2016
‘Voarabiraby aho any an-tsekoly noho izaho Olomasin’ny Andro Farany. Fantatro fa mila miaro ny zavatra inoako aho, kanefa mafy be izany! Ahoana no hahatongavako ho mahery fo kokoa?
April 2016


Fanontaniana & Valiny

“Voarabiraby aho any an-tsekoly noho izaho Olomasin’ny Andro Farany. Fantatro fa mila miaro ny zavatra inoako aho, kanefa mafy be izany! Ahoana no hahatongavako ho mahery fo kokoa?”

Marina tokoa ny eritreritrao fa mila fahasahiana ianao mba hiatrehana io toe-javatra io. Sady i Jesoa Kristy koa dia nandidy hoe: “Mitsangàna ary mamirapirata mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ireo firenena” (F&F 115:5). Kanefa ny fananana herimpo hamela ny fahazavanao hamirapiratra dia mety hidika na tsia hoe miteny mafy ireo izay maneso anao.

Amin’ireo tranga roa ireo dia afaka mamela ny fifanoherana hitaona anao hanao izay tsara kokoa ianao. Rehefa miasa mafy ianao mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia afaka mampitombo ilay herimpo mangina izay hanampy anao hilaza izay eritreritrao na manohy fotsiny ihany manao izay tsara, na dia maneso aza ny hafa.

Mety mahatezitra izany voarabiraby izany, kanefa tadidio fa afaka mivavaka ianao mba ho feno fiantrana mba hahafahan’ny hafa mahatsapa ny fitiavan’i Kristy amin’ny alalanao (jereo ny Môrônia 7:48). Koa satria miavaka ny toe-javatra tsirairay dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahafantarana ny fomba hamaliana araka ny fomban’i Kristy amin’ny fotoana tsirairay.

Miankina amin’ny toe-javatra misy, dia mety tena tsara ny miresaka manokana amin’ireo izay nandrabiraby anao na ny tsy miraharaha fotsiny ireo fanesoesoana feno fiantsiana eo am-panohizanao miaina ny zavatra inoanao. Raha tsy liana amin’ny fihainoana izay tianao holazaina ny hafa dia mety ho ny fanehoanao hatsaram-panahy sy famelan-keloka ary fahitsim-po no hafatra tsara indrindra azonao ampitaina.

Manehoa herimpo marina

Ireo izay mandrabiraby anao dia mety tsy hitsahatra hanao izany noho ny fanananao fahasahiana hiteny azy ireo mba tsy hanao izany, kanefa mety hijanona izy ireo rehefa mampihatra ny herimponao ianao amin’ny fiainana ny maha-ianao anao—Olomasin’ny Andro farany. Na tsy mbola fantatrao akory aza izany dia hotahiana ianao rehefa mankasitraka ny zavatra ataonao ny Ray any An-danitra, ary izany dia antenaina mba hanokatra ny mason’izy ireo hahita ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny eo amin’ny fiainanao.

Bright U.,17 taona, Imo State, Nigeria

Mitadiava hery avy amin’ireo zavatra fototra

Ny vavaka sy ny fifadian-kanina dia zava-dehibe satria izy ireo dia hanampy anao hanohitra ireo hanihany sy olana any an-tsekoly, tahaka ny nanoheran’i Jesoa Kristy ireo fanesoana maro fony Izy teto an-tany. Izany dia hanampy anao hikolokolo fitiavana sy faharetana bebe kokoa amin’ny olona.

Walter C., 15 taona, Jaén, Pérou

Meteza ho voatarika amin’ny alalan’ny vavaka

Nandritra ny fotoana maro dia izaho no hany mpikambana tao amin’ny sekoly misy ahy. Toy ny nahatakatra tsara ny safidiko ireo namako akaiky indrindra, saingy nandrabiraby ahy ny namana sasany tao an-tsekoly. Indray andro aho dia nivavaka ka nahatsapa fa nila niresaka tamin’ny iray tamin’izy ireo izay namporisika ny hafa handrabiraby ahy. Nohazavaiko taminy fa tsy tezitra taminy aho, kanefa nangataka azy aho ny hanaja ahy tahaka izay tiany hanajana azy. Rehefa avy nandre ny resaka nifanaovanay ny iray tamin’ireo mpampianatro dia niaro ahy mandrakariva izy rehefa nahita zavatra niseho. Fantatro fa hiaraka aminao ny Tompo rehefa miresaka amin’ireny olona ireny ianao.

Shanela S., 14 taona, Pangasinan, Philippines

Ataovy izay hahazoanao fijoroana ho vavolombelona

Voalohany dia ataovy izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona tena izy mikasika ireo fahamarinana izay tianao hozaraina amin’ny hafa. Avy eo dia ataovy izay hitiavana ireo olona mpandrabiraby ary aza miady hevitra aminy, satria tsy manohana ny fifandirana mihitsy Andriamanitra (jereo ny 3 Nefia 11:29). Ary ny manan-danja indrindra, dia miezaha hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka aminao. Ny Fanahy dia hanampy anao hanana fitiavana sy herimpo bebe kokoa ary hampahery vaika ny teninao izy.

Julia F., 19 taona, Hesse, Alemana

Tiavo ny fahavalonao

Efa niaina toe-javatra toy izany aho. Raha manam-pinoana ianao ary manetry tena dia hahazo ny hery sy ny finoana ilainao mba “[hitiavana] ny fahavalo[nao] ary [hivavahana] ho an’izay manenjika [anao]” (Matio 5:44). Amporisihiko ianao hanadihady ny soratra masina mba hahazo ny valin’ireo fanontanianao mikasika ny fomba hahatongavana ho matanjaka. Mivavaha rehefa mahatsapa ho irery ao amin’ny finoanao ianao. Ny Romana 8:31 dia milaza hoe: “Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” Manana an’Andriamanitra eo anilanao ianao. Azo tanterahina avokoa ny zavatra rehetra.

Reagan T., 15 taona, Utah, Etazonia

Aza matahotra

Miresaha matetika mikasika ny finoanao na manaova fanahy iniana manao zavatra mba hiresahana izany. Tao anaty toe-javatra toy izany aho ka nanoratra hoe “Tiako izany hoe Olomasin’ny Andro Farany izany” teo amin’ny kitapo fibabiko. Rehefa nanao izany aho dia nanomana lalana mba hahafahana mitory ny filazantsara ary naneho tamin’ny olona fa tsy natahotra aho ny nampahafantatra azy ireo fa Olomasin’ny Andro Farany ny tenako. Na inona na inona ataonao dia aza avela hanelingelina anao ireo zavatra ireo. Mivavaha ho azy ireo sy ho anao manokana. Vetivety ianao dia hahita fa raha mifantoka amin’ny fanavotana ny fanahin’ny hafa ianao dia tsy hatahotra be ny hampahafantatra azy ireo ny marina mikasika ny filazantsaran’ny Rainao.

Savanna P., 14 taona, Texas, Etazonia

Hamoaka printy