Seminera
Jakoba 5:54–77; 6:1–13: “Endrey, hotahiana tokoa ireo izay efa niasa tamim-pahazotoana tao amin’ny tanimboliny”


“Jakoba 5:54–77; 6:1–13: -Endrey, hotahiana tokoa ireo izay efa niasa tamim-pahazotoana tao amin’ny tanimboliny,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 5:54–77; 6:1–13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 5:54–77; 6:1–13

“Endrey, hotahiana tokoa ireo izay efa niasa tamim-pahazotoana tao amin’ny tanimboliny”

Sary
Olona mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Ahoana no ifandraisan’ilay fanoharana momba ny hazo oliva voarakitra ao amin’ny Jakoba 5 aminao? Ny ampahany farany amin’io fanoharana io dia maneho ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany, ao anatin’izany ny ezaka ataony sy ireo mpanompony hanangonana farany ireo fanahy ho ao Aminy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa faniriana bebe kokoa hiaraka hiasa amin’ny Tompo amin’ny fanampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba hanatona Azy.

Ampio ny mpianatra tsirairay handray anjara amin’ny fianarana. Ilaina ny mpianatra tsirairay ary manana anjara biriky hoentina. Ny mpianatra sasany dia mety hirona handray anjara kokoa noho ny mpianatra hafa. Manaova ezaka hanampiana ny mpianatra tsirairay handray anjara amin’ny fomba manan-danja sy mampahazo aina azy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ny sahanasa fandalinana eo ambanin’ny lohateny hoe “Jakoba 5:61–75: Manasa ahy hiaraka hiasa Aminy ao amin’ny tanimboliny ny Tompo” ao amin’ny rindran-damin’ny fandalinana “Aprily 8–14. Jakoba 5–7: -Miara-miasa amintsika ny Tompo-” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Isam-batan’olona sy ny Fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024.

Sahanasa fianarana azo atao

Asa lehibe

Zarao amin’ny kilasy ity rafi-tantara manaraka ity:

Vao haingana i Annika no nangatahin’ny evekany hihevitra am-bavaka ireo fomba mety hahafahany manatona sy manampy ny iray amin’ireo zatovovavy ao amin’ny paroasy misy azy izay tsy tonga niangona. Mahatsapa ho somary matahotra kely i Annika ary manontany tena hoe: “Fa nahoana ny eveka no mangataka ahy hanao izany? Izy no mety hahomby kokoa noho izaho amin’ny fanampiana azy.”

  • Inona no mety ho sasany amin’ireo antony mety ho nanasan’ny evekan’i Annika azy hanatona ilay zatovovavy fa tsy izy tenany no nanatona?

Alohan’ny hizarana ity fampidirana manaraka ity dia mety hanampy raha manasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hamintina ny zavatra tsaroan’izy ireo momba ireo amphany amin’ilay fanoharana ao amin’ny Jakoba 5 izay nohalalinin’izy ireo tao amin’ny lesona teo aloha.

Anio dia handalina ny ampahany farany amin’ilay fanoharana momba ny hazo oliva voarakitra ao amin’ny Jakoba 5 ianareo. Io ampahany amin’ilay fanoharana io dia maneho ny andro farany. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io ampahany amin’ilay fanoharana io ny hoe ny Tompo dia manasa ny mpanompony amin’ny andro farany hiasa ao amin’ny tanimboliny amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Alohan’ny hanombohanao mandalina dia saintsaino ny fahatsapanao momba ny hoe ianao dia asain’ny Tompo hanampy amin’ny fanangonana olona ho ao Aminy. Efa nisy fotoana ve ianao nanontany tena hoe nahoana Izy no manasa anao hanampy Azy amin’ny asa fanavotana fanahy? Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny tanjon’ny Tompo amin’ny fanasana antsika handray anjara miaraka Aminy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Manasa mpanompo hiara-miasa aminy ny tompon’ny tanimboly

Ny ampahany farany amin’ilay fanoharana dia manomboka amina resaka ifanaovan’ny tompon’ny tanimboly, izay maneho an’i Jesoa Kristy, sy ny mpanompony, izay maneho ireo mpaminanin’ny Tompo.

Vakio ny Jakoba 5:61–62, 70, hitadiavana ny zavatra nanomezan’ilay tompon’ny tanimboaloboka toromarika ny mpanompony hatao sy ny antony nangatahiny azy hanao izany.

  • Iza ao amin’ireo andininy ireo no afaka maneho anao na mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka momba ny asa ataon’ny Tompo sy ny mpanompony amin’ny andro farany:

Nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa izao, izany hoe izao andro iainantsika izao, no ora fahiraika ambin’ny folo ary fotoana farany hiantsoany mpiasa ho ao amin’ny tanimboalobony mba hanangona ireo voafidy avy amin’ny vazan-tany efatra [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:3, 6]. …

Tianao ve ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely mandritra izao andro sarobidy farany izao? …

… Eritrereto anie e!! Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isika no manana tombotsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientam-po tokoa izany!

Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo—ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo—dia ianareo! (I Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, jona 3, 2018], fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 8, ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no nanampian’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson anao hianarana na ho tsapa momba an’ Andriamanitra?

  • Inona no nampianarin’izany anao momba ny tenanao sy ny anjara asa hosahaninao amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

  • Inona no heverinao ho sasany amin’ireo antony mahatonga ny Tompo hanasa antsika hanampy amin’ny fanangonana olona hankany Aminy?

Ny anjaranao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo

Hevero ny hamita ity sahanasa manaraka ity samirery alohan’ny fotoam-pianarana ary hampiseho amin’ny mpianatra ny sarinao ho ohatra.

Ao amin’ny diary fandalinanao na eo amina taratasy iray hafa, manaova sarina tanimboly na saha iray izay maneho ny tanimboaloboky ny Tompo. Avy eo dia manaova sary na manorata zavatra vitsivitsy izay maneho ireto manaraka ireto:

  1. Fahafahana anananao hiasana ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo sy hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ny ohatra dia mety hahitana sary na teny izay maneho olona azonao ampiana hanakaiky kokoa ny Mpamonjy, hetsika azonao atao mba hizarana ny filazantsara mivantana na an-jotra, na ezaka hitahiana ny olona any amin’ny lafiny ilan’ny voaly amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

  2. Ireo sakana atrehinao amin’ireo ezaka ataonao hiasana ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. Ny ohatra dia mety hahitana sary na teny izay maneho sakana toy ny tahotra, tsy fahazoana antoka momba ny zavatra tokony hatao, na fahatsapana ho be atao loatra amin-javatra hafa.

Vakio ireto andininy manaraka ireto, ka tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao handresy ireo sakana hitanao. Hevero ny hampiditra sary na teny ao amin’ny sarina tanimboaloboka nataonao miainga amin’ny zavatra nianaranao.

  • Inona no nianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo?

  • Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no afaka manampy olona iray izay misalasala ny handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Hevero ny hizara ohatra an’ny tenanao manokana ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona no fitahiana hitanao na niainanao tamin’ny fandraisana anjara niaraka tamin’ny Tompo tamin’ny fiasana mba hitondrana fanahy hankany Aminy?

Makà fotoana hieritreretana momba ireo dingana manaraka hataonao mba handraisana anjara miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Raiso an-tsoratra ny ao amin’ny diary fandalinanao ny tanjona mifandray amin’io na tohizo ny tanjona iray efa napetrakao ho an’ny tenanao. Azonao atao ihany koa ny mampiditra teny na sary izay maneho ny tanjonao eo amin’ny sarin’ny tanimboaloboka nataonao. Hevero ny hijery ny “Hira fanevan’ny zatovo 2021: -Asa lehibe-” (4:06), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, rehefa misaintsaina ianao hoe toy ny ahaoana no itiavanao tanjonao.

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny sary vitan’izy ireo, miaraka amin’ny tanjon’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana noresahina androany ary asao ny mpianatra hanao asa anatanterahana ny tanjona nataon’izy ireo ho an’ny tenany. Hanana fahafahana hanamboatra io tanjona io ny mpianatra amin’ny lesona ho avy iray atao hoe Tombano ny fianaranao.

Hamoaka printy