“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, mar. 2024.
Ho an’ny ray aman-dreny
Miresaka an’i Kristy isika
Ry ray aman-dreny malala,
Nampianatra ny olony i Nefia fa tena ilaina ny mametraka ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. Nanoratra izy hoe: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26). Azonao atao ny mamerina mijery ireto lahatsoratra manaraka ireto miaraka amin’ny fianakavianao mba hampitodika azy ireo sy ny olon-kafa tianao ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy ho amin’ny fitarihany, ary ho amin’ireo fitsipika feno fahendrena izay hanampy antsika hikatsaka Azy ao anatin’ny tontolo iray misafotofoto sy maoderina.
Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara
Natao ho an’ny rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
Mila ny fanantenana sy ny fanavotana omen’ny filazantsara sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olon-drehetra. Iaraho midinika amin’ny fianakavianao ny fampianarana sasantsasany avy amin’ny lahatsoratry ny Loholona Jeffrey R. Holland mikasika ny fomba ahafahanao mitia sy mizara ary manasa olona iray handray sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny pejy 4).
Fitsipika feno fahendrena ho an’ny fampiasana ny haino vaky jery
Ny teknôlôjia sy ny haino vaky jery dia fitaovana manampy tokoa rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy. Avereno jerena ireo fitsipika arahina sasany ao amin’ny pejy 22 ary ifanakalozy hevitra ny fenitry ny fianakavianao momba ny fampiasana ny haino vaky jery. Ampiasao “fanontaniana hosaintsainina,” ka eritrereto ny zavatra izay mizotra tsara sy izay azo hatsaraina.
Manaraka ny Mpamonjy amim-pinoana
Ao amin’ny lahatsorany ao amin’ny pejy 40, ny Loholona Benjamin M. Z. Tai dia mizara fomba efatra anampian’ny Mpamonjy antsika. Rehefa avy mamerina mijery an’ireo miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia resaho ny fomba nanampiana anao rehefa nanaraka ny Mpamonjy tamim-pinoana ianao.
Nalaina tao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!
Ny laharana amin’ity volana ity dia laharana manokana mitondra ny lohahevitra hoe “Jesoa Kristy no maha Zatovo mahery.”
Vakio ny hafatra avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland mikasika ny fomba ahafahan’ny zatovo tsirairay mahazo hery ao amin’i Jesoa Kristy.
Mitadiava lahatsoratra mikasika ny fomba ampaherezan’ny Mpamonjy antsika hanohitra ny adin-tsaina, ny alahelo, ny fahotana, ny henatra, ny fahalemena, ny fanaon’izao tontolo izao, sy ny tebiteby, ary koa ireo lahatsoratra mikasika ny fomba ampaherezany antsika hanompo sy hiomana ary hiova.
Ankafizo ny peta-drindrina manentana ny fanahy sy ny sarin’ny Mpamonjy.
Nalaina tao amin’ny gazetiboky Namana
Arahabaina nahatratra ny Paska!
Mitadiava tantara sy fiaraha-mientana hanampiana ny fianakavianao hanana Paska manan-danja sy mifantoka amin’i Kristy.
Vonona ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Faly ve ianao hijery ny fihaonambe amin’ny volana manaraka? Ny Namana amin’ity volana ity dia manana sahanasa ho an’ny zanakao eo am-pihainoan’izy ireo.
Mitoetra ho lavitry ny loza rehefa an-jotra
Mamakia tantara iray momba ny ankizivavy iray izay nahatsapa ny Fanahy Masina nitaona azy mba tsy hijery horonan-tsary ratsy. Afaka mahita loharanom-pitaovana bebe kokoa momba ny fiarovana amin’ny haino vaky jery ianao ao amin’ny Friend.ChurchofJesusChrist.org.
Mianara avy amin’ny Bokin’i Môrmôna
Mitadiava fiaraha-mientana fanao isan-kerinandro, tantara ao amin’ny soratra masina aseho an-tsary ary misimisy kokoa mba hanampiana amin’ny fanaovana ny fanandalinan’ny mpianakavy soratra masina ho mahafinaritra.