2012
Ny Bokin’ i Almà: Lesona ho an’ izao fotoana izao
Ôktôbra 2012


Ny Bokin’ i Almà: Lesona ho an’ izao fotoana izao

Sary
Loholona Paul B. Pieper

Niaritra tamim-pahatokiana ireo fitsapana niseho tamin’ ny androny ireo Nefita ary vavolombelona ny amin’ ny hoe ny Tompo dia hanome fitahiana sy fiarovana izay ilaintsika mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo fanambin’ ny androntsika.

Tany amin’ ny fiafaran’ ny fanjakany, ny Mpanjaka Môsià dia nanolo-kevitra ny mba hanoloana ny fanjakatokana amin’ ny rafitra entin’ ny mpitsara izay fidian’ ny vahoaka. Ilay rafi-pitondrana natolotra dia nifototra tamin’ ireo lalàna nomen’ Andriamanitra izay ampiharin’ ireo mpitsara izay ny vahoaka nifidy azy.

Ny fitsipiky ny fahafahana misafidy no fototr’ izany rafi-pitondrana naroso izany—olona manokana fa tsy mpanjaka izany no hanaiky adidy sy andraikitra hiasa mifanaraka amin’ ilay lalàna. Satria “tsy fahita izany feon’ ny vahoaka maniry zavatra mifanohitra amin’ izay rariny izany” (Mosiah 29:26), ity rafi-pitondrana ity dia hiaro bebe kokoa ny zon’ ny olona tsirairay ary ny fahamarinana iombonan’ ny fiaraha-monina.

Teo anatrehan’ izany tolo-kevitr’ i Môsià izany dia “nanjary dodona fatratra tokoa ny hananan’ ny olona tsirairay zara mitovy eran’ ny tany manontolo [ny olona]; eny, ary ny olona tsirairay dia samy naneho ny fahavononany hiantsoroka ny fahotany avy” (Mosiah 29:38).

Ny bokin’ i Almà dia ahitana ny tantaran’ ny vahoaka nandritra ny 40 taona taorian’ ny naneken’ ny vahoaka ilay rafi-pitondrana naroso. Ireo toko farany ao amin’ ny rakitsoratr’ i Almà, toko 43 ka hatramin’ ny 62, dia mitantara ilay vanim-potoana nisian’ ireo olana sy fisedrana mahery vaika. Nandritra io vanim-potoana fohy naharitra 19 taona io dia niatrika olana ara-pôlitika anatiny sy fampitahorana avy any ivelany ny vahoaka ary saika fifandirana tsy tapaka niaraka tamin’ ny fampiasan-kery.

Niharan’ ny fanozongozonana anatiny indroa ilay rafi-pitondrana izay nataon’ ireo lehilahy nikasa ny hametraka ny tenany ho mpanjaka ary tsy hanome ny vahoaka ilay zo hisafidy ny mpitarika azy sy hivavaka malalaka. Tao anatin’ izany fotoana izany koa ny vahoaka dia tsy maintsy niaro ny tenany tamin’ ireo fanafihana maro avy any ivelany nataon’ ny Lamanita izay vonona ny hamotika ny fitondram-panjakana Nefita ary hambabo ireo Nefita.

Ny korontana ara-toekarena naterak’ ireo olana ireo na dia tsy voalaza mazava aza izany dia tena olana lehibe ho an’ ny vahoaka. Rehefa nandrafitra ilay rakitsoratra masina i Môrmôna dia nahatsapa ho voatosika mba hanome ny antsipirian’ ny zava-nitranga tao anatin’ izany vanim-potoana izany. Raha ny marina, raha toa izy ka nanome ny antsipirian’ ny zava-nitranga mitovy amin’ izany mikasika ny ambin’ ny tantaran’ ny Nefita tao anatin’ ny 1.000 taona, dia mety ho 2.500 pejy ny Bokin’ i Môrmôna!

Nampianatra ny Filoha Taft Benson (1899–1994) hoe:

“Nosoratana ho an’ izao androntsika izao … ny Bokin’ i Môrmôna. Tsy nanana izany boky izany na oviana na oviana ny Nefita, na koa ireo Lamanita tamin’ ny fahiny. Natao ho antsika izany. Nanambatra ireo rakitsoratra tao anatin’ ny taonjato maro i [Môrmôna], nisafidy ireo tantara, lahateny ary zava-nitranga izay hanampy antsika bebe kokoa, teo ambanin’ ny fanentanam-panahin’ Andriamanitra, izay mahita ny zava-drehetra hatrany am-piandohana. …

Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: ‘Inona no antony nanentanan’ ny Tompo ny fanahin’ i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’ izany izay hanampy ahy eo amin’ ny fiainako amin’ izao andro izao sy amin’ izao vanim-potoana izao?’”1

Ireo Olomasin’ ny Andro Farany manerana an’ izao tontolo izao ankehitriny dia miatrika ny ankamaroan’ ireo olana natrehan’ ny Nefita ireo nandritra io vanim-potoana iray tao anatin’ ny tantarany io, ka tafiditra ao anatin’ izany ny ezaka atao mba tsy hanomezana ny mpikambana ny zony mba hivavaka sy haneho hevitra mikasika ireo olana lehibe eo amin’ ny fiaraha-monina iainantsika. Ny Olomasin’ ny Andro Farany sasany dia niharan’ ny fampitahorana avy any ivelany ny hisian’ ny fanafihana sy ady ho ataon’ ireo hery vonona ny hamotika ny fireneny sy ny fahafahany.

Soa ihany fa ny Nefita dia afaka nandresy ny olany tamin’ ny alalan’ ny ezaka sy fanaovana sorona ary fanampiana faran’ izay lehibe avy amin’ ny Tompo. Mety afaka manome antsika fitarihana sy herim-po hiatrehana ireo olantsika ankehitriny ny lesona vitsivitsy mikasika ny fomba niatrehany tamim-pahombiazana ny olany.

Mifikira amin’ ny faniriana sy foto-kevitra ijoroana ara-drariny.

Tao anatin’ ireo olana natrehany dia afaka nahazo hery avy tamin’ ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ ny foto-kevitra ijoroany ny Nefita. Ny hany tanjon’ izy ireo dia ny “hiaro ny tenany sy ny ankohonany ary ny taniny, ny faritaniny sy ny zony ary ny fivavahany” (Almà 43:47). Ny faniriany dia ny hiaro ny fahafahan’ izy ireo misafidy—ilay zo hanao zavatra ao anatin’ ny fahamarinana sy ho tompon’ andraikitra amin’ ny fitondrantenany—toy izay hanana mpanjaka hilaza ny fihetsika tokony hataon’ izy ireo. Ny foto-kevitra ijoroan’ izy ireo dia ny hiaro ny fitoviana eo ambany lalàna, izay raha faritana manokana dia ny fahafahany hitsaoka an’ Andriamanitra sy hihazona ny fiangonany (jereo ny Almà 43:9, 45).

Misy ary hisy foana eo amin’ ny fiaraha-monina ireo hery izay mikatsaka ny hilalao ny hevitry ny sarambaben’ olona mba hahazoana fahefana ho tombontsoan’ ny tena manokana. Misy ny fakam-panahy te hanaraka ny foto-kevitra ijoroan’ izy ireo ary hamadika ilay fifandirana ho lasa ady ahazoana fahefana. Ny fomban’ ny Tompo dia ny tsy hanao zavatra raha tsy mifototra amin’ ny faniriana sy foto-kevitra ijoroana madio ihany, toy ny nataon’ ireo Nefita. Ny fanaovana izany dia nanome fahafahana azy ireo mba hampiasa ny herin’ ny lanitra mba handresena ireo olany “amin’ ny herin’ ny Tompo” (Almà 46:20; jereo koa ny Almà 60:16; 61:18).

Toy izany koa rehefa miatrika ireo olana miseho amintsika ankehitriny isika dia tsy maintsy mizaha tsy tapaka ny fontsika mba hahazoana antoka fa madio ny faniriantsika sy ny foto-kevitra ijoroantsika ary mifototra amin’ ireo fitsipiky filazantsara. Raha toa isika ka manao zavatra (na milalao olona mba hanao zavatra ho antsika) noho ny fitiavan-tena, na hahazoana tombontsoa manokana na hanambaniana ny hafa, dia tsy hanana ilay fanampiana ilaina avy any an-danitra isika mba hiatrehana ireo olantsika.

2. Aoka ianao ho tsara fanahy sy halala-tanana amin’ ireo izay sahirana.

Rehefa niharan’ ny fandringanana ny Antia-Nefia-Lehia dia nisafidy ny hanome azy ireo toerana hipetrahana ny Nefita mba hanorina fiainana vaovao ary hanome azy ireo fiarovana (jereo ny Almà 27:21–22; 43:11–12). Noho ny Antia-Nefia-Lehia izay nanao voady fa tsy handray ny fiadiany intsony dia nanome kosa “ampahany be tamin’ ny fananany hanohanana” (Almà 43:13) ny miaramila Nefita nandritra ireo fotoan-tsarotra izy ireo. Na dia izany aza dia tsy misy rakitsoratra milaza fa ny Nefita dia naneho fihetsika hafa ankoatra ny fanajana sy fitiavana tamin’ ireo mpifindra monina ireo, na dia mety ho toy ny remby mora azo ara-pôlitika aza izy ireo ho an’ ireo izay nitetika korontana.

Ny fikarakarana tsara nataon’ ny Nefita tamin’ ny vahoakan’ i Amôna, izay anarana niantsoana azy, dia nifamaly ary tamin’ ny farany dia niteraka an’ ilay fiforonan’ ny andia-miaramila tena manentana indrindra ny fanahy tao anatin’ ny tantara voarakitra hatrizay—ireo zatovolahy mahery fo 2.000. Ny mahavariana dia ny asa fanompoana nataon’ ireo zatovolahy ireo no mety ho fanalahidin’ ny fiarovana ny fiaraha-monina Nefita tamin’ ny fandringanana mialoha.

Ao anatin’ ny fotoana hisian’ ny korontana anatiny sy fanafihana avy any ivelany ary olana ara-toekarena dia misy ny fironana amin’ ny fieritreretana zavatra ratsy mikasika an’ ireo olona izay “tsy mitovy amintsika.” Lasa mora ny mitsikera sy mitsara azy ireo. Misy olona mety miahiahy ny amin’ ny fahitsim-po aman-tsainy sy ny lanjany eo amin’ ny fiaraha-monina ary ny fiantraikany entin’ izy ireo eo amin’ ny lafiny ara-toekarentsika. Ireo fihetsika ireo dia tsy mifanaraka amin’ ilay didin’ ny Mpamonjy mba hitiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika ary miteraka fampifantohana ny saina amin-javatra iray izany sy ady ary fiolonolona. Raha toa ka tsy nampiantranoana tao amin’ ny fiaraha-monina Nefita ny vahoakan’ i Amôna dia angamba mety ho niteraka lolom-po teo amin’ ny taranaka vao misondrotra izany. Raha tokony ho namokatra miaramila mahatoky 2.000, dia mety ho lasa nandevozina ilay taranaka vao misondrotra ary niaraka tamin’ ny Lamanita.

Ny fahavononana ho tsara fanahy sy ho malala-tanana teo anatrehan’ ny sahirana dia zavatra iray manan-danja tao anatin’ ny fiarovana ny firenena Nefita ary nitondra ireo fitahian’ ny lanitra ho an’ ny Nefita ao anatin’ ny fotoan-tsarotra lehibe nolalovany. Mila fitahiana toy izany ny vahoakan’ Andriamanitra.

Henoy sy araho ireo mpitarika notaomim-panahy.

Ny Tompo dia nahafantatra ireo olana izay ho atrehan’ ny Nefita ary namoaka mpitarika nentanim-panahy izy ireo mba hanampy azy ireo hiatrika ireo olana ireo. Ny Kapiteny Môrônia dia miaramila saingy nentanin’ ny fanahy mba hanomana saron-tratra sy ampingan-tsandry ary ampinga fiaro loha sy fitafiana matevina hiarovana ny vahoakany (jereo ny Almà 43:19). Vokatr’ izany, ny Nefita dia nahomby bebe kokoa tao anatin’ ny ady noho ny Lamanita (jereo ny Almà 43:37–38). Taty aoriana dia nasain’ i Môrônia nanangana ampiantany nanodidina ny tanànany ny vahoaka ary teo an-tampon’ireo fefy tany ireo dia nasaina nasiana vatan-kazo sy rafi-batan-kazo (jereo ny Almà 50:1–3). Ireo fiomanana azo tamin’ ny fanentanam-panahy ireo dia nanampy tamin’ ny fiarovana ny Nefita tsy ho ringana.

Raha niomana ny hiady i Môrônia dia nitory ny tenin’ Andriamanitra kosa i Helamàna sy ny rahalahiny ary namporisika ny olona hanao ny marina mba hahafahan’ ny Fanahin’ ny Tompo hitarika sy hiaro azy ireo. Voaro ny Nefita tamin’ ny alalan’ ny fitarihana ara-nofo sy ara-panahy avy amin’ ireo mpitarika nentanim-panahy. Tamin’ ny fotoana nisehoan’ ny fifanolanana anatiny sy ny fandavan’ ny olona hanaraka ireo fampitendramana avy amin’ ny fanentanam-panahy ihany vao nisy ny fahavoazana sy ny fijaliana.

Voatahy isika fa miaina ao anatin’ ny fotoana iray izay niantsoan’ ny Tompo mpaminany, mpahita ary mpanambara mba hampitandrina sy hitarika antsika mba hiomana amin’ ireo olan’ ny fotoana ankehitriny. Tamin’ ny 1998 ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nanome torolalana tena tsara ary fampitandremana ho an’ ireo mpikambana ao amin’ ny Fiangonana:

“Tonga ny fotoana handaminana ny tranontsika.

“Tena maro ny olontsika no mila tsy ho velona amin’ ny vola miditra aminy. Raha ny marina dia miaina amin’ ny findramam-bola ny sasany. …

“Zavatra marefo ny lafiny ara-bola. … Misy ny fambara fa hisy oram-baratra ho avy izay tokony efa nohenointsika.”2

Vao haingana aho no niresaka tamin’ ny lehilahy iray izay naheno ny tenin’ ny Filoha Hinckley ary ny bitsiky ny Fanahy. Nanapa-kevitra izy sy ny vadiny fa hivarotra ny zavatra nametrahany harena, hamerina ny vola vidin-tranony ary hanefa ny trosa.

Ankehitriny dia mizaka tena izany lehilahy izany. Ny fihenan’ ny vola teo am-pelatanana taorian’ izany dia zara raha nisy fiantraikany teo amin’ ny fiainan’ ny fianakaviany. Raha ny marina dia nahafahan’ izy sy ny vadiny nanao asa fitoriana ny fananany fizakan-tena.

Navoaka ho an’ izao androntsika izao ny Filoha Thomas S. Monson. Ny fiainany sy ny fampianarany dia hafatra nalefan’ Andriamanitra mba hiarovana sy hitahiana antsika ankehitriny. Indraindray rehefa miahiahy mikasika ny zavatra tsy ananany ny olona maro dia mampianatra antsika ny Filoha Monson mba ho feno fankasitrahana noho ireo fitahiana maro nomen’ ny Tompo antsika. Ary indraindray rehefa mifantoka amin’ ny olany manokana ny olona maro dia mamporisika antsika mba hanampy sy hamonjy ny Filoha Monson, ka hanadino ny tenantsika hitahiana ny hafa. Ny fihainoana ny fitarihan’ ny Filoha Monson dia hanome ny fianakaviantsika fiarovana ara-panahy sy fitahiana ilaina ho an’ izao androntsika izao.

Feno fankasitrahan aho fa miaina ao anatin’ ny andro iray izay namerenana tamin’ ny laoniny ny filazantsara. Feno fankasitrahana aho noho ny fanomanan’ ny Tompo ny Bokin’ i Môrmôna ho an’ izao androntsika izao. Niatrika tamim-pahatokiana ny fitsapana nandritra ny androny ny Nefita ary izy ireo dia vavolombelona fa ny Tompo dia hanome fitahiana sy fiarovana mba hiatrehana amim-pahombiazana ny androntsika.

Fanamarihana

  1. Ezra Taft Benson, “Ny Bokin’ i Môrmôna—Vato Ifaharan’ ny Fivavahantsika,” Ensign, Nôv. 1986, 6.

  2. Gordon B. Hinckley, “To the Boys and to the Men,” Ensign, Nôv. 1998, 53.

Avia Manatona, nataon’ i Walter Rane, nahazoana lalana avy tamin’ ny Tranombakoky ny Tantaran’ ny Fiangonana

nametraka ny Fitokiany tamin’ Andriamanitra izy ireo, nataon’ i Walter Rane, nahazoana lalana avy tamin’ ny Tranombakoky ny Tantaran’ ny Fiangonana

Kapiteny Môrônia sy ny Fanevan’ ny Fahafahana, nataon’ i Clark Kelley Price

Hamoaka printy