Seminera
Jakoba 4: “Ny finoanay dia tsy voahozongozona”


“Jakoba 4: -Ny finoanay dia tsy voahozongozona,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 4

“Ny finoanay dia tsy voahozongozona”

Sary
Takelaka volamena

Tsy asa mora ny nisokitra teny teo amin’ny takela-by (jereo ny Jakoba 4:1). Koa inona ary no antony nahatonga an’i Jakoba nisikim-ponitra nanao izany? Niaina ny fifalian’ny fahafantarana ny Mpamonjy izy ary naniry ny hanampy antsika hankamin’ny Mpamonjy ihany koa. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famantarana, firaketana an-tsoratra ary fisaintsainana ireo fitsipika sy fahamarinana nampianarin’i Jakoba.

Mamantatra fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina. Ampio ny mpianatra hianatra hamantatra fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny ezaka sy fampiharana voasaina. Indraindray dia voalaza amin’ny fomba tsotra izy ireny, fa amin’ny fotoana hafa kosa dia lazaina amin’ny fomba hafa ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina izy ireny. Rehefa mampitombo io fahaiza-manao io ny mpianatra, dia azo inoana kokoa fa hitodika amin’ny soratra masina izy ireo mba hahazo tari-dalana sy valiny amina fanontaniana.

Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Jakoba 4:7–14 ary hiomana hizara fitsipika na fahamarinana iray hitan’izy ireo izay tsapan’izy ireo fa tena ilaina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no zavatra hozarainao?

Amin’ity sahanasa fanoratana manaraka ity dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny famaritan’i Jakoba ny hasarotry ny fanoratana eo amin’ny takelaka ao amin’ny Jakoba 4:1–3. Avy eo dia asao ny mpianatra hampiasa zavatra mafy ankoatra ny penina na pensilihazo hanoratana na “hisokirana” andiam-pehezan-teny fohy iray eo amina takela-biraty na taratasy. Mety hanampy azy ireo hankasitraka kokoa ny asa nataon’i Jakoba mba hiraketana an-tsoratra ny teniny ho antsika izany.

I Jakoba dia nanatanteraka didy iray hanoratra amina takelaka kely “ny vitsivitsy amin’ny zavatra izay noheveri[ny] ho tena sarobidy indrindra” (Jakoba 1:2) mba hovakin’ny taranaka ho avy (jereo ny Jakoba 4:1–3). Alaovy sary an-tsaina hoe ianao koa dia nangatahina torak’izany koa mba hanoratra hafatra fohy ho an’ny olona any aoriana any.

Manorata andiam-pehezan-teny iray izay ahitana ireo zavatra manan-danja indrindra fantatrao na niainanao mba hovakin’ny zanakao sy ny zafikelinao any aoriana.

Manasà mpianatra izay mahatsapa ho mahazo aina hizara amin’ny iray kilasy ny ampahany amin’ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Ny hafatr’i Jakoba ho antsika

Rehefa mandalina ny hafatra ao amin’ny Jakoba 4 izay nanentanam-panahy an’i Jakoba hosokirina mba hovakin’ny olona amin’izao androntsika izao ianao, dia hanana fahafahana hizatra hampiasa ireo fahaiza-manao manampy amin’ny fandalinana soratra masina. Tafiditra ao anatin’ireo fahaiza-manao ireo ny hoe:

  1. Mamantatra sy mirakitra an-tsoratra fitsipika sy fahamarinana

  2. Misaintsaina sy mametraka fanontaniana izay manampy anao hahatakatra kokoa ireo fahamarinana sy fitsipika

Ny fampiasana ireny fahaiza-manao ireny dia afaka manampy anao hianatra sy hanana fahatsapana bebe kokoa avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina.

Ity fizarana manaraka amin’ny lesona ity dia natao hanomezana ny mpianatra ohatra amin’ny fomba fampiasana ireny fahaiza-mandalina ireny.

1. Mamantatra sy mirakitra an-tsoratra fitsipika sy fahamarinana

Manampy ny miato kely rehefa mamaky ny soratra masina ianao ary mirakitra an-tsoratra ny zavatra ianaranao ho toy ny fehezan-teny tsotra manambara fahamarinana. Azonao atao ny mampiasa ny teninao manokana na mampiasa teny sy andian-teny mivantana avy ao amin’ny soratra masina.

Ampiharo ny famantarana sy firaketana an-tsoratra fitsipika sy fahamarinana amin’ny alalan’ny:

  • Famakiana ny Jakoba 4:1, 4–6, ka tadiavo ny zavatra momba ny Mpamonjy izay nanentanam-panahy an’i Jakoba horaketina an-tsoratra.

  • Manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.

  • Mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao ny zavatra tsapanao fa hafatra manan-danja indrindra ao amin’ireo andininy ireo.

Asao ny mpianatra hizara ireo fehezan-teny manambara ny fitsipika sy fahamarinana hitan’izy ireo. Raha mila ohatra iray ny mpianatra, dia hevero ny hizara ilay fitsipika natao sora-matevina ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Ohatra iray amin’ny fitsipika izay mety ho hitanao ao amin’ny andininy 6 ny hoe ny fandalinana amin-kitsimpo ny tenin’ny mpaminany dia hanamafy orina ny finoako an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hirakitra an-tsoratra io fitsipika io ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 6.

2. Misaintsaina sy mametraka fanontaniana

Ny fisaintsainana dia afaka manampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo fitsipika sy fahamarinana hitanao. Azonao atao ny misaintsaina fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao:

Hevero ny hampiseho na hanome tahadikan’ireto fanontaniana manaraka ireto. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra mazava kokoa ny fomba fampiasana io fahaiza-mandalina io. Izany dia hamela azy ireo ihany koa hitodika amin’izany rehefa mampihatra io fahaiza-manao io samirery izy ireo ao aoriandriana ao mandritra ny lesona.

  • Nahoana araka ny eritreritro no mila mahalala io fahamarinana io ny olona amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana no iharan’izany amin’ny fiainako?

  • Inona no hampanaovin’ny Tompo ahy noho ny zavatra nianarako?

Aorian’ny fotoana hisaintsainana dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo teo am-pisaintsaina ilay fitsipika na fahamarinana hitan’izy ireo tao amin’io andinin-tsoratra masina io. Hevero ny hizara zavatra niainana manokana momba ny fomba nitahian’ny fahamarinana iray hita tao amin’io andinin-tsoratra masina ny fiainanao.

Ity fizarana manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fahaiza-manaon’ny famantarana, firaketana an-tsoratra ary fisaintsainana ny zavatra ianaran’izy ireo avy ao amin’ny soratra masina. Hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy raha te hiaraka hiasa amina namana iray izy ireo na hiasa irery mba hamita ity sahanasa ity.

Ampiharo ny fampiasana ireo fahaiza-mandalina soratra masina

Ampiharo ny fahaiza-mamantatra, mirakitra an-tsoratra ary misaintsaina fitsipika sy fahamarinana amin’ny alalan’ny:

  1. Fandalinana ny Jakoba 4:7–14, ka zahao ireo fampianarana manan-danja momba ny Mpamonjy izay nosafidin’i Jakoba horaketina an-tsoratra.

  2. Firaketana an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao ny fitsipika iray izay tsapanao fa zava-dehibe ho an’ny olona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ny mahatakatra azy.

    Hevero ny hiato kely alohan’ny hizarana ny dingana manaraka mba hanasana mpianatra manolo-tena hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fitsipika na fahamarinana iray hitan’izy ireo. Izany dia haneho ohatra ana fitsipika sy fahamarinana amin’ny mpianatra izay tsy dia manana traikefa kokoa amin’ny famantarana izany.

  3. Fisaintsainana ny maha zava-dehibe ny zavatra hitanao. Mametraha fanontaniana izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa sy hampihatra izany eo amin’ny fiainanao. (Ny ohatra amin’ireo fanontaniana azonao saintsainina dia hita ao amin’ny fizarana hoe “Misaintsaina sy mametraka fanontaniana” any alohaloha ao amin’ny lesona.)

    Ampahafantaro ny mpianatra fa hanana minitra vitsivitsy izy ireo hiomanana hizara ny fitsipika na fahamarinana izay nosafidin’izy ireo, ny andininy nahitan’izy ireo izany, ary ny antony ieritreretan’izy ireo fa manan-danja izany. Azon’izy ireo atao ny miomana hiteny amin’ny mpianatra hafa fotsiny ny zavatra nianaran’izy ireo. Na azon’izy ireo atao ny miomana hizara amin’ny fomba hafa, toy ny famoronana “meme“, fanaovana sary, na fanomanana publication izay azo zaraina amin’ny tamba-jotran-tserasera. Azo aseho hanampiana ny mpianatra ireto teboka manaraka ireto eo am-piomanan’izy ireo.

    Tadiavo ny mpianatra izay mety hila fanampiana ary manomeza fanampiana. Hevero ny hizara fampahalalana mifandray amin’izany avy amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” sy ny hoe “Sahanasa fianarana fanampiny”.

  • Ny fomba ahafahan’ilay fitsipika na fahamarinana manampy ny zatovo manamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy

  • Andinin-tsoratra masina hafa na fanambarana avy amina mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay manampy anao hahatakatra tsara kokoa io fitsipika na fahamarinana io

  • Zavatra azonao saintsainina sy fanontaniana azonao apetraka mba hanampy anao hahatakatra kokoa io fitsipika na fahamarinana io

  • Fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao mba hanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy

  • Zavatra niainana tamin’ny fotoana nitahiana anao na ireo olona fantatrao tamin’ny alalan’ny fampiharana ny zavatra nampianarin’i Jakoba

Asao ny mpianatra handehandeha manerana ny efitrano ka hitady mpianatra iray hafa ary hifandimby hizara ny zavatra nomanin’izy ireo mandritra ny roa minitra eo ho eo avy. Raha misy ny fotoana, dia azon’ny mpianatra atao ny miova namana sy mifandimby mizara indray ny zavatra nomanin’izy ireo.

Rehefa avy mizara ny mpianatra dia asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny zavatra rehetra nianaran’izy ireo izay tian’izy ireo hampiharina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo hampiasa ireo fahaiza-manao nampiharin’izy ireo tao am-pianarana androany amin’ny fandalinana soratra masina ataon’izy ireo manokana.

Hamoaka printy