Ny Fanasan’ny Tompo sy ny Sorompanavotana
Ilaina ny hahatongavan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ho tena masina bebe kokoa ho antsika tsirairay.
Ny hariva talohan’ny zava-nitranga tany Getsemane sy Kalvary dia nampamory ny Apôstôliny indray mandeha farany i Jesoa mba hivavaka. Tany amin’ny efitrano ambony rihana tao amin’ny tranon’ny iray tamin’ireo mpianatra tany Jerosalema no toerana nanaovana izany ary vanim-potoan’ny Paska tamin’izany.1
Teo anoloan’izy ireo ny sakafon’ny Paska izay nahitana ny zanak’ondry natao sorona, divay ary mofo tsy misy masirasira, izay mariky ny famonjena an’i Isiraely fahiny tamin’ny fanandevozana sy ny fanenjehana ho faty2 ary mariky ny fanavotana ho avy izay handrasana ho tanteraka.3 Rehefa nifarana ny sakafo, dia noraisin’i Jesoa ny mofo ary notsofiny rano dia novakiny izany,4 ka natolony an’ireo Apôstôliny ary hoy Izy, “Raiso, hano.”5 “Ity ny tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.”6 Nitovy tamin’izay ihany no nataony rehefa nandray ny kapoaka nisy divay Izy, dia notsofiny rano izany ary avy eo nampisotroiny ireo nanodidina Azy, ary hoy Izy hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako,”7 “izay aidina … ho famelan-keloka.”8 “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana ahy.”9
Tamin’izany fomba tsotra nefa misy dikany lalina izany no nampidiran’i Jesoa ilay ôrdônansy vaovao ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ny biby halatsa-dra na nofom-biby hohanina ho fiandrasana ilay sorona mitondra fanavotana hataon’i Kristy izay ho avy indray andro any.10 Fa ny mariky ny nofo torotoro sy ny ra nalatsak’i Kristy izay efa tonga kosa, dia horaisina sy hohanina ho fahatsiarovana ilay sorona mitondra fanavotana nataony.11 Ny fandraisana anjara amin’io ôrdônansy vaovao io dia hidika hoe faneken’ny rehetra amin’ny fomba matotra an’i Jesoa ho ilay Kristy nampanantenaina ary fahavononana tanteraka hanaraka Azy sy hitandrina ny didiny. Ho an’ireo izay vonona ny hanao izany ka hampiseho izany eo amin’ny fiainany sy hitondra tena mifanaraka amin’izany, dia tsy hianjadian’ny fahafatesana ara-panahy izy ireo ary ho azo antoka ny fahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay.
Nandritra ireo ora sy andro maromaro taorian’izany, dia niditra tao Getsemane i Jesoa, ary nentina tany Kalvary, ary nivoaka tamim-pandresena avy tao amin’ilay fasan’i Arimatia. Taorian’ny nandaozan’i Jesoa azy ireo, dia niara-nivory ireo mpianatra mahatokin’i Jesoa izay tao Jerosalema sy ny manodidina ny andro voalohany amin’ny herinandro mba “hamaky mofo,”12 ary “naharitra”13 nanao izany foana izy ireo. Azo antoka fa tsy hoe nanao izany izy ireo mba hahatsiarovana fotsiny ilay Tompony lasa nandao fa mba hanehoana fankasitrahana sy finoana koa an’ilay Fanavotana mahatalanjona nataony ho azy ireo.
Ny zavatra iray niavaka, rehefa nitsidika ny mpianany tany Amerika i Jesoa, dia nanatanteraka ny Fanasan’ny Tompo teo anivon’izy ireo koa Izy.14 Rehefa nanao izany Izy dia nilaza hoe: “Ary izany dia hoezahanareo mandrakariva hatao,”15 ary “ary izany dia ho vavolombelona amin’ny Ray fa mahatsiaro ahy mandrakariva ianareo.”16 Mbola nampidirin’ny Tompo ihany koa teo anivon’ny mpianany ny fanasan’ny Tompo tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ary nomeny torolalana nitovy tamin’izay nomeny an’ireo mpianany tany aloha isika.17
Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia nantsoina hoe “iray amin’ireo ôrdônansy masina indrindra ato amin’ny Fiangonana.”18 Ilaina ny hahatongavan’izany ho masina kokoa ho antsika tsirairay avy. I Jesoa Kristy mihitsy no nampiditra io ôrdônansy io mba hampahatsiahivana antsika ny zavatra nataony mba hanavotana antsika ary mba hampianarana antsika ny fomba ahafahantsika manararaotra ilay Fanavotany ary hiaina miaraka amin’Andriamanitra indray noho izany.
Amin’ny alalan’ilay mofo nopotipotehina sy notapatapahina no hanehoantsika fa mahatsiaro ny vatan’i Jesoa Kristy isika—vatana izay nianjadian’ny fanaintainana sy ny fahoriana ary fakam-panahy maro samihafa,19 vatana izay nizaka fampijaliana henjana ka nahatonga ny mason-koditra rehetra hivoa-dra,20 vatana izay notorotoroina ny nofony ary noratrana ny fony rehefa nohomboina teo amin’ny hazo fijaliana.21 Ampisehontsika ilay finoantsika hoe, rehefa nalevina io vatana io mba hiala sasatra ao amin’ny fahafatesana dia natsangan-ko velona indray avy tao am-pasana ka tsy handairan’ny aretina sy tsy ho lo ary tsy handalo fahafatesana intsony.22 Ary rehefa mandray ny mofo isika dia manaiky fa hafahana amin’ny famatoran’ny fahafatesana ny vatantsika toy ilay vatan’i Kristy ka hitsangana amim-pandresena avy ao am-pasana ary hatambatra indray amin’ilay fanahintsika mandrakizay.23
Amin’ny alalan’ilay kaopy kely misy rano no anehoantsika fa tsaroantsika ny ran’i Jesoa izay nalatsaka ary ny fijaliana ara-panahy nozakainy ho an’ny olombelona rehetra. Tsaroantsika ny fanaintainana mafy niteraka fivoahan-dra be dia be tao Getsemane.24 Tsaroantsika ny ratra sy ny kapoka nianjady taminy fony teo an-tanan’ireo nisambotra Azy.25 Tsaroantsika ny ra nivoaka teny amin’ny tanany sy ny tongony ary ny lanivoany fony Izy teo Kalvary.26 Ary tsaroantsika ny zavatra nolazainy manokana mikasika ny fijaliany: “Mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana tsy fantatrao.”27 Rehefa mandray ny rano isika dia manaiky fa ny rany sy ny fijaliany no nentina nanonerana ny fahotantsika ary hanonitra ny fahotantsika Izy rehefa manaraka sy manaiky ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsarany isika.
Noho izany dia amin’ny alalan’ny mofo sy ny rano no ampahatsiahivana antsika ny Fanavotan’i Kristy antsika tamin’ny fahafatesana sy ny fahotana. Manan-danja lehibe ilay filaharana hoe, ny mofo no voalohany dia ny rano no faharoa. Rehefa mandray ny mofo isika dia mahatsiaro ilay fitsanganan’ny tenantsika amin’ny maty izay tsy azo ihodivirana, izay mifono zavatra hafa ankoatra ny hoe famerenana amin’ny laoniny ny vatana sy ny fanahy fotsiny. Homena fahafahana hiverina eo anatrehan’Andriamanitra isika rehetra amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana.28 Izany toe-javatra izany dia mahatonga antsika hametraka ilay fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainantsika. Ilay fanontaniana lehibe ao anatintsika ao dia tsy ilay hoe ho velona indray ve isika fa hoe hiaraka hiaina amin’iza isika aorian’ny fahafatesana. Na dia hiverina eo anatrehany aza isika rehetra dia tsy ny rehetra akory no afaka hijanona hiara-hiaina Aminy.
Voaloton’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna isika rehetra mandritra ny fiainantsika eto an-tany.29 Hanana eritreritra sy hamoaka fiteny ary hahavita zavatra tsy dia mendrika loatra isika.30 Raha fehezina dia haloto isika. Ary nolazain’i Jesoa mazava tsara ny vokatry ny fahalotoana eo anatrehan’Andriamanitra: “Tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra … eo anatrehany.”31 Nazava tsara tamin’i Almà Zanany izany izay rehefa nifanatrika tamin’ny anjely masina iray dia tena voalevilevy sy kivy ary niferinaina tokoa noho ny fahalotoany ka dia naniry mba ho “fongana na ny fanahi[ny] na ny vata[ny], mba tsy hahazoana mitondra azy hijoro eo anatrehan’Andriamanitra.”32
Rehefa mandray ny ranon’ny Fanasan’ny Tompo isika dia mianatra ny fomba ahafahantsika ho voadio amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna ary hijoro eo anatrehan’Andriamanitra noho izany. Tamin’ny alalan’ny fandatsahana ilay rany tsy manan-tsiny no nanefan’i Jesoa Kristy ny fitakian’ny fahamarinana ho an’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna rehetra. Avy eo Izy dia nanolo-tena hanadio antsika raha toa ny finoantsika Azy ka ampy hanosika antsika hibebaka, sy hanaiky ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra mitondra famonjena, manomboka amin’ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina. Rehefa mandray ny Fanahy Masina isika dia voadio. Nataon’i Jesoa mazava tsara izany fotopampianarana izany:
“Ary tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ny fanjakan’ [Andriamanitra]; … tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ny fitsaharany afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny rany. …
“Ankehitriny dia izao no didy: Mibebaha ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa atỳ Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany.”33
Izany no fotopampianaran’ny Tompo.34 Rehefa mandray izany fotopampianarana izany isika ary mitondra tena mifanaraka amin’izany dia tena voasasan’ny ran’i Kristy isika ary lasa madio.35
Amin’ny alalan’ireo vavaka amin’ny Fanasan’ny Tompo, no hanehoantsika ny fanekentsika io fotopampianaran’i Kristy io sy ny fahavononantsika hiaina mifanaraka amin’izany. Ao anatin’ny vavaka ataontsika amin’ilay Andriamanitra Raintsika Mandrakizay dia manambara isika fa “hahatsiaro mandrakariva” ilay Zanany sarobidy. Manamafy ny “fahavononantsika” hahatsiaro aloha isika. Avy eo isika manamafy fa “tena” mahatsiaro. Rehefa manao izany isika dia manao fanolorantena lehibe mba hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Fanavotany antsika amin’ny fahafatesana sy ny fahotana.
Mbola manambara indray isika fa “hitandrina ny didiny.” Fanolorantena lehibe mba hibebaka izany. Raha toa ka tsy araka ny tokony ho izy ny eritreritsika sy ny fitenintsika ary ny zavatra nataontsika teo aloha dia manolo-tena indray isika mba hampifanaraka bebe kokoa ny fiainantsika amin’ny Azy amin’ny ho avy.
Manaraka izany dia manambara isika fa “vononona hitondra ny anaran’ny [Zanaka].”36 Fanolorantena lehibe avy amintsika izany mba ho eo ambany fahefany sy hanao ny asany izay ahitana ny fandraisana ho an’ny tenantsika ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana mitondra famonjena rehetra.37
Rehefa manolo-tena hanaraka ireo fitsipika ireo isika dia ampanantenaina antsika ao amin’ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo fa “hanana ny Fanahiny miaraka amin[tsika]” isika.38 Fitahiana lehibe ny fahazoana indray ny Fanahy satria ny Fanahy no mpandio antsika amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna.39
Ry rahalahy sy anabavy, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no zava-nitranga manan-danja indrindra tao anatin’izao fiainana izao ary mandrakizay. Ilay nanatanteraka ny Sorompanavotana no nanome antsika ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo tsy hoe mba hanampiana antsika hahatsiaro fotsiny fa mba hanampiana antsika koa hitaky ireo fitahiana rehetra avy amin’io asa lehibe nanehoana famindrampo io. Ny fandraisana anjara tsy tapaka ary amim-pahamatorana amin’io ôrdônansy masina io dia manampy antsika hanohy hanaiky sy hiaina ny fotopampianaran’i Kristy aorian’ny batisa ary avy eo hanohy sy hamita ireo dingan’ny fahamasinana. Marina tokoa fa ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia tena manampy antsika tokoa haharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany ary handray ny fahafenoan’ny Ray tahaka ny fomba nanaovan’i Jesoa izany, dia fahasoavana anampy fahasoavana.40
Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny herin’i Jesoa Kristy hanavotana antsika rehetra amin’ny fahafatesana sy ny fahotana ary ny herin’ireo ôrdônansin’ny fisoronany izay ahitana ny Fanasan’ny Tompo, mba hanomana antsika “hahita ny tavan’Andriamanitra, dia ny Ray ary ho velona.”41 Enga anie isika ka handray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny herinandro ambony ary isan-kerinandro aorian’izany miaraka amin’ny faniriana lalina kokoa sy tanjona matotra kokoa. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.