Afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho
Ny soratra masina amin’ity volana ity
Isaky ny avy mamaky andinin-tsoratra masina ianao dia lokoy ireo faritra misy tarehimarika mifandray amin’izany eo amin’ny Ranon’i Môrmôna!
Ny Ranon’i Môrmôna
Niafina an’i Noà Mpanjaka ratsy fanahy teo akaikin’ny toerana milamina antsoina hoe Ranon’i Môrmôna i Almà. Olona maro no tonga mba hihaino an’i Almà nampianatra ny filazantsara. Naniry ny hatao batisa izy ireo. Rehefa nanao batisa azy ireo i Almà dia nanome ireo fampanantenana, na nanao ireo fanekempihavanana izay ataontsika rehefa atao batisa ny olona. Afaka mamaky bebe kokoa mikasika ireo fampanantenana ireo ianao ao amin’ny pejy manaraka.