Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina
Ny asa ampanaovin’ Andriamanitra ny Fanahy Masina dia ny mitaona fanahy, mijoro ho vavolombelona, mampianatra ary mibitsika amintsika mba handeha ao amin’ny fahazavan’ny Tompo.
Ry rahalahy sy ranabavy isany, izaho koa, tahaka anareo rehetra, dia miaiky fa mahita ny fanafainganana ny asan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Filoha Thomas S. Monson sy ny hafany androany maraina. Filoha Monson, tianay ianao, manohana anao izahay ary mivavaka ho anao hatrany, ry “mpaminany malalanay.”1
Nahatsapa be ny Fanahy isika tamin’ity faran’ny herinandro ity. Na eto amin’ity efitra lehibe ity ianareo na mijery avy any an-trano na mivondrona any amin’ireo toeram-pivoriana any lavitra any eto amin’izao tontolo izao dia nanana fahafahana ny hahatsapa ny Fanahin’ny Tompo ianareo. Manamafy ao am-ponareo sy ao an-tsainareo ireo fahamarinana nampianarina tamin’ity fihaonambe ity izany Fanahy izany.
Saintsaino ny tonon’ity hira mahavantana ity:
Avelao hitarika anao ny Fanahy;
Avelao izy hampianatra izay marina.
Hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy izy,
Hanazava ny saintsika amin’ny fijerin’ Andriamanitra.2
Fantatsika avy tamin’ny fanambarana tamin’ny andro farany fa Ny Andriamanitra dia ahitana olona telo miavaka tsara: ny Raintsika any An-danitra, i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana ary ny Fanahy Masina. Fantatsika fa “ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy. Raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina.”3
Ny hafatro anio dia mifantoka amin’ny maha-manan-danja ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Fantatry ny Raintsika any An-danitra fa hiatrika olana sy fahoriana ary disadisa isika eto ambonin’ny tany; fantany fa hitolona amin’ny fanontaniana, fahadisoam-panantenana, fakam-panahy ary fahalemena isika. Mba hanomezana tanjaka sy fitarihana avy any an-danitra ho antsika eto ambonin’ny tany dia nomeny ny Fanahy Masina isika.
Mamatotra antsika amin’ny Tompo ny Fanahy Masina. Ny asa ampanaovin’ Andriamanitra Azy dia ny mitaona fanahy, mijoro ho vavolombelona, mampianatra ary mibitsika amintsika mba handeha ao amin’ny fahazavan’ny Tompo. Andraikitra masina ananantsika ny hianatra hamantatra ny fitaomany eo amin’ny fiainantsika ary hamaly izany.
Tsarovy ilay fampanantenan’ny Tompo hoe: “Hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao sy hameno fifaliana ny fanahinao.”4 Tiako izany fanomezan-toky izany. Ny fifaliana izay mameno ny fanahintsika dia mitondra fomba fijery mandrakizay manoloana ny fiainana andavanandro. Tonga toy ny fiadanana eo anivon’ny fahasarotam-piainana sy ratram-po izany fifaliana izany. Mitondra fiadanana sy fankaherezana izany, manazava ireo fahamarinan’ny filazantsara, ary mampitombo ny fitavantsika ny Tompo sy ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Na dia tena ilaina tokoa aza ny fitahiana toy izany dia nohadinoin’izao tontolo izao tamin’ny fomba maro izy ireo ary notsinontsinoaviny.
Rehefa mandray ny fanasana masina isika isan-kerinandro dia manao fanekempihavanana mba “hahatsiaro Azy mandrakariva,” dia ny Tompo Jesoa Kristy, sy ny sorom-panavotana nataony. Rehefa mitandrina izany fanekempihavanana masina izany isika dia mahazo ny fampanantenana fa “hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika].”5
Ahoana no anaovantsika izany?
Voalohany, miezaka ny manana fiainana mendrika ny Fanahy isika.
Ny Fanahy Masina dia miaraka amin’ireo izay “sarotiny amin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamaniny isan’andro.”6 Araka ny torohevitra nomen’ny Tompo, isika dia tsy maintsy “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao,”7 satria “tsy mitoetra ao amin’ny tempoly izay tsy masina ny Fanahin’ny Tompo.”8 Tsy maintsy ezahantsika hatrany ny hankatò ireo lalàn’ Andriamanitra, ny handalina ny soratra masina, ny hivavaka, ny handeha ho any amin’ny tempoly, ny hiaina amim-pahatokiana ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo hoe: “ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika, ary … hanao soa amin’ ny olon-drehetra.”
Faharoa, tsy maintsy maniry ny handray ny Fanahy isika.
Nampanantena ny Tompo hoe: “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao.”9 Nanomboka takatro izany fony aho misiônera tanora tany Scotch Plains, New Jersey. Indray marainan’ny jolay mahamay dia nahatsapa ho notaomim-panahy hijery ireo olona natolotry ny Temple Square izaho sy ny mpiara-mitory tamiko. Nandondona ny varavaran’ny tranon’i Elwood Schaffer izahay. Nangataka anay mba hiverin-dalana tamim-panajana ramatoa Schaffer .
Raha nanomboka nanakatona ny varavarana izy dia nahatsapa aho fa tokony hanao zavatra izay tsy mbola nataoko mihitsy teo aloha ary tsy nataoko intsony hatrizay! Natsatoko teo amin’ilay varavarana ny tongotro dia nanontany aho hoe: “Misy olon-kafa mety ho liana amin’ny hafatray ve?” Liana i Marti, zanany vavy, izay 16 taona, ary efa nangataka fitarihana mafy izy ny omalin’io mihitsy. Nihaona taminay i Marti, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia nandray anjara tamin’ireo lesona ny reniny. Samy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy roa.
Vokatry ny batisan’i Marti dia olona 136 no vita batisa sy nanao ireo fanekempihavanan’ny filazantsara, ka anisan’izany ny maro amin’ny fianakaviany. Tena feno fankasitrahana aho fa nihaino ny Fanahy ka nanatsatoka ny tongotro teo amin’ilay varavarana tamin’io andro mahamain’ny jolay io. Eto androany i Marti sy ny maro amin’ny fianakaviana malalany.
Fahatelo, tsy maintsy mahafantatra ny Fanahy isika rehefa tonga izany.
Ny zavatra niainako dia hoe matetika ny Fanahy no miresaka amintsika amin’ny alalan’ny fahatsapana. Tsapanareo amin’ny teny izay mahazatra anareo izany, izay mitombina aminareo, izay mibitsika aminareo. Saintsaino ny valintenin’ireo Nefita rehefa nihaino ny Tompo nivavaka ho azy izy ireo: “Ary ny valalabemandry dia nandre sy vavolombelona manambara; ary nisokatra ny fony ary dia nahatakatra tao am-pony ny teny izay nivavahany izy.”10 Tsapan’izy ireo tao am-pony ireo teny tao amin’ny vavaka nataony. Tony sy malefaka ny feon’ny Fanahy Masina.
Ao amin’ny Testamenta Taloha, i Elia dia nifaninana tamin’ireo mpisoron’i Bala. Nanantena ny “feon’” i Bala hidina toy ny kotro-baratra ka handrehitra ny sorona nataon’izy ireo amin’ny afo ireo mpisorona. Kanefa tsy nisy feo, ary tsy nisy afo.11
Taty aoriana dia nivavaka i Elia. “Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ny horohoron-tany:
“Ary manarakaraka ny horohoron-tany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malefaka.”12
Fantatrareo ve izany feo izany?
Nampianatra ny Filoha Monson hoe: “Eo am-panohizantsika ny dian’ny fiainana dia handeha isika hianatra ny fitenin’ny Fanahy.”13 Ny Fanahy dia miteny teny izay tsapantsika. Ireo fahatsapana ireo dia malefaka, fandrisihana malefaka mba hanao asa, mba hanao zavatra, mba hiteny zavatra, mba hamaly antso amin’ny fomba miavaka. Raha toa zatrazatra na mora afa-po amin’ny fitsaohantsika isika, voasarika sy donton’ny firehan’izao tontolo izao, dia hihena ny fahafahantsika mahatsapa zavatra. Hoy i Nefia tamin’i Lamana sy Lemoela hoe: “Efa nandre ny feony ombieny ombieny ianareo; ary niteny taminareo tamin’ny feo tony sy malefaka izy, saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny.”14
Nanao asa nampanaovina ahy tany Amerika Atsimo aho tamin’ny jona lasa teo. Nanana fandaharam-potoana tery dia tery nandritra ny 10 andro hitsidihana an’i Colombie, Perou ary Equateur izahay. Nisy horohoron-tany lehibe iray namono olona an-jatony, nandratra olona an-arivony, nanimba sy nandrava trano sy fiarahamonina tany amin’ireo tanànan’i Portoviejo sy Manta any Equateur. Nahatsapa ho notaomim-panahy aho hanampy ao amin’ny fandaharam-potoanay ny fitsidihana ireo mpikambana mipetraka ao amin’ireo tanàna ireo. Tsy azonay antoka ny hahafahanay ho tonga tany noho ireo lalana izay feno fahasimbana. Raha ny marina dia nolazaina taminay fa tsy afaka ny ho tonga any izahay, kanefa tsy nety niala ilay bitsika. Vokatr’izany dia notahiana izahay ary afaka nitsidika ireo tanàna roa ireo.
Satria fotoana fohy talohan’izay fotsiny ilay fampandrenesana dia nanantena izahay fa mpitarika ao amin’ny fisoronana vitsivitsy ihany no hanatrika ireo fivoriana izay nomanina haingana. Tonga tao amin’ny ivontoeran’ny tsatòka tsirairay anefa izahay ary nahita ny trano fiangonana feno hatreny aoriana indrindra. Anisan’ny mpikambana matanjaka indrindra tao amin’ny faritra ny sasany tamin’ireo izay nanatrika teo, mpamaky lay izay nijanona ho mahatoky tao amin’ny Fiangonana, nankahery ny hafa hiaraka hitsaoka amin’izy ireo sy hahatsapa ny Fanahy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Nipetraka teny amin’ireo laharana voalohany ireo mpikambana izay namoy olon-tiana sy mpiray vodirindrina nandritra ilay horohoron-tany. Nahatsapa ho notaomim-panahy aho hanolotra tsodranon’ny apôstôly tamin’ireo rehetra nanatrika, anisan’ny voalohany nomeko izany. Na dia nijoro teny anoloan’ny efitra aza aho dia toy ny nametraka ny tanako teo ambonin’ ny lohan’izy ireo tsirairay ary tsapako nirotsaka tokoa ny tenin’ny Tompo.
Tsy tapitra teo izany. Nahatsapa ho notaomim-panahy aho hiresaka amin’izy ireo tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy rehefa nitsidika ireo vahoaka tany Amerika. “Nalainy tsirairay ny ankizy madininy … ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.”15 Tany Equateur izahay, nanao ny asan’ ny Ray, ary zanany ireo.
Fahefatra, tsy maintsy manao asa avy hatrany isika rehefa mandre ny bitsika voalohany.
Tsarovy ireo tenin’i Nefia: “Notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko. Na dia teo aza izany,” hoy izy, “dia nandroso aho.”16
Ary tsy maintsy manao izany koa isika. Tsy maintsy matoky ireo bitsika voalohany azontsika isika. Indraindray isika manamarin-tena, manontany tena raha toa ka mahatsapa fitaomana ara-panahy na raha toa ka eritreritsika fotsiny ihany izany. Rehefa manomboka miahiahy isika hoe tsara sa ratsy ny zavatra tsapantsika, ary mbola miverina miahiahy ny amin’izany ihany avy eo, ary efa nanao izany isika rehetra, dia mandroaka ny Fanahy isika; miahiahy ny torohevitra avy amin’ Andriamanitra isika. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “raha toa ka mihaino ireo bitsika voalohany ianareo dia ho marina foana in-tsivy ao anatin’ny folo.”17
Inty ary misy fampitandremana iray: aza manantena valisoa na fitahiana goavana satria namaly ny Fanahy Masina ianareo. Tsarovy hoe manaraka ny asan’ilay feo tony sy malefaka ianareo.
Raha filohan’ny misiona tany New York City aho dia niaraka tamin’ny sasany tamin’ireo misiôneranay tao amin’ny fisakafoam-bahiny iray tany Bronx. Niditra ny fianakaviana kely iray ary nipetraka teo akaikinay. Toa vonona tsara handray ny filazantsara izy ireo. Nijery ireo misiôneranay aho raha nanohy niresadresaka tamiko izy ireo, dia tsikaritro ilay fianakaviana namarana ny sakafon’izy ireo ary nivoaka mora ny varavarana. Dia hoy aho: “Elders, nisy lesona iray teto androany. Nahita fianakaviana mahafinaritra niditra ity fisakafoam-bahiny ity ianareo. Inona no tokony ho nataontsika?”
Niteny haingana ny iray tamin’ireo elders: “Nieritreritra ny hitsangana sy handeha hiresaka tamin’izy ireo aho. Tsapako ilay fitaomana fa tsy namaly aho.”
“Elders,” hoy aho, “tsy maintsy manao asa avy hatrany isika raha vao mahare ilay bitsika voalohany. Ny Fanahy Masina ilay fitaomana tsapanao!”
Fitaomana tsy misy pentina avy any an-danitra ireo bitsika voalohany. Rehefa manamafy amintsika na mijoro ho vavolombelona amintsika izy ireny dia mila mamantatra azy ireny isika ary tsy mamela azy ireny hisosa handalo. Ny Fanahy foana izany matetika, izay mitaona antsika hanampy ny olona sahirana iray, na fianakaviana sy namana manokana. “Eny … ilay feo tony sy malefaka izay mibitsibitsika ary mandoaka ny zava-drehetra,”18 dia manoro antsika ireo fahafahana hampianatra ny filazantsara, hijoro ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny sy i Jesoa Kristy, hanolotra fanohanana sy fiahiana, ary hanavotra ny iray amin’ireo zanaka sarobidin’ Andriamanitra.
Eritrereto ho ilay antsoina hoe mpamaly antso voalohany izany. Any amin’ny fiarahamonina maro, ireo mpamaly antso voalohany amin’ny loza na antambo dia ny mpamonjy voina, ny mpitandro filaminana, ary ny mpitsabo vonjy taitra. Tonga miaraka amin’ny jiro mirehidrehitra izy ireo, ary mamelà ahy hanampy fa tena mankasitraka azy ireo tokoa isika. Tsy dia mibaribary toy izany ny fomban’ny Tompo kanefa mitaky valiny eo no ho eo toy izany. Fantatry ny Tompo ny zavatra ilain’ny zanany rehetra, ary fantany hoe iza no vonona hanampy. Raha avelantsika ho fantatry ny Tompo ao anatin’ireo vavaka marainantsika fa vonona isika dia hiantso antsika mba hamaly antso Izy. Raha toa ka mamaly antso isika dia hiantso antsika hatrany Izy ary hahita ny tenantsika ao amin’ilay antsoin’ny Filoha Monson hoe “ny faritry ny Tompo”19 isika. Ho lasa mpamaly antso voalohany hitondra fanampiana avy any ambony isika.
Raha toa ka henointsika tsara ireo bitsika izay tonga amintsika dia hitombo ny fanahin’ny fanambarana ao amintsika ary handray hevitra bebe kokoa hatrany sy fitarihana entanin’ ny Fanahy isika. Hoy ny Tompo hoe: “Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao.”20
Enga anie isika handray amim-pahamatorana ilay antson’ny Tompo hoe: “matokia fa hitari-dalana anareo Aho.”21 Mitarika antsika amin’ny alalan’ ny Fanahy Masina Izy. Enga anie isika hiaina eo akaikin’ny Fanahy, hanao asa haingana araka ireo bitsika voalohany azontsika, noho ny fahafantarantsika fa avy amin’ Andriamanitra izy ireny. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny herin’ny Fanahy Masina mba hitarika antsika, hiambina antsika, ary hiaraka amintsika mandrakariva, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.