“Voahodidin’ny olona aho nefa mbola nahatsiaro ho manirery ihany,” Liahona, mar. 2024.
Tanora
Voahodidin’ny olona aho nefa mbola nahatsiaro ho manirery ihany
Rehefa niala ny tanindrazako aho dia nanampy ahy handresy ny fanirery ny fifandraisako amin’ny lanitra.
Fantatrao ve ilay fahatsapana hoe voahodidin’ny olona ianao nefa mbola mahatsiaro ho irery tanteraka?
Hatramin’ny nandaozako ny tanindrazako any Ogandà ka nifindra tany Dubai mba hiasa, dia nahatsiaro ho manirery foana aho. Fony mbola tany aminay, teo an-tanàna manodidina ahy, ny olona dia nifampiarahaba teny an-dalana. Nifankafantatra izahay. Nifanohana izahay. Nanana namana sy fianakaviana maro izay iray finoana tamiko aho.
Tsy mitovy amin’izany anefa ny atỳ. Miaina amina kolontsaina tena hafa aho, ao amina tanàna lehibe iray ary voahodidin’ny olona be asa aman-draharaha. Ary na dia manatrika ny paroasiko aza aho ary efa niezaka nifankahalala tamin’ireo tanora hafa sy mpikambana ao amin’ny paroasy, ny fandaharam-potoananay amin’ny asa tery dia tery dia mahatonga anay ho saika tsy afaka ny hifankahita mihoatra ny adiny roa izay laninay any am-piangonana isan-kerinandro.
Makadiry sy manintona i Dubai, ary feno fankasitrahana aho fa eto. Saingy mety ho manototra be izany, indrindra rehefa mahatsiaro ho manirery ianao. Manan-katao loatra ny olona atỳ ary toa efa mahatsiaro ho tafita amin’ny fiainany. Na izany aza anefa, rehefa miainaeo anivon’ireo zavatra raitra rehetra ireo sy ireo trano tsara tarehy ireo aho, indraindray dia manontany tena hoe:
Inona ity ataoko amin’ny fiainako? Ary moa ve toerana mety amiko ity?
Mitady indray ny anjara toerana
Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “manan-danja ho an’ny fahasambarantsika ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy ny fahatsapana ho manana ny toerana.”1 Tsy tonga saina aho hoe tena ilaina izany fahatsapana ho manana anjara toerana izany raha tsy efa tsy nahatsapa izany intsony aho—tsy tany am-piangonana ary tena tsy taiza na taiza.
Ahoana no hahitako izany ankehitriny, izaho izay lavitry ny olon-tiako rehetra?
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nahatsapa “ny anjara asa fototra sahanin’i Jesoa Kristy [eo amin’ny fahatsapana ho manana toerana]” aho. 2
Na dia mbola nalahelo mafy an’ireo namako sy ny fianakaviako aza aho, dia nanomboka hitako fa tsy tafasaraka tamin’ny olona rehetra teo amin’ny fiainako aho rehefa nifindra—mbola nanana Mpamonjy sy Ray any An-danitra be fitiavana izay te hifandray hatrany tamiko aho.
Noho izany dia nanomboka nanao izay azoko natao aho mba hifandraisana bebe kokoa amin’Izy ireo isan’andro. Nanomboka nihaino fampielezam-peo momba ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy aho rehefa nandeha nihazakazaka. Napetako ny fitaovana entina mihaino ary nihaino ny soratra masina teo am-pamitana ny asa aman-draharahako aho.
Ny tena manan-danja indrindra dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana mivavaka mivantana amin’ny Ray any An-danitra aho. Miresaka Aminy matetika kokoa sy amim-pisainana kokoa noho ny teo aloha aho. Rehefa mahatsiaro ho manirery aho dia mivavaka ka dia mahatsapa ny fampiononana avy Aminy. Rehefa manoratra email aho ary miezaka ny hanam-paharetana amin’ireo mpiara-miasa amiko dia mivavaka sy mangataka fanampiana Aminy.
Tiako ny zavatra nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) momba ny vavaka: “Ho an’ireo … izay mitolona amin’ny fanamby sy fahasahiranana lehibe na kely, ny vavaka no mpanome hery ara-panahy; izany no pasipaoro ho amin’ny fiadanam-po. Ny vavaka no fitaovana izay ampiasaintsika mba hanatonana ny Raintsika any An-danitra izay tia antsika. Miresaha Aminy ao anatin’ ny vavaka ary dia henoy ny valiny. Ny fahagagana dia tonga amin’ny alalan’ny vavaka.”3
Tamin’ny fanokanana fotoana ho Azy Ireo teo amin’ny fiainako, indrindra tamin’ny alalan’ny vavaka tamin-kitsimpo, dia nanomboka nahita aho fa na dia tsy voahodidin’ny oloko sy ny kolontsaiko manokana aza aho dia mbola afaka ho voahodidin’ny Fanahy sy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.
Afaka mifandray foana izahay
Mbola sarotra foana ny zava-drehetra, saingy manam-panantenana ny amin’ny ho avy aho. Ary izaho dia lasa nino ny zavatra nampianarin-dRahalahy Milton Camargo, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany hoe: “Velona ny Tompo Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Afaka ny ho eo amin’ny fiainantsika foana sy isan’andro Izy. Izy no vahaolana amin’ireo olantsika, kanefa mila mijery ambony sy manandratra ny masontsika isika mba hahita Azy.”4
Mbola manirery foana aho indraindray, saingy fantatro fa ho afaka hivavaka amin’ny Raiko any An-danitra mandrakariva, mandrakariva aho ary hisitraka ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Afaka mivavaka aho rehefa mitsangana na mandohalika, na irery na ao anatina vondrona.
Afaka mitalaho amin’ny Ray any An-danitra aho.
Afaka manolotra fisaorana aho.
Afaka mangataka fitarihana sy fiarovana aho.
Ary amin’ny alalan’ny fifandraisana ao anatin’ny fanekempihavanana nataoko dia fantatro fa izaho, izay zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana, dia hanana anjara toerana ao Aminy mandrakariva. Amin’ny alalan’ny fitarihany dia afaka matoky aho fa izaho dia eo amin’ny toerana tokony hisy ahy, manao izay tiany hataoko.