“Mamboly indray an’ilay voan’ny finoana,” Liahona, mar. 2024.
Mamboly indray an’ilay voan’ny finoana
Lesona avy amin’ireo izay niverina amin’ny finoana.
Ao amina tontolo iray izay manindrahindra matetika ny tantara momba ny fahaverezam-pinoana, dia tsy tsikaritra indraindray ny dia miverina amin’ny finoana izay misoko mangina. Saingy ny tantaran’ny fiverenana miova fo dia maneho ny fomba nandresen’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny filazantsara ny fisalasalan’izy ireo na dia taorian’ny nandaozany ny Fiangonana aza. Ny tantaran’izy ireo dia maneho ny zavatra ampianarin’i Almà momba ny fambolena ny voa. Nofaritan’i Almà ny digam-pinoana iray izay tsy vitan’ny hoe manampy amin’ny fanamafisana orina ireo izay miezaka mampitombo ny finoany fa manampy ireo izay miady amin’ny fanontaniana sy ny olana ihany koa.
-
Voalohany dia mila takatsika fa “ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana” (Almà 32:21).
-
Avy eo isika dia “hampihatra sombiny amin’ny finoana” na dia “maniry ny hino” fotsiny aza (andininy 27).
-
Ambolentsika ao am-pontsika ny voa—ilay tenin’ Andriamanitra (jereo ny andininy 28).
-
Eny an-tsefatsefany eny dia mamahana faka ara-panahy am-paharetana isika ary manaiky ny fanampian’ny namana ao amin’ny filazantsara mba haniry ho lasa hazo nambolena tao amin’i Kristy, izay “maniry hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” (andininy 41).
“Ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana ny zavatra; noho izany, raha manam-pinoana ianareo, dia manantena ny zavatra izay tsy hita kanefa marina” (Almà 32:21).
I Alba Lucia Fonseca, mpikamban’ny Fiangonana avy any Etazonia, dia nahita tahirin-kevitra an-jotra izay niteraka ahiahy momba ny finoany ara-pivavahana, ary nandalo fahaverezam-pinoana haingana izy. Tamin’ny voalohany dia nanala ny voan’ny finoana tamin’ny fisalasalany izy, fa avy eo dia nanomboka niresaka tamin’ny mpikambana iray be fiahiana sy nanam-pahalalana izy ary nahatsapa fa niteraka fanontaniana ihany koa ny tsy finoany.
“Tsy dia feno loatra araka ny niheverako azy ny fahatakarako ny hevi-dehiben’ny filazantsara sy ny tantaran’ny Fiangonana,” hoy izy nanazava. “Nampanetry tena ahy izany ary nanampy ahy hahatsapa fa mbola maro ny zavatra mila ianarako ary koa hoe ny finoana dia tsy tonga amin’ny alalan’ny fananana valiny ho an’ny fanontaniana rehetra.” Takatr’i Alba fa ireo “zavatra mahasoa hafa eo amin’ny fiainana—toy ny fianakaviana sy ny fianarana ary ny asa—dia ahitana risika, fahafoizan-tena, tsy fahazoana antoka, ary ezaka mandritry ny androm-piainana. Niverina niangona aho ary afaka manamafy fa ny fihazonana finoana dia tena mendrika ny hanaovana an’izao karazana ezaka izao.”
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy mitaky finoana tonga lafatra ny Tompo vao hoe ho afaka ny hahazo ny heriny tonga lafatra isika.” Na izany aza, hoy izy, ny finoantsika dia mitaky ezaka tsy tapaka mba hitomboany hatrany.1 Na dia niasa tsara nandritry ny zato taona mahery aza ny fototry ny Tempolin’i Salt Lake tany am-boalohany, ankehitriny izany dia mila fanavaozana lehibe, hoy ny fanazavan’ny Filoha Nelson. Isika koa indraindray dia tsy maintsy manamafy ny fototra ara-panahintsika manokana “raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy”.2 Rehefa tojo tahirin-kevitra manahirana toa an’i Alba isika indraindray, dia mety hitarika antsika hiala amin’ny finoana tsotra mankany amin’ny tsy finoana tsotra ny faniriantsika hahazo antoka, ka handingana ny ezaka ilaina mba hanamafisana sy hanatanjahana ny fototra ara-panahintsika.
Ireo izay mandalina tantarana fiverenana amin’ny finoana dia nahita fa manampy ny fiheverana ny finoana ho toy ny dia atao mandritry ny androm-piainana sy misy dingana maro.3 Mety hanomboka amin’ny finoana tsotra toy ny ankizy isika, saingy amin’ny fotoana iray dia miatrika fanontaniana sy ahiahy izany finoana toy ny an’ny ankizy izany. Na dia mety ho fototra ara-panahy aza ny finoantsika tsy voazaha toetra, dia tsy maintsy miala amin’ny finoana tsotra isika izao ka mankamin’ny fahasarotana ho any amin’ny finoana matotra izay mahazaka ireo fanamby ho avy.4 Ny fialana amin’ny finoana dia mety ho toa mora kokoa, saika toy ny fanamaivanana, saingy misy valisoa be dia be manaraka ny dian’ireo izay mitodika amin’ Andriamanitra sy manohy mamelona ny voan’ny finoany.
Nanomboka ny fitsapana ny finoan’i i Samuel Hoglund avy any Soeda rehefa nilaza zavatra nampametra-panontaniana ireo olona ao amin’ny fianakaviany. Nandalo fotoana izay “nahavoavaly fanontaniana iray [izy] kinanjo sendra fanontaniana iray hafa indray”, hoy ny fanazavany. “Nivadibadika isaky ny antsasakadiny ny finoako, mandra-pahatonga saina ahy fa tsy afaka mitohy izany dingana izany sy ny filàko antoka.” Naleon’i Samuelnanapa-kevitra ny handalina fanontaniana manan-danja, ireo izay misy fiantraikany amin’ny fototra mafy orina amin’i Jesoa Kristy, toy izay hiezaka hamaha ny fanontaniana madinidinika rehetra. Niaraka tamin’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina, ny fikarohana nataon’i Samuel, toa ny an’i Alba, dia nampianatra azy ny zavatra mbola tsy maintsy hianarany ary nitondra azy ho amin’ny finoana matotra kokoa. “Nampahatanjaka izaitsizy ny finoako ilay traikefa,” hoy izy, “ary nampianatra ahy ihany koa fa ny zavatra izay tena katsahinao dia ho hitanao.”
“Raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo ianareo, na dia ho fanandramana ny teniko aza, ary hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo” (Almà 32:27).
“Toa manahirana ihany ny fampiharana ny finoana,” hoy ny Filoha Nelson raha niaiky izany. “Mety hanontany tena isika indraindray raha mba ho afaka ny hanana finoana ampy handraisana ireo fitahiana izay ilaintsika fatratra.”5 Fa na dia ireo dingana kely amin’ny finoana aza, manomboka amin’ny “sombiny amin’ny finoana,” dia afaka “hiasa ao aminareo” ary hanomboka fahaterahana indray ara-panahy.
Rehefa avy nirenireny ara-panahy nandritra ireo taona nianarany tao amin’ny oniversite i Amanda Freebairn avy any Etazonia dia nanao dingana kely nivavaka, izay nitarika azy hanaraka bitsika iray hitsidika ny tokotanin’ny tempoly tany amin’ny toeram-ponenany. “Namelombelona indray ny finoako ny fahatsapana ny Fanahy tao,” hoy izy. Ny fiverenana tany am-piangonana sy ny fanekena ny antso hampianatra ny Kilonga dia nampiorim-paka ny finoany ary nanohy nanao dingana izay nitondra azy handray tanteraka ny filazantsara izy. Nandritra izany dingana izany dia nanamarika i Amanda hoe: “Nahita valiny tamin’ireo fanontaniana tena nilaiko fatratra aho.”
Tamin’ny fotoana iray, i Dan Ellsworth, izay avy any Etazonia ihany koa, dia tsy nahazo antoka fa hoe nanana sombim-pinoana tavela mba hampiasaina izy. Nanalemy ny finoany ny Baiboly ary nisy fiantraikany tamin’ny finoany ny soratra masina rehetra ny traikefany voalohany tamin’ny fomba fianarana sy fitantarana momba ny Testamenta Taloha. Saingy nanohy nandeha tany am-piangonana hatrany i Dan ary nanapa-kevitra ny hanao fanandramana mandritry ny enim-bolana nomban’ny drafitra hivavaka sy hifady hanina ary hanompo ao amin’ny Fiangonana. Nisy fotoana izy nangataka an’ireo zanany vavy kely mba hivavaka ho an’ny finoan’ny dadan’izy ireo.
Fotoana fohy taorian’izay, dia nanomboka nanana traikefa ara-panahy i Dan ary nahita ny valin’ireo fanontaniana sasantsasany izay nanelingelina azy indrindra. Indray andro,raha tao amina trano famakiam-boky iray izy, dia nahatsapa ho voatarika handeha ho eo amina amboaram-boky ary nisafidy anankiray. Tao anatin’izany no nahitany fotokevitra feno hevi-baovao mifanohitra amin’ilay boky izay nanozongozona ny finoany ny Baiboly tamin’ny voalohany. Na dia tsy nahavaha ny fanontaniana rehetra aza io traikefa io dia nampianatra an’i Dan lesona manan-danja vitsivitsy izany: “Voalohany, nila nanetry tena aho mikasika ny zavatra tena azoko fantarina samirery. Ary faharoa, misy fomba hafa hahitana ny fahamarinana, miaraka amin’ny fisaintsainana lalina: fahatsapana ara-panahy, ireo zavatra tsara avy amin’ireo vokatry ny Fanahy, ary hevitra izay mandrisika ny fandrosoana ara-tsaina, izay nitarika ho amin’ny faharesen-dahatra sy finoana matanjaka kokoa noho ny teo aloha.”
Ho an’i Zac Marshall avy any Angletera, ny dingana tsotra tamin’ny fijerena horonan-tsary mampianatra momba ny Bokin’i Môrmôna dia nanokatra ny sainy ho amin’ny mety mahamarina an’ilay boky. “Efa namaky azy io aho taloha tamin’ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina sy samirery kanefa tsy tamim-piniavana marina,” hoy izy nanazava. “Saingy niala tamin’ny fahavitrihana tao amin’ny Fiangonana aho fony aho zatovo, ka ny porofo hitako tao amin’ilay horonan-tsary dia nahatonga ahy hamaky amin-kitsimpo ny Bokin’i Môrmôna voalohany.” Rehefa avy nanandrana ny tenin’ Andriamanitra i Zac dia nanomboka nanolo ny fisalasalana tamin’ny finoana. Izao no lazainy ankehitriny: “Ny Fiangonana izay noheveriko fa naneritery taloha dia hitako ankehitriny fa manafaka, tahaka ny nilazan’i Jesoa hoe: -Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo- [Jaona 8:32].”
“Fa raha tsy miraharaha ny hazo ianareo sy tsy manana eritreritra ny amin’ny famahanana azy, dia indro tsy hiorim-paka izy” (Almà 32:38).
Eo am-panaovana dingana kely hamahanana ny finoana, dia ilaintsika koa ny mahafantatra ny fomba fisainantsika izay manakana sy manembantsembana ny finoana. Rehefa nandalina ny tantaran’ireo mpikamban’ny Fiangonana niverina tamin’ny finoana tany amin’ny firenena samihafa i Eric sy i Sarah d’Evegnée, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young–Idaho, dia manamarika fa “ny fomba fisainantsika dia mety ho manan-danja tahaka ny zavatra izay eritreretintsika.” Ohatra, ny fiandrandrana fa ny fahazotoana amin’ny fivavahana dia hitsimbina antsika amin’ny fahasorenana sy ny fanamby mahavaky fo eo amin’ny fiainana dia tsy marina ary miteraka eritreritra tsy mitombina. I Jesoa Kristy dia nampanantena ny tsy hahafoy antsika na oviana na oviana saingy nampitandrina fa “atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana” (Jaona 16:33). Na izany aza, ireo fanamby eo amin’ny fiainana, araka ny voalazan’i Sarah, dia afaka “mitarika antsika hahita ny filazantsara amin’ny fomba ratsy. Indraindray isika dia mandà ny tsara rehefa miatrika zavatra tsy dia tsara loatra.”
Nisy fotoana i Don Bradley, mpanoratra sady mpahay tantara mahaleo tena avy any Etazonia, dia sendra fanontaniana mikasika ny tantaran’ny Fiangonana tamin’ny vanim-potoana iray, izay nohazavainy toy izao:: “Tsy hoe tsy faly fotsiny ihany aho fa sady nanana fomba fijery misalasala. Ny fitsikerana momba olona iray dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fifandraisana iray, ary very ny finoako sy ny fifandraisako tamin’ Andriamanitra.” Taona maro taty aoriana dia nanomboka niasa ho amin’ny fanantenana sy fankasitrahana i Don teo amin’ny fiainany manokana.
Nanomboka nandalina fianarana momba ny soa ho an’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana avy amin’ny fikambanam-pivavahana voalaminam ihany koa izy. Nahatsiaro i Don hoe: “Tsy azoko lavina ireny fandalinana ireny.” “Tsapako tsikelikely fa nosoloiko fisainana mitsikera ny fisalasalana, ary niaraka tamin’ny toe-tsaina feno fanantenana kokoa momba ny fiainana, dia tafaverina tamin’ny finoako an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy aho.” Niverinan’i Don ilay fampahalalana ara-tantara izay nanahirana azy taloha, saingy ankehitriny io loharanom-pitaovana io ihany dia nitarika ho amin’ny faharesen-dahatra fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.
“Nefa raha mamahana ny teny ianareo, eny, mamahana ny hazo raha manomboka mitombo izy, … dia hotazanareo ny lokan’ ny finoanareo sy ny fahazotoanareo, ary ny faharetanareo sy ny fahariponareo” (Almà 32:41, 43).
Na dia miaraka amin’ny fahavononana hanandrana ny tenin’ Andriamanitra sy hanana toe-tsaina feno fanantenana aza, dia mety ho dingana mampatahotra, saika mandifotra, ny fiverenana amin’ny finoana sy ny fanatrehana fiangonana. Tsy ny faharetana sy ny herim-po ary ny fanetren-tena ihany no takian’ilay ezaka fa ny fitiava-namana sy ny fianakaviana ihany koa. Ny fanekena ny fanampian’ny namana tso-po dia mamahana ny voa ary mamela azy hamaka fa tsy ho maina.
Rehefa tojo voalohany an’ireo fanontaniana mikasika ny tantaran’ny Fiangonana i Leo Winegar avy any Etazonia dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny namana feno fangorahana izy. “Nalazo ny fijoroana ho vavolombelona tao amiko,” hoy ny fanazavany, rehefa nandalo fotoanan’ny “fanirery sy ny famoizam-po lalina aho rehefa nanana olana tamin’ny vavaka.” Indray andro i Leo dia nanana fahatsapana ny hifandray tamina mpampianatra tantaran’ny Fiangonana iray. Tsy vitan’ny hoe namporisika an’i Leo hihevitra indray mandeha ny lalan’ny fisalasalany izy, fa lasa namana akaiky ihany koa. Niverina tsikelikely ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Leo noho ny fanampian’ny mpiahy azy sy ny fandalinana feno fanantenana aman-taonany maro. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nahita valiny tamin’ireo fanontaniana maro izy. “Feno fankasitrahana mandrakizay an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ahy aho noho ny fitarihany ahy hiverina,” hoy ny fanazavany, “sy noho ireo namana izay nisolo tena Azy.”
Nanoro hevitra ny Filoha Nelson hoe :“Raha … miala amin’ny Fiangonana ny namana sy ny fianakaviana dia tiavo hatrany izy ireo.” “Tsy anjaranareo ny mitsara ny safidin’ny hafa tahaka ny hoe tsy mendrika mihitsy ny hokihanina noho ny fijanonana ho mahatoky ianareo.”6
Tahotra ny fitsikerana toy izany no nahatonga an’i Letitia Rule, mpikambana iray tany Angletera, hanalavitra ny filazantsara nandritry ny 20 taona. Matetika izy no te hiverina, saingy “natahotra ny handeha eo am-baravarana fotsiny, nahatsiaro tena ho misy mitsara ary toy ireny hoe tsy niaina fiainana tsara ireny aho.” Aretina iray mahafaty ihany no nahatonga azy ho sahy hanao izany dingana sarotra izany. Nihaona taminy tamim-piraiketam-po sy tamim-pitiavana ireo mpikambana sady nanampy azy haniry ny handray anjara indray amin’ny filazantsara.
“Hambolenareo izany teny izany ao am-ponareo ary rehefa manomboka mitombo izy dia ny mba hamahananareo azy amin’ny finoanareo. Ary indro, hanjary hazo izy, hitombo ao anatinareo hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” (Almà 33:23).
Rehefa namarana ny toriteniny i Almà, dia nataony mazava tsara fa na dia zava-dehibe aza ny ezaka hamahanana ny voa dia tsy ilay voa izy tenany no tena tiana hambara. Mamboly ny voa marina kosa isika rehefa “manomboha mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotany” (Almà 33:22).
Nianatra lesona manan-danja mikasika ny laharam-pahamehan’ny filazantsara i Michael Auras avy any Alemaina rehefa avy nania fony izy zatovo. “Misy zavatra tsara sy fifandraisana be dia be ao amin’ny filazantsara, saingy ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no hanohana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika,” hoy izy nanazava. “Nisy fotoana nihanalemy ny finoako sy ny an-draiko rehefa nanam-panontaniana isan-karazany izahay saingy niverina izahay rehefa nampiorina ny finoanay an’i Jesoa Kristy ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra.”
Manome toky antsika ny Filoha Nelson hoe: “Akaiky kokoa anao ny Mpamonjy rehefa miatrika na miezaka ny mandresy ireo olanao amim-pinoana ianao.”7 I Jesoa Izy tenany mihitsy no nampanantena hoe: “Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:20). Hiara-mandeha amintsika Izy, ho tia antsika “amin’ny fitiavana mandrakizay” (Jeremia 31:3), ary hanome antsika fiainana be dia be kokoa (jereo ny Jaona 10:10). Ireo izay vonona ny hamboly io voa io dia hahita fa na dia ny finoany kely aza dia afaka hanjary “hazo, hitombo ao anatinareo hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” amin’ny alalan’ny Mpamonjy (Almà 33:23).
Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.