2016
Mianatra mitendry hira ao amin’ny fihirana ao anatin’ny 10 minitra!
April 2016


Mianatra mitendry hira ao amin’ny fihirana ao anatin’ny 10 minitra!

Sary
learn to play a hymn 1
Sary
learn to play a hymn 2
Sary
learn to play a hymn 3

Raha tsy mbola nitendry pianô mihitsy ianao teo aloha kanefa naniry foana ny hianatra dia izao no fotoana hanombohanao izany. Ny hany ilainao dia vatamarofitsoka. Na tsy manana aza ianao any an-trano dia afaka mitondra ity lahatsoratra ity any amin’ny toerana misy pianô na vatamarofitsoka mba hanombohana ny fianarana.

Tena tsotra sy mora ity lesona ity ka noho izany dia ho afaka ny hitendry hira iray ao amin’ny fihirana ianao rehefa tapitra izany. Raha ny marina dia azo heverina ny hahafahanao mitendry ny lanton-kiran’ilay fihirana ato amin’ity lesona ity ao anatin’ny 10 minitra eo ho eo!

Vonona? Andao ary hanomboka!

Miomana ny hitendry ilay pianô

  1. Rehefa mipetraka eo amin’ny pianô ianao ka mametraka ireo rantsantananao eo amin’ny vatamarofitsoka dia akisaho lavidavitra any aoriana ilay seza mba hahafahan’ireo kihonao miforitra kely.

  2. Mipetraha eo afovoan’ilay seza eo anoloan’ny ivon’ilay vatamarofitsoka.

  3. Mipetraha eo amin’ny morony aloha amin’ilay seza dia ataovy mahitsy ny lamosinao ary somary ataovy mitambesatra mankany aloha ny vatanao.

  4. Apetraho amin’ny tany ny tongotrao.

  5. Ataovy izay hahazoana aina tsara rehefa mipetraka kanefa mahitsia tsara koa.

  6. Ataovy izay hampazava tsara ny toerana misy anao mba hahitanao ilay hira sy ilay vatamarofitsoka.

  7. Mitsangàna. Ampidino ny tananao dia ataovy maka aina tsara. Jereo tsara ny fiolan’izy ireo ara-boajanahary, toy ny hoe mitazona baolina iray. Rehefa mipetraka indray ianao dia apetraho eo amin’ny vatamarofitsoka ny rantsantananao, dia ataovy maka ilay endrika miolaka ara-boajanahary ihany.

  8. Apetraho eo ambonin’ilay vatamarofitsoka ny tananao, dia avelao hitehaka eo akaikin’ny ivon’ny faritra malalaka eo amin’ireo kitendry fotsy ireo rantsantananao. Ataovy mitsingevaheva eo ambonin’ny vatamarofitsoka ny felatananao fa aza apetraka eo amin’ireo kitendry na eo amin’ilay hazo eo ambanin’ireo kitendry.

  9. Kapohy amin’ny tendron’ny rantsantananao eo amin’ny faritra ambany amin’ny rantsanao ny kitendry. Tazony miolaka hatrany ny rantsana tsirairay, ka ireo fiforetana eo an-damosin’ny tananao no hanainganao izany. Rehefa mikapoka ny kitendry ianao dia tazony hiforitra ny fiforetana eo amin’ny rantsantananao.

Mitendry amin’ny alalan’ny fanomezana laharana ny rantsantanana tsirairay

Mba hanampiana anao hametraka ny rantsantanana tokony hipetraka amin’ny kitendry tsirairay dia omena laharana araka izay haseho eto ireo rantsantanana. Soratana eo akaikin’ireo naoty ao amin’ilay pejy ireo laharana ho an’ny rantsantanana.

Apetraho eo ambonin’ny andiana kitendry miisa dimy izay tianao ny tananao ka apetraho eo ambony kitendry iray ny rantsantanana tsirairay. Manaova fanazarana mikasika ireo laharana nomena ny rantsantanana amin’ny alalan’ny fitendrena ireo kitendry amin’ny rantsana tokony hitendry izany araka izay atoro eto. Ireo naoty misy tahony miakatra dia ho an’ny tanana havanana. Ireo naoty misy tahony midina dia ho an’ny tanana havia.

Mitendry ny “Misy havoana iray”

Apetraho eo amin’ny vatamarofitsoka araka izay haseho eto ambany ny tananao.

Ampiasao ireo andiana kitendry mainty misy laharana roa sy telo mba hanampiana anao hahita ny toerana tokony hametrahanao ny tananao.

Tendreo io hira io, amin’ny fanarahana ireo laharana nomena ny rantsantanana araka izay aseho eto. Ireo naoty misy tahony miakatra dia ho an’ny tanana havanana ary ireo naoty misy tahony midina dia ho an’ny havia. Mizara mitendry ilay fihirana mandra-pahazoanao aina mitendry izany. Ampiasao ireo fitsipika mikasika ny fampitomboana ny fahaizana manokana amin’ny fitendrena vatamarofitsoka amin’ny rantsantananao izay voatanisa ao amin’ilay lisitra misy zavatra sivy voatanisa.

Nampahafantarina anao ary izao ny fomba fitendrena pianô ary nianatra hira manana lanton-kira tsotra ianao. Raha hitendry hira hafa ao amin’ny fihirana ianao dia mila mianatra fitsipika fototra vitsivitsy mikasika ny ba-kira, ny paikam-peonkira, ary ny naoty.

Inty ny ampahany tsara indrindra: ny lesona vao nianaranao teo dia ny lesona voalohany ao amin’ny Lesona momba ny fitendrena vatamarofitsoka an’ny Fiangonana, izay misy amin’ny fiteny miisa enina ao amin’ny sampan-draharaha mpaninjara an’ny Fiangonana.1 Ny drafitra amin’ny fampianarana mora arahina dia manampy anao hianatra samirery na miaraka amin’ny olona. Mety ho azonao ampandraisina anjara amin’ny fiarahana mianatra pianô ihany koa ny fianakavianao rehetra mba hatao fiaraha-mientana amin’ny takarivan’ny mpianakavy. Azo vitaina ao anatin’ny enina herinandro monja ilay lesona.

Fanadihadiana maro no maneho fa ny fianarana mozika samirery dia manampy amin’ny fifantohan’ny mpianatra sy ny fahatsaran’ny vokatra azony any an-dakilasy ary ny fahaizany mieritreritra tsara.2

Rehefa mianatra ny hahay hitendry hira isika dia mampitombo ny talenta izay nomen’ny Tompo antsika, mampitombo ny fahalalantsika, ary mianatra fomba maro samihafa izay azontsika ampiasana ny fahaizantsika sy ny talentantsika mba hanorina ny fanjakany.

Fanamarihana

  1. Raha te hamandrika ireo fitaovana fianarana Lesona momba ny fitendrena vatamarofitsoka dia tsidiho ny store.lds.org.

  2. Jereo ny Laura Lewis Brown, “The Benefits of Music Education,” pbs.org; Jessica Velasco, “How the Arts Can Help Students Excel,” the Science of Learning Blog, 11 des. 2012, scilearn.com/blog/how-arts-help-students-excel; “Music Helps Children Learn Maths,” The Telegraph, 22 mar. 2012, telegraph.co.uk.

Hamoaka printy