2016
Fiorenana tsara ara-panahy: Manorina sambo tsy mety milentika
April 2016


Fiorenana tsara ara-panahy: Manorina sambo tsy mety milentika

Avy tamin’ny lahateny natao nandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 16 sept. 2014. Mba hahitana ilay lahatsoratra feno amin’ny teny Anglisy dia tsidiho ny speeches.byu.edu.

Mila fiorenana tsara ara-panahy ampy isika mba hitantanana amim-pahombiazana ny fiainantsika eto an-tany ary mba hiverenana soa aman-tsara any amin’ilay fonenantsika any an-danitra.

carpenter and tools

Sarina sambo © lublubachka/Thinkstock, MicheleBolero/Thinkstock, David Harding/Thinkstock

Tany am-piandohan’ny taonjato faha-17, dia nanome baiko ny mpanjaka Soedoa, Gustav II Adolf, mba hanorina sambo mpiady izay hantsoina hoe Vasa. Nitaky loharanom-pitaovana maro ny fanamboarana ilay sambo, indrindra ireo hazo oaka hanamboarana izany. Nanara-maso akaiky ny fizotran’ny fanamboarana izany i Gustav Adolf, niezaka ny naka toky fa hahatanteraka ny zavatra niriany i Vasa.

Taorian’ny fiantombohan’ilay fanamboarana dia nanome baiko i Gustav Adolf hoe mba hatao lava kokoa i Vasa. Raha efa voatsangana ireo andry nanohana ny sakany dia nasain’ny mpanjaka nampitomboan’ireo mpanamboatra ny halavalan’ilay sambo ka tsy nampitomboana ny sakany. Na dia fantatr’ireo mpanamboatra sambo aza fa hisy fiantraikany eo amin’ny fahafahan’i Vasa handeha an-dranomasina ny fanaovana izany dia nisalasala izy ireo hiteny zavatra amin’ny mpanjaka izay fantatr’izy ireo fa tsy tiany hohenoina. Dia nankatò izy ireo. Nanamafy koa i Gustav Adolf fa ny sambony dia tsy hanana rihina iray fotsiny fanasiana ny fitaovam-piadiana toy ny mahazatra fa hanana rihana telo misy tafondro ka ny tafondro faran’izay mavesatra no any amin’ny rihana ambony indrindra. Dia na fantatr’izy ireo indray aza izany fa tsy mety dia nankatò izy ireo.

Nanomboka ny diany voalohany i Vasa ny 10 aogôsitra 1628. Rehefa niala ny seranan-tsambo i Vasa dia nidiran’ny rivotra mahery ireo lain-tsambony ka nanomboka nitongilangilana. Vetivety dia, “tonga dia nitongilana izany ary niditra tamin’ny alalan’ireo famoahana ny tafondro ny rano mandra-pilentehan’izany tany ambanin’ny rano niaraka tamin’ny lain-tsambony sy ny sainy ary ny zava-drehetra.”1 Ny halaviran’ny dia voalohany nataon’i Vasa dia teo amin’ny 1280 m teo.

Ilay fanirian’i Gustav Adolf hanana mariky ny heriny diso tafahoatra dia nanimba ny fanamboarana ilay zavatra izay tokony ho lasa sambo tena tsara tarehy sy sambo mpiady faran’izay matanjaka tamin’ny fotoanandrony. Ny fisalasalan’ireo mpanamboatra sambo hilaza ny tsy mety—ny fahatahoran’izy ireo ny fahatezeran’ny mpanjaka—dia nanakana ny mpanjaka tsy hahalala ny fahalalana sy ny hevitra mahasoa ananan’izy ireo. Tsy tadidin’ireo olona rehetra nandray anjara tamin’izany ny tanjon’ilay asa fanamboarana: hiarovana an’i Suède sy hanatanterahana ireo tanjony any ivelany. Ny sambo iray izay manandrana manohitra ny lalàn’ny voahary dia sambo tsy hitsingevana tsotra izao.

Mba hitantanantsika amim-pahombiazana ny fiainantsika eto an-tany dia mila fiorenana tsara ara-panahy ampy isika hiatrehana ireo rivotra mifofo sy onja mitopatopa sy hanaovana fanovana araka izay azo atao ary hiverenana soa aman-tsara any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Misy zavatra azontsika atao mba hampitomboana ny fiorenantsika tsara ara-panahy. Efatra no horesahiko.

Mankatò ny didin’Andriamanitra

Ny voalohany dia ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra. Eo ambanin’ireo lalàna ara-panahy isika toa an’i Vasa izay teo ambanin’ireo lalàn’ny voahary. Tsy misy afa-miala amin’izany. Mila mankatò ireo lalàna ara-panahy ireo isika izay antsointsika hoe didin’Andriamanitra.

Mety tsapan’i Gustav Adolf ho naneritery ny fiarahana niasa tamin’ireo lalàn’ny voahary tao anatin’ny fanamboarana ilay sambo, saingy tsy ho nilentika talohan’ny nanombohany ny asa nanirahana azy mihitsy i Vasa raha toa ka nankatò ireo lalàna ireo. Fa ho lasa nanana fahalalahana sy fahafahana nanatanteraka ny zavatra nokasainy hatao kosa izany.

Torak’izany koa ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra dia miaro ny fananantsika fahalalahana sy ny fahafahantsika miovaova ary ny fahafahantsika mampiasa ilay hery anaty ananantsika. Tsy natao haneriterena antsika ireo didy. Fa mitondra fitomboan’ny fiorenana tsara ara-panahy sy ny fifaliana maharitra kosa ny fankatoavana.

Safidintsika ny hankatò. Nanome torolalana i Jesoa hoe, “Indro, efa nomeko anareo ny didy; koa tandremo ny didiko.” (3 Nefia 15:10). Tsotra toy izany ilay izy. Manapaha hevitra. Manapaha hevitra manomboka androany ny ho mpankatò tanteraka. Tsy misy zavatra hafa hampitombo bebe kokoa ny fiorenana tsara ara-panahy mihoatra izany. Tsy misy zavatra hafa hanome fahalalahana lehibe kokoa noho izany ho antsika mba hanatanterahana ny tanjon’ny fiainantsika.

Manaraka ny torohevitra sy lasa mpianatra mandritra ny fiainana

carpenter’s tools

Faharoa dia mila mifantoka sy manaraka ny torohevitra avy amin’ireo loharano azo antoka isika ary manolo-tena mba ho lasa mpianatra mandritra ny fiainana.

Ny iray amin’ireo fandriky ny fananana fahalalana dia ny avonavona izay mety ho tonga rehefa mieritreritra isika fa manana fahalalana maro ka tsy misy zavatra hafa tokony hianarana intsony. Efa hitantsika rehetra tamin’ny olona izay matoky loatra ny fahaizany izany. Tena sarotra ny mampianatra olona mihevitra ho mahafantatra ny zavatra rehetra.

Noho ny fahafantarany izany sy ny faniriany mba ho mpianatra mandritra ny fiainana dia nilaza an’izao ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Mbola toy ny zaza izay mila mianatra zavatra maro aho. Afaka mianatra zavatra avy amin’ny ankamaroan’ny olona aho.”2 Nampianatra lesona iray manan-danja ho ahy ny Filoha Eyring tamin’izy nanolotra ilay antso mba ho Manampahefana Ambony tamiko. Nilaza izy fa rehefa maheno olona mitantara tantara iray izay efa henony taloha na mampiasa soratra masina efa hainy tsara izy, dia manontany tena hoe, “Nahoana no hamafisin’ny Tompo amiko izany?” ary “Inona no mbola tokony hianarako avy amin’izany tantara na soratra masina izany?” Raha maniry ny hampitombo ny fiorenantsika tsara ara-panahy isika dia ho vonona ny hianatra sy hanana fanetrentena ampy mba hanekena ny fitarihana na firy taona na firy taona ary na inona na inona toe-javatra niainana.

Tena safidintsika izany. Afaka mihaino sy manaraka ny torolalana omena antsika amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana isika, indrindra fa ireo izay tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara sy ny torolalana omen’ny ray aman-dreny; ary ireo namana azo itokisana—na tsy mihaino sy tsy manaraka. Afaka mikatsaka ny ho mpianatra mandritra ny fiainana isika—na tsia. Afaka mampitombo ny fiorenantsika tsara ara-panahy isika—na tsia. Rehefa tsy mahavita mampitombo ny fiorenantsika tsara ara-panahy isika dia ho lasa tahaka an’i Vasa—sambo iray tsy hitsingevana.

Manompo ny hafa

Fahatelo, ny fiheverantsika ny hafa, ny fikarakarantsika ny hafa ary ny fanompoantsika ny hafa dia mampitombo ny fiorenantsika tsara ara-panahy.

Mitoetra ho mazava kokoa ny fifantohana amin’ny mandrakizay rehefa mifantoka amin’ny hafa isika, rehefa mikatsaka ny hanampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Hitako hoe mora kokoa ny mandray fitaomam-panahy rehefa mivavaka aho mba hahalala ny fomba ahafahako manampy ny hafa noho ny hoe mivavaka ho an’ny tenako fotsiny.

Mety mino isika hoe ho avy ny fotoana izay hananantsika fahafahana tsara kokoa hanampy. Raha ny marina dia izao no fotoana hanaovana izany. Diso isika raha mihevitra fa ho tsara kokoa ny manompo ny hafa rehefa manam-potoana bebe kokoa isika na rehefa manam-bola bebe kokoa na manan-javatra hafa bebe kokoa. Na inona na inona toe-javatra iainantsika dia manana safidy isika. Moa ve isika hanampy ny hafa sa tsia? Tsy nahavita niatrika fitsapana lehibe iray eto an-tany isika raha nisafidy ny tsy hanampy ireo izay mila fanampiana. Ary raha manampy isika dia mampitombo ny fiorenantsika tsara ara-panahy.

Manao an’i Jesoa Kristy ho fototra iorenana

the ship Vasa

Sarina sambo © lublubachka/Thinkstock, MicheleBolero/Thinkstock, David Harding/Thinkstock

Fahaefatra farany sady tena manan-danja, mitombo arakaraky ny halehiben’ny fametrahantsika an’i Jesoa Kristy ho fototra iorenantsika ny fiorenantsika tsara ara-panahy.

Rehefa tsy miaraka amin’i Kristy isika dia voataritarika toy ny sambo atopatopan’ny onja. Tsy manana hery isika satria tsy manana lain-tsambo mpanoro lalana. Tsy miorina tsara isika indrindra amin’ny fotoan-tsarotra satria tsy manana vatofantsika. Tsy mahafantatra izay aleha na tsy manana tanjona isika satria tsy manana na inona na inona entina mamily sambo. Tsy maintsy manao an’i Jesoa Kristy ho fototra iorenana isika.

Mba hahafahana miatrika sy mandresy ny rivotra mifofo sy ny onja mitopatopa eo amin’ny fiainana ary miomana amin’izany dia tsy maintsy mankatò ny didin’Andriamanitra isika; lasa mpianatra manetry tena, vonona sy tsy mihambahamba; manompo ny hafa; ary mametraka an’i Jesoa Kristy ho fototra iorenan’ny fiainantsika. Rehefa manao izany isika dia mitombo ny fiorenantsika tsara ara-panahy. Ho afaka ny hiverina any amin’ilay seranana azo antoka isika rehefa avy nanatanteraka ny diantsika fa tsy tahaka an’i Vasa.

Fanamarihana

  1. Taratasy avy amin’ny Filankevitry ny Fanjakana Soedoa ho an’ny Mpanjaka Gustav II Adolf; dikanteny nambara ao amin’ny Richard O. Mason, “The Vasa Capsizes,” virtualschool.edu/mon/CaseStudies/Vasa/vasa.html. Misy tantara maro mikasika an’i Vasa; jereo ohatra ny vasamuseet.se/en mba hahalalana ny tantara ary jereo koa ireo rohy hafa.

  2. Henry B. Eyring, ao amin’ny Robert I. Eaton and Henry J. Eyring, I Will Lead You Along: The Life of Henry B. Eyring (2013), 409.