May 2017 Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-187 Fivoriamben’ny Vehivavy Maneran-tany Aprily 2017 Bonnie H. CordonMatokia an’i Jehovah fa aza miankina amin-javatra hafaManoro hevitra antsika ny Rahavavy Cordon mba handalina ny soratra masina, hivavaka, ary mba hanompo ny hafa ho fametrahana ny fitokiantsika amin’i Jesoa Kristy toy izay miankina amin’ny fahatakarantsika manokana. Carol F. McConkieNy hatsaran’ny fahamasinanaRahavavy McConkie dia mamporisika ireo rahavavy hiaina mifanaraka amin’ny lovan’ny fahamasinana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fitandremana fanekempihavanana, ny fanarahana ny Fanahy, ary ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy. Linda K. BurtonVehivavy “matoky tena”Namariparitra ireo vehivavy mahatoky ao amin’ny Testamenta Vaovao sy tamin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ary amin’izao androntsika izao izay manana finoana mafy orina sy tsy misy fisalasalana ny Rahavavy Burton. Henry B. Eyring“Ny fiadanako no avelako ho anareo”Mampianatra antsika ny Filoha Eyring fa ny Fanahy Masina dia mitondra fiadanana ho antsika, manampy antsika hahatsiaro ireo traikefa ara-panahy taloha, mitarika antsika hanao zavatra tsara, ary mitondra firaisan-kina sy fitiavana. Fivoriana Asabotsy Maraina Henry B. EyringManangona ny fianakavian’ AndriamanitraMampianatra momba ny maha-manan-danja ny fanangonana ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy asan’ny tempoly ny Filoha Eyring. M. Joseph BroughIlay tanany mitarika isan’androNy rahalahy Brough dia mampianatra fa ny Ray any An-danitra dia mahafantatra ireo zavatra ilaintsika ary manome ny tsirairay avy amintsika fonosana fanampiana ara-panahy iray izay hanampy antsika hiverina eo Aminy. Weatherford T ClaytonNy drafitra be voninahitry ny RaintsikaNy Loholona Clayton dia mijoro ho vavolombelona momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra, ka anisan’izany ny anjara asan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanovatany ao anatin’izany drafitra izany. Dale G. RenlundIlay Mpiandry TsarantsikaNy Loholona Renlund dia manoritsoritra an’i Jesoa Kristy ho ilay Mpiandry Tsara, izay feno fangorahana na dia eo aza ny tsy fahalavorariantsika ary mahita fifaliana rehefa mahita ny ondriny sitrana. Ulisses SoaresItokio tsy amim-pisalasalana AndriamanitraMampianatra ny Loholoa Soares fa tokony ho mafy orina sy tsy hisalasala isika amin’ny finoantsika. Mark A. BraggMihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny androMampianatra antsika momba ireo zavatra anankitelo hahafahantsika mahita fahazavana foana eo amin’ny fiainantsika ny Loholona Bragg: ny fahazavan’ny Fiangonana sy ny fahazavan’ny filazantsara ary ny fahazavan’i Kristy. Russell M. NelsonMisintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsikaNy Loholona Nelson dia mampianatra fa afaka misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika isika rehefa mianatra avy Aminy, manana finoana Azy, miandrandra Azy, ary mitandrina ireo fanekempihavanantsika. Fivoriana Asabotsy Tolakandro Dieter F. UchtdorfFanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny FiangonanaManolotra ny anaran’ireo Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitr’ireo Vondrona Mpanampy maneran-tany mba hotohanana ny Filoha Uchtdorf. Kevin R. JergensenTatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, 2016Manolotra ny Tatitra momba ny fampiasam-bola an’ny Fiangonana ho an’ny taona 2016 ny Rahalahy Jergensen. Brook P. HalesTatitra momba ny Antontan’isa ho an’ny taona 2016Manome ny tatitra momba ny antontan’isan’ny Fiangonana ho an’ny taona 2016 ny Rahalahy Hales. Robert D. HalesLasa mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsikaMampianatra antsika momba ireo toetra mifamatotra izay ilaina daholo amin’ny fahatongavana ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina ny Loholona Hales. Jeffrey R. HollandIreo hira hay hiraina sy hira tsy vita ny mihira azyAmin’ny alalan’ny fampiasana sary avy ao amin’ilay fihirana “Ce jour, au coeur j’ai du soleil,” ny Loholona Holland dia manome fampaherezana ho an’ireo izay mahatsapa fa tsy afaka mihira ny “hiran’ny fifaliana.” Gary B. SabinMijoroa ao anaty ary aoka ho ao tanterakaManoro hevitra antsika ny Loholona Sabin mba ho “ao tanteraka” eo am-piezahantsika ho mavitrika amin’ny fiarovana ireo fenitry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Valeri V. CordónNy fitenin’ny filazantsaraNy Loholona Cordón dia mampianatra fa ny filazantsara, tahaka ny fiteny iray, dia tokony hampianarina amim-pahazotoana sy aseho amin’ny alalan’ny ohatra ao an-tokantrano mba tsy hamerezan’ny taranaka ho avy an’izany. Neil L. AndersenMandresy izao tontolo izaoNy Loholona Andersen dia mampianatra ny dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao. Izany dia ahitana ny fibebahana, fanarahana , ny Mpamonjy, mitandrina ny fanekempihavanantsika, ary mifantoka amin’ny hafa fa tsy amin’ny tenantsika fotsiny ihany. M. Russell BallardMiverina sy mandrayManasa antsika ny Loholona Ballard mba hanao izay rehetra azontsika atao mba hahafahana miverina any amin’ny Ray aman-dRenintsika any An-danitra sy handraisana ireo fitahiana izay tehirizin’Izy ireo ho antsika. Fivoriamben’ny Fisoronana Thomas S. MonsonHatsaram-panahy sy fiantrana ary fitiavanaMampianatra ireo mpihazona ny fisoronana ny Filoha Monson mba hanaraka ny ohatry ny hatsaram-panahy nasehon’ny Mpamonjy. David A. BednarVoantso amin’ny asaMampianatra ny Loholona Bednar fa ny fanendrena ny misiônera iray mba hiasa amina toerana voafaritra iray dia faharoa aorian’ny antso mba hitory. Miresadresaka momba ny fiomanana amin’ny fitoriana amin’ny fotoana feno ihany koa izy. Gérald CausséOmano ny lalanaMamporisika ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ny Eveka Caussé mba hiara-hiasa amin’ny fitarihana, ny fanompoana ny hafa, ary ny fanatontosana ny asa famonjena. Dieter F. UchtdorfIzay lehibe aminareoManentana antsika ny Filoha Uchtdorf mba tsy ho tahaka an’ireo Zana-baratra, izay maniry toerana ambony, fa mba hanompo eo amin’izay toerana iantsoana antsika ka tsy hanantena valisoa. Henry B. Eyring“Miaraha mandeha Amiko”Mampianatra ireo mpihazona ny fisoronana ny Filoha Eyring fa mampivoatra sy mankahery azy ireo ny Tompo rehefa “miaraka mandeha” Aminy ao amin’ny fanompoan’ny fisoronana izy ireo. Fivoriana Alahady Maraina Thomas S. MonsonNy herin’ny Bokin’i MôrmônaMamporisika antsika hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ny Filoha Monson mba hahafahantsika ho voaro amin’ny fahotana sy ny ratsy amin’ny alalan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Joy D. JonesTaranaka mahatohitra fahotanaNampianatra ny rahavavy Jones fa afaka manampy ny ankizy ho mahery fo sy mahatohitra ny fahotana isika. Yoon Hwan ChoiAza mijery ny manodidina anao, fa miandrandrà!Nampianatra ny Loholona Choi fa tokony hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy isika, ary afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fiandrandrana any amin’i Kristy izay ohatra ho antsika sy amin’ny alalan’ny fanarahana Azy. Ronald A. RasbandAvelao hitarika anao ny Fanahy MasinaNy Loholona Rasband dia mampianatra fa ny Fanahy Masina dia mitaona fanahy, mijoro ho vavolombelona, mampianatra ary mibitsika amintsika. 55 L. Whitney ClaytonAtaovy izay asainy ataonareoMampianatra ny Loholona Clayton fa rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra isika, na dia amin’ny fomba kely aza, dia hanome finoana sy hery ho antsika Izy. Dallin H. OaksNy Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjenaNy Loholona Oaks dia mampianatra fa noho ny fahafantarantsika ny fahamarinana momba Ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena dia manana sori-dalana ho an’ny fiainantsika an-tany isika. Dieter F. UchtdorfNy fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotraNampianatra ny Filoha Uchtdorf fa afaka miaina araka ny finoana fa tsy ny tahotra isika rehefa mahatoky ny fitiavana madio sy tanterak’i Jesoa Kristy. Fivoriana Alahady Tolakandro D. Todd ChristoffersonNy feo fampitandremanaMangataka ny Loholona Christofferson mba hampitandremantsika ny hafa amin’ny alalan’ny fizarana ireo fitsipiky ny filazantsara mba hahafahan’izy ireo ihany koa mianatra ireo fitahiana avy amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana. Joaquin E. CostaHo an’ireo naman’ny FiangonanaMizara fitsipika efatra ho an’ireo namana sy naman’ny Fiangonana ny Loholona Costa. S. Mark PalmerAry Jesoa nijery azy tsara, dia tia azyMampianatra ny Loholona Palmer fa mba hahafahantsika manasa ny hafa amin’ny fomba mahomby mba hanaraka an’i Kristy dia mila mitia azy ireo aloha isika. Gary E. StevensonAhoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?Mampianatra ny Loholona Stevenson fa ny Fanahy Masina, izay olona fanahy ary mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra dia mampitandrina sy mampionona ary mijoro ho vavolombelona. C. Scott GrowAry izao no fiainana mandrakizayMampianatra ny Loholona Grow fa afaka mahafantatra tsara an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ary ny fankatoavana ny sitrapony. Benjamín De HoyosMba hahatonga ny fahazavantsika ho faneva ho an’ireo firenenaMampianatra ny Loholona De Hoyos fa afaka ny ho fahazavana isika amin’ny alalan’ny fanajana ny andro Sabata sy ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy asa any amin’ny tempoly ary ny fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy. Quentin L. CookIreo fototra iorenan’ny finoanaNampianatra ny Loholona Cook fa isika dia tsy maintsy mahafoy tena sy manana ny fanetrentena ilaina mba hanatanjahana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe Liahona Loholona Taylor G. Godoy Loholona Joni L. Koch Loholona Adilson de Paula Parrella Loholona John C. Pingree Zanany Loholona Brian K. Taylor Loholona Taniela B. Wakolo Jean B. Bingham Sharon Eubank Reyna I. Aburto Cristina Franco Fanambarana antso vaovao Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana Tempoly vaovao dimy Lalam-panovozana fahalalana-Pathway Mitohy ny asa fanompoana ataon’ireo Apôstôly maneran-tany Misiônera tsaratsara kokoa, mpampianatra tsaratsara kokoa Vokatra sy loharanom-pitaovana vaovao Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ireo Apôstôly Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao