2017
Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika
May 2017


Niteny tamintsika izy ireo

Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika

Ampiasao ny sasany amin’ireto asa atao sy fanontaniana ireto ho fanombohana ny fandalinana ataon’ny tena manokana na ataon’ny mpianakavy.

Ho an’ny ankizy

  • Pejy 86: Nanasa antsika hamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Thomas S. Monson sady nampanantena hoe: “haneho ny fahamarinan’izany aminao ny Fanahy Masina.” Fanampin’ny fandalinana ataonao manokana dia afaka manao fahazarana ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro miaraka amin’ny fianakavianao ianao. Afaka milalao an-tsehatra na manao kilalao ianareo hahatsiarovana ireo andininy sy tantara manan-danja. Mandehana ao amin’ny friend.lds.org ary jereo ny gazetiboky Liahona 2016 hahitana ireo tantara sy fandaharam-pamakiana ny Bokin’i Môrmôna ary ny maro hafa.

  • Pejy 117: Nolazain’ny Loholona Gary E. Stevenson ny fomba nihainoan’ny rainy ny Fanahy Masina ka nanavotany azy tamin’ny bibilava. Anontanio ny ray aman-dreninao raha toa ka afaka manao fifanakalozan-kevitra ny fianakaviana momba ny hoe: Ahoana no hanampian’ny Fanahy Masina anareo? Zarao ireo fotoana izay nampitandreman’ny Fanahy Masina anao na nankaherezany anao na nijoroany ho vavolombelona taminao. Afaka mirakitra izany an-tsoratra mihitsy aza ianao ka manoratra boky iray.

  • Pejy 87: Nampianatra ny Rahavavy Joy D. Jones fa afaka miomana hanao fanekempihavanana masina ianao any aoriana any amin’ny fianarana mitandrina fampanantenana ankehitriny. Mametraha tanjona ianao ary manaova fampanantenana ny hanaraka izany. Angataho ny namana iray hanontany anao matetika sy hanao izay hitandremanao ny fampanantenana nataonao.

  • Pejy 90: Nizara sosokevitra vitsivitsy avy tamin’ny rainy ny Loholona Yoon Hwan Choi: “Aza mijery ny manodidina anao, fa miandrandrà!” Variana isika indraindray ka manadino ny mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Koa ampahatsiahivo ny tenanao mba hiandrandra! Azonao atao ny manantona sarin’i Jesoa iray ao an’efitranonao. Mivoaha any ivelany dia jereo ny lanitra. Makà fotoana mangina isan’andro mba hieritreretana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa sy hahatsapana ny Fanahy.

Ho an’ny tanora

  • Pejy 93 sy 117: Efa nanontany tena ve ianao hoe: Ahoana no hahafahako manana ny Fanahy Masina miaraka amiko? Ahoana no hamantarako ny Fanahy Masina? Ahoana no hanampian’ny Fanahy Masina ahy? Namaly ireo sy ny fanontaniana maro hafa ny Loholona Ronald A. Rasband sy Gary E. Stevenson. “Andraikitra masina ananantsika ny hianatra hamantatra ny fitaomany eo amin’ny fiainantsika ary hamaly izany,” hoy ny Loholona Rasband. Ahoana no hanatontosanao izany andraikitra izany?

  • Pejy 33: Nitanisa ny ampahany amin’ny soratra masina filamatry ny Mutuel ny Loholona Ulisses Soares: “Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana. Fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany” (Jakoba 1:6 ao amin’ny baiboly). Ahoana no hitandremanao ny tenanao tsy hiahanahana? Atombohy amin’ny fampatanjahana ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Mandalina bebe kokoa momba Azy. Tsarovy ireo fotoana nahatsapanao ny fitiavany sy ny fiadanany.

  • Pejy 86 sy 9: Nanasa antsika ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Raha tsy mamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ianao dia ataovy izany.” Ary ny Rahavavy Carol F. McConkie dia nanontany hoe: “Moa ve isika mamela ny finday sy ny lisitra lava be ahitana ireo zavatra mila atao ary ny fieritreretana ireo zavatr’izao tontolo izao? Ny vavaka, ny fandalinana ary ny fanarahana ny tenin’ Andriamanitra dia manasa ilay fitiavany manadio sy manasitrana ho ao amin’ny fanahintsika.” Mametraha fotoana iray isan’andro hamakiana ny Bokin’i Môrmôna ary asio fampahatsiahivana ao amin’ny bokin’ny fandaharam-potoanao na amin’ny findainao.

Ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony

  • Pejy 62: Inona ireo tanjonao ho an’ny fiainanao? Tsara ireo tanjona ho an’ny asa, fianakaviana ary na ny fanatanjahantena sy fialamboly aza, saingy “ny tanjontsika lehibe sy ambony indrindra dia tokony hifanaraka amin’ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra,” hoy ny nampianaran’ny Loholona M. Russell Ballard. Mifanaraka amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ve ireo tanjonareo? Ahoana no ahafahanareo mifantoka bebe kokoa amin’ny tanjona mba hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Pejy 39: Tany amin’ny fiandohan’ity taona ity, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanasa ireo tanora tokantena sy mpivady vao herotrerony mba “hanokana ampahany amin’ny fotoan’izy ireo isan-kerinandro mba handalina ny zavatra rehetra nolazan’i Jesoa sy nataony izay voarakitra ao amin’ny [soratra masina eken’ny Fiangonana]” (“Prophets, Leadership, and Divine Law” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokantena sy mpivady vao herotrerony, 8 jan. 2017], broadcasts.lds.org). Naverina izany fanasana izany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba ho isan’ireo singa manan-danja efatra amin’ny fisintonana ny herin’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainantsika. Halalino ny lahatenin’ny Filoha Nelson hianarana ny fomba hahafahanareo mahazo “hery ampy hizakana ireo enta-mavesatra sy sakantsakana ary fakam-panahy misy amin’izao androntsika izao.”

  • Pejy 100 sy 26: Te hahazo fanoroan-dalana ho an’ny fiainanareo ve ianareo? Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “Noho ny fananantsika ny fahamarinana momba Ny Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin’Izy ireo, momba ny tanjon’ny fiainana, ary ny endriky ny hiafarantsika mandrakizay, dia manana ny sori-dalana sy antoka tsara indrindra isika amin’ny diantsika amin’ny fiainana an-tany.” Izy sy ny Loholona Weatherford T. Clayton dia samy nampianatra fa afaka manampy antsika amin’ireo olana ananantsika ankehitriny ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena. Halalino ny hafatr’izy ireo ary anontanio ny Ray any An-danitra ny fomba hanoloran’ireo fahamarinana mandrakizay fanoroan-dalana eo amin’ny fiainanareo.

  • Pejy 104: Afaka manentana hanao zavatra ny tahotra, kanefa ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra fa ny tahotra dia “tsy hanova antsika velively ho lasa ilay olona izay tia ny tsara sy maniry ny hankatò ny Ray any An-danitra.” Ahoana ny fitiavana madion’i Kristy no afaka ny ho “ilay vahaolana notendren’ Andriamanitra” ho an’ny tahotra ananantsika?

Ho an’ny Olon-dehibe

  • Pejy 86: Rehefa mandalina sy misaintsaina ombam-bavaka isan’andro ny Bokin’i Môrmôna isika, hoy ny Filoha Thomas S. Monson dia “ho afaka handre ny feon’ny Fanahy, hanohitra ny fakam-panahy, handresy ny ahiahy sy ny tahotra, ary handray ny fanampian’ny lanitra eo amin’ny fiainantsika.” Mametraha tanjona hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro, an’ny tena manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana.

  • Pejy 39: Mandraisa anjara amin’ilay fanamby nomen’ny Filoha Russell M. Nelson ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony (jereo etsy ambony ny “Ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony”). Amin’ny fomba ahoana no hampifanarahanareo io fanamby io amin’ny tenanareo sy amin’ny fianakavianareo? Ifampiresaho ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fianarana bebe kokoa momba ny Mpamonjy.

  • Pejy 93 sy 117: Rehefa mamaky ireo lahateny nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband sy ny Loholona Gary E. Stevenson ianareo dia tadiavo ireo fomba hananana mandrakariva ny Fanahy sy ny fomba hanampian’ny Fanahy anareo. Milazà fomba hampitomboana ny fitaomany eo amin’ny fiainanareo.

  • Pejy 39 sy 62: Ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona M. Russell Ballard dia namporisika ireo mpikambana mba handalina ny “Ilay Kristy Velona: ny tenivavolombelon’ireo apôstôly” (jereo ao anatiny amin’ny fonony eo aloha). Nilaza ny Loholona Ballard hoe: “Mametraha tahadika iray amin’ny toerana izay ahafahanao mahita izany, ary makà fotoana hijerena ny filazana tsirairay hita ao amin’io tenivavolombelona nentanim-panahy momba an’i Kristy.” Vakio miaraka amin’ny fianakaviana ny “Ilay Kristy Velona” ary ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaranao.

  • Pejy 127 sy 97: Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook fa ny fototry ny finoantsika dia miorina “tsikelikely, amin’ny alalan’ny sosona iray, traikefa iray, fanamby iray, faharesena iray, ary fahombiazana iray isaky ny mandeha.” Nilaza ny Loholona L. Whitney Clayton hoe: “Ny fanaovana fahazarana amin’ny finoana kely isan’andro no hany fomba tsara indrindra hampatanjahana ny tenantsika hanohitra ireo olan’ny fiainana, na inona na inona izany.” Inona no azonao atao isan’andro mba hanatanjahana fototry ny finoanao?

Hamoaka printy