Seminera
Almà 2–3: Izay finidintsika hankatoavina


“Almà 2–3: Izay finidintsika hankatoavina,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 2–3,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 2–3

Izay finidintsika hankatoavina

zatovo misaintsaina ny soratra masina

Manerana ny soratra masina, ny mpaminany dia nampitandrina antsika lalandava fa hiatrika ireo vokatry ny zavatra ataontsika isika, mifototra amin’ny hoe iza no tiantsika harahina. Ohatra, taorian’ny fifandirana teo amin’ny Nefita sy ny Amlisita, i Môrmôna mpaminany dia nampianatra fa ireo izay maty dia “hioty fahasambarana mandrakizay na fijaliana mandrakizay, araka ny fanahy izay nofinidiny hankatoavina, na fanahy tsara izany na ratsy.” (Almà 3:26). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny vokatry ny hoe iza no safidìnao harahina mandritra ity fiainana ity.

Ataovy an-tsaina ilay tanjona rehefa miomana ianao. Makà fotoana hiheverana ny zavatra ho tsapan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy ka hanampy azy ireo “hahatakatra sy hitoky amin’ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.” Ny Filoha Russell M. Nelson dia namporisika ny mpampianatra “hahatsiaro izany tanjona izany isan’andro alohan’ny hampianaranao ny mpianatrao” (“Teaching Youth in the Day of the Wave” [Seminaries and Institutes of Religion satellite broadcast], 6 aogositra, 2013).

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky na hihaino ny Almà 2–3 alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy ny mpianatra. Asaivo mieritreritra momba ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny tantara ao amin’ireo toko ireo izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Inona no anatra azo raisina avy amin’ilay tantara?

Hevero ny hanasa mpianatra hieritreritra tantara na angano izay mampianatra lesona sy manasa azy ireo hizara amin’ny kilasy. Raha ilaina dia azonao ampiasaina ity ohatra manaraka ity. Raha mahazatra ny mpianatra ilay ohatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hitantara ilay tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana sy hamantatra ny anatra na lesona avy aminy. Izany dia hanampy ny mpianatra hahita fitsipika nokendren’i Môrmôna hianarantsika amin’ny zavatra nosoratany.

  • Afaka mieritreritra tantara na angano iray mampianatra lesona amin’ny fiainana ve ianao?

Angano iray malaza ahafantarana ny mpitantara angano grika fahiny iray antsoina hoe Ésope ny hoe “Le garçon qui criait au loup (Ilay ankizilahy niantsoantso hoe amboadia)”. Io tantara io dia milaza momba ny zatovolahy mpiandry ondry iray izay namitaka indroa ny mpiara-monina taminy hino fa misy amboadia manafika ny andian’ondrin’ny tanàna. Nahafaly ilay ankizilahy fa nirohotra hanampy ny maro tamin’ireo mponina tao amin’ny tanàna, saingy tsy nisy amboadia akory teo. Tamin’ny farany dia tena nisy amboadia nanafika tokoa ny andian’ondry. Saingy rehefa niantso vonjy fanintelony ilay ankizilahy, dia tsy nisy tonga nanampy azy intsony.

  • Inona no anatra na lesona azontsika ianarana amin’io tantara io?

Mitadiava fahafahana mandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra sy hahita fitsipika sy lesona asongadin’i Môrmôna mpaminany.

Tahaka ny tantara na angano izay matetika mifono anatra, dia mampianatra lesona sy maneho fitsipika ihany koa ny soratra masina. Fahaiza-mandalina soratra masina iray izay manampy rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao ny fanamarihana ny fotoana ilazan’i Môrmôna mazava ny tanjony amin’ny fampidirana tantara ao amin’ilay rakitsoratra. Matetika izy no mampiasa andian-teny toy ny hoe “Ary dia toy izany no ahaizantsika mamantatra tsara tokoa,” “ary dia toy izany no ahitantsika,” “marina dia marina tokoa,” na ny hoe “indro,” mba hampahafantarana antsika fa mizara fitsipika sy lesona amintsika izy (jereo ny Almà 24:30; 30:60; 48:17; 62:41; Helamàna 3:27–28). Ny famantarana ireo lesona sy fahamarinana izay asongadin’i Môrmôna dia afaka manampy anao hahita zavatra manan-danja ho an’ny tenany manokana. Izany ihany koa dia afaka mampitombo ny fahombiazan’ny fandalinanao soratra masina.

Vakio ny Almà 3:26–27, hitadiavana ny fahamarinana tian’i Môrmôna hianarantsika avy amin’ny tantara ao amin’ny Almà 2–3. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao.

  • Inona no hitanao?

Hevero ny hizara ity fampahalalana manaraka ity raha mila fanampiana amin’ny fanakarana ny fahamarinana ampianarina ao amin’ny Almà 3:26–27 ny mpianatra.

Mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa io andalan-tsoratra masina io, mariho fa ilay andian-teny hoe “mandray karama amin’izay nofinidiny hankatoavina ny olona tsirairay” dia manasa antsika haka sary an-tsaina fa isika dia mpiasa ka ny safidintsika no mamaritra raha ny Ray any An-danitra na i Satana no mpampiasa antsika (jereo ny Almà 3:27). Ao amin’io sahan-kevitra io, ny teny hoe finidy dia manondro fiankinana na fironana amin’ny ilany iray na ny iray. Noho izany, ireo izay mirona na mitongilana mankany amin’i Satana dia hahita fa mpiasany izy ireo ary hahazo “fijaliana mandrakizay” (Almà 3:26). Any amin’ny farany ny safidintsika eo amin’ny fiainana dia hampiharihary ny hoe iza no nosafidintsika ho mpampiasa antsika mandrakizay.

Mety hanampy raha soratana eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany mandritra ny lesona.

Fahamarinana iray mety ho hita amin’ny Almà 3:26–27 ny hoe izay safidìntsika hankatoavina amin’ity fiainana ity dia mamaritra ny fahasambarantsika na fijaliantsika mandrakizay.

Eritrereto ny fiainanao sy izay safidìnao hankatoavina. Miezaka manaraka an’i Jesoa Kristy ve ianao? Sa manaraka olon-kafa ve ianao? Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa manohy ny fandalinanao ianao anio.

Nikatsaka ny ho mpanjaka i Amlisia

Nandritra ireo taona voalohan’ny fanjakan’ny mpitsara, dia niatrika fizahan-toetra ny finoana sy fahasambaran’izy ireo i Almà sy ny vahoakany.

Vakio ny Almà 2:1–12 hitadiavana ilay fizahan-toetra natrehin’ny Nefita.

Hevero ny hampiditra ilay sosokevitra momba ny fahalalahana ara-pivavahana ao amin’ny fizarana hoe Sahanasa fianarana fanampiny mandritra izao tapany amin’ny lesona izao.

  • Inona no zavatra nokasain’i Amlisia hatao raha lasa mpanjaka izy? (Jereo ny andininy 4.)

  • Inona no fihetsika nasetrin’ny Nefita izany?

  • Ahoana no nanehoan’ny Nefita ny fanirian’izy ireo hanaraka ny Mpamonjy?

Safidy sy vokany

Ampio hitady na hizara vokany samy hafa amin’ny fanarahana an’ Andriamanitra na ny devoly ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ny fandikana ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy fanasana ny mpianatra hameno izany. Safidy iray hafa azo atao ny manomana tapa-taratasy kely maromaro alohan’ny fotoam-pianarana mba hanehoana vola na “karama” (Almà 3:27). Avy eo dia mitondrà harona taratasy na baoritra, ary asio soratra hoe “Manaraka an’ Andriamanitra” ny iray ary ny iray asio hoe “Manaraka ny devoly na ny mpanompony”. Omeo tapa-taratasy iray farafahakeliny ny mpianatra tsirairay ary asaivo mamaky ny tsirairay amin’ireo andian-tsoratra masina voatanisa eo ambany ny antsasaky ny kilasy. Rehefa mahita karama samy hafa avy amin’ny tantara tsirairay ny mpianatra, dia asao hanoratra izany eo amin’ny taratasin’izy ireo sy hametraka ny karaman’izy ireo ao amin’ny fasiana mifanaraka amin’izany izy ireo. Rehefa mahavita ny mpianatra dia vakio mafy ny maromaro amin’ireo karama. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara karama fanampiny avy amin’ Andriamanitra tsikaritr’izy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo na ny fiainan’ny hafa.

Adikao ao amin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity. Vakio ireto andininy manaraka ireto, ary ataovy lisitra ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany ny “karama” avy amin’ny fanarahana an’ Andriamanitra na ny devoly.

“Ny karama amin’izay nofinidiny hankatoavina” (Almà 3:27)

Manaraka an’ Andriamanitra

Manaraka ny devoly na ny mpanompony

Almà 2:16–18, 26–31 (Almà sy ny Nefita)

Almà 3:4, 13–14, 18–19 (ny Amlisita)

  • Inona no tsikaritrao ao amin’ireo tantara roa ireo?

Fanamarihana: Ny ozona niainan’ny Amlisita sy ny Lamanita dia fisarahana tamin’ Andriamanitra noho ny fikomiana sy tsy fankatoavan’izy ireo (jereo ny 2 Nefia 5:20–21). Ny marika izay nampiavaka ny Lamanita tamin’ny Nefita tamin’izany fotoana izany dia ny hoe “matroka ny fihodiran’ny Lamanita” (Almà 3:6). Zava-dehibe ny hahatsiarovana fa ny toetra sy fisehon’io marika io dia tsy tena mazava tanteraka. Ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny mpaminany maoderina dia nampianatra fa tsy mety ny manevateva na manambany olona noho ny fihodirany (jereo ny Jakôba 3:9).

Miankina amin’ny fahaizan’ny mpianatra, mba tsy hanomezana ireo andian-tsoratra masina telo manaraka, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady soratra masina hafa izay mamaritra ny “karama” amin’ny fanarahana an’ Andriamanitra na olon-kafa. Mety ho azonao atao ny mamporisika azy ireo hampiasa ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary ampidiro ao amin’ny tabilaonao ny zavatra hitanao.

2 Nefia 2:27

Almà 30:60

Matio 11:28–30

Rehefa vitan’ny mpianatra ny famenoana ny tabilaon’izy ireo, dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitan’izy ireo. Mametraha fanontaniana fanaraha-maso toy ity ohatra manaraka ity rehefa mizara izy ireo, izay manampy azy ireo hampifandray ny zavatra hitan’izy ireo tao amin’ny soratra masina amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Fampiharana ataon’ny tena manokana

  • Inona no efa voadinikao na niainanao teo amin’ny fiainana ka nampiseho taminao ny fahamarinan’ny fitsipika ampianarina ao amin’ny Almà 3:26–27?

Mieritrereta ireo safidy ataonao amin’izao fotoana izao ka manampy anao hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ahoana no hitondran’izany any amin’ny fahasambarana mandrakizay? Manao safidy izay mety hitondra anao hanalavitra ny Mpamonjy ve ianao? Manapaha hevitra ny amin’izay mety hilainao atao mba hiovana. Hevero ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mitahy sy manatanjaka anao rehefa miezaka manao safidy tsara izay hitondra anao hiverina any amin’Izy Ireo ianao.