Seminera
Almà 32: “Hanatanjaka ny finoanareo”


“Almà 32: -Hanatanjaka ny finoanareo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 32,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 32

“Hanatanjaka ny finoanareo”

Sary
tanana mihazona voa

Zavatra azo tsapain-tanana maro samihafa no azo ampiasaina hanampiana antsika hahatakatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa nampianatra ny Zôramita i Almà, dia nampitahainy tamin’ny voa azontsika ambolena ao am-pontsika izay amin’ny farany afaka ny ho tonga “hazo maniry hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” ny tenin’ Andriamanitra (Almà 32:41). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamboly ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponao sy hikolokolo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba izany.

Ampianaro ny toetra masin’ny zavatra iainana ara-panahy. Ampahatsiahivo ny mpianatra ny toetra masin’ny zavatra iainana ara-panahy Tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara ny zavatra tsapan’izy ireo na ny zavatra niainan’izy ireo na oviana na oviana ny mpianatra. Amporisiho hizara zavatra niainana manokana araka izay mahamety izany izy ireo rehefa bitsihin’ny Fanahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanontany olona iray akaiky azy ireo izay manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny zavatra nanampy azy mba hahazo izany na hampatanjaka izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fampitahana

Asehoy ireto fehezan-teny tsy feno manaraka ireto. Afaka misafidy fehezan-teny samihafa izay hahaliana ny mpianatrao ianao, saingy hevero ny hampiasa ilay fampitahana farany mba hanampy amin’ny fiampitana ao amin’ny votoatin’ny lesona.

Ny fanaovana fampitahana dia afaka ny ho fomba mahomby hampianarana sy hianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fenoy ireto banga manaraka ireto. Mahaiza mamorona ary jereo raha misy fomba mihoatra ny iray ahafahanao mameno ny fehezan-teny.

  • Ny fiainana dia tahaka ny satria .

  • Ny finday avo lenta dia tahaka ny satria .

  • Ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona dia tahaka ny satria .

Rehefa nanompo teo anivon’ny Zôramita i Almà sy i Amioleka, dia nisy andian’olona naneho ahiahy fa tsy afaka mitsaoka an’ Andriamanitra izy ireo satria noroahina tao amin’ny toerana nivavahan’izy ireo noho ny fahantran’izy ireo (jereo ny Almà 32:5). Na dia fantatsika aza fa ny Tompo dia nampianatra mazava ny maha-zava-dehibe ny fandehanana any amin’ny Fiangonany rehefa Sabata, i Almà dia namaly tamin’ny alalan’ny fampianarana ireo izay tsy navela niangona ireo fahamarinana manan-danja momba ny fitsaohana izay afaka ny hiseho ao am-pontsika, na aiza na aiza toerana misy antsika ara-batana.

Vakio ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny Almà 32:28, avy eo dia vakio ny andininy 41 ary mitadiava fampitahana iray nampiasain’i Almà izay afaka miantefa amintsika ihany koa.

  • Inona avy no fitovitoviana hitanao amin’ny fambolena hazo mamoa avy amin’ny voa iray sy ny fambolena ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany?

Raha tsy azon’ny mpianatra antoka hoe inona izany fijoroana ho vavolombelona izany, dia ampio izy ireo hahatakatra fa “fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona ara-panahy omen’ny Fanahy Masina” izany (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fijoroana ho Vavolombelona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny fampitahan’i Almà ny tenin’ Andriamanitra amin’ny voa iray dia azo ampiharina amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny lafiny rehetra amin’ny filazantsara. Na izany aza, nohazavain’i Almà taty aoriana fa fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy no nantenainy hambolen’ireo Zôramita ireo tao am-pon’izy ireo (jereo ny Almà 33:22–23).

  • Nahoana no “voa” tena manan-danja hambolena ao am-ponao ny finoana ny Mpamonjy?

Makà fotoana hieritreretana ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny ankapobeny momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany amin’izao fotoana izao. Saintsaino ihany koa raha misy lafiny manokana amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao tianao hampatanjahana, toy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra anao na ny maha-tena nisy marina ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Rehefa manohy mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona na ny fomba hanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely sy hanome tahadikan’ity taratasy zaraina ity amin’ny mpianatra tsirairay. Asao hamaky ireo fitaovana eo ambanin’ilay lohateny hoe “Mamboly ilay voa” ny mpianatra miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo ary hifanakalo hevitra momba izany. Mety hahasoa raha tendrena ho mpitarika ny fifanakalozan-kevitra ny mpianatra iray isaky ny vondrona.

Avy eo dia azonao atao ny manafangaro ireo vondrona sy manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fitaovana eo ambanin’ny lohateny hoe “Mikolokolo ilay voa” miaraka amin’ny vondrona vaovao misy azy ireo.

Mamboly sy mikolokolo ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Almà 32: -Hampatanjaka ny finoanareo-”

Mamboly ilay voa

Vakio ny Almà 32:21–23, 26–30, ary asio marika ireo teny sy andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny fomba fambolena fijoroana ho vavolombelona iray.

Zarao amin’ny vondrona misy anao ireo teny sy andian-teny izay nisarika ny sainao sy ny anton’izany. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “manisa toerana” ho an’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ao am-ponao?

  • Inona no mety hahasarotra ny fanaovan’ny olona izany?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 28–30, inona no hiseho rehefa manisy toerana ao am-pontsika ho an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany isika?

Manorata fehezan-teny famintinana iray mikasika ny zavatra nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo momba ny fanampiana ny fijoroana ho vavolombelona anananao eo amin’ny dingam-panombohany.

Mikolokolo ilay voa

Nampianarin’i Almà fa ny fambolena ny voa sy ny fahitana ny fahatsaran’izany dia ampahany voalohany fotsiny ihany eo amin’ny fambolena fijoroana ho vavolombelona iray. Vakio ny Almà 32:37–43 hitadiavana fampianarana izay manampy anao hahatakatra ny fomba anampiana ny fijoroana ho vavolombelona iray hitohy hitombo.

Zarao amin’ny vondrona misy anao ireo teny sy andian-teny izay nisarika ny sainao sy ny anton’izany. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao tao amin’ny andininy 38–40 momba ny zavatra mitranga rehefa ataontsika tsirambina ny tenin’ Andriamanitra izay naniry tao am-pontsika?

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany izay maneho ireo fomba mety hanaovan’ny olona iray tsirambina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mikolokolo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany mba hanampiana izany hihamatanjaka kokoa?

Manorata fehezan-teny iray mamintina ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andininy ireo momba ny fanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananana iray izay efa maniry ao anatinao.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fandalinana sy fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy teo aloha miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo, dia manaova fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny iray kilasy momba ny zavatra nianaran’izy ireo. Azonao atao ny misafidy vitsivitsy amin’ireo fanontaniana ao amin’ny taratasy zaraina hifanakalozan-kevitra amin’ny iray kilasy mba hahazoana antoka fa takatry ny mpianatra ny foto-kevitra ao amin’ireo andininy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fehezan-teny famintinana iray nataon’izy ireo mikasika ny fizarana tsirairay ao amin’ilay taratasy zaraina.

Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity, ataovy azo antoka fa voaresaka ny fahamarinana mitovitovy amin’ireto manaraka ireto: Raha manome toerana ao am-pontsika ho an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany isika, dia hanomboka hitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika (jereo ny Almà 32:28–30); Rehefa mikolokolo amim-pahavitrihana ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika isika, dia hanohy hitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany (jereo ny Almà 32:37, 40–42).

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Mba hanampiana anao hahita ny fifandraisan’ny fampitahana nataon’i Almà amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, dia manaova kisary toy ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao. Ataovy mivelatra manerana ilay pejy ny sarinao mba hisian’ny toerana hanoratana eo ambanin’ny dingam-pitomboana tsirairay.

Asehoy na ataovy eny amin’ny solaitrabe ireto sary ireto mba hahafahan’ny mpianatra mandika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Sary
dingam-pitomboan’ny hazo mamoa iray

Makà fotoana hampitahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany amin’ny fitomboan’ny hazo mamoa iray. Misafidiana lafiny maro amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary soraty tsirairay eo ambanin’ireo dingam-pitomboana izay tsapanao fa maneho indrindra ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’izao fotoana izao amin’ireny sehatra ireny.

Ohatra, ny olona iray dia afaka manoratra hoe “velona i Jesoa Kristy” eo ambanin’ilay hazo mamoa ary ny hoe “herin’ny fisoronana” eo ambanin’ilay voa. Izay olona izay avy eo dia afaka manoratra lafiny hafa ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy, toy ny hoe “mpaminany velona,” “asa atao any amin’ny tempoly,” “ny Bokin’i Môrmôna,” ary “vavaka,” eo ambanin’ny dingam-pitomboana izay maneho ny fijoroana ho vavolombelona ananany ao amin’ny tsirairay amin’ireo sehatra ireo.

Hevero ny hampiasa ilay sary eny amin’ny solaitrabe hizarana ny fitomboan’ny ampahany amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao miainga amin’ny voa mandra-pahatonga amin’ny hazo. Tandremo tsara mba tsy hampiasa ohatra tsy fahita firy izay mety ho sarotra amin’ny mpianatra ny hahatakatra azy. Ampio izy ireo hahita fa ny fitomboana tsy miovaova amin’ny alalan’ny zavatra iainana miaraka amin’ny Fanahy dia mitarika mankany amin’ny finoana mitombo sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa rehefa mandeha ny fotoana. Mety ho azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hizara dingana mitovitovy amin’izany momba ny ampahany amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Manaova drafitra momba ny fomba hiezahanao hampihatra ny fampianaran’i Almà eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ny mieritreritra ny zavatra mety hataonao mba “[hanisana] toerana” ao am-ponao sy eo amin’ny fiainanao lafiny iray ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao mba hitsimohan’izany. Azonao heverina ihany koa ny fomba ahafahanao “mamahana” ny ampahany amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao izay efa nanomboka naniry. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao ary ny tanjonao.

Hamoaka printy