“Famerenana fifehezana fotopampianarana 19: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Famerenana fifehezana fotopampianarana 19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Famerenana fifehezana fotopampianarana 19
Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana
Ny fianarana mampihatra ny tenin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina dia afaka mitahy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampihatra ny fahamarinana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Hafainganam-pikisaka
Alaovy sary an-tsaina hoe manosika na mandaka baolina iray ianao. Inona no hery afaka mitondra fiantraikany amin’ny halavirana na ny hafainganam-pandeha azon’ilay baolina hikisahana?
Ny hafainganam-pikisaka dia fomba iray hamaritana ny tanjaka na ny herin’ny zavatra mihetsika iray. Ohatra, ny bisikileta iray dia voahetsika rehefa mivoy ny mpitaingina ary mihazona hafainganam-pikisaka izany raha mihazona fifandanjana ilay mpitondra ary manohy mivoy. Mitombo ny hafainganam-pikisak’ilay bisikileta rehefa mampitombo ny ezaka ataony amin’ny fivoizana ilay mpitaingina na rehefa miraika midina ilay làlana.
-
Inona avy no ohatra hafa sasantsasany amin’ny hafainganam-pikisaka na ny fahavitrihana tsara?
Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Tsy mbola nila ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao isika, hanoherana ny hafainganan’ny fitombon’ny ratsy ary ireo famantarana andro maloka. Ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara dia hampandroso antsika hatrany ao anatin’ny tahotra sy ny fisalasalana vokatry ny valanaretina, ny tafofo-dranomasina mahery sy avo, ny fipoahan’ny vôlkano, ary ny ady. Ny fahavitrihana ara-panahy dia afaka manampy antsika hanohitra ny fanafihan’ny fahavalo izay tsy mitsahatra sy feno haratsiam-panahy ka hanakana ireo ezaka ataony handrodanana ny fototra ara-panahy iorenan’ny tenantsika manokana. (Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 98)
-
Ahoana no mety hamaritanao ny atao hoe fahavitrihana ara-panahy ary nahoana no mila izany isika?
-
Amin’ny sehatra inona eo amin’ny fiainanao no heverinao fa ilanao fahavitrihana ara-panahy misimisy kokoa? Inona avy no tombontsoa eritreretinao mialoha fa horaisina?
Fampitomboana ny fahavitrihana ara-panahy
Ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia mampianatra fotopampianarana marina izay manampy antsika hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Rehefa manaraka azy amim-pinoana isika, dia afaka mamorona sy mampitombo fahavitrihana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika.
Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia
Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
Toko sy andinin-tsoratra masina |
Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina |
---|---|
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ny fiantrana … dia ny fitiavana madion’i Kristy.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.” |
© 2023 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.