Ilay tanany mitarika isan’andro
Ny Ray any An-danitra no mahafantatra tsara kokoa ny zavatra ilainao sy ilaiko noho ny olona hafa.
Iray amin’ireo fitaovana tena tian’ny Ray any An-danitra amin’ny fitarihana ny zanany ny ray aman-drenibe marina. Vehivavy toy izany ny renin’ny raiko. Tamin’ny fotoana iray izay nitranga fony aho tena mbola kely tokoa dia nahitsin’ny raiko aho. Raha nahita io fanitsiana io ny renibeko dia hoy izy hoe: “Monte, toa henjana loatra ny fanitsianao azy izany.”
Namaly ny raiko hoe: “Neny a, ahitsiko amin’izay itiavako anitsiana azy ny zanako.”
Dia nilaza moramora ilay renibeko hendry hoe: “Dia izany koa izany no hataoko.”
Tena azoko antoka fa henon’ny raiko ilay fitarihana feno fahendrena nasehon’ny reniny tamin’io andro io.
Rehefa mieritreritra fitarihana dia mety hieritreritra ilay hira fantatsika sy tiantsika rehetra isika hoe: “Zanaky ny Ray aho” Ao amin’ny fiverenana isika dia mahita ny teny hoe “Tariho, ampio, miaraha eo anilanay.”1
Fitarihana avy any an-danitra ho an’ny ray aman-dreny foana hatrizay no nahazoako izany fiverenana izany, raha tsy vao haingana. Rehefa nisaintsaina ireo teny ireo aho dia nahatsikaritra fa na dia ahitana izany fitarihana izany aza izy ireo dia misy dikany lehibe lavitra. Isan’andro ny tsirairay amintsika dia mitalaho mba hampiana sy hotarihana ary harahin’ny Ray any An-danitra.
Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Ny Raintsika any An-danitra dia mahafantatra tsara kokoa ny zavatra ilain’ny zanany noho ny olona hafa. Asany sy voninahiny ny manampy antsika lalandava, ka omeny fitaovana ara-nofo sy ara-panahy isika mba hanampiana antsika eo amin’ny diantsika miverina mankany Aminy.”2
Henoy ireto teny ireto: Ny Ray any An-danitra no mahafantatra tsara kokoa ny zavatra ilainao sy ilaiko noho ny olona hafa. Noho izany Izy dia efa namolavola vonjy aina natokana ho antsika tsirairay avy. Maro ny zavatra ao anatin’izany. Izany dia ahitana ny Zanany sy ny Sorompanavotana, ny Fanahy Masina, ireo didy, ny soratra masina, ny vavaka, ireo mpaminany, ireo apôstôly, ireo ray aman-dreny, ireo ray aman-drenibe, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ary maro hafa: ireo rehetra ireo dia manampy antsika hiverina hiara-hiaina Aminy indray andro any.
Mamelà ahy ianareo hizara ny vitsivitsy amin’ireo zavatra ao anatin’ilay vonjy aina izay nahatonga ahy hiaiky fa misy Ray be fitiavana mitarika sy manampy ary miaraka eo anilako sy ny fianakaviako. Ny fanantenako dia ny mba hanekenareo amin’ireo zavatra izay iainanareo fa ny Ray any An-danitra dia mitarika sy manampy ary miaraka eo anilanareo. Rehefa manana izany fahalalana izany ianareo dia hanao zavatra amim-patokian-tena, sady mahafantatra fa tsy ho irery na oviana na oviana ianareo raha ny marina.
Ireo didin’ Andriamanitra no zavatra tena manan-danja ao anatin’ilay vonjy aina. Toy izao no nanambara i Almà “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”3 Ny fandeferana ny fitondrantena ratsy nefa tsy manao fanitsiana am-pitiavana dia tsy tena fangorahana ary manamafy ilay fiheverana mahazatra fa ny faharatsiana raha ny marina dia mety ho fahasambarana. Nodisoin’i Samoela ilay Lamanita mazava tsara io fiheverana io manao hoe: “Efa nikatsaka ny fahasambarana ianareo tamin’ny fanaovana heloka izay zavatra mifanohitra amin’ny toetran’ity fahamarinana ity izay ao amin’ ny Filohantsika lehibe sy mandrakizay.”4
Amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Ray any An-danitra dia mampahatsiahy antsika tsy tapaka fa ny fahamarinana no fahasambarana. I Benjamîna Mpanjaka ohatra dia nampianatra fa ny Ray any An-danitra dia “[mitaky] ny hanaovanareo araka ny efa nandidiany anareo; fa raha manao araka izany ianareo, dia mitahy anareo avy hatrany Izy.”5 Misy fampahatsiahivana mitovy amin’izany ao anatina hira iray hafa:
Tandremo ny didy; tandremo ny didy!
Ao no misy fiarovana; ao no misy fiadanana.
Harotsany ny fitahiana.6
Teo amin’ny tsingerenan’ny faha-14 taonako dia nianatra ny sasany tamin’ireo fitahiana ireo aho. Nahatsikaritra fihetsika hafa aho teo amin’ny ray aman-dreniko. Rehefa nieritreritra ilay zavatra hitako aho dia nanontany hoe: “Handeha hanao asa fitoriana angaha ianareo?” Ny fahatairana teny amin’ny endriky ny reniko no nanamafy ny zavatra neritreretiko. Taorian’izay, tao anatina filankevitry ny mpianakavy, izaho sy ireo mpiray tampo amiko no nahafantatra fa voantso ho filohana misiôna ny ray aman-dreniko.
Nipetra tao amina toeram-piompiana mahafinaritra iray tao Wyoming izahay. Raha ny fomba fijeriko dia nilamina tanteraka ny fiainana tamin’izany. Miverina avy any an-tsekoly aho, mamita ny raharahako dia mivoaka mandeha mihaza na manjono na mandehandeha miaraka amin’ny alikako.
Fotoana fohy taorian’ny nahafantarako ilay antso dia nahatsapa aho fa tsy maintsy havelako i Blue, ilay alikako. Niresaka tamin’ny raiko aho, nanontany azy ny tokony hataoko amin’i Blue. Te hanamafy taminy ny maha-tsy rariny ny zavatra nangatahin’ Andriamanitra aho. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana izao valinteny izao. Hoy izy: “Tsy dia haiko tsara. Mety tsy ho afaka miaraka amintsika izy, koa tsara raha manontany ny Ray any An-danitra ianao.” Tsy izany no valinteny nandrasako.
Nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Nivavaka mafy aho mba hahafantatra raha toa ka tokony hanome ny alikako ho an’olon-kafa. Tsy tonga teo noho eo ny valiny fa nisy eritreritra manokana tsy nitsahatra niditra tao an-tsaiko: “Aoka ianao tsy ho enta-mavesatra ho an’ny ray aman-dreninao. Aoka tsy ho enta-mavesatra. Izaho no niantso ny ray aman-dreninao.”
Nahafantatra ny zavatra takin’ny Ray any An-danitra aho. Tsy nampihena ny alaheloko noho ny fisarahana amin’ny alikako izany fahalalana izany. Na izany aza, tamin’ny alalan’izany fanolorantena izany dia nihanalefaka ny foko ary nahita fiadanana aho tamin’ny fikatsahana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.
Nisaotra ny Ray any An-danitra aho noho ireo fitahiana sy ny fahasambarana hitako tamin’ny alalan’ny soratra masina, ny vavaka, ny Fanahy Masina, ary ny ray eto an-tany mendrika izay nanaiky ny andraikiny amin’ny maha-mpampianatra voalohany ny filazantsara ny zanany azy. Nitarika ahy sy nanampy ahy ary niaraka teo anilako mihitsy izy ireo mba hanampy ahy hahita ny lalana, indrindra fa rehefa nila nanao zavatra sarotra aho.
Ankoatra ny fananana ireo zavatra ao amin’ilay vonjy aina noresahiko ireo dia manana mpitarika ao amin’ny fisoronana avokoa isika tsirairay avy izay mitarika antsika sy manampy antsika.
Hoy ny Filoha Boyd K. Packer: “Ny eveka dia manana ny fitaomam-panahy! Manana ny safidy hanaiky na handà ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika antsika isika tsirairay avy, saingy aza atao ambanin-javatra mihitsy ny torohevitry ny evekanao, na izay omeny eny amin’ny lampihazo izany na aminao manokana.”7
Miezaka ny misolo tena ny Tompo ireo lehilahy ireo. Na antitra isika na tanora, rehefa maniry ny heritreretantsika i Satana fa tsy misy intsony ny fanantenana, dia eo ny evekantsika hitarika antsika. Rehefa niresaka tamin’ireo eveka aho dia nahita lohahevitra iraisana mikasika ireo fiaiken-keloka noho ny tsy fankatoavana na mikasika ny fijalian’ireo tsy manan-tsiny vokatry ny fahadisoana lehibe. Tonga dia te haneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny tsirairay sy ny faniriany hiaraka eo anilany ireo eveka rehefa mizotra amin’ny lalana miverina ilay olona.
Angamba ny zavatra lehibe indrindra ao amin’ilay vonjy aina avy amin’ Andriamanitra dia voasoritsoritra ao amin’ireto teny ireto: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana.”8
Mba hampianarana antsika ny zavatra tokony hataontsika dia nitarika ny lalana i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fanomezana ny ohatra tonga lafatra izay tokony hezahintsika arahina. Miangavy antsika Izy sady maninjitra ny tanany mba hankanesantsika sy hanarahantsika Azy.9 Ary rehefa tsy mahomby isika dia mampahatsiahy antsika Izy hoe “Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka.”10
Tena fanomezana mahavariana izany! Ny fibebahana dia tsy sazy, fa tombontsoa. Tombontsoa iray izay mitarika sy manampy antsika izany. Tsy mahagaga raha milaza ny soratra masina fa tsy tokony hampianatra na inona na inona afa-tsy ny fibebahana isika.11
Manana fitaovana maro ny Ray any An-danitra saingy matetika Izy dia mampiasa olona iray hafa mba hanampy Azy. Isan’andro Izy dia manome fahafahana antsika hitarika sy hanampy ary hiaraka eo anilan’ny olona mila fanampiana. Tsy maintsy manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika. Isika koa dia tokony hanao ny asan’ny Ray any An-danitra.
Amin’ny maha-fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany anay dia fantatray fa voatahy ireo tanora rehefa manana ray aman-dreny sy mpitarika izay miasa ho an’ny Ray any An-danitra mitarika sy manampy ary miaraka eo anilan’izy ireo. Ny fitsipika telo12 izay hanampy antsika ho tafiditra ao anatin’ilay vonjy aina avy amin’ny Ray any An-danitra ho an’ny hafa dia:
Voalohany, miaraha amin’ireo tanora. Ny filoha Henry B. Eyring dia nanamafy izao hevitra izao: “Misy zavatra sasantsasany izay azontsika atao ka mety ho tena manan-danja. Mbola mahery vaika kokoa noho ny fampiasana teny ao anatin’ny fampianarantsika ny fotopampianarana ny ohatra asehontsika amin’ny fiainana ny fotopampianarana.”13 Ny fitarihana tanora dia mitaky fiarahana amin’izy ireo. Ny fahafoizana fotoana dia fanehoana fitiavana izay manome fahafahana antsika hampianatra amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra.
Faharoa, mba hitarihana marina ny tanora dia tsy maintsy mampifandray azy ireo amin’ Andriamanitra isika. Tonga foana ny fotoana izay tsy maintsy haha-irery antsika. Tsy misy afa-tsy ny Ray any An-danitra ihany no ho eo mba hitarika antsika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Tokony ho fantatr’ireo tanorantsika ny fomba fikatsahana ny fitarihan’ny Ray any An-danitra.
Fahatelo, tokony havelantsika hitarika ireo tanora. Tahaka ny ray na reny be fitiavana izay mitazona ny tanan’ny zaza mianatra mamindra iray dia tokony halefantsika ireo tanora mba hivoatra. Ny famelana ny tanora hitarika dia mitaky faharetana sy fitiavana. Sarotra kokoa ary mila fotoana betsaka kokoa mihoatra ny fanaovantsika azy izany. Mety ho solafaka izy ireo eo amin’ilay lalana saingy miaraka eo anilany isika.
Ry rahalahy sy ranabavy, hisy ny fotoana eo amin’ny fiainantsika izay toa hahalavitra na tsy hisian’ny fitahiana eo amin’ny fiainantsika. Ho an’ny fotoana mampahory toy izany dia nampanantena ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Aoka ny fanekempihavananareo ho zavatra manan-danja indrindra aminareo ary aoka ny fankatoavanareo ho marina. Dia afaka mangataka amin’ny finoana ianareo ka tsy hiahanahana, arakaraka izay ilainareo, fa hovalin’ Andriamanitra. Hanohana anareo Izy rehefa miasa sy mitandrina ianareo Amin’ny fotoany sy araka ny sitrapony dia haninjitra ny tanany aminao Izy sady hiteny hoe, ‘Inty Aho.’”14
Tamin’ny fotoana iray toy izany dia nikatsaka ny torohevitry ny Ray any An-danitra aho tamin’ny alalan’ny vavaka tsy tapaka sy avy amin’ny fo nandritra ny herintaona mahery mba hitady vahaolana amin’ny zavatra sarotra iray. Raha ny tokony ho izy dia fantatro fa mamaly ny vavaka amin-kitsim-po rehetra ny Ray any An-danitra. Kanefa dia tonga tamina fahakiviana toy izany aho indray andro ka nandeha tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny fanontaniana iray manao hoe: “Ray any An-danitra ô, tena miraharaha ve ianao?”
Akory ny fahagagako fa nipetraka teo aoriana tao amin’ny trano fiandrasana ao amin’ny Tempolin’i Logan Utah aho raha niditra tao amin’ilay efitrano tamin’izay andro izay ny filoha Vaughn J. Featherstone, filohan’ny tempoly, izay namana akaikin’ny fianakaviana. Nijoro teo anoloan’ny daholobe izy ary niarahaba anay rehetra. Rehefa tsikariny aho tao anatin’ireo olona tao amin’ny tempoly dia nijanona tsy niteny izy, nijery ahy tamin’ny masoko ary niteny hoe: “Rahalahy Brough, mahafinaritra ny mahita anao ato amin’ny tempoly androany.”
Tsy hadinoko na oviana na oviana ny fahatsapana tamin’izay fotoana tsotra izay. Toy ny hoe ny Ray any An-danitra no naninjitra ny tanany, tamin’izany fiarahabana izany, sady niteny hoe: “Inty Aho.”
Tena miraharaha tokoa ny Ray any An-danitra ary mihaino sy mamaly ny vavaka ataon’ny zanaka rehetra.15 Amin’ny maha iray amin’ireo zanany ahy dia fantatro hoe tonga amin’ny fotoan’ny Tompo ny valin’ny vavaka izay ataoko. Ary tamin’ny alalan’io zavatra niainako io no tena nahafantarako mihoatra noho ny nahafantarako azy hatrizay fa zanak’ Andriamanitra isika ary nalefany tety isika mba hahafahantsika mahatsapa ny fiarahany amintsika ankehitriny sy miverina hiaina miaraka Aminy indray andro any.
Mijoro ho vavolombelona aho fa mitarika sy manampy antsika ary miaraka eo anilantsika Andriamanitra. Rehefa manaraka ny Zanany sy mihaino ireo apôstôly sy mpaminany mpanompony isika dia hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.