2017
Loholona Joni L. Koch
May 2017


Loholona Joni L. Koch

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Elder Joni L. Koch

Ny Loholona Joni Luiz Koch dia mpikambana avy amin’ny taranaka faharoa ao amin’ny Fiangonana avy ao Brésil. I Luiz sy Etelca Gascho Koch ray aman-dreniny dia nitsidika karazam-piangonana teo an-toerana tao anatin’ireo taona voalohany nivadian’izy ireo mba hitady fahamarinana ara-panahy.

Ora maromaro taorian’ny nanaovan’ny reniny vavaka tena avy amin’ny fo sy nampanantenany hanaraka an’ Andriamanitra dia tonga teo am-baravaran’ny ray aman-dreniny ny misiônera. Vita batisa tao anatin’ny enim-bolana latsaka izy ireo.

Ny Loholona Koch dia teraka tamin’ny 1962 ary lehibe tao Joinville Santa Catarina, ao Brésil. Nanampy azy hanolo-tena hiaina ny filazantsara ny fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, toy ny mpampianatra iray feno fanoloran-tena tao amin’ny Kilonga, ny eveka iray izay nampiseho fitiavan-dray, ary ny filohan’ny tsatòka be herim-po iray.

Rehefa nahavita asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Brésil São Paulo avaratra ny Loholona Koch dia nianatra momba ny antontan’isa tao Brigham Young University tao Provo Utah, Etazonia izy. Hoy ny Loholona Koch hoe: “Teny an-dalana hiverina any Brésil dia nitsidika ny paroasin’ny namana iray aho, ary tao no nihaonako tamin’ilay ho vadiko.” “Nanatona ahy izy dia nanontany ahy raha toa aho ka manam-bady.” Taorian’ny fiezahana hifankafantatra nandritra ny valo volana na dia nifanalavitra aza, ary 15 andro ihany no tena niarahana mivantana, dia nanambady an’i Liliane Michele Ludwig izy tamin’ny 26 aprily 1988 tao amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil. Manan-janaka roa izy ireo.

Rehefa nahavita fianarana tao BYU ny Loholona Koch ka nahazo mari-pahaizana executive MBA dia niasa tao amin’ny logistiques iraisam-pirenena izy. Tao anatin’ny 25 taona dia niasa ho an’ny orinasa isan-karazany izy mandra-piantsoana azy hanompo amin’ny fotoana feno ho an’ny Fiangonana.

Efa eveka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ny Loholona Koch. Filohan’ny Misiônan’i Mozambique Maputo izy tamin’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony.

“Rehefa nandeha ny fotoana dia niorina tsikelikely tamin’ny alalan’ny zavatra niainana ara-panahy noraisina avy amin’ny fiainana ny filazantsara ny fijoroana ho vavolombelona ananako,” hoy ny loholona Koch. “Anisan’ireo singa fototra mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Fiangonany ary ny Mpaminany Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna.”

Hamoaka printy