2012
Mandrindra ny Fandaharam-potoanantsika ho an’ ny Fihaonambe
Ôktôbra 2012


Mandrindra ny Fandaharam-potoanantsika ho an’ ny Fihaonambe

Rehefa tsy voakorontan’ ny zavatra hafa ankoatra ny zavatra fanao mahazatra intsony ny fotoananay dia afaka nahatsapa bebe kokoa ny Fanahy izahay rehefa nihaino ny fihaonamben’ ny Fiangonana.

Taona maro lasa izay raha mbola kely ireo zanakay enina dia nanapa-kevitra izahay fa te hanome lanja bebe kokoa ny fihaonamben’ ny Fiangonana. Niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fijerena ny fihaonamben’ ny Fiangonana miaraka amin’ ny saina mazava sy vatana milamina izahay. Ny fihaonambe dia fotoana lehibe handraisana torolalana avy amin’ ireo mpaminany amin’ izao fotoana izao. Noho izany dia nametraka tanjona izahay mba tsy hanao zavatra hafa ankoatra ny zavatra fanao mahazatra mandritra ny andro vitsivitsy alohan’ ny fihaonambe na mandritra ilay faran’ ny herinandro hanaovana ny fihaonambe. Nasianay marika ireo andro ireo teo amin’ ny alimanakanay ary nanolo-tena izahay tsirairay avy fa tsy hanao zavatra hafa ankoatra ny zavatra fanao mahazatra mandritra ireo andro ireo.

Raha misafidy ny hampiasa izany fomba izany koa ianao, dia hanana ny mampiavaka azy izany ho an’ ny fianakavianao sy ny toe-javatra iainanareo, saingy ho an’ ny fianakavianay ny hoe “zavatra hafa ankoatra ny zavatra fanao mahazatra” dia faritanay ho toy ny fanatrehana ireo hetsika any am-pianarana, fanasana ireo ankizy mpifanolobodirindrina ho tonga ao an-trano, fandehanana manao zavatra miaraka amin’ ny namana any ivelany, fanaovana fety na fisakafoanana miaraka amin’ ny namana na ny fianakaviana, fanaovana asa na asa an-jaridaina eo anelanelan’ ny fihaonambe na mandritra izany, tsy fanaovana ny enti-mody raha tsy amin’ ny ora farany ary fanekena asa fanampiny avy any am-piasana.

Rehefa tonga ilay herinandro talohan’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia mafy ny niteny hoe tsia teo anatrehan’ ireo zavatra hafa ankoatra ny zavatra fanao mahazatra ireo, saingy tao anatin’ ny ankamaroan’ ny fotoana dia nanao safidy tsara tamim-pifaliana mba hanatrarana ilay tanjonay ny olona tao amin’ ny fianakavianay. Hitanay fa te handray anjara amin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana ny zanakay kely indrindra. Mihevitra aho fa izany dia noho ny famerimberenanay ny firesahana ny maha-zava-dehibe ny fihaonambe nandritra ilay herinandro nialohan’ izany.

Faly aho manao tatitra fa ny fanatsorana ny fandaharam-potoananay nandritra ireo andro talohan’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia nanova tanteraka ny zavatra niainan’ ny fianakavianay. Voaomana hiatrika ny fihaonambe ny fonay sy ny sainay. Tsy voakorontan’ ny zavatra hafa ankoatra ny zavatra fanao mahazatra ny fotoananay ka dia afaka nahatsapa ny Fanahy izahay rehefa nipetraka sy nihaino ireo torohevitra avy amin’ ireo mpitarika anay.

Nanohy ny tanjonay izahay isaky ny misy fihaonambe satria mameno fiadanana ny tokantranonay izany. Na dia tsy mipetraka ao an-tranonay intsony aza ny ankamaroan’ ny zanakay dia mamporisika azy ireo izahay mba mbola handrindra ny fandaharam-potoanany ao anatin’ ireo andro vitsivitsy mialoha ny fihaonambe sy mandritra ny fihaonambe toy ny ataonay ao an-trano. Miezaka koa izahay ny manokana fotoana mba hiarahan’ ny fianakaviana iray manontolo mijery fivoriana irain’ ny fihaonambe. Manantena aho fa rehefa manambady sy manan-janaka ny zanakay dia hanohy hanome lanjany lehibe ny fiainany ny fihaonambe izy ireo amin’ ny alalan’ ny fandrindrany ny fandaharam-potoanany.

Sary nalain’ i Sarah Jenson

Hamoaka printy