Seminera
Jakoba 5–7: Topimaso ankapobeny


“Jakoba 5–7: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2023)

“Jakoba 5–7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 5–7

Topimaso ankapobeny

Nizara ny fanoharan’i Zenosa momba ny hazo oliva i Jakoba, izay maneho an’ohatra ny fielezan’i Isiraely sy ny ezaka tsy tapaka ataon’ny Tompo hanangonana ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ho ao Aminy. Ny ampahany farany amin’io fanoharana io dia maneho ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany, ao anatin’izany ny ezaka ataony sy ireo mpanompony hanangonana farany ireo fanahy ho ao Aminy. Taona maromaro taorian’ny nizaran’i Jakoba ireo fampianarana ireo, dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Serema tonga teo anivon’ny Nefita ary “niasa tamim-pahazotoana tokoa izy mba hahazoany mampaniasia ny fon’ny vahoaka” (Jakoba 7:3). Afaka manampy ny mpianatra hiatrika ireo fanamby eo amin’ny finoan’izy ireo sy hiomana hiasa ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo ireto lesona ireto.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra an’ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Jakoba 5:1–53

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy azy ireo sy ny olon-drehetra ity lesona ity.

Jakoba 5:54–77; 6:1–13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hiaraka hiasa amin’ny Tompo eo amin’ny fanampiana ny zanaky ny Ray any An-danitra hanatona Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ny sahanasa fandalinana eo ambanin’ilay lohateny hoe “Jakoba 5:61–75: Manasa ahy hiaraka hiasa Aminy ao amin’ny tanimboliny ny Tompo” ao amin’ny rindran-damin’ny fandalinana “Aprily 8–14. Jakoba 5–7: –Miara-miasa amintsika ny Tompo–” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Isam-batan’olona sy ny Fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024.

Jakoba 7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hiomana handresy ireo fanamby eo amin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ohatra iray momba ny olona miorina tsara amin’ny finoan’izy ireo rehefa mitsapa azy ireo ny hafa.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Ny filalaovana an-tsehatra dia afaka manomana ny mpianatra hiatrika toe-javatra izay ahitana ny fitsapana ny finoan’izy ireo. Hevero ny hisafidy fanamby iray na roa izay mety hatrehan’ny mpianatra ao amin’ny faritra misy anao. Ohatra, raha fahita matetika ao amin’ny faritra misy anao ireo zavatra ambara toy izany, dia azonao atao ny misafidy ny hoe “Tsy kristianina ny mpikamban’ny Fiangonan’i –Môrmôna’,” na ny hoe “Tsy afaka ny ho marina ny Bokin’i Môrmôna satria ny Baiboly ihany no hany bokin-tsoratra masina hisy.” Azonao atao ny mametraka ny mpianatra ho ao anatina vondrona kely ao amina salles de discussion mba hilalao an-tsehatra ny fiatrehana amim-pahatokiana ireo fanamby ireo.

Tombano ny fianaranao 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba nivoaran’izy ireo na niovan’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo ny 2 Nefia 26Jakoba 7.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nivoaran’izy ireo ara-panahy tamin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny efatra herinandro lasa. Azonao atao ny manasa azy ireo hijery fampianarana manokana izay nampiharin’izy ireo na andininy izay nanan-danja manokana tamin’izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Azon’ny mpianatra atao ny misafidy ny hanao ny sahanasa A na ny sahanasa B. Apetraho ao amina salle de discussion iray ireo misafidy ny sahanasa A ary amin’ny anankiray hafa ireo izay misafidy ny sahanasa B. Rehefa niara-nahavita ny sahanasan’izy ireo ny vondrona tsirairay, dia azon’izy ireo atao ny misafidy solontena iray hizara ny fanazavan’izy ireo amin’ny sisa ao amin’ny kilasy.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny fomba ahatsiarovan’izy ireo an’i Jesoa Kristy isan’andro.

  • Votoatiny haseho: Ny tabilao misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miaraka amin’ny andian-teny manan-danja ao amin’izy ireo

  • Fitaovana:Taratasy sy hety mba hampiasain’ny mpianatra hamoronana ireo tapa-taratasin’izy ireo asiana soratra

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Ny sahanasa fanaovana tsianjery ao amin’ity lesona ity dia mety ho sarotra amina kilasy mianatra amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao sahanasa mitovitovy amin’izany amin’ny application Maîtrise de la doctrine.

Hamoaka printy