2012
Manomana Antsika amin’ ny Hoavy ny Fiainana ao anatin’ ny Fitsitsiana
Ôktôbra 2012


Ny Zavatra Inoantsika

Manomana Antsika amin’ ny Hoavy ny Fiainana ao anatin’ ny Fitsitsiana

Ny Olomasin’ ny Andro Farany dia mino ny fiomanana sy ny fizakan-tena. Isika dia mino ny fiomanana ara-pianarana mba hahazoana asa, ny fiomanana ara-bola mba hiatrehana ny olana ara-bola, ny fiomanana ara-nofo mba hiatrehana ireo loza ara-boajanahary sy ireo olana hafa. Ny tena zava-dehibe dia mino ny fiomanana ara-panahy amin’ ny Fiavian’ i Jesoa Kristy Fanindroany isika sy amin’ ny fiainana miaraka amin’ ny Raintsika any an-danitra indray. Izany fomba entina hiomanana izany dia antsoina hoe fiainana ao anatin’ ny fitsitsiana.

Ny fiainana ao anatin’ ny fitsitsiana dia mitaratra ilay tena toetrantsika mandrakizay: isika dia natao mba “[h]ihetsika ho azy fa tsy etsehina” (2 Nefia 2:26). Tian’ ny Tompo mba ho tompon’ andraikitra sy hahaleo tena isika (jereo ny F&F 78:14). Tiany isika mba hiaina ao anatin’ ny fitsitsiana noho ireo toetra izay lasa ananantsika rehefa mizotra ao anatin’ izany dingana izany: tompon’ andraikitra, malala-tanana, matotra, tsara fanahy. Satria rehefa mizaka tena bebe kokoa isika dia afaka manampy tsara kokoa ny fianakaviantsika sy ny hafa. Ahoana moa no ahafahantsika mamahana ny noana raha toa isika aza noana? Ahoana moa no ahafahantsika mizara fahalalana raha toa isika aza tsy manam-pahalalana? Ahoana moa no ahafahantsika manorina ny finoan’ ny hafa raha toa isika aza tsy manam-pinoana?

Ny fitsipiky ny fiainana ao anatin’ ny fitsitsiana dia ahitana ireto manaraka ireto:

  • Fiomanana “Miomana ianareo, miomana ianareo ho amin’ izay ho avy, fa efa akaiky ny Tompo” (F&F 1:11–12).

  • Fahazotoana. ”Tsy hidonanaha-poana ianao (F&F 42:42).

  • “Katsahonareo ny fianarana amin’ ny alalan’ ny fandinihana ary koa amin’ ny alalan’ ny finoana” (F&F 88:118).

Rehefa manao izay vitany ny mpikamban’ ny Fiangonana nefa mbola tsy manana ireo zavatra fototra ilainy ihany, dia voalohany indrindra mitodika any amin’ ny fianakaviany aloha izy ireo mba hitady fanampiana. Raha toa ka tsy ampy izany dia afaka manampy ny Fiangonana. Ny eveka sy ny filohan’ ny sampana dia afaka mampiasa ireo loharano avy ao amin’ ny “trano fitehirizan’ ny Tompo” mba hanampiana ny mpikambana (jereo ny F&F 82:18–19). Izay fanampiana rehetra avy amin’ ny Fiangonana dia natao mba hanampiany ny mpikambana hanampy ny tenany ary hamporisihana azy ireo hiasa eo amin’ ny fiainany.

Afaka miasa mba ho lasa mizaka tena isika ao anatin’ ireto lafin-javatra manaraka ireto:

  • Tanjaka ara-panahy Matokia ny Tompo; tandremo ny didy; mivavaha ary halalino ny soratra masina; manompoa ny hafa.

  • Tanjaka ara-batana: Hajao ny Tenin’ ny Fahendrena; manaova fampiasam-batana; matoria araka ny tokony ho izy; manàna fitaovam-pidiovana manara-penitra ary fahadiovana tsara.

  • Fampianarana: Aoka ianao hahay hamaky teny sy manoratra; mianara fahaiza-manao arak’ asa; halalino ireo “boky tsara indrindra” (F&F 88:118).

  • Asa: Miasa mba hanomezana izay ilain’ ny tenanao sy ny fianakavianao.

  • Fitehirizan-tsakafo: Mitehiriza rano fisotro madio ary manangona tsikelikely karazan-tsakafo izay haninao tsy tapaka ary karazan-tsakafo azo tehirizina maharitra ela toy ny varimbazaha sy tsaramaso.

  • Lafiny ara-bola: Aloavy ny fahafolonkarena sy ny fanomezana avy amin’ ny fifadian-kanina; sorohy ny fanaovana trosa tsy ilaina; manaova tahiry tsikelikely.

Avy eo ankavia: Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’ i Grant Romney Clawson © IRI; sary nataon’ i Craig Dimond, Christina Smith, John Luke, ary Robert Casey © IRI; sarin’ ny goavitsinahy nataon’ i David Stoker © 2008

Hamoaka printy