Seminera
3 Nefia 1: “Ny faminanian’ny mpaminany dia nanomboka ho tanteraka”


“3 Nefia 1: Ny faminanian’ny mpaminany dia nanomboka ho tanteraka,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 1

“Ny faminanian’ny mpaminany dia nanomboka ho tanteraka”

Sary
Ny Nefita nahita ilay kintana vaovao

Mety ho nanao ahoana izany hoe niandry ary nahita ilay kintana izay nanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy izany? Ny mpino Nefita dia niandry ny fahatongavan’ireo famantarana naminanian’i Samoela ilay Lamanita hoe ho avy (jereo ny Helamàna 14), saingy nandrahona ny hamono azy ireo ny tsy mpino raha tsy niseho ny famantarana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa fahatokiana lehibe kokoa fa hotanterahin’ny Tompo ny teny rehetra lazainy amin’ny alalan’ny mpaminaniny.

Hamafisin’ny finoana

  • Amina mari-drefy iray hatramin’ny dimy, ka ny dimy no matanjaka indrindra, dia ahoana no anomezanao naoty ny lentan’ny finoanao na ny fahatokianao fa manatanteraka ny tenin’ny mpaminaniny Andriamanitra? Nahoana?

Rehefa tonga teo amin’ny Nefita i Samoela ilay Lamanita, dia naminany izy fa “mbola hisy dimy taona, ary indro, amin’izay dia ho avy ny Zanak’ Andriamanitra” (Helamàna 14:2). An’arivo taonany no naminany momba ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ny mpaminany, ary efa tonga ilay fotoana nandrasana hahaterahany. Ny bokin’ny 3 Nefia dia manomboka any amin’ny fiafaran’ireo dimy taona ireo.

  • Raha anankiray tamin’ireo izay nino an’i Samoela ianao dia inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao tamin’io fotoana io?

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fitovitoviana eo amin’ny toe-javatra niainana tao amin’ny 3 Nefia 1 sy ny toe-javatra iainana amin’izao androntsika izao. Azonao atao ny manisy marika ny teny sy ny andian-teny manan-danja izay manamafy ny fahatokianao an’ Andriamanitra sy ny tenin’ny mpaminany.

Ireo mpino Nefita

Any amin’ny fiantombohan’ny 3 Nefia 1, dia ianarantsika fa i Nefia, ilay zanakalahin’i Helamàna, dia nanainga nivoaka ny tany ary i Nefia zanakalahiny no mpaminany teo anivon’ny Nefita tamin’izany.

Vakio ny 3 Nefia 1:4–9, mba hitadiavana ireo zava-tsarotra natrehin’ny mpino Nefita tamin’izany fotoana izany.

  • Inona araka ny eritreritrao no nahafahan’ny sasany “niandry tamim-piaretana tokoa” (andininy 8) na dia teo aza ny fandrahonana ho faty?

Vakio ny 3 Nefia 1:10–14 mba hahafantarana ny zavatra nitranga manaraka.

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra tsapan’i Nefia rehefa naheno ny feon’ny Tompo izy?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo ho takatr’i Nefia sy ny olona?

  • Inona avy no fahamarinana hitanao avy amin’ireo andininy ireo?

Ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany

Ao anatin’ny fahamarinana maro hita ao amin’ireo andininy ireo, dia ianarantsika fa hotanterahin’ny Tompo ny teny rehetra nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminaniny. Azonao atao ny manisy marika io fahamarinana io ao amin’ny andininy 13.

Vakio ny 3 Nefia 1:15–22, hitadiavana ny fihetsika nasetrin’ny olona rehefa tanteraka ilay faminaniana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fihetsika tsy mitovy mihitsy no nasetrin’ny olona?

  • Ahoana no nahazoan’ny mpino tanjaka nandritra io zavatra niainana io?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io zavatra niainana io mampitombo ny fahatokianao ny drafitry ny Tompo ho an’ny fiainanao?

Ny zavatra niainanao

Tahaka ny Nefita ao amin’ny 3 Nefia 1, isika dia miaina ao anatina fotoana izay mety ho feno fanahiana momba ny hoavy raha ny fijery azy. Ahoana no ahafahantsika manana fahatokiana ny Tompo sy ny teniny izay omena amin’ny alalan’ny mpaminany?

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Tsy hadalana na firehetam-po amin-javatra iray ny fahatokiana. Fa ny fahatokiana kosa dia ny fametrahana fitokisana amin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy, sy amin’ny anarany, ary amin’ny fampanantenany. Rehefa “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy isika, amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra” [2 Nefia 31:20], dia omena fomba fijery mibanjina ny mandrakizay sy fahatakarana mihoatra lavitra ny fahaizana voafetra ananantsika amin’ny maha-olombelona antsika. Homena fahafahana isika ny “hiaraka hivondrona sy hijoro eo amin’ireo toerana masina” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:22] sy “tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8]. (David A. Bednar, “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo,” Liahona, nôv. 2020, 11)

Eritrereto ny antony mety hanahirana anao eo amin’ny fananana finoana an’ Andriamanitra sy ny fahatsapana fanahiana na tahotra momba ny fiainanao. Ireny antony ireny dia an’ny isam-batan’olona manokana saingy mety hahitana ireto manaraka ireto:

  • Rabirabiana na kianina mafy noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy

  • Fananana fifandraisana mikorontana ao amin’ny fianakaviana, ao anatin’izany ny ray aman-dreny misaraka amin’ny alalan’ny fisaraham-panambadiana

  • Fiainana fitaintainana na fahaketrahana

  • Fanahiana momba ireo olona akaiky ny fo izay miaina fifanintonana eo amin’ny samy lasy sy ny samy vavy

  • Mijaly amina fiankinan-doha na miady mafy mba handresy fahazarana manimba

  • Tahotra ny hoe tsy ho azo mihitsy ireo fitahian’ny filazantsara

  • Fahatsapana ho tsy mendrika na tsy voavela heloka

Ao amin’ny Jaona 16:33, i Jesoa Kristy dia nilaza hoe: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”.

  1. Valio ireo fanontaniana mifandray amin’ny iray amin’ireto teboka manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nambaran’ny mpaminany momba an’i Jesoa Kristy ka afaka mitaona anao hihazona ny finoanao Azy? (Azonao atao ny mamaky ny Almà 7:11–13; Etera 12:27; Isaia 25:8–9.) Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahany manampy anao amin’ny toe-javatra misy anao?

  • Oviana no nanatanjahan’ny Tompo na ny tenin’ny mpaminaniny anao na ny olona iray fantatrao tao anatina fotoana nampanahy na nampatahotra? Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana izany zavatra niainana izany manampy anao hankasitraka ny fanampiany eo amin’ny fiainanao?

Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny fahatsapanao momba ny zavatra nianaranao androany. Azonao atao ny mampiditra ireo zavatra atao izay tsapanao fa nobitsihin’ny Fanahy taminao mba hataonao na ny fomba ahazoanao tanjaka amin’ny alalan’ny fahatakarana fa manatanteraka ny teny ambarany amin’ny alalan’ny mpaminaniny Andriamanitra.

Hamoaka printy