“Jakarta, Indônezia,” Liahona, mar. 2024.
Tafaorina eto ny Fiangonana
Jakarta, Indônezia
Tamin’ny 1970 ireo misiônera enina voalohany niditra tao Indonezia dia nanao batisa an’ireo mpikambana voalohany, nanangana ny vondrona mpiangona voalohany ary nanomboka ny dingana ho amin’ny fankatoavana ôfisialy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nisy vondrona mpiangona maromaro niforona, ary nisy foiben’ny misiôna naorina tany Jakarta tamin’ny 1975. Ankehitriny, ny Fiangonana any Indônezia dia ahitana:
-
Mpikambana miisa 7560 (eo ho eo)
-
Tsatòka 2, paroasy sy sampana 24, ary misiôna 1
-
Tempoly anankiray izay vao nambara fa haorina (Jakarta)
Miomana handray ny tempoly
Nofehezina ho fianakaviana tao amin’ny Tempolin’i Manila Filipina tamin’ny 2010 ny fianakaviana Wintolos avy any Tangeranga, Indônezia. Hoy Rahavavy Wintolo hoe: “Endrey ny hafalianay rehefa nanambara ny mpaminany malalanay fa hisy tempoly aty Indônezia. Hanohy hivavaka sy hanomana ny tenanay amin’ny fisian’ny tranon’ny Tompo eto amin’ny firenenay izahay.”
Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Indônezia
-
Ny fipoahana volkano tamin’ny 1815 tany Indônezia dia tena nandray anjara tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Nanazava ny Loholona Quentin L. Cook hoe:
-
Tanora iray avy any Indônezia “mizara” lesona momba ny fanantenana.
-
Talanjona tamin’ireo vehivavy be finoana any Indônezia i Linda K. Burton, ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha.
-
Ity mpanoratra avy any Indônezia ity dia mizara famantarana 10 fa tena niova fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao.
-
Ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy dia lasa nisy tamin’ny fiteny Indôneziana amin’ny endriny mitambatra tamin’ny 2010.