Seminera
Tombano ny fianaranao 3: 2 Nefia 26–Jakoba 7


“Tombano ny fianaranao 3: 2 Nefia 26–Jakoba 7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 3,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 3

2 Nefia 26Jakoba 7

Sary
Zatovovavy manoratra ao anaty diary

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahita ny fomba nitomboanao na niovanao nandritra ny fandalinanao ny 2 Nefia 26Jakoba 7.

Mamporisika ny mpianatra hianatra. Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny fahafahany misafidy handraisana anjara amin’izay miseho mandritra ny fianarana. Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina—ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony izay manamafy” (“Chercher la Connaissance par la Foi,” Ensign, sept. 2007, 64).

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nivoaran’izy ireo ara-panahy tamin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny efatra herinandro lasa. Azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ny diary fandalinan’izy ireo sy hamaritra fampianarana manokana izay nampiharin’izy ireo na andininy izay nanan-danja manokana tamin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mihatsara kokoa hatrany isan’andro

Hevero ny hanomboka ity lesona ity amina fifanakalozan-kevitra momba ireo tanjona sy lanjan’ny fanombanan-tena. Azon’ny mpianatra atao ny mizara fampianarana manokana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nampiharin’izy ireo teo amin’ny fiainany na andininy avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanan-danja manokana tamin’izy ireo.

Nampianatra toy izao ny Filoha Lorenzo Snow (1814–1901), Filoha fahadimin’ny Fiangonana:

Aza manantena ny ho tanteraka ao anatin’ny indray mandeha ianao. Ho diso fanantenana ianao raha manao izany. Manaova tsaratsara kokoa mihoatra noho ny nataonao omaly ary manaova tsaratsara kokoa rahampitso mihoatra noho ny nataonao androany. Ny fakam-panahy izay mety nandresy antsika tamin’ny ampahany androany dia aoka tsy handresy antsika tahaka izany rahampitso. Noho izany, tohizo tsikelikely isan’andro isan’andro ny hatsarana ary aoka tsy handalo fotsiny ny fiainanao nefa tsy nahavita tsara tamin’ny hafa sy tamin’ny tenanao ianao. (Teachings of Presidents of the Church: Lorenzo Snow [2012], 103)

  • Ahoana no ahafantaranao raha tsara kokoa noho ny omaly ianao androany?

  • Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao amin’ny ezaka ataonao ho tsara kokoa noho ny anio rahampitso?

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hieritreritra momba ny fitomboanao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy anao, ao anatin’izany ny fahafahanao manazava fotopampianarana ianaranao ao amin’ny soratra masina. Mieritrereta fomba nanampian’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna anao hitombo amin’ny maha mpianatr’i Kristy anao. Rehefa mandalina ianao anio, dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahita ny fiantraikan’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fahafahanao miaina sy mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny fandalinan’ny kilasinao ny 2 Nefia 26 hatramin’ny Jakoba 7 dia mety nanasongadina fahamarinana samy hafa ankoatra ireo hita ao amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Aza misalasala misafidy izay sahanasa mifanaraka indrindra amin’ny filan’ny mpianatrao na manamboatra ireo sahanasa hampidirana ireo fahamarinana hitan’ny mpianatrao.

Ny tanjon’ny sahanasa A sy B dia ny hanome ny mpianatra fahafahana hanazava fotopampianarana nampianarina tao amin’ny lesona teo aloha. Angamba tsy maintsy ny iray amin’izy ireo ihany no atao mba hamelana fotoana ho an’ny sahanasa D na E.

Sahanasa A: Hazavao ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy

Ity sahanasa manaraka ity dia hitaky ny mpianatra hamerina hijery andinin-tsoratra masina maro. Aoka ianao hahay hahafantatra ireo mpianatra izay mety ho sahirana amin’ny famakiana na fahatakarana ny soratra masina. Hevero ny hametraka ny mpianatra ho tsiroaroa na ao anatina vondrona, sy hanampy azy ireo hitady fitsipika na ôrdônansin’ny fotopampianaran’i Kristy. Izany dia ahitana ny finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa ho amin’ny famelan-keloka, fandraisana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina, ary faharetana hatramin’ny farany.

I Nefia dia nampianatra ny zavatra ilaintsika atao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Ireny fitsipika sy ôrdônansy ireny dia antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 31:2, 21). Ny fotopampianaran’i Kristy “no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay ahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (2 Nefia 31:21). Avereno jerena ny 2 Nefia 31:10–12, 17, 20–21, hitadiavana ireo fitsipika sy ôrdônansy izay ao anatin’ny fotopampianaran’i Kristy.

Asao ny ankizy hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka ao anatin’ny vondrona misy azy ireo na hanoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Ahoana no mety hahafahanao manazava ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny olona iray hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra noraketin’i Nefia an-tsoratra ao amin’ny 2 Nefia 31?

  • Ahoana no anampian’ny fotopampianaran’i Kristy antsika hiantehitra Aminy amin’ny famonjena antsika?

  • Ahoana no itahiana anao amin’ny alalan’ny fanarahana ny fotopampianaran’i Kristy?

Sahanasa B: Hazavao ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Azonao atao ny manolotra ity rafi-tantara manaraka ity holalaovina, ka ianao no milalao ny anjaran’ny filohan’ny tsatòka ary ny mpianatra no mamaly misolo an’i Luca. Raha manao izany ianao, dia mametraha fanontaniana fanombanana fahatakarana izay manampy ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny maha fameno sy vavolombelon’ny fahamarinan’ny Baiboly azy (jereo ny 1 Nefia 13:40–42; 2 Nefia 3:11–12), famantarana ny Famerenana amin’ny laoniny (jereo ny 2 Nefia 27; 29:1–10), sy “ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

Alaovy sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:

Miomana ny ho tonga misiônera amin’ny fotoana feno i Luca. Nandefa ity hafatra manaraka ity herinandro mialoha ny hihaonan’izy ireo hiresadresaka ny filohan’ny tsatòkany:

“Luca, tena faly aho hihaona aminao. Ho fiomanana amin’ny fihaonantsika dia afaka miomana ny hampiasa ny Bokin’i Môrmôna ve ianao mba hamaliana ity fanontaniana ity: Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (jereo ny 2 Nefia 3:11–12; 2 Nefia 27:25–26; 2 Nefia 29:7–11).”

  • Inona no azon’i Luca zaraina avy amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny anjara asan’izy io amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Sahanasa D: Tohero amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny devoly

Raha tsy nasaina hamorona drafitra iray tao anatin’ny lesona “2 Nefia 28:1–26” ny mpianatra dia mila amboarina mba hifanaraka amin’izany ity fizarana ity. Ohatra, azonao atao ny manampy ny mpianatra hamorona drafitra iray na hifanakalo hevitra momba-na paikady izay manohitra ny ezaka ataon’i Satana.

Ao amin’ny 2 Nefia 28:20–22, i Nefia dia nampianatra momba ny paikady hampiasain’i Satana hisintonana ny olona hanalavitra an’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Izany dia ahitana ny famporisihana ny olona ho tezitra amin’izay tsara, fampandriana adrisa ny olona sy fandrotsirotsiana azy ireo amin’ny fiadanana ara-nofo, ary fitenenana amin’ny olona fa tsy misy ny helo sy ny devoly. Ao anatin’ny fandalinanao ny lesona “2 Nefia 28:1–26,” dia mety ho namorona drafitra ianao mba hiarovana kokoa ny tenanao amin’ny tetikadin’i Satana. Avereno jerena ny zavatra nosoratanao ao amin’ny diary fandalinanao avy amin’izany lesona izany.

  • Toy ny ahoana ny fahombiazan’ny nanatanterahanao ny drafitrao? Nahoana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny drafitrao anao hahazo ny fiarovan’ny Mpamonjy amin’ny tetikadin’i Satana?

  • Inona no zavatra nianaranao na niainanao izay afaka manampy ka hampidirinao ao amin’ny drafitrao?

Mihevera fomba hanoloran-tena indray amin’ny drafitrao. Ataovy azo antoka fa mitady ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao mba hampitandrina anao amin’ny loza sy hanome hery anao handositra na handresy ny tetikadin’i Satana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5).

Sahanasa E: Mandraisa anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Samy liana be tamin’ny fanangonana an’i Isiraely na i Nefia na i Jakoba. Izany angamba, amin’ny ampahany, dia noho ny nanehoan’ny Tompo tamin’i Nefia ny zavatra hitranga amin’ny taranany (jereo ny 1 Nefia 12–13).

Mety ho efa nasaina handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely ianao tao anatin’ny fandalinanao ny 1 Nefia 19–22; 2 Nefia 6; na Jakoba 5:52–77; 6:1–13. Raha izany dia avereno jerena ny fanoloran-tena na drafitra nataonao na ny toe-tsainao sy ny fahavononanao hirotsaka amin’ilay asa.

  • Inona no nianaranao tamin’ny fandalinanao momba ny fanangonana an’i Isiraely ka hitanao ho mampahery na ilaina?

  • Inona no ezaka nataonao ka mbola tsy nandramanao tany aloha? Nahomby ve ianao? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao ny Mpamonjy mitari-dalana anao na manamafy orina anao rehefa manao ny asany ianao?

  • Inona avy no fitahiana hitanao avy amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io?

Hamoaka printy