HAFATRY NY MPITARIKA EO AN-TOERANA
Taona vaovao miaraka amin’ny Finoana an’i Kristy
“Ny fananana finoana dia tsy midika hoe tsy hisy zavatra ratsy hitranga. Izany dia midika fa izaho sy ianao dia handeha am-pinoana fa tsy amin’ny tahotra.”
Matetika dia fotoana feno fientanentanana ho antsika rehetra ny fiantombohan’ny taom-baovao iray. Fotoana handinihantsika ny zavatra izay nianarantsika izany sady maro amintsika no mandray fanapahan-kevitra ny hanatratra tanjona ho an’ny taom-baovao. Sahala amin’izany ihany ny taona 2020. Maro tamintsika no nametraka tanjona sy nandray fanapahan-kevitra—na izany aza anefa dia tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja dia nampilaza fa manomboka manao fihibohana ny ankabetsahan’ny firenena rehetra rehefa nanomboka niampita avy tamin’ny firenena iray nankany amin'ny firenen-kafa ilay coronavirus tsy mbola fahita hatramin’izay. Avy hatrany dia nikatona avokoa ireo seranam-piaramanidina sy ny sisin-tany ary ny toeram-pivarotana—ary tsy niandry ela dia foana ny trano fiangonana. Tsy nisy fampitandremana fa dia niova tanteraka ny fiainantsika.
Rehefa nandroso ho herinandro ireo andro ary ny herinandro nivadika ho volana dia nanomboka nahita ny voka-dratsy mampalahelo naterak’ilay valan’aretina isika rehetra. Heno tsy tapaka tamin’ny filazam-baovao ny filazana momba ireo aina nafoy, ny fahaverezan’asa, eny fa na dia ny aretin-tsaina naterak’ilay virosy teo amin’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana tsy an-kanavaka aza. Teo anatrehan’izany rehetra izany dia ny Lanitra no hany toerana iray tsy mba nikatona mihitsy na nihiboka.
Ry rahalahiko sy ranabaviko, miara-malahelo amin’ireo izay namohy havan-tiana isika ary mivavaka ho an’ireo izay mandalo fanamby isan-karazany. Miangavy anareo aho mba tsy hamela ilay fahavalo hanova ny finoanareo ho lasa tahotra. Isika dia mamaky ao amin’ny Drafitry ny Vondromparitra fa isika dia tokony “Hampitombo ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany sy ny Sorompanavotany”.
Ny sasany aminareo dia mety manahy sy matahotra ny momba ny hoavy; ny sasany dia hita fa raiki-tahotra. Rehefa niresaka tamin’i Timoty tanora namany ny Apôstôly Paoly dia nampianatra hoe: “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika” (2 Timoty 1:7). Rehefa nandeha ny fotoana dia nianatra aho fa ilay fahavalo dia mampiasa tahotra sy fanakiviana raha toa kosa ka manantena antsika mba handroso hatrany am-pinoana ny Ray any An-danitra be fitiavana.
Manana namana malala iray izay antsoina hoe Thabiso Sehloho aho, izay efa nifankalala tamiko mihoatra ny 15 taona izao, ary avy taminy no nianarako zava-dehibe iray—rehefa nibanjina azy namakivaky ny fiainana aho. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy tamin’ny faha-18 taonany rehefa notaizan’ny reny mpitondra tena iray. Fony izy zatovolahy dia nisongadina tamin’ny fahaizany milalao baolina izy ary dia nisolo-tena mihitsy ny fireneny aza tamin’ny ambaratonga latsaky ny 20 taona ka dia nanana hoavy namirapiratra niandry azy. Tamin’ny voalohany dia sahiran-tsaina izy ny amin’ny fandehanana hanao asa fitoriana mandritra ny 2 taona, saingy rehefa nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona tao aminy dia fantany ny zavatra izay tokony hataony.
Rehefa tonga ilay fotoana dia nilaozany ny asa feno fahombiazana tamin’ny naha-mpilalao baolina kitra azy mba hanao asa fitoriana; niverina nody izy ary nahita vady mahatoky ho azy ary nanomboka ny asa fivelomany. Maro tamin’ireo namany no nanana fomba fijery samihafa momba ny tokony nandaharany ny zavatra nataony. Izy kosa anefa dia nandeha tamim-pinoana ka tsy nihaino ireo feon’izao tontolo izao be dia be fa nametraka kosa ny finoany tamin’ny Rainy any An-danitra. Taona maro taty aoriana dia nanohy namita ny fianarany teny amin’ny oniversite izy rehefa avy nanompo tao amin’ny andraikitra samihafa tamin’ny nah-mpitarika azy ka nahafahany nikasika ny fiainan’olona maro.
Efa nikasika ny fiainako izy noho ny finoany tsotra an’i Jesoa Kristy Tompo. Efa nianarany ny nanakana ireo feo maro izay indraindray dia nandrebireby antsika tamin’ny fomba tena mora. Izany dia mety hiseho amin’ny endriky ny tambazotran-tserasera, ny rantsam-pampielezam-baovao, sy ireo zavatra maro izay manahirana antsika. Sahala amin’ny hoe efa voafehiny tamim-pinoana ilay didin’ny Tompo manao hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavana 101:16).
Ry rahalahiko sy ranabaviko, mamelà ahy ianareo hanolotra zavatra efatra hataontsika mba hanampy antsika hampitombo ny finoantsika ny Tompo Jesoa Kristy indrindra mandritra izao fotoan-tsarotra izao.
Mivavaha
Mivavaha amin-kitsimpo amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anareo hampitombo finoana Aminy sy ny Zanany Jesoa Kristy. Izany dia tokony ho mihoatra ny vavaka fanao mahazatra saingy vavaka iray izay hamborahantsika Aminy ny fontsika sy hangatahantsika Azy mba hanampy antsika hampitombo ny karazana finoana izay hanampy antsika handroso amin’ny diantsika eto an-tany sy hiverina soa aman-tsara any Aminy sy ny Zanany. Fantany isika ary azo antoka fa hamaly ny vavaka ataontsika Izy.
Araho ireo fampianaran’ny Apôstôly sy ny Mpaminany velona
Tombontsoa manokana ho antsika ny miaina anatin’ny andro sy fotoana izay misy mpaminany tahaka ny tamin’ny fotoana fahiny. Ireo olona ireo dia mpanambara velona ny sitrapon’Andriamanitra izay mampitodika antsika amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “Fantatry ny Raintsika fa rehefa manemitra antsika manodidina ny tebiteby sy ny tahotra, dia ny mihaino ny Zanany no hanampy antsika indrindra.
“Satria rehefa mikatsaka ny hihaino isika—tena hihaino—ny Zanany dia hahazo fitarihana mba hahafantatra ny zavatra izay tokony hatao amin’ny toe-java-miseho rehetra”.1
Mivokisa amin’ny soratra masina
Aza manandrana kely fotsiny, aza mamakivaky andininy iray na roa fotsiny fa milomanosa ao amin’ny soratra masina ary rehefa manao izany ianareo dia hanakana ireo zavatra misarika hafa rehetra sy hanasa ny fanahin’ny Tompo ao am-ponareo sy ao an-tokantranonareo. Rehefa manao izany isika dia hahatonga ny tokatranontsika ho toeran’ny finoana ary amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina dia “haheno Azy” isika. Ilay Jesoa mihitsy izay mibedy ny rivotra sy ny ranomasina rehefa nanatona Azy tamin-tahotra ireo mpianany no hanaisotra ny ahiahy sy ny tahotra izay mety atrehintsika amin’ny androntsika sy ny fotoantsika (jereo ny Matio 8:26–27).
Mitoera ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana
Tsy mitovy ny toerana misy antsika ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary tsy tokony ho kivy isika rehefa mijery ny hafa ao amin’izany lalana izany. Ny lalan’ny fanekempihavanana dia tsy fitsangatsanganana hahazoana fahafinaretana . . . izany dia feno ambony sy ambany; fifaliana sy alahelo. Izany dia notefena manokana ho antsika tsirairay avy. Mila mitandrina isika mba tsy hijaridina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy hanontany tena hoe nahoana ny sasany no toa ravoravo kokoa no isika, nahoana ireo fanambintsika no toa mafy kokoa noho ny an’ny hafa izay mety mifanena amintsika eny amin’ilay lalana.
Ry rahalahiko sy ranabaviko, ny fananana finoana dia tsy midika hoe tsy hisy zavatra ratsy hitranga. Izany dia midika fa izaho sy ianao dia handeha amim-pinoana fa tsy amin’ny tahotra. Midika izany fa hatoky Azy sy ny drafiny tonga lafatra isika rehefa toa tsy amin’ny tokony ho izy ny zavatra hafa rehetra. Midika izany fa hisafidy ny finoana isika fa tsy ny ahiahy. Rehefa mandroso hatrany isik, ny vavaka ataoko dia aoka ny tsirairay amintsika “hikatsaka ity Jesoa ity izay efa nosoratan’ny mpaminany ny Aminy” (Etera 12:41). Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manao izany isika dia hitombo ny finoantsika ary handeha hamakivaky izao fiainana an-tany izao amim-patokiana Azy isika zanany lahy sy zanany vavy.
Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny Aprily 2018 i Clement M. Matswagothata. Manambady an’i Busisiwe Novelty Buthelezi izy ary manan-janaka telo izy ireo. Mipetraka any Gaborone, Botswana ny Loholona sy ny Rahavavy Matswagothata.