Seminera
Jakoba 5:1–53: “Ny Tompon’ny tanimboly”


“Jakoba 5:1–53: –Ny Tompon’ny tanimboly,–” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 5:1–53,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 5:1–53

“Ny Tompon’ny tanimboly”

Sary
tanimbolin’ny hazo oliva

Miraharaha ny zanany rehetra Andriamanitra, ireo izay marin-toetra sy ireo izay misafidy ny ho tsy marina-toetra. Nizara ny fanoharan’i Zenosa momba ny hazo oliva i Jakoba, izay maneho an’ohatra ny fielezan’ny sasany izay marin-toetra sy ny sasany izay tsy marin-toetra. Io fanoharana io ihany koa dia maneho ny ezaky ny Tompo hanangona an’i Isiraely amin’ny andro farany. Afaka manampy anao hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy anao sy ny olon-drehetra ity lesona ity.

Manasa ny Fanahy Masina mba hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Rehefa mampianatra ny fotopampianarana marina avy ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ianao, dia hanana fahafahana hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia azontsika “fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5).

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ny kisary mitondra ny lohateny hoe “Ny fanoharana ny amin’ny hazo oliva (Jakoba 5)” hita ao amin’ny fizarana “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra.” Asao hampiasa ilay kisary ny mpianatra mba hanampy azy ireo handalina ny fanoharana ao amin’ny Jakoba 5 sy lasa hahafantatra ny hafatra ankapoben’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fitiavan’ Andriamanitra ireo izay mania

ChurchofJesusChrist.org

Mahatsapa ho meloka ny amin’ny fahadisoana nataony vao haingana i Lisa. Manomboka manontany tena izy raha toa ka mbola miraharaha azy Andriamanitra noho ireo fahadisoana ireo.

  • Inona no mety holazainao raha miezaka manampy olona iray izay manana fahatsapana toy ny an’i Lisa ianao?

  • Nahoana no mety ho sarotra ny mahafantatra na mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra rehefa avy misafidy ny hanota isika?

Anio dia handalina tantara ao amin’ny soratra masina izay maneho ny fitiavan’ny Tompo ireo izay mania ianao. Rehefa mandalina ianao dia mitadiava lesona manan-danja momba ny fahavononan’i Jesoa Kristy hanampy ireo izay nanalavitra Azy. Saintsaino ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ianaranao manampy anao amin’ny toe-javatra misy anao.

Ny fanoharana mikasika ny hazo oliva

I Jakoba dia naminany fa handà an’i Jesoa Kristy ny Jiosy (jereo ny Jakoba 4:15). Mba hanampiana ny olony hahatakatra ny fomba hanampian’ny Mpamonjy ny Jiosy hiverina Aminy, i Jakoba dia nampianatra azy ireo fanoharana iray izay nomen’ny mpaminany iray nantsoina hoe Zenosa. Ny fanoharana iray dia mampiasa endri-tsoratra, zavatra ary fihetsika an’ohatra mba hampianarana fahamarinana.

Ireto manaraka ireto dia sasany amin’ireo sariohatra manan-danja ao amin’ilay fanoharana, miaraka amin’ireo mety ho dikany. Hevero ny hitanisa ireto sariohatra ireto ao anatin’ny diary fandalinanao na ny soratra masinao.

Hevero ny handika ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao ny mampiditra ny hevi-baovao sy ireo fanamarihana ataon’ny mpianatra ho ao anatin’izany mandritra ny lesona.

Ny tabilao mivelatra iray miaraka amina sariohatra fanampiny dia hita ao amin’ny fizarana “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra”.

Sariohatra

Mety ho heviny

Sariohatra

Tompon’ny tanimboly

Mety ho heviny

Jesoa Kristy

Sariohatra

Ilay tanimboly

Mety ho heviny

Izao tontolo izao

Sariohatra

Hazo oliva voakolokolo

Mety ho heviny

Ny mpianakavin’i Isiraely, vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra

Sariohatra

Hazo oliva dia

Mety ho heviny

Jentilisa (ireo izay tsy nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo) sy i Isiraely nihemotra tamin’ny finoana

Mba hanampiana anao hiomana hianatra momba an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny Jakoba 5, dia soraty eo afovoan’ny pejy iray tsy misy na inona na inona ao amin’ny diary fandalinanao ny hoe “Ny zavatra ianarako momba an’i Jesoa Kristy avy ao amin’ny Jakoba 5” ary manaova faribolana manodidina izany. Mandritra ny lesona dia mitadiava fahamarinana na hevi-baovao momba an’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny tanimboly. Raketo an-tsoratra ao anatin’ilay faribolana na manodidina izany ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao.

Mahatakatra ilay fanoharana

Raha tsy mbola nataonao dia omeo ilay kisary mitondra ny lohateny hoe “Ny fanoharana ny amin’ny hazo oliva (Jakoba 5),” hita ao amin’ny fizarana “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny mijery ny ampahany amin’io kisary io mandritra ny lesona.

Ny fanombohan’ilay fanoharana dia afaka maneho ny fotoana talohan’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy tety an-tany. Vakio ny Jakoba 5:3–6 hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ilay hazo oliva voakolokolo, izay maneho ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.

  • Maneho inona araka ny eritreritrao ny fahasimban’ilay hazo?

  • Inona araka ny eritreritrao no mety hasehon’ny fandrantsanana, fihevoana ary fikolokoloana ataon’ny Tompon’ilay tanimboly?

  • Inona no ampianarin’ireo zavatra natao ireo anao momba an’i Jesoa Kristy? (Ampidiro ao anatin’ny pejin’ny diarinao ny hevi-baovao hitanao.)

Mety hanampy mba hanehoana ireto teboka manaraka ireto ny fanaovana sary izay maneho azy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Taorian’io fitsidihana voalohany io, ilay tompon’ny tanimboly dia nanao asa manan-danja roa hafa mba hamonjena ny hazo oliva voakolokolony:

  1. Izy dia nandidy ny hanesorana ireo rantsana fototra manomboka malazo sy ny hanaovana grefy ny sampana sasantsasany avy amina hazo oliva dia amin’ny hazo fototra (jereo ny Jakoba 5:7–10). Io fanaovana grefy io dia afaka maneho ny ezaka ataon’ny Tompo hanampiana ireo Jentilisa ho lasa ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny batisa sy ny fiovam-po.

  2. Naka rantsana tanora sy malemilemy avy amin’ny hazo oliva fototra izy ary nanao grefy azy ireo tany amin’ny faritra samihafa tao amin’ny tanimboly (jereo ny Jakoba 5:8, 13–14). Izany dia afaka maneho ny fielezan’i isiraely tamina faritra samihafa eto amin’izao tontolo izao. Ny sasany tamin’ireo izay naely patrana dia marin-toetra, toy ny fianakavian’i Lehia (jereo ny 1 Nefia 10:12–13). Ny hafa dia naely patrana noho ny faharatsiana.

Ny ambin’ilay fanoharana dia manoritsoritra ny fitsidihana nataon’ny tompon’ny tanimboly tao amin’ny tanimboliny taty aoriana. Ireo fitsidihana ireo dia afaka maneho an’ohatra vanim-potoana samihafa teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho mpiara-miasa na vondrona kely ary hanendry ny vondrona tsirairay hisahana ny amin’iray amin’ireto amboaran’andininy hohalalinina ireto. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manao ny tatitra ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Halalino ireto andininy manaraka ireto, hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ilay hazo fototra sy ireo hazo niely patrana nandritra ny fitsidihana tsirairay.

  • Inona no tsikaritrao momba ny toetoetran’ireo hazo sy ilay voankazo nandritra ireo fitsidihana ireo?

  • Inona no tsikaritrao momba ireo teny sy zavatra nataon’ny tompon’ilay tanimboly nandritra ireo fitsidihana ireo?

  • Inona no ampianarin’ireo teny sy zavatra natao ireo anao momba an’i Jesoa Kristy? (Ampidiro ao anatin’ny pejin’ny diarinao ny hevi-baovao hitanao.)

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara lesona iray azontsika ianarana momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo:

Rehefa avy nihevo sy nanisy zezika, nanondraka sy nanala ahi-dratsy, nandrantsana, namindra ary nanao grefy ny Tompo lehiben’ny tanimboly dia nanipy ny angadiny sy ny hetin-jarindainany izy ary nitomany sy niantsoantso an’izay mihaino hoe “Inona no azoko natao misimisy kokoa ho an’ny tanimboaloboko?” [Jakoba 5:41, 49].

Tena sary tsy voafafa momba ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika izany! Alahelo tokoa ny an’ny ray aman-dreny rehefa tsy misafidy Azy na ny “filazantsaran’ Andriamanitra” [Romana 1:1] nalefany ny zanany! Tena mora ny mitia olona iray izay tena tia antsika manokana! (Jeffrey R. Holland, “La Grandeur de Dieu,” Liahona, nov. 2003, 72)

  • Inona no nisongadina taminao tamin’io fanambarana io? Nahoana?

Ny ezaka mitohy ataon’ny tompon’ny tanimboly

Vakio ny Jakoba 5:51–53 hitadiavana ny zavatra nosafidin’ny tompon’ny tanimboly hatao taorian’ny fahitana ireo hazony teo am-pahasimbana.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny Tompo? (Ampidiro ao anatin’ny pejin’ny diarinao ny hevi-baovao hitanao.)

  • Ahoana no hamintinanao ireo lesona nianaranao avy amin’ny Jakoba 5 ao anatina fanambaram-pahamarinana iray?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Jakoba 5 ny hoe tia ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ny Tompo ary manohy miraharaha azy ireo na dia manalavitra Azy aza izy ireo.

  • Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io manampy olona iray hahatsapa faniriana lehibe kokoa hibebaka?

  • Inona avy ireo ohatra, avy ao amin’ny soratra masina na eo amin’ny fiainanao, izay maneho fa mbola manohy mitia sy mikarakara ny olona ihany ny Tompo na dia efa nanalavitra Azy aza izy ireo?

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany miantraika eo amin’ny fiainanao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo zavatra tsapanao.

Hamoaka printy