Ireo hira hay hiraina sy hira tsy vita ny mihira azy
Miangavy ny tsirairay amintsika aho mba hijanona mandrakariva sy amim-pahatokiana ao anatin’ilay amboarampeo.
“Misy tara-pifaliana ao anatiko androany,” izay no nosoratan’i Eliza Hewitt, “izay lehibe sy mamiratra kokoa noho ireo hazavana eny amin’ny lanitra satria i Jesoa no fahazavako.”1 Miaraka amin’ilay fifaliana hita isaky ny naoty, dia tsy ho vita velively ny hihira ity hira Kristianina efa tranainy ity ka tsy hitsikitsiky. Kanefa anio dia iriko ny hiresadresaka ny azo handikana ny andalana iray fotsiny ao amin’izany, izay mety hanampy amin’ireo andro izay sarotra amintsika ny hihira na hitsiky ary ireo “fotoan-tsambatra tony” dia toa tsy “tonga.” Raha toa ka misy fotoana, tsy afaka hiara-hihira ireo feon-kira falifaly henonareo avy amin’ny hafa ianareo dia angatahiko ianareo hihazona mafy ilay andalana ao amin’io hira io izay manome toky hoe: “I Jesoa dia afaka mihaino ireo hira tsy vita [nareo] ny mihira azy.”2
Anisan’ireo zava-misy atrehantsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra miaina ao anatin’ny tontolo feno haratsiana antsika ny hoe sarotra ny andro sasany, ireo andro izay hisedrana ny finoantsika sy ny herim-pontsika. Ireo olana ireo dia mety ho tonga noho ny zavatra tsy ampy ao amintsika, na tsy ampy eo amin’ny hafa, na tsy ampy eo amin’ny fiainana fotsiny, saingy na inona na inona antony dia hitantsika ho manakana antsika tsy haneho ny hafaliantsika sy ny fankasitrahantsika izy ireny, ary manamaizina ilay fampanantenana “lohataona ao amin’[ny] fanahy”3 izay nolazalazain’i Eliza Hewitt ao amin’ny iray amin’ireo andininy.
Koa inona no ataontsika amin’ny fotoana toy izany? Voalohany aloha dia ekentsika amim-pientanentanana ny torohevitr’i Paoly ka “manantena izay tsy mbola hitantsika, [ary] miandry amin’ny faharetana.”4 Amin’ireny fotoana ireny, rehefa tsy vitantsika intsony ny manao ilay feon-kiram-pifaliana dia mila mijoro mangina vetivety isika ka mihaino fotsiny ny hafa, mandray tanjaka avy amin’ ny hatsaran’ny mozika manodidina antsika. Maro amintsika izay “manana olana eo amin’ny sehatry ny mozika” no lasa mitombo fahatokian-tena ary mivoatra eo amin’ny fihirana amin’ny alalan’ny fipetrahantsika eo akaikin’ny olona iray manana feo matanjaka sy feno fahatokian-tena. Mitovy amin’izany koa ny fiatrehana ireo zavatra ara-panahy. Isika dia tokony hijoro faran’izay akaiky indrindra ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, izay manana finoana lavorary tanteraka. Dia misintona herim-po avy amin’ny fahafahany mahatakatra ny zavatra tsy haintsika lazaina isika ary manantena ny fanalalanana mirindran’ny Mesia ho antsika. “Rehefa akaiky [tokoa] ny Tompo” dia “mahatsapa fiadanana ato am-poko aho [ary] miseho ireo vokatsoan’ny fahasoavana.”5
Amin’ireny andro izay hahatsapantsika hoe mamalan-kira kely ireny isika, latsaka kely amin’ny zavatra heverintsika fa hitantsika na rentsika amin’ny hafa, dia mangataka antsika aho, indrindra ny tanoran’ny Fiangonana, mba hahatsiaro fa efa rafitra masina ny fisian’ny tsy fitovian’ireo feo rehetra ao amin’ny amboarampeon’ Andriamanitra. Mila karazana feno: feo voalohany, feo faharoa, feo fahatelo ary beso, mba hahazoana mozika tena kanto. Hindrana andalana iray tao amin’ny taratasim-panohanana nifanaovan’ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany roa aho izay manao hoe: “Ny olon’ Andriamanitra rehetra, na samy hafa toy ny ahoana aza, dia manana ny toerany ao amin’ny amboarampeo.”6 Rehefa tsinontsinoavintsika ny maha-miavaka antsika, na ezahintsika ny hanaraka ireo foto-kevitra ny amin’izay heverina ho lafatra, foto-kevitra entanin’ny mpanimba kolontsaina tsy mety afa-po sy hindrahindrain’ny tambazotra ifaneraserana mihoatra ny zavatra azo takarina, dia very ny harenan’ny fahasamihafana izay namboarin’ Andriamanitra rehefa namorona tontolo ahitana zavatra maro samihafa Izy.
Izany akory tsy milaza fa ny olona rehetra ao amin’ilay amboarampeo masina dia afaka manomboka tsotra izao mihira mafy ny antsam-piderany manokana! Ny fahasamihafana dia tsy midika hoe korontana, ary mitaky fitsipika mifehy ny amboarampeo, koa mamelà ahy ry Loholona Hales hilaza hoe ny maha-mpianatra ho amin’ny tanjontsika anio, kanefa raha vantany vao manaiky ny tononkira nambaran’ Andriamanitra isika sy ny rindran-kira noforonina talohan’ny nisian’izao tontolo izao dia mahafaly ny Raintsika any An-danitra ny fihirantsika amin’ ny alalan’ny feontsika manokana, fa tsy amin’ny alalan’ny an’ny olon-kafa. Minoa ny tenanareo, ary minoa Azy. Aza manambany ny maha-izy azy anareo na manamaivan-danja ny anjara birikinareo. Indrindra indrindra, aza miala amin’ny anjara asanareo ao amin’ny amboarampeo. Nahoana? Satria ianareo dia miavaka. Tsy azo soloina ianareo. Ny fialan’ny feo na dia iray fotsiny aza dia mamparefo ny mpihira hafa rehetra ato anatin’ity amboarampeontsika lehibe eto an-tany ity, ao anatin’izany ny fialan’ireo izay mahatsapa ho toy ny ataon’ny fiarahamonina na ny Fiangonana ankilabao.
Kanefa na dia mankahery anareo rehetra aza aho mba hanana finoana mikasika ireo hira izay mety sarotra hiraina dia miaiky avy hatrany aho fa noho ny antony samihafa dia sahirana amin’ny karazan-kira hafa aho izay tokony hiraina, kanefa tsy mbola tontosako.
Rehefa mahita ny tsy fitoviana ara-toekarena izay mampiaiky volana eto amin’izao tontolo izao aho dia mahatsapa tena ho meloka miara-mihira amin-dRamatoa Hewitt momba ireo “fitahiana izay omen’ [Andriamanitra] ahy ankehitriny, sy ireo fifaliana -voatahiry- any ambony.”7 Tsy azo hiraina feno sy amim-pahatokiana izany fiverenan-kira izany raha tsy efa nikarakara tsara ireo mahantra isika. Ny tsy fananana ny ampy dia ozona izay mitohy hatrany, isan-taona sy isaky ny taranaka. Manimba ny vatana izany, mandratra ny fanahy, mampijaly ny fianakaviana, ary manimba ireo nofinofy. Raha toa ka afaka manao zavatra bebe kokoa isika mba hanamaivanana ny fahantrana, araka ny handidian’i Jesoa antsika hatrany, dia angamba ny sasany amin’ireo izay sahirana eto amin’izao tontolo izao mba ho afaka ny hikalokalo naoty vitsivitsy amin’ilay hoe: “Misy tara-pifaliana ao anatiko androany,” mety voalohany eo amin’ny fiainan’izy ireo izany.
Hitako ihany koa fa sarotra ny mihira tonon-kira mifono fifaliana sy fientanentanana rehefa maro amin’ireo manodidina antsika no ianjadian’ny aretina ara-tsaina sy ara-pihetsehampo na tsy fahafahana manao zavatra noho ny aretina izay mampihena ny hery tokoa. Indrisy anefa fa indraindray ireo enta-mavesatra ireo dia mijanona eo ihany na dia eo aza ireo ezaka mafy ataon’ireo karazana mpikarakara maro, anisan’izany ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana. Mivavaka aho mba tsy havelantsika hijaly mangina ireny zanak’ Andriamanitra ireny ary hotafiana ny fahafahany mahavita zavatra isika mba handre ireo hira izay tsy vitan’izy ireo ny mihira azy ankehitriny.
Ary antenaiko fa indray andro ny amboarampeo mitambatra lehibe dia hiara-hihira, na inona volon-koditra na inona firazanana, ka hanambara fa tsy fomba hamahana ny disadisan’olombelona ny basy sy ny teny mandratra ary ny teny feno fahatezerana. Miteny amintsika ireo fanambaran’ny lanitra fa ny hany fomba ahafahana mamaha ireo olana sarotra eo amin’ny fiarahamonina dia amin’ny alalan’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitandremana ireo didiny, izay manokatra ny varavarana mitondra any amin’ilay fomba maharitra sy mitondra fanavotana iray mba hifankatiavana toy ny mpinamana. Nampianatra ny mpaminany Etera fa isika dia tokony “hanantena tontolo iray tsara kokoa.” Eo am-pandinihina izany eritreritra izany arivo taona aty aoriana, i Môrônia izay reraky ny ady sy ny herisetra dia nanambara fa ny “lalana tena tsara indrindra” ho an’izany tontolo izany dia ho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hatrany.8
Feno fankasitrahana tokoa isika fa tonga, tsindraindray, eo anivon’ireo karazana olana ireo ny karazan-kira hafa mihitsy izay toa tsy vitantsika ny mihira izany noho ny antony iray hafa. Miseho izany rehefa tena lalina sy an’ny tena manokana ireo fahatsapana ireo, tena masina mihitsy aza ka tsy azo ambara na tsy tokony hambara izy ireny, tahaka ny fitiavan’i Cordelia ny rainy ka nilazany hoe: “Ny fitiavako dia … betsaka kokoa noho ny zavatra ambarako. … Tsy afaka hanosika ny foko hiakatra ao am-bavako aho.”9 Tonga amintsika toy ny zavatra masina ireo fahatsapana ireo izay tsy hay ambara tsotra fotsiny, tsy hay faritana ara-panahy, tahaka ilay vavaka natolotr’i Jesoa ho an’ireo zanaka Nefita. Ireo izay vavolombelon’izany zava-nitranga izany dia nirakitra hoe:
“Ny maso dia tsy mbola nahita na oviana na oviana ny sofina tsy mbola nandre zavatra lehibe sy mahatalanjona loatra toy izay hitanay sy renay notenenin’i Jesoa tamin’ny Ray;
“… Tsy misy lela afaka miteny, tsy misy olona koa afaka manoratra, tsy hain’ny fon’ny olona koa ny misaintsaina ny zavatra lehibe sy mahatalanjona tokoa toy ny nahitanay sy ny nandrenesanay an’ i Jesoa niteny.”10
Mijanona ho tsy hay tantaraina ireo karazana fotoana masina ireo satria ny fitantarana, na dia azo atao aza izany, dia mety ho toy ny fanimbazimbana.
Ry rahalahy sy ranabavy isany, miaina ao anatin’ny tontolo eto an-tany isika miaraka amin’ny hira marobe izay tsy vitantsika ny mihira azy na tsy mbola hiraintsika. Kanefa miangavy ny tsirairay amintsika aho mba hijanona foana sy amim-pahatokiana ao anatin’ilay amboarampeo, izay toerana hahafahantsika hankamamy mandrakizay ilay hira faran’izay sarobidy indrindra dia “ny hiran’ ny fitiavana manavotra.”11 Soa ihany fa tsy misy fetra ny isan’ny seza natokana ho an’izany antsan-kira izany. Misy toerana ho an’ireo izay miteny fiteny maro samihafa, mankamamy kolontsaina maro isan-karazany, ary miaina any amin’ny karazan-toerana maro dia maro ao. Misy toerana ho an’ny tokan-tena, ho an’ny manambady, ho an’ny fianakaviana misy zanaka maro sy ireo izay tsy niteraka ao. Misy toerana ho an’ireo izay nanana fanontaniana mikasika ny finoan’izy ireo taloha sy ireo izay mbola manam-panontaniana momba izany ao. Misy toerana ao ho an’ireo olona izay miaina zavatra hafa mifanohitra amin’ny fifanintonan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Raha fintinina dia misy toerana ho an’ny olona rehetra izay tia an’ Andriamanitra sy manaja ireo didiny ao izay anja-by fandrefesana tsy azo tsinontsinoavina ho an’ny fitondrantena manokana, satria raha ny fitiavan’ Andriamanitra no feon-kiran’ilay hira hitambarantsika dia azo antoka fa ny fikasana iraisantsika mba hankatò Azy no firindram-peo tena ilaina ao anatin’izany. Miaraka amin’ny didy avy amin’ Andriamanitra momba ny fitiavana sy ny finoana, ny fibebahana sy ny famindram-po, ny fahamarinan-toetra sy ny famelan-keloka, dia misy toerana ato anatin’ity amboarampeo ity ho an’ireo rehetra izay maniry ny ho ao.12 “Tongava amin’ny maha-ianareo anareo,” hoy ny Ray be fitiavana amintsika tsirairay, kanefa nampiany hoe: “Fa aza manao drafitra ny hijanona amin’ny maha-ianareo anareo fotsiny.” Mitsiky isika sady mahatsiaro fa Andriamanitra dia vonona hanao izay hahatonga antsika ho mihoatra izay noeritreretintsika fa mety hahatongavantsika.
Ato anatin’ity antsam-piderana lehibe ity izay ilay drafiny ho an’ny fisandratantsika dia enga anie isika hanaraka amim-panetrentena ny fitarihany ary hanohy hanao ezaka amin’ireo hira izay mbola tsy vitantsika ny mihira azy mandra-pahafahantsika manolotra ireo “antsa [ireo] ho an’ny Mpanjaka[ntsika].”13 Dia indray andro any, ho toy ny lazain’ity hira mamintsika ity izany:
Andao hihira, hidera, hihoby,
Hosana, hosana ho an’ilay Ray! …
… Raha ho avy ny Tompo, Jesoa Kristy!14
Mijoro ho vavolombelona aho fa ho avy izany ora izany, fa Andriamanitra, ilay Raintsika Mandrakizay dia handefa indray eto ambonin’ny tany ilay Zanany Lahitokana, amin’izay fotoana izay mba hanapaka sy hanjaka mandrakizay amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ary izany no fiara hitondrana ireo fampianarana sy ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsarany ho an’ny olombelona rehetra. Rehefa “niditra ny kaontinanta rehetra [sy] nitsidika ny firenena rehetra” ny hafany15 dia [hasehon’i Jesoa tokoa] ny endriny mitsiky.”16 Hisy taramasoandro mandrakizay betsaka ho an’ny fanahintsika amin’io andro io. Mivavaka amim-piandrandrana izany ora nampanantenaina fa ho tonga izany aho , amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.