Seminera
Môzià 2:1–18: “Eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo”


“Môzià 2:1–18: -Eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 2:1–18,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 2:1–18

“Eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo”

Sary
I Benjamina Mpanjaka miresaka amin’ny vahoaka

Inona no mahatonga ny mpitarika iray ho lehibe? Ao amin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka, isika dia mahita santionany amin’ny hoe karazana mpitarika sy maodely fakan-tahaka toy ny ahoana izy ho an’ny vahoakany. I Benjamina Mpanjaka dia nanompo an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanompoany ny olony sy ny fampianarany azy ireo mba hifanompo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanompo tsara kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana tsara kokoa ny hafa.

Manitatra ny zavatra iainana amin’ny fianarana. Rehefa manasa ny mpianatra handray andraikitra eo anatrehan’ny fotopampianarana marina ianao, dia manampy azy ireo hitondra ny fianarana hatrany an-tranon’izy ireo sy eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro. Rehefa manao izany izy ireo, dia afaka ny ho lasa mazoto kokoa hianatra sy hampihatra ireo fampianaran’ny filazantsara.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady fomba hanompoana olona iray hafa mialoha ny lesona manaraka.

Sahanasa fianarana azo atao

Ahoana no fahitanao ny asa fanompoana?

Azon’ny mpianatra atao ny manao ity sahanasa manaraka ity tsirairay, na anatina vondrona kely na miaraka amin’ny iray kilasy. Mety hanampy raha manao lisitra reniny eny amin’ny solaitrabe.

Makà 60 segondra hanoratana fomba betsaka isan-karazany araka izay tonga ao an-tsainao ka ahafahanao manompo olona iray amin’ity herinandro ity.

  • Inona no mety handrisika ny olona iray hanao ireo zavatra ireo?

  • Inona no antony mety hampisalasala ny olona iray hanao ireo zavatra ireo?

Ity fanombanan-tena manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra ny fahatsapan’izy ireo momba ny asa fanompoana sy hanasa ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo. Hevero ny hampiseho ilay fanombanan-tena sy hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny valin-tenin’izy ireo. Azo ampifanoloina amin’izany, azonao atao ny manome tahadikan’ny lisitra ny mpianatra tsirairay sy manasa azy ireo hanome laharana ny tenan’izy ireo amina ambaratonga 1 hatramin’ny 5 isaky ny zavatra iray.

Iza amin’ireto manaraka ireto no mety hamaritra indrindra ny fahatsapanao amin’izao fotoana izao momba ireo fahafahana misokatra hanompoana?

  • Mitady fahafahana misokatra manompo aho.

  • Mamaly avy amin’ny foko aho rehefa angatahina hanampy.

  • Te hanompo aho saingy hitako hoe sarotra ny manao ny asa fanompoana ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainako.

  • Ohatran’ny mieritreritra foana aho fa hisy olona hafa hanao ilay asa fanompoana.

  • Tia manompo aho saingy matahotra ny mety handraisan’ny hafa ahy.

  • Tia manompo aho saingy miady mafy amin’ny faniriana ny ho tsikaritra sy hankasitrahin’ny hafa.

  • Hafa:

Raha tsapanao fa hanampy sy mety, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra noeritreretin’izy ireo na tsapan’izy ireo rehefa nanao io fanombanan-tena io izy ireo.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia eritrereto ny fomba sy antony mety hahafahanao manompo tsara kokoa ireo manodidina anao, manomboka androany.

Ny ohatra amin’ny fanompoana nasehon’i Benjamina Mpanjaka

Rehefa nanakaiky ny fiafaran’ny fiainany i Benjamina Mpanjaka, dia nangataka an’i Môzià zanany lahy hiantso ny vahoaka Nefita izy mba hahafahany miresaka amin’izy ireo. Niangona isam-pianakaviana tao amin’ny tempoly izy ireo mba hihaino an’i Benjamina Mpanjaka (jereo ny Môzià 2:1–9).

Vakio ny Môzià 2:10–14, hitadiavana ny fomba nanompoan’i Benjamina Mpanjaka ny olony.

  • Inona no manaitra anao indrindra momba an’i Benjamina Mpanjaka?

    Hevero ny hanao lisitra ny valin-tenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.

  • Mety hiova toy ny ahoana ny fianakavianao, ny sekolinao, na ny vondrom-piarahamonina misy anao raha miaina amin’ny fomba niainan’i Benjamina Mpanjaka ny olona?

Ny antony anompoantsika

Vakio ny Môzià 2:15–18, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Benjamina Mpanjaka momba ny asa fanompoana.

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanao ao?

Ny Môzià 2:17 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’i Benjamina Mpanjaka ny hoe “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa manompo izy ireo. Hevero ny zavatra ilain’ny mpianatrao ary mampiasà ireto fitaovana manaraka ireto na hafa izay tsapanao fa tokony hozaraina.

Safidy iray hafa hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny Mpamonjy ny fanasana azy ireo hitady ny fifandraisana misy eo amin’ny Môzià 2:18 sy ny Matio 20:27–28.

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe manompo an’ Andriamanitra isika rehefa manompo ny hafa?

  • Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo ka mampahatsiahy anao momba an’i Jesoa Kristy?

Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) manaraka ity, ary tadiavo ny zavatra ampianariny momba ny fifandraisana misy eo amin’ny fanompoantsika ny hafa sy ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra:

Rehefa mijery mankany an-danitra isika, dia tsy maintsy mianatra momba ny andraikitsika hitodika amin’ny any ivelany. Mba hahitana fahasambarana marina dia tsy maintsy mikatsaka izany amin’ny fifantohana any ivelan’ny tenantsika isika. Tsy nisy olona nianatra ny dikan’ny fiainana raha tsy efa nanolotra ny tenany hanompo ny mpiara-belona taminy. … Ny Testamenta Vaovao dia mampianatra fa tsy azo heverina ny fanarahana an’i Kristy raha tsy manolo-tena tsy amim-pitiavan-tena ho an’ny olombelona. …

Miandrandra ny Mpamonjy ho ohatra ho antsika amin’ny fanompoana isika. Na dia tonga teto an-tany tamin’ny naha-Zanakalahin’ Andriamanitra Azy aza Izy dia nanompo tamim-panetrentena ireo nanodidina Azy. Tonga avy any an-danitra hiaina ety an-tany amin’ny maha-olombelona mety maty Azy Izy ary hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny filazantsarany feno voninahitra dia nanova ny fisainan’izao tontolo izao. Nitsodrano ny marary Izy, nahatonga ny mandringa handeha, ny jamba hahiratra, ary ny marenina handre. Nanangana ny maty mihitsy aza Izy. (Thomas S. Monson, “The Joy of Service,” New Era, ôkt. 2009, 4, 6)

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina mangina sy hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diarin’izy ireo.

  • Ahoana no andrisihan’ny fieritreretana momba ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy anao mba hanompo ny hafa?

Mety ho fotoana mety tsara hanaovana fifanakalozan-kevitra sy hanasana ny mpianatra hizara zavatra niainana manokana momba ny hoe nanompo na notompoina izany. Ny fandefasana horonan-tsary toy ilay hoe “Service through Song” dia afaka manasa ny Fanahy sy manampy ny mpianatra hisaintsaina ny traikefan’izy ireo manokana amin’ny fanompoana. Hevero ny hizara zavatra niainanao manokana.

Ny ohatra fanampiny dia azo jerena eo ambanin’ny lohateny hoe “Inona no ohatra sasantsasany amin’ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy?” ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha voatahy anao tamin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha voatahy anao tamin’ny alalan’ny fanompoana nataon’ny hafa?

Manaova drafitra

Ny Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nizara ity fahatakarana manan-danja momba ny fanompoana ity. Diniho ny zavatra ampianariny rehefa miomana hanao drafitra hanompoana ny hafa ianao. Jereo ilay horonan-tsary hoe “You Are the Gift” (0:54), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity teny nambara manaraka ity.

Raha manova ny fomba fijerintsika isika mba tsy ho resaka fanomezan-javatra loatra ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana fa famaliana kosa ny hetaheta mba hifandray aman’olona, fanomezana fahafahana hanao fifanakalozan-kevitra manan-danja, ary famoronana fifandraisana mahasoa sy tsara, dia afaka mandefa antsika amina toerana iray ny Tompo. …

… Tadidio fa, tahaka ny Mpamonjy, ny tenanao dia isan’ireo fanomezana tsara indrindra azonao omena ireo olona hafa mila fanampiana. (Sharon Eubank, “Turning Enemies into Friends” [Fifanakalozan-kevitra tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 23 jan., 2018], 6–7, speeches.byu.edu)

  • Inona no nanaitra anao indrindra tamin’ny zavatra nampianarin’ny Rahavavy Eubank momba ny fanompoana?

Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao manao ny zavatra nampianariny? Eritrereto ny fianakavianao, ny namanao, na ny fiarahamonina misy anao. Mivavaha mba hangatahana amin’ny Ray any An-danitra hanome anao aingam-panahy momba ireo fomba mety hahafahanao manompo. Ao amin’ny diary fandalinanao, manorata anaran’olona izay tonga ao an-tsaina sy hevitra momba ny fomba ahafahanao manampy azy ireo. Tapaho hoe rahoviana ianao no handray andraikitra eo anatrehan’ireo fahatsapanao. Mety misy zavatra azonao atao amin’izao fotoana izao.

Hamoaka printy