsotra ireto torolalana manaraka ireto:

  • Lasa mpamonjy eo an-tendrombohitra Ziona izy ireo (jereo ny Obadia 1:21).

  • Mankatò ny antson’ ny mpaminany iray izy ireo (jereo ny “Hitodika ny Fon’ ny Zanaka”).

  • Mamonjy ny olona hiala ao amin’ ny haizina izy ireo—ilay haizin’ ireo sary efa hadino hatry ny ela sy ireo boky firaketana feno vovoka izay mipetraka any amin’ ireo birao sy trano fiangonana. Ny firaketana anarana faobe dia mamoaka ireo anarana ireo ho eo amin’ ny hazavana ary mahatonga azy ireo ho azo karohana mba hahafahan’ ny fianakaviany mahita azy ireo.

  • Rehefa mirotsaka ao amin’ ity asa ity izy ireo dia handray anjara ao amin’ ny lafiny iray hafa amin’ ity “lohahevitra faran’ izay be voninahitra indrindra ity amin’ ireo lohahevitra rehetra izay hita ao amin’ ny filazantsara maharitra mandrakizay dia ny batisa ho an’ ny maty izany” (F&F 128:17).

  • Hampiasa ny fotoany izy ireo ao anatin’ ilay asa lehibe fanavotana ny maty, izay mitahy ny fianakaviana.

  • Anisan’ ny fianakavian’ Andriamanitra isika rehetra izao. Noho izany rehefa mirakitra ny anaran’ ireo olona tsy fantany ireo izy ireo dia mbola manampy ny fianakaviany ihany.

  • Raha vao mahatakatra ny fomba fandraisana anjara ao amin’ ny firaketana anarana faobe izy ireo dia manana fahafahana hampianatra ireo olona ao amin’ ny fianakaviany sy ireo tanora hafa ao amin’ ny paroasiny sy ny sampana misy azy ireo mba handray anjara koa.

Dia ampiasan-dRahalahy Moscão sy ireo misiônera ireo solosainan’ ny foibe mba hampisehoana an’ ireo zatovo ny fomba fanombohana ny firaketana anarana faobe sy ny fomba fampidirana sy fampiasana ilay logiciel rehefa tonga any an-trano izy ireo. Raha vao takatr’ izy ireo izany hoy Rahalahy Moscão dia “manomboka mirakitra anarana miaraka amin’ ny hery tsy misy toy izany” izy ireo.

Fientanentanana ao anatin’ ilay Asa

Hita taratra eo amin’ ny tarehimarika izany fientanentanana izany. Tao anatin’ ny roa volana voalohan’ ny taona 2012 dia nahatafiditra anarana miisa 6.370 ireo mpitsidika, ka ny 3.305 tamin’ izany dia noraketin’ ny zatovo teo amin’ ny 12 ka hatramin’ ny 18 taona. Raha ny marina, mba hanomezana fahafaham-po ny fitomboan’ ny fahalianana eo amin’ ny firaketana anarana faobe, dia matetika ny foiben’ ny tantaram-pianakaviana ao Campinas no manalava ilay ora fisokafany mahazatra izay amin’ ny 8 ora maraina ka hatramin’ ny 6 ora hariva, ka lasa mbola misokatra izany hatramin’ ny 10 ora alina.

Kanefa tsy hoe avelan’ ireo zatovo any akory ny firaketana anarana faobe rehefa mandao ny tempoly izy ireo. Rehefa tonga any an-trano izy ireo dia manohy ilay anjara asany ao anatin’ ilay antsoin-dRahalahy Moscão hoe “ilay andian-tafiky ny mpirakitra anarana mavitrika mihoatra ny 170.000 izay ananan’ ny Fiangonana ankehitriny.” Maro no mahatanteraka tanjona ao anatin’ ny Devoirs Envers Dieu sy ny Mon Progrès Personnel amin’ ny alalan’ ny asa firaketana anarana faobe ataony.

Hery Mitarika amin’ ny Tsara

Tamin’ ny voalohandohan’ ity taona ity dia nanao dia nankany amin’ ny tempoly niaraka tamin’ ny reniny sy ny rahavaviny i Isabela A., izay 16 taona ary avy any Vila Velha, Espírito Santo, Brésil. Ny andro faran’ izany dian’ izy ireo izany dia nanamarika ny herintaona nahafatesan’ ny renibeny. Natao batisa isoloana tena ho an’ ny renibeny i Isabela ary ny reniny no nanao ireo ôrdônansin’ ny tempoly hafa ho azy.

Nanazava i Isabela hoe: “Tsapako nandritra ilay dia fa nila nanao zavatra tsara aho. Naniry ny hianatra hanao firaketana anarana faobe aho ary nahazo fanampiana avy tamin-dRahalahy José Moscão.

“Ka rehefa natao batisa ho an’ ny renibeko aho dia nahatsapa lalina ny Fanahy. Nahatsapa aho fa maro ireo olona any ankoatry ny voaly no sasa-miandry ary nila ny fanampiako izy ireo. Nahatsapa aho fa afaka manome ampahany kely amin’ ny fotoanako mba hanompoana ary afaka manao zavatra maro ho an’ ireo olona ireo. Asam-pitiavana ny firaketana anarana faobe.”

Mandritra ny dia atao any amin’ ny tempoly dia mandray anjara amin’ ny firaketana anarana faobe ao anatin’ ny FamilySearch eny anelanelan’ ny fotoana anatrehany ny ao amin’ ny toerana fanaovana batisa ireo zatovo ao amin’ ny distrikan’ ny Tempolin’ i Campinas Brésil.

Sary nalain’ i José A. Moscão

Hamoaka printy