Seminera
Jakoba 7: Finoana an’i Jesoa Kristy tsy voahozongozona


“Jakoba 7: Finoana an’i Jesoa Kristy tsy voahozongozona,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 7

Finoana an’i Jesoa Kristy tsy voahozongozona

Sary
soloy

Raha tsapanao fa toa manao fanahy iniana miezaka manozongozona ny finoan’ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ny olona sasany ankehitriny, dia marina ny anao. Tsy zava-baovao izany. Teo anivon’ny Nefita dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Serema “niasa tamim-pahazotoana tokoa […] mba hahazoany mampaniasia ny fon’ny vahoaka” (Jakoba 7:3). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiomana handresy ireo fanamby amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Manampy ny mpianatra hahatakatra ny votoatin’ny soratra masina. Ny votoatin’ny soratra masina no fototry ny tantara, olona, tranga, toriteny, ary fanazavana. Ny fahatakarana ireo singa ireo dia afaka manampy ny mpianatra hifandray amin’ireo olona ao amin’ny soratra masina sy hampiorenin’ireo toriteny voarakitra an-tsoratra nentanim-panahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ohatra iray momba ny olona miorina tsara amin’ny finoan’izy ireo rehefa mitsapa azy ireo ny hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Miomana amin’ny fanamby entin’ny hoavy

Alohan’ny hizarana ity fanambarana manaraka ity dia hevero ny hanontany hoe “Amina ambaratonga iray ka hatramin’ny folo, araka ny eritreritrao, toy ny ahoana no fahasarotan’izany hoe mpianatra maherifon’i Jesoa Kristy izany ankehitriny?” Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanangana ny isan’ny rantsan-tànana izay maneho ny valin-tenin’izy ireo ary avy eo dia hangataka ny sasany amin’izy ireo hizara ny antony namalian’izy ireo tamin’izany fomba izany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara izao manaraka izao momba ny fanamby sarotra izay hatrehintsika:

Efa ho avy ny andro sarotra. Mahalana amin’ny hoavy vao ho mora na malaza izany hoe Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izany. Hotsapaina daholo isika tsirairay avy. Ny Apôstôly Paoly dia nampitandrina fa amin’ny andro farany, ireo izay manaraka amin’ny zotom-po ny Tompo “dia henjehina” [2 Timoty 3:12]. Izany fanenjehana izany dia mety hahalavo anao amin’ny fahalemena tsy re tsaika, na mandrisika anao ho lasa ohatra sy be risi-po eo amin’ny fiainanao andavanandro. (Russell M. Nelson, “Atreho am-pinoana ny ho avy,” Liahona, mey 2011, 35–36)

  • Tamin’ny 2011 no nanao io lahateny io ny Filoha Nelson. Tamin’ny fomba ahoana no efa niainanao na nahitanao ny zavatra nofaritany?

  • Inona no antony mety hahatonga ny fijanonana ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naveriny amin’ny laoniny ho vao mainka tsy dia tian’ny olona loatra any aoriana any? Nahoana araka ny eritreritrao no mbola ilaina izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no antony ilazan’ny Tompo amintsika mialoha ireny fahasarotana ireny?

Saintsaino mandritra ny iray minitra ny tanjaky ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao sy ny fahavononanao hijanona ho mahatoky Aminy ao anatin’ireo andro sarotra izay ho avy. Rehefa mandalina ny Jakoba 7 ianao, dia tadiavo ny fomba nanomanan’i Jakoba ny tenany hijanona ho mahatoky rehefa niezaka nanozongozona ny finoany ny lehilahy ratsy fanahy iray nantsoina hoe Serema.

Nitory teny nanohitra an’i Kristy i Serema

Vakio ny Jakoba 7:1–7. ChurchofJesusChrist.org Tadiavo ny zavatra nampianarin’i Serema nentina niezaka hanozongozonana ny finoan’ny Nefita an’i Kristy.

  • Inona no zavatra nampianarin’i Serema mba hanozongozonana ny finoan’ny Nefita?

  • Inona avy no fomba sasantsasany mety hitsapan’ny olona ny finoan’ny mpianatr’i Kristy ankehitriny?

Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina izao manaraka izao:

Saintsaino raha nahita olona manodidina anao manomboka miahiahy ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny noho ny fitaoman’ny hafa ianao. Efa nahatsikaritra olona mitsapa ny finoanao Azy ve ianao?

Tsy azo nohozongozonina ny finoan’i Jakoba

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ireto andininy manaraka ireto ao anatina vondrona kely. Avy eo dia asao ny vondrona tsirairay haka solontena iray hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny ohatra nasehon’i Jakoba. Ireto ny sasany amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra: afaka manampy antsika hahafantatra ny zavatra tokony hatao sy holazaina ny Fanahy rehefa mandalo fitsapana ny finoantsika, ary afaka mitoky amin’ireo fampianaran’ny mpaminany isika mba hanamafy orina ny finoantsika an’i Kristy.

Rehefa mizara ny mpianatra, dia hevero ny hampahatsiahy azy ireo fa ny fandalinana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manomana azy ireo hahazaka ireo fitsapana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Jakoba 7:5, 8–12, hitadiavana ny zavatra nanampy an’i Jakoba handà ireo fampianaran’i Serema.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny andininy 5 ny hoe afaka mandresy ny fanamby mitsapa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fahatsiarovana zavatra niainana ara-panahy tany aloha izay nanamafy orina ny finoantsika.

  • Inona avy ireo zavatra manokana tsaroan’i Jakoba nandritra io fifanandrinana io ka nanampy azy?

  • Fa maninona ny fahatsiarovana ny zavatra ara-panahy niainantsika tany aloha tany no mampatanjaka antsika rehefa miatrika fanamby amin’ny finoantsika isika?

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ankoatra ny fitarihana mitondra fiadanana azontsika avy amin’ny Fanahy Masina, dia indraindray Andriamanitra mankahery manokana antsika tsirairay amin-kery fa hoe mahafantatra antsika Izy sady tia antsika ary mitahy antsika manokana sy mivantana. Avy eo, rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia mampitamberina ireo zavatra niainana ireo ao an-tsaintsika ny Mpamonjy.

Ankamamio ireo fahatsiarovana masinareo. Inoy izy ireny. Soraty izy reny. … Mampanantena anareo aho fa rehefa manaiky an-tsitrapo sy mankamamy tsara ireo zava-nitranga ara-panahy nanamarika anareo teo amin’ny fiainanareo ianareo, dia mbola ho maro dia maro tokoa no ho azonareo. Mahafantatra sy tia anareo ny Ray any An-danitra. (Neil L. Andersen, “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana,” Liahona, mey 2020, 19, 21–22)

Raha mampiasa ity hevitra manaraka ity ianao, dia manomeza fotoana ampy mba hahafahan’ny mpianatra misaintsaina, mivavaka ary mirakitra an-tsoratra ny fahatsapana sy zavatra niainan’izy ireo. Avy eo dia manasà mpianatra manolo-tena hizara zavatra niainana izay tsy masina loatra. Hevero ny hizara ohatra momba anao manokana izay tsy masina na miavaka loatra mba hahafahan’ny mpianatra mahatakatra ny zavatra niainanao.

Makà fotoana hitadidiana fahatsapana sy zavatra niainana nomen’ Andriamanitra anao mba hanomezan-toky anao fa mahafantatra sy tia anao Izy. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao ny sasany amin’izy ireny. Raha mila fanampiana ianao hitadidy ny zava-niainana toy izany, dia mangataha am-bavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatadidy na hahatsiaro ny sasany izay mbola ho avy. Ho ataony amin’ny fotoanany sy fombany manokana izany.

Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika fiainana” manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:40 ka hatramin’ny 14:46. Tadiavo ny fomba anehoan’ny fanehoana an-tsary nataon’ny Loholona Andersen izay milaza ny fitadidiantsika ara-panahy dia afaka manazava ny làlana ho antsika sy ho an’ny hafa mandritra ny fotoan-tsarotra. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Azonao atao ny mampiasa ireto sosokevitra manaraka ireto sy manome minitra vitsivitsy ny mpianatra handefasany hafatra an-tsoratra na mailaka any amin’ny olona iray akaiky azy ireo. Mety hanampy ny mampatsiahy azy ireo fa tokony hohazonina ho tsiambaratelon’ny tena manokana ny zavatra niainana masina.

Saintsaino hoe iza no olona fantatrao ka azo hampatanjahina amin’ny alalan’ny fandrensana ny iray amin’ireo zavatra niainanao. Hevero ny hitady fomba iray hizarana izany amin’izy ireo.

Mieritrereta ihany koa olona akaiky sy mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay manana finoana sy zavatra niainana afaka manamafy ny anao manokana. Hevero ny hanatona azy ireo mba hahazoana fanampiana.

Famantarana avy amin’ Andriamanitra

Vakio ny Jakoba 7:13–23 mba hahafantarana ny zava-nitranga tamin’i Serema.

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainana izany. Avy eo dia manasà mpianatra manolo-tena hizara ny valin-tenin’izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no antony niraketan’i Jakoba io tantara io ho an’ny olona amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hanasan’ny Ray any An-danitra anao hampihatra ny zavatra nianaranao androany amina toe-javatra iray atrehinao amin’izao fotoana izao?

Hamoaka printy