Seminera
Almà 19: “Ny sandriny dia mitolotra ho an’ny rehetra izay mibebaka sy mino”


“Almà 19: ‘Ny sandriny dia mitolotra ho an’ny rehetra izay mibebaka sy mino,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 19

“Ny sandriny dia mitolotra ho an’ny rehetra izay mibebaka sy mino”

Sary
zatovo iray mizara ny filazantsara amin’ny namany

Rehefa mieritreritra momba ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa ianao, mahatsapa ve ianao fa misy olona sasantsasany izay tsy azo inoana fa hanaiky ireo fampianaran’ny Mpamonjy mihitsy? Araka ny hevitrao, ahoana no fahitan’ny Ray any An-danitra ireny olona ireny? Avy amin’ny traikefa-misiônera nananan’i Amôna tamin’ny Lamanita, hitantsika fa ny Tompo dia manomana ny fon’ny olona avy amin’ny lafim-piainana rehetra mba handray ny filazantsara. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra fa tia ny olon-drehetra ny Tompo ary maniry azy ireo hanatona Azy.

Manaja ny finoana sy hevitry ny hafa. Katsaho ny hanome vahana tontolo iainana iray anajan’ny olona ny finoana sy ny hevitry ny hafa. Amporisiho ny mpianatra hihaino sy hiezaka hanakatra ny antony mety hananan’ny hafa finoana tsy mitovy amin’ny azy ireo. Ampio ny mpianatra hianatra hanaiky ny finoan’ny sasany sy hampihatra ny fizaràna ny finoan’izy ireo manokana amim-pitiavana sy fiheverana. Io fampiharana io dia afaka manomana azy ireo hizara am-panajana ny filazantsara amin’ny hafa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao handalina ny Almà 19 sy ny fiantraikan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy tamin’ireo Lamanita nampianarin’i Amôna ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Hadihadio ny tenanao

Asehoy ity tsapan-kevitra manaraka ity ary omeo fotoana hamaliana am-pisainana tsara sy am-pahamarinana ny mpianatra. Raha tsy mahakasika azy ireo manokana loatra, dia asao hizara ny valintenin’izy ireo ny mpianatra.

Omeo naoty eo amin’ny 1–5 amin’izay eritreretinao ho mety hanasanao ireto olona manaraka ireto hianatra misimisy kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tenanao.

  1. Olona iray fantatrao izay naneho fahalianana amin’ny Fiangonana

  2. Namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay efa manaraka ny fenitry ny filazantsara amin’ny ankapobeny saingy mbola tsy mpikambana

  3. Namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay tsy manaraka ny fenitry ny filazantsara

  4. Olona iray fantatrao fa nandà ny fanasana teo aloha avy amin’ny hafa mba hianatra misimisy kokoa momba ny filazantsara

Saintsaino ireo antony namalianao tamin’ny fomba nanaovanao izany.

  • Ahoana no mety ahafahan’ny hevitsika manokana momba ny hafa miantraika amin’ny ezaka ataontsika hizarana ny filazantsara?

Rehefa nanomboka ny asa fitoriana nataon’izy ireo tamin’ny Lamanita ny zanakalahin’i Môzià, dia nihomehy azy ireo ny olona maro ary tsy nieritreritra ny hahitan’izy ireo fahombiazana teo anivon’ny olona ratsy fanahy toy izany (jereo ny Almà 26:23–25). Tena nahita fahombiazana anefa i Amôna sy ireo rahalahiny. Mety ho tadidinao fa rehefa avy nampianatra ny filazantsara tamin’i Lamônia Mpanjaka i Amôna, dia nino ny tenin’i Amôna ny mpanjaka, nivavaka mba hahazo famindram-po ary nianjera tamin’ny tany rehefa resin’ny Fanahy (jereo ny Almà 18:40–43).

Sary
I Lamônia mivavaka

Anio ianao dia hianatra momba ireo zava-niseho tao amin’ny tokantranon’i Lamônia rehefa avy nampianatra ny mpanjaka izy. Rehefa mandalina ianao dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra ny zanany, ka tafiditra amin’izany ireo izay mety ho tsy eritreretina hanaiky ny filazantsara.

Nanohy nampianatra ny tokantranon’i Lamônia i Amôna

Ny tanjon’ity fizaràna amin’ny lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra handalina ireo zava-niseho voarakitra ao amin’ny Almà 19 sy hamantatra ny fitsipika ampianarina ao amin’ny andininy 36. Azonao heverina ny hampiasa fomba fiasa samy hafa avy amin’ireo voatanisa ao amin’io fizaràna io mba hanampiana ny mpianatra handalina io toko io alohan’ny hamantarana ilay fitsipika.

Ohatra, azonao atao ny manolotra ity toko ity toy ny tantara an-tsehatra vakiana izay ifantenanao mpianatra enina ka anomezanao ampahany ho an’ny tsirairay avy. Afaka manao mpitantara ny mpianatra iray (izay hamaky ny andininy 1, 6–7, 11–12, 15, 33–36), ary ny dimy hafa afaka mamaky ny tenin’ny mpanjakavavy na ny momba azy (andininy 2, 4–5, 9, 29–30), Amôna (andininy 3, 6–8, 10, 14, 22–23), Lamônia Mpanjaka (andininy 12–13, 31), Abisa (andininy 16–17, 28), ary ireo Lamanita hafa (andininy 18–21, 24–27, 32). Mety hanampy raha atao alohan’ny fanombohan’ny fotoam-pianarana ireo fanendrena ireo mba ahafahan’ny mpianatra mamantatra ireo andininy hovakin’izy ireo.

Fomba fiasa hafa azo atao ny fandefasana ilay horonantsary hoe “Ammon Serves and Teaches King Lamoni (Nanompo sy nampianatra an’i Lamônià Mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 15:18 hatramin’ny 23:04. Io horonantsary io, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia maneho ireo zava-niseho voarakitra ao amin’ny Almà 19:1–36. Azon’ny mpianatra atao ny manaraka ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo am-pijerena ilay horonantsary.

Rehefa fantatry ny mpanjakavavin’ny Lamanita ny fahafatesan’ny vadiny, dia nampaka an’i Amôna izy mba hahazoany miresaka aminy (jereo ny Almà 19:1–3).

Vakio ny Almà 19:4–17, hitadiavana ny zavatra niainan’ny mpanjakavavy sy ny hafa rehefa avy niresaka tamin’i Amôna izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Serves and Teaches King Lamoni (Nanompo sy nampianatra an’i Lamônià Mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 15:18 hatramin’ny 20:06. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no ianaranao momba ilay mpanjakavavy avy amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no nianaran’i Lamônia momba an’i Jesoa Kristy nandritra ny telo andro teo aloha?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nitondra fifaliana ho an’i Lamônia io fahalalana io?

Rehefa avy namory ny hafa tao an-tranon’ny mpanjaka i Abisa mpanompon’ny mpanjakavavy, dia gaga sy nalahelo izy rehefa nanomboka nifanditra momba ny antony natorian’ny mpanjaka sy ny hafa teo amin’ny tany toy ireny maty ireny ny olona (jereo ny Almà 19:18–28).

Vakio ny Almà 19:29–36, hitadiavana ny zavatra nataon’i Abisa tamin’io fotoana nisian’ny fifandirana io sy ny zava-nitranga tamin’ny Lamanita taorian’izany. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Serves and Teaches King Lamoni (Nanompo sy nampianatra an’i Lamônià Mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 20:07 hatramin’ny 23:04. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no fiantraikan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ireo Lamanita maro izay nisafidy ny hino?

  • Inona no fahamarinana momba ny Tompo nampianarin’i Môrmona tao amin’ny andininy 36 rehefa avy nizara io tantara io izy?

Ny fanirian’ny Tompo ny hanatonan’ny rehetra Azy

Ianarantsika avy amin’ny tenin’i Môrmôna ao amin’ny andininy 36 fa ny sandrin’ny Tompo dia mitolotra amin’ny olona rehetra izay mibebaka sy mino ny anarany. Hevero ny hanisy marika io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masinao.

Ao amin’io sahan-kevitra io, ny sandrin’ny Tompo mitolotra dia ahitana ny famindram-pony sy ny fahavononany hamela heloka.

  • Inona avy no zavatra niainana nanampy anao hahita ny fahamarinan’io fitsipika io teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa?

Asao hizara zavatra niainana izay tsy an’ny tenan’izy ireo manokana loatra ny mpianatra. Azonao atao koa ny mizara zavatra niainana iray, raha tianao.

Mety hanampy ihany koa raha mandany fotoana hitadiavana ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay anehoany ny fahavononany hanatona ny olona avy amin’ny lafim-piainana rehetra mba hanampy azy ireo hanatona Azy. Ankoatra ny maro hafa, ny ohatra sasantsasany amin’ny andalan-tsoratra masina azonao asaina jeren’ny mpianatra dia mety hahitana ny Matio 9:10–13; Marka 5:25–34; Lioka 5:18–25; ary Jaona 8:2–11. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra handalina ny 2 Nefia 26:33 sy manasa azy ireo hampifandray io andininy io amin’ny Almà 19:36 ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Indraindray dia mety ho diso fijery isika fa ny olona iray dia ho tsy liana amin’ny filazantsara noho ny endriky ivelany na ny zavatra nataony tany amin’ny lasa. Makà fotoana hakana sary an-tsaina ny olona iray ao anatin’io toe-javatra io. Mety ho olona iray manokana fantatrao izany, na mieritrereta fotsiny olona mifanaraka amin’io famaritana io amin’ny ankapobeny.

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanao sarin’olona tsotra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo izay maneho ilay olona voafaritra ao amin’ny andiam-pehezanteny teo aloha. Azon’izy ireo atao ny mirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo ambanin’ilay sarin’olona tsotra nataon’izy ireo. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny zavatra nosoratan’ny mpianatra.

  • Ahoana no fahatsapan’ Andriamanitra momba io olona io?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fahatsapan’ Andriamanitra momba io olona io miantraika amin’ny fahatsapanao momba azy?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinana noresahinareo androany, ary amporisiho hikatsaka ny hahita kokoa ny hafa toy ny ahitan’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra.

Hamoaka printy