Seminera
Almà 47–48: I Amalikià sy i Lehôntia


“Almà 47–48: I Amalikià sy i Lehôntia,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 47–48,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 47–48

I Amalikià sy i Lehôntia

Sary
Olona mijoro eny an-tampon’ny tendrombohitra

Efa naheno olona niteny ve ianao hoe “Tsy maninona raha indray mandeha fotsiny,” “Kely fotsiny,” na hoe “Tsy dia ratsy akory”? Rehefa manapa-kevitra ny hanaiky ny fakam-panahin’i Satana isika na dia kely fotsiny aza, dia manome azy fahefana amintsika isika. Ao amin’ny Almà 47, isika dia mianatra momba ny lehilahy iray nantsoina hoe Lehôntia izay nanaiky kely fotsiny ny fahavalony ary tonga tamina toe-javatra tena mampidi-doza sy mahafaty mihitsy aza izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanohitra ny fanandraman’i Satana hanana fahefana aminao.

Ampio ny mpianatra havitrika amin’ny dingan’ny fianarana. Rehefa mampianatra ianao, dia mitadiava fomba hanampiana ny mpianatra havitrika amin’ny dingan’ny fianarana. Ohatra, mametraha fanontaniana misokatra izay mamporisika valin-teny voasaina, ary mamoròna sahanasa iray mamporisika fandraisana anjara, toy ny fanaovana sary na fanoratana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 2 Nefia 28:7–8, 21–22 ary hieritreritra ohatra amin’ny fomba ampiasan’i Satana ireo tetikady ireo amin’izao androntsika izao.

Sahanasa fianarana azo atao

Jono

Alohan’ny hizarana ity fanazavana manaraka ity, dia hevero ny hampiseho sarina haranjono misy jono sy hangataka ny mpianatra hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny tanjon’ny sakafo atao jono iray.

Sary
Haranjono miaraka amin’ny jono

Ny jono anjonoana dia karazana famandrika ampiasaina hisamborana trondro. Ny jono dia misarika ny sain’ny trondro ary afaka misarika ny trondro hiezaka hanaikitra izany. Avy eo, raha vao voafaingoka ny trondro dia azo samborina.

  ChurchofJesusChrist.org

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo jono ampiasain’i Satana hisarihana antsika hanota?

    Mety hahita fomba iezahan’i Satana manao izay hahitana ny fakam-panahiny ho mahasarika kokoa, toy ny fanomezana fahafinaretana mihelina na laza na fanaovana izay hahatsapantsika fa tsy misy loza amin’ny fanaovana fahotana ny mpianatra.

  • Nahoana ianao no te hanohitra ireo jono ireo?

  • Inona no mety hahasarotra ny fanoherana fakam-panahy?

Mety ho tsaroanao fa i Amalikià sy ny vondrona Nefita mpifanditra dia nikatsaka ny handrodana ny fahafahan’ny Nefita ary hamotika ny fiangonan’ Andriamanitra (jereo ny Almà 46:10). Rehefa avy nosakanan’i Môrônia sy ny Nefita hafa i Amalikià, dia nandositra tany amin’ny Lamanita ary nanandrana namoky azy ireo ho tezitra tamin’ny Nefita (jereo ny Almà 46:29–33; 47:1).

Anio ianao dia hianatra momba ny fanandramana misimisy kokoa nataon’i Amalikià mba hahazoana fahefana. Maro amin’ireo tetikadiny no mitovitovy amin’ireo tetikady ampiasain’i Satana amintsika ankehitriny. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiala amin’ireo jono ampiasain’i Satana hanimbana anao.

Nikatsaka ny ho tonga mpanjakan’ny Lamanita i Amalikià

Mety hanampy raha asaina mijery ireo dingana amin’ny fampiharana ny soratra masina nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona “Almà 43, 48–50” ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny mampihatra ny fampiasana ireo dingana ireo rehefa mandalina io tantara io izy ireo.

Vakio ny Almà 47:1–8, ary tadiavo hoe inona ireo drafitr’i Amalikià rehefa nankany amin’ny Lamanita izy.

  • Inona no nataon’i Amalikià mba hananany hery sy fahefana teo amin’ny Lamanita?

  • Ahoana no itovitovian’ireo tanjon’i Amalikià amin’ny an’i Satana? (jereo ny 2 Nefia 26:22).

  • Inona no tsy mampitovy ireo tanjon’ny Ray any An-danitra amin’ny an’i Satana? (jereo ny Mosesy 1:39). Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro izany?

Ny andiana Lamanita izay nandà ny handeha hiady amin’ny Nefita dia notarihan’ny lehilahy iray nantsoina hoe Lehôntia.

Vakio ny Almà 47:9–12, hitadiavana ny zavatra tian’i Amalikià hataon’i Lehôntia.

Hevero ny hanao sary ity kisary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ilay toe-javatra voafaritra ao amin’ireo andininy ireo.

Rehefa avy mamaky ny andininy 11 ianao, dia azonao atao ny manontany hoe: “Nahoana no mety ho tsy fahendrena ny nandeha nidina teo am-pototry ny tendrombohitra hihaona amin’i Amalikià?” Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny andininy 12 sy mitady ny zavatra nataon’i Amalikià tamin’ny fomba hafa tamin’ny faninefany nanandramany nitaona an’i Lehôntia hihaona taminy.

Mba hanehoana ny fiantomorana hafa nampiasain’i Amalikià, dia azonao atao ny manampy tsipika manondro amin’ilay kisary eny amin’ny solaitrabe mba hisaintsainana an’i Amalikià nandeha efa ho teny amin’ny tampon’ny tendrombohitra ary koa ny fangatahany ny hidinan’i Lehôntia kely fotsiny.

Sary
Fanehoana an’i Lehôntia sy i Amalikià teo amin’ny havoanan’i Antipasy
  • Inona avy no antony sasantsasany mety ho niheveran’i Lehôntia ny hanaiky ny fanasana farany nataon’i Amalikià andininy 12?

  • Inona no mety ho noteneninao tamin’i Lehôntia raha tao amin’ny tafika nisy azy ianao ary nangataka torohevitra avy taminao momba ny hoe hihaona amin’ Amalikià sa tsia izy? Nahoana?

Vakio ny Almà 47:13–19, hitadiavana ny fomba namalian’i Lehôntia ireo ezaka hafa avy amin’i Amalikià sy ny zavatra nitranga vokatr’izany.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitovian’ny tetikadin’i Amalikià amin’ny tetikady ampiasain’i Satana hanimbana antsika? (Raha ilaina dia jereo ny 2 Nefia 28:7–8, 21–22.)

Ho valin’ny fanontaniana teo aloha, dia mety ho azon’ny mpianatra atao ny manasongadina fa i Satana dia kirìna, mpamitaka, fetsy ary tsy misy indrafo. Tahaka an’i Amalikià, i Satana dia mety hikatsaka izay handresen-dahatra antsika hampidina tsikelikely ny fenitsika sy hametraka ny tenantsika amina toe-javatra izay mahatonga antsika ho mora tafihana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ny andian-teny hoe “hidina” amin’izay rehetra ipoirany ao amin’ny Almà 47:10–13. Inona no fahamarinana iray ianaranao amin’io tantara io momba ny loza amin’ny fanekena ny fakam-panahin’i Satana, na dia kely fotsiny aza?

Ny adinao amin’i Satana

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe raha manaiky ny fakam-panahin’i Satana na dia kely fotsiny aza isika, dia manome azy hery mitarika lehibe kokoa hitarihana antsika haniasia.

Eritrereto ny fomba nahitanao io fahamarinana io nitranga teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa. Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fomba sasantsasany mety hiezahan’i Satana hanao izay hahatonga anao ho mora andairan’ireo fakam-panahiny sy ireo fomba azon’ny Mpamonjy anampiana amin’ny fiarovana anao amin’ireny fakam-panahy ireny.

Hevero ny hanao io sahanasa io eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny iray kilasy. Azonao atao koa ny mampiseho ny toromarika amin’ilay sahanasa sy mametraka ny mpianatra ho ao anatina vondrona kely mba hiara-hiasa amin’izany. Avy eo dia azon’ny vondrona tsirairay atao ny mizara ny sariny amin’ny iray kilasy.

Mba hanomanana ny mpianatra amin’io sahanasa io, dia azonao ampiasaina ireo fanambarana amin’ny alalana horonan-tsary nataon’ny Rahavavy Elaine S. Dalton sy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny fizaràna hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

  • Dingana 1: Manaova sarina zatovo iray mijoro eny an-tampon’ny tendrombohitra iray. Eo am-pototr’ilay tendrombohitra, ataovy lisitra ireo fakam-panahy na tetikady ampiasain’i Satana mba hiezahany manao izay hidinantsika kely mba hahazoany fahefana amintsika. Aza adinoina ny mamela toerana malalaka eo anelanelan’ilay zatovo sy ireo fakam-panahy nataonao lisitra mba hanananao toerana ho an’ny dingana 2.

  • Dingana 2: Eo amin’ny tampon’ilay tendrombohitra, ataovy lisitra ny sasany amin’ireo loharano na fampianarana nomen’ny Tompo antsika ka afaka miaro antsika amin’ireo fakam-panahin’i Satana. (Mba hahitana ohatra vitsivitsy, dia hevero ny handalina vitsivitsy amin’ireto andininy manaraka ireto: 1 Nefia 15:24; Helamàna 5:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5; 11:12–13; 20:22; 87:8.)

Manaova drafitra

Eritrereto ny fomba iharan’ireo fahamarinana nohalalininao androany amin’ny fiainanao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary omeo fotoana ny mpianatra hiraketany an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Oviana ianao no nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana nomen’ny Tompo anao?

  • Ahoana no hiezahanao mikatsaka tsara kokoa ny fanampian’ Andriamanitra mba hanoherana ireo fakam-panahin’i Satana?

Manasà mpianatra manolo-tena hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana voalohany. Resaho fa tsy tokony hizara na inona na inona mahakasika azy ireo manokana loatra na masina izy ireo.

Amporisiho ny mpianatra hanohitra ireo fakam-panahin’i Satana amin’ny alalan’ny fanaovana asa mifandray amin’ireo eritreritra na fahatsapana nataon’izy ireo lisitra ao amin’ny diarin’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo.

Hamoaka printy