2012
Mampianatra ny Fahadiovam-pitondrantena sy ny Hasina
Ôktôbra 2012


Ny Tokantranontsika, ny Fianakaviantsika

Mampianatra ny Fahadiovam-pitondrantena sy ny Hasina

Matthew O. Richardson

Afaka mampiasa ireto tetik’ ady enina ireto ny ray aman-dreny mba hampianarana ny zanany mikasika ny anjara asan’ ny taovam-pananahan’ ny lahy sy ny vavy.

Izaho dia nanana fahafahana nihaona tamin’ ireo zatovo sy tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony noho ny asa aman-draharahako ary tany amin’ ireo toerana manerana an’ izao tontolo izao. Indray mandeha aho dia niresaka tamin’ ny vondron-jatovo iray izay niavaka manokana mikasika ny hatsaran-toetra, ny fahadiovam-pitondrantena ary ny fiainana ao anatin’ ny fitsipi-pitondrantena. Rehefa avy nilaza tamin’ izy ireo aho hoe tena nahavariana ahy ny fanehoan-kevitr’ izy ireo sy ny fahatokian-tenany ary ny bika aman’ endriny sy ny fitondran-tenany, dia nanontany aho hoe: “Ahoana no nahatonga anareo ho lasa mahay maneho hevitra sy matoky tena amin’ ny valinteny omenareo ary tena mahazo aina amin’ ny firesahana zavatra somary manahirana toy izao? Nisy zatovovavy iray nilaza tsy tamim-pihambahambana hoe: “Manana ray aman-dreny izay mampianatra ahy aho.” Ny hafa kosa dia nanetsika ny lohany ho fanehoana fa miombon-kevitra amin’ izany koa izy ireo. Izany zava-niseho tsotra nefa lalina izany dia manamafy ny hery ananan’ ny ray aman-dreny hitarihana ny fiainan’ ireo zanany—indrindra fa ao anatin’ ilay anjara asan’ izy ireo eo amin’ ny fampianarana ny hasina, ny fahadiovam-pitondrantena, ary ny anjara asan’ ny taovam-pananahan’ ny lahy sy ny vavy sy ny fiarahana mifanaraka amin’ ny tokony ho izy.

Indrisy anefa fa maro ireo ray aman-dreny izay mety tsy mampianatra ny zanany momba ireo toe-javatra mikasika ny firaisana ara-nofo araka izay vitany. Ohatra, rehefa nanadihady tanora tokan-tena Olomasin’ ny Andro Farany izay mazoto teo amin’ ny 200 mahery teo aho dia nahita fa ny 15 isan-jato ihany no mihevitra ny ray aman-dreniny ho loharano voalohany ahazoana fampahalalana momba ny toe-javatra mikasika ny resaka firaisana ara-nofo. Ireo tanora mpikambana ireo dia nilaza fa ny nianarany voalohany mikasika an’ izany lohahevitra manan-danja izany dia avy tamin’ ny namana na mpiara-mianatra amin’ izy ireo, na ny Internet, na ny fampitam-baovao, na ny fialamboly, na boky, na fianakaviana lavitra na ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana.

Mazava ho azy fa tsy mora ny mampianatra izany lohahevitra izany. Saingy izaho dia mino fa ny ray aman-dreny no mpampianatra tsara indrindra afaka mampita fitsipika masina toy izany. Ireto tetik’ ady manaraka ireto dia hanampy anao hamoaka fitsipika sy fomba fampiharana tsotra sy mahomby ary maharitra izay miteraka fianarana sy fampianarana mahomby—indrindra eo amin’ ny fampianarana ny zanakao ny fomba tokony hananana fiainana ao anatin’ ny fahamasinana sy fahadiovam-pitondrantena.

Tokony hanomboka aloha ny fampianarana sy ny fianarana. Ny ray aman-dreny izay mampianatra amim-pahombiazana ny zanany momba ny lohahevitra mikasika ny mahalahy sy ny mahavavy dia mahatakatra fa ny ankamaroan’ ny ankizy dia tojo ireo lohahevitra ireo any amin’ ny salan-taona aloha lavitra noho ny antenain’ ny ray aman-dreniny sy ny fanirian’ ny ray aman-dreniny. Maro ireo ankizy no mahita ny votoatin-javatra mikasika ny firaisana ara-nofo ao amin’ ny Internet raha vao mbola 11 taona ary ny sasany aza mbola kely noho izany. Ireo toerana fialana voly, ireo hetsika ara-panatanjahantena, ny dokam-barotra ary na dia ireo fampitam-baovao ara-tsôsialy aza dia tototry ny sary mamoafady sy ny fanisihan-kevitra.

Rariny loatra raha misy ray aman-dreny sasany izay manontany hoe: “Rahoviana aho no tokony hanomboka hiresaka momba ireo toe-javatra mikasika ny firaisana ara-nofo?” Miankina amin’ ny taona sy ny fahamatoran’ ilay ankizy izany ary izay toe-javatra miseho manokana. Ho tonga ny fitarihana ara-panahy rehefa mandinika ombam-bavaka sy amim-pitandremana ny fihetsiky ny zanany izy ireo ary mihaino tsara ny zanany sy manokana fotoana handinihana sy hisafidianana izay fotoana hampianarana sy izay zavatra hampianarina. Ohatra, tsaroako ny zanako lahy nametraka fanontaniana tamiko mikasika ny rafibatana tamin’ izy vao dimy taona monja. Na dia somary nahasorena aza izany dia nazava ho azy fa tonga ilay fotoana tsara hiresahana. Kanefa rehefa nieritreritra mikasika ny fomba entina mamaly aho dia toa nazava fa tsy mbola tamin’ io fotoana io no fotoana tsara hiresahana amin’ ilay zanako lahy mikasika ny zavatra rehetra tafiditra ao anatin’ ny lohahevitra mikasika ny firaisana ara-nofo.

Tokony hiseho matetika ny fampianarana sy ny fianarana. Ny fianarana dia fizoran-javatra fa tsy zavatra miseho indray mandeha monja. Rehefa tonga ilay fampianarana ny ankizy mikasika ny anjara asan’ ny taovam-pananahan’ ny lahy sy ny vavy na ireo lohahevitra hafa mifandray amin’ izany, dia matetika ny olona miantso izany hoe “ilay tena resaka.” Na tiana na tsy tiana, izany andian-teny izany dia mifono hoe ampianarin’ ny ray aman-dreny ao anatin’ ny fifampiresahana indray mandeha izany lohahevitra izany. Tsy izay anefa no fomba mahomby indrindra mba hianaran’ ny ankizy iray. Nampianatra ny Mpamonjy fa isika dia mianatra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika.” Hahita fahombiazana bebe kokoa isika rehefa mamerina mandinika ilay lohahevitra miaraka amin’ ny zanatsika rehefa mihalehibe sy matotra. Ny ray aman-dreny izay mahatakatra izany fitsipika izany dia miomana ara-tsaina, ara-pihetsehampo ary ara-panahy mba hampianatra ny zanany mikasika ireo lohahevitra mifandray amin’ ny toe-javatra mikasika ny firaisana ara-nofo mandritra ny fahazazan’ ny zanany sy ny fahatanorany.

Ny fianarana sy fampianarana mahomby dia miankina amin’ ny fifandraisan’ ny mpampianatra sy ny mpianatra. Rehefa tonga eo amin’ ilay fampianarana ny zanaka mikasika ny lohahevitra mifandray amin’ ny toe-javatra mikasika ny firaisana ara-nofo dia saika miahiahy tanteraka amin’ ny hoe inona no tokony holazainy, ny ray aman-dreny. Noho ny maha-zava-dehibe izany dia mihoatra lavitra ny firesahana sy filazana ny votoatin’ izany fotsiny ny fampianarana sy fianarana mahomby. Raha ny marina ny fomba entin’ ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany dia ho manan-danja bebe kokoa noho izay mety ho lazainy. Ny fikarohana dia manohana ilay fehinkevitra hoe, ireo ray aman-dreny izay tena mitarika ny zanany rehefa miatrika ireo toe-javatra mikasika ny firaisana ara-nofo, dia ireo izay mifandray malalaka sy maneho fitiavana sy fiahiana ary mandray anjara mavitrika eo amin’ ny fiainan’ ireo zanany.1

Ny fanehoan-kevitra avy amin’ ny fanadihadiana tsotsotra nataoko tamin’ ireo tanora Olomasin’ ny Andro Farany dia niverimberina niompana tamin’ ny fanirian’ izy ireo ny mba hampisokatra bebe kokoa ny ray aman-dreniny sy ny hahavonona azy ireo hiresaka momba ireo lohahevitra mifandray amin’ ny toe-javatra mikasika ny firaisana ara-nofo. Ireo tanora mpitovo ireo dia naneho fa tsy hoe maniry fotsiny ny handraisan’ ireo ray aman-dreniny anjara ao amin’ ilay dingana arahana izy ireo, fa koa maniry ny mba “hifampiresahan’ ny ray aman-dreniny amin’ izy ireo fa tsy hoe mba hanaovan’ ny ray aman-dreniny resaka aminy.” Naniry ny hanana fifampiresahana “tsotra”, “mandeha ho azy”, “mampahazo aina,” ary tsy mba “hafahafa” izany mihitsy izy ireo. Izany dia tokony hamporisika ny ray aman-dreny hiasa mafy kokoa mba ho mora hatonina sy hanam-potoana ary tsotra sy tony eo anatrehan’ ny lohahevitra na toe-javatra iray na eo amin’ ny fandrindram-potoana mihitsy aza. Raha toa ka misy ny sarany tsy maintsy aloan’ ny ray aman-dreny mba hahombiazana eo amin’ ny fampianarana ny zanany izay zavatra tena manan-danja indrindra, dia adidin’ ny ray aman-dreny ny maneho fomba izay hanampy ny zanany hahazo aina sy hilamin-tsaina rehefa miresaka mikasika ny lohahevitra rehetra—indrindra fa ireo izay mikasika ny tena manokana bebe kokoa.

Tena mahomby ny fampianarana sy fianarana rehefa manan-danja sy tena misy ilay lohahevitra. Ny fampianarana mikasika ny ny anjara asan’ ny taovam-pananahan’ ny lahy sy ny vavy dia mety ho hafahafa, na toy ny hoe tsy mahalala ny zava-misy, na tsy mandaitra, na mety toy ny mandresy lahatra fotsiny, fa miankina amin’ izay fomba itondrantsika azy izany. Ny fanalahidin’ ny fahombiazana dia ny fahatsapana fa ny ankamaroan’ ireo fanontaniana sy olana ananan’ ny ankizy dia fihetsika vokatry ny toe-javatra tena misy marina eo amin’ ny fiainana sy ny fandinihana ny fiainana. Rehefa maneho fitiavana, mihaino ary mandinika ny zanatsika isika dia hahafantatra ny zavatra tokony hampianarintsika.

Ohatra, manome fahafahana maro hiresahana momba ny fitsipi-pitondrantena ny sarimihetsika, na ny fomba fiaina sy fihetsika, na ny hevitra malaza ironan’ ny be sy ny maro, na ireo fandaharan’ ny fahitalavitra, na ireo tonon-kira. Ho tonga ireo fahafahana hafa manao izany rehefa mandinika ny fifandraisana sy ny fifaneraseran’ ny zanatsika amin’ ny hafa isika, ary ny fomba fiakanjony sy ny an’ ireo namany mitovy taona aminy, ny fomba fiteny ampiasainy, ny halehiben’ ny fianteherany amin’ ny lehilahy raha vehivavy izy na amin’ ny vehivavy raha lehilahy izy, ary koa ireo fandikana isan-karazany eo anivon’ ny fiaraha-monina ny atao hoe fahadiovam-pitondrantena sy ny fitsipi-pitondrantena. Maro dia maro ny fahafahana tena azo tsapain-tanana mba hiresahana amin’ ny zanaka ny momba ny fitsipi-pitondrantena sy ny hatsaran-toetra.

Angamba ny lafiny manan-danja indrindra eo amin’ ny fampianarana ny zava-misy marina eo amin’ ny fiainana dia tanteraka rehefa maneho fahadiovam-pitondrantena sy fahamaotinana ary hatsaran-toetra eo amin’ ny fiainany manokana ny ray aman-dreny. Hihaino sy hanaraka mora foana ny torohevitry ny ray amand-dreniny ny ankizy rehefa mifototra amin’ ny ohatra tsara asehon’ ny ray aman-dreniny izany torohevitra izany.

Marina koa ny mifanohitra amin’ izay. Hoy ny Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fihetsika asehontsika amin’ olona dia misy fiantraikany lehibe kokoa noho izay lazaintsika, amin’ ny fomba maro.” Nampianatra ny Filoha Brigham Young (1801–77) hoe: ‘Tokony haneho ohatra izay tian’ ny [zanatsika] ho alain-tahaka isika. Moa ve tsapantsika izany? Impiry moa isika no mahita ray aman-dreny mangataka amin’ ny zanaka iray na amin’ ny zanaka maro ny mba hankatoavany, hanehoany fihetsika tsara, hitenenany teny tsara, hananany fijery tsara, hitenenany amin’ ny feo malefaka ary hananany endrika mahafinaritra, nefa izy ireo amin’ io dia feno lolom-po sy fahasiahana. Tena mifanohitra sy tsy maneho fahendrena izany! ‘Ho tsikaritry ny zanatsika izany fifanoherana misy eo amintsika izany ary mety hahita zavatra hanamarinan-tena izy rehefa manao zavatra mitovy amin’ izany’.2

Ny mpianatra dia tena hianatra zavatra rehefa mahatakatra ny zavatra ampianarin’ ny mpampianatra. Maro loatra ireo zatovo sy Tanora Mpitovo sy Mpivady vao izay maneho fahasorenana satria ny ray aman-dreny na ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana aza dia mirona amin’ ny fampiasana “teny tsy dia mazava” ary hafatra mifono hevitra hafa izay raha ny marina dia miteraka fanontaniana bebe kokoa fa tsy valiny ary fifandirana fa tsy fahamaivanana. Tena marina izany rehefa miresaka ny lohahevitra mikasika ny firaisana ara-nofo.

Fony aho evekan’ ny paroasin’ ny tanora tokan-tena iray dia anontaniana matetika ahy foana ny dikan’ ny hoe “misafosafo”. Ireo mpikambana mahatoky ao amin’ ny paroasiko dia nampianarina fa tsy tokony handray anjara amin’ ny fisafosafoana izy ireo saingy raha ny marina dia tsy nampianarina azy ireo velively ny dikan’ ny hoe misafosafo. Sarotra ho azy ireo ny nandray torolalana izay tsy takany.

Ny Filoha Marion G. Romney (1897–1988), Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ ny Fiadidiana Voalohany, dia nanazava fa tsy ampy ny fampianarana amin’ ny fomba iray izay ahafahan’ ny sasany mahatakatra, fa isika koa dia tokony hampianatra amin’ ny fomba iray izay ahitana fa tsy misy na iza na iza diso fandray.3 Hahita fahombiazana bebe kokoa isika raha toa ka mampiasa teny mazava sy mifanaraka amin’ ny tokony ho izy toy izay hampiasa teny tsy mazava loatra na fiteny mirefarefa amin’ ny tany mihitsy aza. Izany dia mampisy fahatakarana sy miteraka fanajana.

Diniho ny fomba nampianaran’ ny Loholona Richard G. Scott avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo tamim-pahombiazana ny mikasika ireo fitsipika ara-pitondrantena. Hoy izy hoe: “Izay mety ho firaisana eo amin’ ny lahy sy ny vavy any ivelan’ ny fatotry ny fanambadiana—Ny tiako holazaina dia izay fifampikasohana iniana atao amin’ ny faritra masin’ ny taovam-pananahan’ ny olona iray hafa na misy akanjo io na tsy misy—dia fahotana sy raran’ Andriamanitra. Fandikan-dalàna ihany koa ny mampitsiry amim-panahy iniana ireo fiontanam-po ireo ao anatin’ ny vatanao manokana.”4

Mba hampianarana amim-pahombiazana dia tsy maintsy maka antoka isika fa mahatakatra ilay hafatra ireo izay ampianarintsika. Ireo fanontaniana tsotra toy ny hoe: “Moa ve mamaly ny fanontanianao izany?” na “Nohazavaiko tsara ve ilay izy?” na “Moa ve ianao manana fanontaniana hafa?” dia tena manampy.

Miova fo ireo mpianatra rehefa mampifandray an’ ilay hafatra amin’ ireo fitsipika maharitra mandrakizay ny mpampianatra. Raha tokony hifantoka fotsiny amin’ ireo “fisehoan-javatra eo amin’ ny fiainana” izay manan-danja ireo isika, dia miseho kosa anefa ny fahombiazana eo amin’ ny fampianarana ny filazantsara raha toa ka ampifandraisintsika amin’ ireo fisehoan-javatra ireo ny “fisehoan-javatra any amin’ ny fiainana mandrakizay.” Rehefa miresaka momba ny vatantsika isika ohatra, dia afaka miresaka momba ilay Ray any an-danitra izay nahary ny vatantsika ary momba ny tokony hifandraisantsika amin’ ireo zavatra nohariana amim-panajana sy araka izay antenainy.

Na dia tafalatsaka ao anatin’ ny tsy fahadiovam-pitondrantena aza izao tontolo izao, dia mbola misy fanantenana ho an’ ny taranaka ho avy. Izany fanantenana izany dia mifototra any amin’ ny ray aman-dreny izay manao ny ezaka tsara indrindra avy aminy mba hampianarana an’ ilay taranaka vao misondrotra ho tsara toetra sy madio fitondrantena. Ireo ray aman-dreny izay mampianatra ny zanany mba hanana fiainana ao anatin’ ny hatsaran-toetra sy ny fahadiovam-pitondrantena dia miezaka ny hampitombo ny fahatakaran’ izy ireo sy hampivoatra ireo fahaiza-manaony eo amin’ ny lafin’ ny fampianarana. Rehefa manao izany izy ireo dia hahafantatra fa “ny Tompo dia hampitombo ny fahaiza-manaon’ [izy ireo] rehefa mampianatra araka ny fomba nandidiana azy [izy ireo].” Raha fehezina dia “asam-pitiavana ity—fahafahana iray hanampiana ny hafa hampihatra ny fahafahany misafidy araka ny tokony ho izy, sy hanatona an’ i Kristy ary handray ireo fitahian’ ny fiainana mandrakizay.”5

Fanamarihana

  1. Jereo ny Bonita F. Stanton and James Burns, “Sustaining and Broadening Intervention Effect: Social Norms, Core Values, and Parents,” ao amin’ ny Reducing Adolescent Risk: Toward an Integrated Approach, navoakan’ i Daniel Romer (2003), 193–200.

  2. Robert D. Hales, “Our Parental Duty to God and to the Rising Generation,” Liahona, Aog. 2010, 74.

  3. Jereo ny Jacob de Jager, “Let There Be No Misunderstanding,” Ensign, Nôv. 1978, 67.

  4. Richard G. Scott, “Serious Questions, Serious Answers,” Liahona, Sept. 1997, 31.

  5. Teaching, No Greater Call (1999), 4.

Sary nataon’ i David Stoker © Iri

Sary nataon’ i