Seminera
Môzià 9–10: “Tamin’ny herin’ny Tompo”


“Môzià 9–10: -Tamin’ny herin’ny Tompo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 9–10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 9–10

“Tamin’ny herin’ny Tompo”

Sary
zatovo mivavaka

Mitombina ve ny hoe diso mifantoka be amin-javatra iray tiantsika ho azo ka manapa-kevitra tsy misy fijerena izay mety ho vokany? I Zenifa dia nifantoka loatra tamin’ny fiverenana any amin’ny tanin’i Nefia sy ny fanorenana ny tanàna indray ka nataony an-tsirambina ny fiheverana ny sasany amin’ireo voka-dratsy izay mety ho avy amin’ny fanapahan-keviny. Rehefa avy niaina ny sasany tamin’ireo voka-dratsy i Zenifa sy ny olony, dia nitodika tamin’ny Tompo tamim-pinoana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ny fomba ahafahanao mandray tanjaka avy amin’ny Tompo rehefa mivavaka sy mandroso amin’ny finoana ianao.

Ampio hamantatra ny Fanahy Masina ny mpianatra. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fanahy Masina no handentika ao an-tsain’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara. Ny Fanahy Masina dia afaka manainga azy ireo ihany koa amina faniriana hiaina ny filazantsara sy hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo manao izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hitady famaritana ny teny hoe maniry mafy ny mpianatra. Amporisiho ho tonga efa vonona hizara ny zavatra mampazoto loatra ny tanora indraindray sy ny olana mety haterak’izany izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanakonana ny masoandro

Asehoy ity fanontaniana sy sary manaraka ity. Azo ampifanoloina amin’izany, azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ilay teny nambara eo ambany nataon’ny Loholona Gary E. Stevenson ary avy eo dia apetraho ireo fanontaniana roa manaraka izany.

  • Ny masoandro dia manana habe in-400 amin’ny an’ny volana, koa ahoana no ahafahan’ny volana manakona, na manakana ny taratra sy ny hafanana araka ny aseho amin’ity sary manaraka ity?

Sary
fanakonana ny masoandro

Raha tsy hain’ny mpianatra ny valiny, dia hazavao ireto manaraka ireto:

Satria ny volana dia akaiky lavitra ny tany noho ny masoandro, ny fahitana azy dia afaka ny hitovitovy amin’ny haben’ny masoandro ary manakona ny fahazavany. Na dia zavatra kely toy ny ankihibenao aza dia afaka manakona ny fahitanao ny masoandro rehefa hazoninao akaikin’ny masonao.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ny ankihiben’izy ireo eo akaikin’ny masony mba hanaronana ny fahitan’izy ireo zavatra lehibe kokoa.

Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny fanakona-masoandro ho zavatra azo ampitahaina amin’ny fiainantsika ara-panahy. Jereo ny “Fanakona-masoandro ara-panahy” (15:12), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:01 hatramin’ny 3:53, na vakio ity teny nambara manaraka ity.

Tahaka ny fahafahan’ny volana kely manakona ny masoandro lehibe, izay manakana ny hazavana sy ny hafanana avy aminy, dia misy fanakona-masoandro ara-panahy mety hitranga rehefa avelantsika hameno ny fifantohantsika ireo sakana madinika sy manelingelina, izay hatrehantsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ka hanakana ny halehibe sy ny famirapiratana ary ny hafanana entin’ny fahazavan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. (Gary E. Stevenson, “Fanakona-masoandro ara-panahy,” Liahona, nôv. 2017, 45)

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo zavatra kely kokoa ifantohantsika indraindray ka afaka manakona ny fifantohantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Olana na voka-dratsy inona avy no mety ho tonga avy amin’ny fifantohana be loatra amin’ireny zavatra kely kokoa ireny?

Eritrereto ny zavatra mety ifantohanao ka mety hanakona ny fahitanao an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hanavao ny fifantohanao amin’ny Tompo mba hisorohana “fanakona-masoandro ara-panahy”.

Ny fahazotoana loatra nananan’i Zenifa

Tamin’ny lesona iray tany aloha, nianaranao fa i Zenifa dia nitarika vondron’olona avy amin’ny tanin’i Zarahemlà hiverina ho any amin’ny tanin’i Nefia.

Sary
sary fanehoana ny dian’ny Nefita handeha hitaky ny tanin’i Nefia

Nanana faniriana mafy handova io tany io i Zenifa, saingy ny fifantohany dia niteraka olana ho azy sy ny olony.

Vakio ny Môzià 9:1–3, 6, 10–15 (jereo ihany koa ny Môzià 7:21), hitadiavana ny fomba nitondran’ny fifantohan’i Zenifa sy ny olony voka-dratsy. Mariho fa ny hoe maniry mafy dia midika hoe mazoto loatra hanatanteraka na hahazo zavatra iray.

  • Inona avy no sasantsasany tamin’ny vokatry ny hoe naniry mafy zavatra iray sy nitaredretra tamin’ny fahatsiarovana ny Tompo?

Raha ilaina, apetraho amin’ny mpianatra ny fanontaniana toy ny hoe: “Araka ny voalazan’ny Môzià 9:3, inona avy no fahoriana natrehin’i Zenifa sy ny olony? Nahoana?”

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe mety hiteraka voka-dratsy ny faniriana mafy zavatra iray sy ny mitaredretra amin’ny fahatsiarovana ny Tompo.

  • Inona avy no fomba sasantsasany mety haniriantsika mafy zavatra iray sy hampitaredretra antsika amin’ny fahatsiarovana ny Tompo ankehitriny?

  • Inona avy no voka-dratsy mety hatrehintsika?

Mitodika amin’ny Tompo

I Zenifa sy ny olony dia niaina tao anaty fiadanana nandritra ny taona maro talohan’ny nikatsahan’ny mpanjakan’ny Lamanita ny hanatanterahana ny drafiny hanandevo azy ireo. Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hahitana ny fomba nitodihan’i Zenifa sy ny olony tamin’ny Tompo rehefa naharesy azy ireo ny Lamanita.

Asehoy ireto andalan-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hametraka ny mpianatra ho tsiroaroa na anatina vondrona kely mba hamaky ireo andalan-tsoratra masina sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana, alohan’ny hanasana mpianatra vitsivitsy hizara ny fahatakarana azon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona no nataon’ny olona mba hametrahana ny fitokian’izy ireo amin’ny Tompo? Inona avy no vokatr’izany?

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io tantara io?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe raha mivavaka sy mandroso amin’ny finoana isika, dia afaka miatrika ireo fanamby eo amintsika amin’ny herin’ny Tompo.

  • Inona no efa fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manome anao fahatokiana hametraka ny fitokianao amin’ Izy Ireo amin’ny alalan’ny vavaka sy fandrosoana amin’ny finoana?

  • Inona no zavatra tsapanao amin’ny fahalalana fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mbola hanampy antsika amin’ireo fanamby atrehintsika na dia aorian’ny fanaovantsika hadisoana aza?

  • Inona avy no ohatra eo amin’ny fiainanao, ny fiainan’ny hafa, na ny soratra masina ka maneho io fahamarinana io?

Mba hahitana ohatra iray amin’io fahamarinana io, hevero ny hijery ny “Prayer” (4:12), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na hamaky momba ny Mpamonjy maneho amin’ny ohatra io fitsipika io ao amin’ny Lioka 22:39–45.

Fahamarinana ampiharina amin’ny fiainana tena izy

Asehoy ity rafi-tantara manaraka ity na asao hamorona mitovitovy amin’izy io ny mpianatra.

Alaovy sary an-tsaina hoe misy zatovovavy iray misalasala ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Rehefa mitadidy ny fiainany izy, dia tsapany fa nifantoka be tamin’ny fahazoana naoty tsara sy fanomanana ny hoaviny izy ka mety tsy nikarakara tsara ny fijoroana ho vavolombelona ananany araka izay tokony ho nataony, ary amin’izao fotoana izao izy dia misalasala marina ny amin’ny fahamarinan’ny Fiangonana.

Omeo fotoana ampy hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra. Hevero ny hifanakalo hevitra ny amin’ny valin-tenin’izy ireo na hanasa ny mpianatra hilalao ilay rafi-tantara, ka ny mpianatra iray manao ilay zatovovavy ary ny iray hafa manao namany izay miezaka manampy. Asao handinika ny fomba ahafahan’ny valin-tenin’izy ireo mihatra amin’izy ireo manokana ny mpianatra.

Mety hanampy ny fametrahana fanontaniana fanarahana toy ny hoe “Nahoana no mety hanova zavatra izany fanovana ny vavaka ataonao izany?” na ny hoe “Ahoana no mety haha-hafa ny fiainanao afaka iray volana na herintaona raha manaraka ireny zavatra atao feno finoana ireny ianao?”

  • Ahoana no mety hahafahany “hahery mitalaho amin’ny Tompo” (Môzià 9:17)? Ahoana no hamaritanao io karazam-bavaka io?

  • Ahoana no mety hahatokiany ny Tompo sy handrosoany amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy rehefa avy mahery mitalaho amin’ny Tompo?

  • Inona ihany koa no azonao atoro io zatovovavy io mba hataony? Nahoana?

Hamoaka printy