“Môzià 21–24, Tapany 1: Mahita ny tanjon’ny Tompo amin’ireo fitsapana sy fahoriana lalovantsika,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Môzià 21–24, Tapany 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ny antony amelan’ny Tompo antsika handalo fitsapana sy fahoriana? Ny Môzià 21–24 dia mamaritra ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà, izay samy sendra fanamby sarotra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa fahatokiana miavosa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika fitsapana sy fahoriana eo amin’ny fiainanao ianao.
Mametraha fanontaniana izay mamporisika fifanakalozan-kevitra. Ny fifanakalozan-kevitra mahasoa ao an-dakilasy dia mitranga rehefa miresaka amin’ny mpianatra ny mpampianatra ary mifampiresaka ny samy mpianatra. Mametraha fanontaniana izay mifanaraka amin’ny zava-misy ary manome fahafahana ny mpianatra maro hamaly. Afaka mamporisika fifanakalozan-kevitra ihany koa ianao amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hamaly ireo fanehoan-kevitra ataon’ny mpiara-mianatra aminy.
Fanomanana ny mpianatra: Azo atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra momba ny fitsapana na fanamby iray tany aloha izay nanampy azy ireo hiaina fitomboana na hanatona akaiky kokoa ny Tompo. Amporisiho ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na ny fomba mety ho nitondran’izany fitsapana izany zavatra tsara teo amin’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ity no lesona voalohany amin’ny lesona roa izay miresaka ny Môzià 21–24 . Ny tapany 1 dia hifantoka amin’ny antony mety hamelan’ny Tompo antsika handalo fitsapana, ary ny tapany 2 dia hifantoka amin’ny fomba ahafahantsika mitoky amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanampy antsika amin’ireny fitsapana ireny. Raha toa ka fohy ny fotoam-pianarana ka lesona iray monja momba ny Môzià 21–24 no azo ampianarina, dia hevero ny ny fomba hahafahana manambatra tsara ireo lesona roa ireo.
Alaovy sary an-tsaina hoe maneho ny fitsapana lalaovanao anao sy ny enta-mavesatrao ary ny fahorianao ny vato izay tsy maintsy entinao ara-bakiteny anatina gony na kitapo babena iray.
Mety ho azonao heverina ny hitondra kitapo babena sy zavatra mavesatra maneho enta-mavesatra ao am-pianarana. Manasà mpianatra iray manolo-tena hibaby ilay kitapo fa ny mpianatra kosa mitanisa karazana fitsapana sy mametraka ireo zavatra ao anatin’ilay kitapo. Ataovy azo antoka fa tsy lasa mavesatra loatra ilay kitapo babena ka mety handratra ilay mpianatra mibaby izany. Raha azo atao dia azon’ilay mpianatra atao ny manohy mibaby ilay kitapo mandritra ny fotoana ifanakalozan’ny mpianatra hevitra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
Inona avy no sasany amin’ireo fitsapana na enta-mavesatra mety holalovana na baben’ny zatovo ka mety ho toy ny vato mavesatra ao anatina kitapo babena no fahatsapana azy?
Inona avy no fanontaniana mety hananan’ny olona momba ireo enta-mavesatra entiny?
Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hitanisany ao amin’ny diary fandalinany ny sasantsasany amin’ireo fitsapana lalovan’izy ireo manokana sy hiraketany ny eritreriny sy ny fanontaniana ary ny fahatsapana ananan’izy ireo momba ireny fitsapana ireny. Izany dia afaka manampy amin’ny fanomanana tsara kokoa azy ireo hanana zavatra iainana manokana rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo.
Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny antony mety hamelan’ny Tompo anao handalo ireny fitsapana ireny.
Ny vahoakan’i Limia Mpanjaka sy ny vahoakan’i Almà
Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ny sahan-kevitra mifandray amin’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà, dia hevero ny hampiseho na hanao ity sary manaraka ity ary hanondro ny toeran’ny vondron’olona tsirairay rehefa miresaka azy ireo ianao.
Ao amin’ny Môzià 21–24 isika dia mianatra momba ny vondron’olona roa izay niaina fitsapana sy fahoriana lehibe. Ny vondrona voalohany dia nipetraka tany amin’ny tanin’i Nefia ary notarihin’i Limia, zanakalahin’i Noà Mpanjaka. Ny vondrona faharoa dia nipetraka tany amin’ny tanin’i Helama ary notarihin’i Almà.
Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ireo toe-javatra izay nitarika tamin’ny fahababoan’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà. Raha ilaina dia ampiasao ireto famintinana manaraka ireto.
Rehefa avy nandà ireo fampianarana sy fampitandreman’i Abinadia ny Nefita izay notarihin’i Limia Mpanjaka, dia nobaboin’ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Nefia izy ireo ary notakina handoa hetra mavesatra (jereo ny Môzià 19:15 ). Araka ny naminanian’i Abinadia mpaminany azy (jereo ny Môzià 12:5 ), ny Lamanita dia nanery ny vahoakan’i Limia hanompo azy ireo sy hitondra enta-mavesatra tsy anerany (jereo ny Môzià 21:3 ).
Taorian’ny nahafatesan’i Abinadia, i Almà sy ireo mpanara-dia azy dia nandositra tany amin’ny ranon’i Môrmôna izay nanaovana batisa azy ireo (jereo ny Môzià 17:1–4 ; 18:1–14 ). Tatỳ aoriana dia nandositra izy ireo ho fiarovana ny ainy ary nanorina fonenana ho an’ny marina tany amin’ny tanin’i Helama (jereo ny Môzià 18:32–34 ; 23:1–4, 19–20 ). Tamin’ny farany dia hitan’ny Lamanita ny vahoakan’i Almà ary dia nobaboiny (jereo ny Môzià 23:25–29, 36–37 ). I Amiolôna, izay iray tamin’ireo mpisoron’i Noà izay ratsy fanahy, dia nomena fahefana tamin’izy ireo ary nanomboka nampahory an’i Almà sy ny vahoakany (jereo ny Môzià 24:8–9 ).
Ny antony amelan’ny Tompo ireo fitsapana hiseho
Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kely sy hanasa ny antsasak’ireo vondrona, handalina momba ny vahoakan’i Limia ary ilay antsasany hafa, handalina momba ny vahoakan’i Almà.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao hahatakatra ny antony amelan’ny Tompo antsika handalo fitsapana sy fahoriana. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.
Raha tao anatina vondrona kely no nandalinan’ny mpianatra ireo andininy ireo, dia manasà mpianatra manolo-tena avy amin’ny vondrona tsirairay hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ireo andininy nohalalinin’izy ireo. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ireo andininy ireo.
Inona avy ireo fitovitoviana sy fahasamihafana hitanao teo amin’ireo vondron’olona roa ireo sy ny zavatra niainan’izy ireo?
Inona no porofon’ny fitiavana sy fiahian’ny Tompo ny olona hitanao tamin’ireo tantara ireo?
Mba hamaliana ilay fanontaniana teo aloha dia azon’ny mpianatra atao ny manasongadina andian-teny toy ny hoe “nihaino ny fitalahoany ny Tompo,” (Môzià 21:15 ), “nanomboka niroborobo niandalana izy” (Môzià 21:16 ), “hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo,” na ny hoe “Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ny fahoriany” (Môzià 24:14 ).
Inona no nianaranao momba ny antony amelan’ny Tompo ny olona hiaritra fitsapana sy fahoriana?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana teo aloha. Ireto manaraka ireto dia ohatra sasantsasany amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra:
Mamela antsika handalo fitsapana ny Tompo mba hanampiana antsika ho lasa manetry tena sy hiantehitra Aminy kokoa (jereo ny Môzià 21:5–14 ).
Ny sasany amin’ireo fitsapana sy fahoriana dia tonga vokatry ny tsy fankatoavana (jereo ny Môzià 21:15 ).
Ny fitsapana lalovantsika dia afaka manome antsika lala-misokatra hikatsahana sy hahatsapana ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Môzià 21:15–16 ; 24:14 ).
Manafay ny olony ny Tompo ary mizaha toetra ny faharetany sy finoany (jereo ny Môzià 23:21 ).
Olona maro no mieritreritra fa ny hoe faizina (jereo ny Môzià 23:21 ) dia mitovy hevitra amin’ny hoe voasazy. Ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava toy izao: “Ny teny hoe chasten na manafay dia avy amin’ny teny latina hoe castus , midika hoe -madio fitondrantena,- ary ny hoe chasten izany dia midika hoe -mahatonga ho madio- [jereo ny Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary , ed. faha-11. (2003), “chasten”]” (“Ilay mpitsara marina ,” Liahona , nôv. 2016, 97). Saintsaino anatina fotoana fohy ny mety hanadiovan’ny Tompo anao amin’ny alalan’ny fitsapana sy fahoriana lalovanao.
Ireto fanontaniana manaraka ireto (na hafa izay eritreretinao) dia azo ampiasaina hanampy amin’ny famoronana zavatra manan-danja amin’ny mpianatra. Mety ho azonao heverina ny hanome fotoana ny mpianatra hiraketany an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany alohan’ny hiarahan’ny kilasy mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana. Ataovy azo antoka ny misaotra ny mpianatra noho ny fizaran’izy ireo ny eritreriny.
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo miantraika amin’ny fomba hasetrinao ny fitsapana lalovanao?
Inona avy no zavatra niainana nanampy anao hahita ny tanjon’ny Tompo amin’ny famelana anao handalo fitsapana?
Mba hampisehoana ohatra izay maneho ny fanontaniana teo aloha, dia hevero ny handefa ilay horonan-tsary hoe “Izay rehetra tiako no anariko sy faizako “ (kaodim-potoana eo ho eo amin’ny 6:33–9:37), hita ao amin’ny, ChurchofJesusChrist.org.
3:2
Inona no zavatra nianaranao androany ka afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fitsapana lalovanao?
Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany.
Jereo ilay horonan-tsary hoe “Izay rehetra tiako no anariko sy faizako ” (kaodim-potoana eo ho eo amin’ny 6:33–9:37). Saintsaino ny mety hahafahanao mampihatra ny fampianaran’ny Loholona Christofferson amin’ny zavatra mety mitranga eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao.
3:2
2:3
Nilaza toy izao ny Loholona Orson F. Whitney (1855–1931) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray maka:
Tsy misy fanaintainana mihatra amintsika na fitsapana mianjady amintsika ka handalo fotsiny. Mampianatra antsika izany mba hitomboan’ ny toetra toy ny faharetana, finoana, risi-po, ary fanetren-tena. Ny zavatra rehetra mihatra amintsika sy ny zavatra rehetra iaretantsika, indrindra fa rehefa miaritra izany amim-paharetana isika, dia manefy ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika, ary mahatonga antsika ho be fitavana kokoa sy tia miantra, mendrika kokoa ny ho antsoina hoe zanak’Andriamanitra … ary amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny zava-tsarotra sy ny fahoriana no hahazoantsika ny fanabeazana izay nahatongavantsika ety mba ho azo sy hahatonga antsika bebe kokoa ho tahaka ny Raintsika sy ny Renintsika any an-danitra. (Orson F. Whitney, araka ny ilazana azy ao amin’ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 98)
Eritrereto ny fomba ahafahan’ny enta-mavesatra entintsika eo amin’ny fiainana mitondra soa ara-panahy sy ara-nofo eo amintsika.
8:46
Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara torohevitra izay afaka manampy antsika rehefa mandalo fitsapana isika:
Ary ho rariny ianao raha hanontany tena hoe nahoana ny Andriamanitra be fitiavana sy mahefan’ny zava-drehetra no mamela ny fisedrana antsika ety an-tany ho tena mafy tokoa. Izany no izy satria fantany fa tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahadiovana sy tanjaka ara-panahy isika vao afaka miaina eo anatrehany ao anaty fianakaviana mandrakizay. Mba hahatanteraka izany, ny Ray any An-danitra dia nanome antsika Mpamonjy ary ny hery mba hisafidy ho an’ny tenantsika amin’ny alalan’ny finoana ny hitandrina ireo didiny ary ny hibebaka ka hanatona Azy avy amin’izany. …
Rehefa manontany tena ianao hoe hatraiza ny fanaintainana azonao zakaina dia tsarovy Izy. Niaritra ny zavatra ijalianao Izy mba hahafahany mahafantatra ny fomba hankaherezana anao. Mety tsy hanaisotra ilay enta-mavesatra Izy fa hanome anao kosa tanjaka, fampiononana ary fanantenana. Fantany ny lalana. Nisotro ilay kapoaka mangidy Izy. Niaritra ny fijalian’ny rehetra Izy. (Henry B. Eyring, “Notsapaina, nosedraina ary notefena ,” Liahona , nôv. 2020, 97)
Ho solon’ny fampiasana ilay sahanasa ampiasana kitapo babena sy zavatra azo tsapain-tanana dia aleo mangataka ny mpianatra hitanisa ny sasany amin’ireo fitsapanana enta-mavesatra mety hiainan’ny zatovo. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireny fitsapana ireny miantraika amin’ny fifandraisan’ny olona iray amin’ny Ray any An-danitra sy ireo fomba ahafahan’izy ireo mijanona ho akaiky Azy mandritra ny fotoan-tsarotra.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ireo tantaran’ny olon’i Limia sy an’i Almà, azonao atao ny mamaky ireo tantara na mampiasa ireto horonan-tsary famintinana manaraka avy ao amin’ny Histoire du Livre de Mormon ireto:
Mety hanana fanontaniana fanampiny momba ny antony amelan’ny Tompo ny zanany handalo fitsapana ny mpianatra. Hevero ny hamaky sy hifanakalo hevitra amin’ny 2 Korintiana 12:7–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–9 ; 121:1–8 ; ary ny 122:1–9. Asao ny mpianatra hitady fahatakarana fanampiny momba ny tanjon’ny Tompo sy porofon’ny fitiavany tsy miova.