Seminera
3 Nefia 2–5: “Efa niomana … tamin’ny herin’ny Tompo”


“3 Nefia 2–5: Efa niomana … tamin’ny herin’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 2–5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 2–5

“Efa niomana … tamin’ny herin’ny Tompo”

Sary
ny Nefita nanangona ny olony, ny fananany ary ny biby fiompin’izy ireo rehetra tamina toerana iray mba hiomanana amin’ny ady ho avy

Minerva Teichert (1888-1976), The Answer of Lachoneus [Ny valintenin’i Lakôneo], 1949-1951, hoso-doko an-damba mampiasa menaka apetaka amina masônita, 91.4 sm x 122 sm. Tranom-bakoky ny Zava-kanto ao amin’ny Brigham Young University.

Tahaka ny iatrehantsika ireo olana izay mitarika mankamin’ny fiverenan’ny Mpamonjy, ny Nefita dia niatrika olana tao anatin’ireo taona maro talohan’ny nahatongavany teo amin’izy ireo. Nandrahona ny hamotika ny Nefita ny jirik’i Gadiantôna. Na izany aza, ny Nefita dia “niomana … hifanandrina taminy … tamin’ny herin’ny Tompo” (3 Nefia 4:10). Tahaka ny Nefita, isika dia afaka mandresy ireo olana amin’ny alalan’ny fiomanana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao handray ny herin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahavononana ara-panahy sy ara-nofo.

Aoka ianao ho vonona.

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao ho vonona na tsy vonona.

  • Inona no toe-javatra nisy ary nahoana ianao no nahatsapa ho vonona na tsy vonona?

  • Raha nahatsapa ho tsy vonona ianao, dia inona no nataonao mba hiomanana tsara kokoa amin’ny hoavy?

  • Inona no nataonao mba hiomanana ara-panahy amin’ireo olana atrehinao na mety hatrehinao amin’ny hoavy?

Rehefa mandalina ny 3 Nefia 2–5 ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahafantarana ny zavatra azonao atao mba hanomanana ara-nofo sy ara-panahy ny tenanao amin’ny hoavy.

Ny fiomanan’i Lakôneo

I Samoela mpaminany dia naminany fa hisy alina tsy misy haizina ho famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Rehefa tanteraka io faminaniana io (jereo ny 3 Nefia 1:15–19), “ny ankamaroan’ny olona dia nino sy niova fo ho an’ny Tompo” (3 Nefia 1:22). Na izany aza, rehefa afaka taona vitsy, dia nanomboka tsy nino ny sasany.

Vakio ny 3 Nefia 1:27–30 sy ny 3 Nefia 2:1–3, hitadiavana ireo antony nahatonga ny olona sasany niala tamin’ny Tompo.

  • Inona avy no lesona azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy antsika hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo amin’izao androntsika izao?

Nitombo isa ny jirik’i Gadiantôna ary niady tamin’ny Nefita. Ho setrin’izany, “ny Lamanita rehetra izay efa nanjary niova fo ho an’ny Tompo dia nitambatra tamin’ny Nefita rahalahiny” (3 Nefia 2:12). I Gidiania mpitarika ny jirik’i Gadiantôna dia nanoratra taratasy ho an’i Lakôneo, ilay lohan’ny mpitsaran’ny Nefita. Tao anatin’izany dia nandrahona ny handringana ny Nefita izy raha tsy mitolo-batana izy ireo (jereo ny 3 Nefia 3:1–10).

Vakio ny 3 Nefia 3:11–12, mba hitadiavana ny zavatra nataon’i Lakôneo ho setrin’izany.

  • Inona no porofo hitanao momba ny finoan’i Lakôneo ny Tompo?

Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary manaova lisitra mitondra ny lohateny hoe “Fiomanan’ny Nefita” ao amin’ny diary fandalinanao mikasika ny fomba niomanan’ny olona ara-nofo sy ara-panahy tamin’ny fotoana izay mety hanafihan’ny jirik’i Gandiantôna. Raha azo atao, dia afaka mihaino ny feo mirakitra ireo andalan-tsoratra masina ireo ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile ianao.

  • Inona no fiomanana heverinao fa nanampy indrindra? Nahoana?

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no nanampian’ireo fiomanana ireo azy ireo hiantehitra amin’ny Tompo?

Vakio ny 3 Nefia 4:7–12, hitadiavana ny fomba nitahiana ny Nefita noho ny fiomanan’izy ireo ara-panahy sy ara-nofo.

  • Inona avy no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io tantara io? (Jereo ny 3 Nefia 4:10.)

isan’ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe rehefa miomana ara-panahy sy ara-nofo isika, dia hampatanjaka antsika handresy na hiaritra zava-tsarotra ny Tompo.

Fiomanana amin’izao androntsika izao

Mba hanampiana anao hampifandray ny soratra masina amin’izao androntsika izao, dia manaova lisitra mitondra ny lohateny hoe “Zavatra maoderina mifanindran-dalana amin’izany” eo akaikin’ny lisitr’ireo fiomanana nataon’ny Nefita. Mitanisà fiomanana mitovy amin’izany izay azontsika atao, ao anatin’izany ny fiomanana nasain’ny mpaminany hataontsika. Eritrereto ny zavatra iomananao sy ny fomba ahafahan’ireo hevitra ireo manampy anao ho vonona amin’ny herin’ny Tompo.

Mba hahitana ohatra ana fianakaviana iray izay notahiana noho ny fiomananan’izy ireo, dia jereo ny horonan-tsary hoe “Documentation pour la préparation temporelle” (3:09), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Makà fiomanana iray na mihoatra izany avy ao amin’ny lisitra nataonao. Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika handresy ireo olana manokana izay atrehintsika amin’izao androntsika izao?

  • Mamela ny Tompo hanatanjaka antsika amin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, ny fiomanana ataontsika?

Nanao fahirano izay tsy nahomby ny jirik’i Gandiantôna satria ny Nefita dia nahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra tamin’ny fiomanana nataon’izy ireo. Tamin’ny farany dia nihemotra ny jirik’i Gandiantôna. Nosarahin’ny miaramila Nefita izy ireo ary nitolo-batana ho babo na novonoina (jereo ny 3 Nefia 4:16–27).

Vakio ny 3 Nefia 4:30–33; 5:1–4, hitadiavana ny fihetsika nasehon’ny olona rehefa nohatanjahin’ny Tompo izy ireo.

  • Naneho ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra tamin’ny fomba ahoana ny fihetsika nasetrin’izy ireo?

Misaintsaina fotoana iray mety nahatsapanao ny herin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fiomanana ara-nofo sy ara-panahy.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana avy amin’ny fahavononana:

Tsy mitsahatra manafika ny fahavalo. Ka noho izany dia tsy afaka mitsahatra miomana mihitsy isika! Arakaraka ny mampizaka tena antsika, ara-nofo sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy, no maha vonona kokoa antsika hanohitra ny fanafihana tsy an-kiato ataon’i Satana. …

Tsy milaza akory aho hoe ho mora ireo andro izay miandry, saingy mampanantena anareo aho fa ho feno voninahitra ny hoavy ho an’ireo izay vonona sy manohy miomana mba ho fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo. (Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75–76)

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

Mieritrereta zava-tsarotra, toe-javatra misy, na zava-miseho tsy maintsy iomananao. Saintsaino ny fahatsapanao ny fahavononanao ankehitriny. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo ianao.

  • Inona no asa manokana azonao atao mba hiomanana?

  • Ahoana no ahafahanao mampandray anjara ny Tompo amin’ny fiomananao?

Hamoaka printy