Seminera
Tombano ny fianaranao 6: Almà 17–Almà 52


“Tombano ny fianaranao 6: Almà 17–Almà 52,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 6

Almà 17Almà 52

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao vao haingana ny Bokin’i Môrmôna.

Ampio hianatra hanome lanja ny fanomban-tena ny mpianatra. Ny fanombanan-tena tsy tapaka sy tsy miovaova dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fomba ahatongavan’izy ireo ho mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy. Asao hihevitra am-bavaka ny zavatra fantatr’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hanombana amin-kitsimpo ny fandrosoan’izy ireo ary hihevitra ireo fanovana azon’izy ireo atao rehefa miezaka miaina ny filazantsara izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na fomba nitomboanizy ireo ara-panahy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa. Mety hanampy ny fanasana ny mpianatra hamerina hijery ny diary fandalinan’izy ireo na fanamarihana nosoratana ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Mandrefy ny fitomboana

  • Inona no ampiasana ireto fitaovana manaraka ireto?

Hevero ny hampiseho ny sarin’ireto fitaovana manaraka ireto na, raha azo atao, hitondra ny sasantsasany amin’ireo zavatra ireo tena izy.

Sary
fitsapana hafanana atao amin’ny vava
Sary
fitaovana fandrefesana tosi-drà
Sary
fandajana
  • Ahoana no maha sarobidy sy manan-danja ny tsirairay amin’ireo fitaovana ireo?

Tahaka ny maha-zava-dehibe ny fandrefesana ny fahasalamana sy fitomboana ara-batana, no maha-zava-dehibe ny fanombanana ny fahasalamana sy fivoaranao ara-panahy. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanao izany.

Ampio ny mpianatra hisaintsaina ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy tato ho ato amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy iireto manaraka ireto. Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana ireto sy hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo, alohan’ny hizaràna ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona no zavatra nianaranao vao haingana ka ankasitrahinao?

  • Inona avy no fiovana voamarikao tamin’ny fahatsapanao na toe-tsainao tato ho ato?

  • Inona avy no fomba sasantsasany nampiharanao ny zavatra nianaranao?

Vitao ireto sahanasa manaraka ireto mba hanombanana ny fianaranao sy ny fitomboanao ara-panahy. Hevero ny hangataka ny Ray any An-danitra hanampy anao hamantatra ny fandrosoana nataonao sy ireo sehatra izay mety ilanao fanatsarana.

Ny fandalinan’ny kilasy misy anao tao amin’ny Almà, dia mety ho nanasongadina fahamarinana hafa ankoatra ireo tombanana ao amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Amboary ireto sahanasa manaraka ireto mba hahatafiditra ireo fahamarinana nasongadinao. Tsarovy fa tsy ilaina voafaoka ato amin’ity lesona ity avokoa ny hevitra rehetra, na tomorina amin’ny filaharany araka ny anoratana azy.

Hazavao ireo fahamarinana manan-danja momba ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy

Ity ampahan’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanazava lafin-javatra amin’ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinana soratra masina vao haingana. Amboary ity manaraka ity mba hifanaraka amin’ny fomba izay manampy ny mpianatra hisaintsaina sy hanazava tsara kokoa ny zavatra nianaran’izy ireo miainga amin’ny fomba nampianaranao na ny zavatra nampianarinao.

Avy amin’ny fandalinanao ny Almà, mety nianatra zavatra maromaro izay afaka manampy anao hanazava tsara kokoa fahamarinana momba ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asa manan-danjan’i Jesoa Kristy ianao.

Misafidiana sahanasa iray hovitaina amin’ireto manaraka ireto.

Hevero ny hampiseho ireto rafi-tantara sy fanontaniana manaraka ireto mba hovalian’ny mpianatra.

Sahanasa 1: Ny drafitry ny famonjena

Alaovy sary an-tsaina hoe vao haingana no namoy olona akaiky azy ny iray amin’ireo namanao.

  • Rehefa mieritreritra ny sasany amin’ireo fahamarinana tao amin’ny zavatra nohalalininao vao haingana ianao, inona no azonao zaraina amin’ny namanao momba ny drafitry ny famonjena? Ahoana no mety hanampian’izany azy? (Jereo ny Almà 11; 12; 40.)

Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia hevero ny hampijery azy ireo toko sy andininy manokana momba ny drafitry ny famonjena, toy ny Almà 11:41–45; 12:24–25; 22:13–14; 40:11–14, 21, 23.

Sahanasa 2: Ny anjara asan’i Jesoa Kristy

Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny olona iray izay misalasala ny amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao.

  • Rehefa mieritreritra ny sasany amin’ireo fahamarinana tao amin’ny zavatra nohalalininao vao haingana ianao, inona no azonao zaraina amin’io olona io momba ny anjara asa manan-danjan’i Jesoa Kristy? (Jereo ny Almà 26; 34; 36.)

Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia hevero ny hampijery azy ireo toko sy andininy manokana momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy, toy ny Almà 26:12–14, 16, 22, 35–37; 34:8–10; 36:16–21. Mety hanampy raha ampahafantarina ny mpianatra fa ny teny nolazain’i Amôna momba an’ Andriamanitra ao amin’ny Almà 26 dia afaka manondro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Mahatsapa faniriana hiova mitombo noho i Jesoa Kristy

Tamin’ny fandalinana vao haingana nataonao, ianao dia nianatra mombana olona maro izay niova satria nianatra momba an’i Jesoa Kristy.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hilaza ny sasany amin’ireo olona nohalalinin’izy ireo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay niaina fiovana noho i Jesoa Kristy. Ireto ohatra telo manaraka ireto dia azo zaraina raha ilaina. Azo atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona sy manendry azy ireo hamerina hijery ny iray amin’ireto andian’andininy manaraka ireto. Avy eo dia azon’ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay atao ny mamintina amin’ny ambin’ny kilasy ny zavatra novakin’ilay vondrona.

  • Inona no tsikaritrao momba ny fahavononan’izy ireo hiova?

Saintsaino ny fanirianao hiova noho i Jesoa Kristy. Mety hanampy anao hanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao heverina ny hamaly ireto ao amin’ny diary fandalinanao.

Azo aseho ireto fanontaniana manaraka ireto, ary azon’ny mpianatra atao ny misafidy ny hamaly azy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Efa nahatsapa ny sasany amin’ireo faniriana izay tsapan’ireo olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ve ianao? Nahoana no nahatsapa toy izany ianao?

  • Inona araka ny eritreritrao no afaka nitarika na nitarika anao hahatsapa ireo faniriana ireo?

Mandray fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina

Tanjona iray manan-danja amin’ny seminera ny hanampy anao hampitombo ny fahafahanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina.

Saintsaino ny zavatra vao haingana niainanao tamin’ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina. Mety ho azonao atao ny mamerina mijery ny sasany amin’ireo fanamarihana nosoratanao tao amin’ny soratra masinao na diary fandalinanao rehefa nandalina tao an-dakilasy na tany an-trano ianao.

Alohan’ny hanombohana ity fifanakalozan-kevitra manaraka ity, mety hanampy raha alefa ny “Patterns of Light: Spirit of Revelation (Fomban’ny hazavana: Fanahin’ny fanambarana)” (3:04) mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ny sasany amin’ireo fomba itenenan’ny Fanahy Masina amintsika ireto. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireo fomba nitahiana azy ireo vao haingana tamin’ny alalan’ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Afaka manampy amin’izany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy no hevi-baovao noraisinao tamin’ny Fanahy Masina tamin’ny fandalinanao vao haingana ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no nanampian’ny Fanahy anao ho takatrao na ho tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona avy no asa marina nibitsihan’ny Fanahy Masina anao vao haingana ny hanaovana azy?

Amporisiho ny mpianatra hanohy hikatsaka sy hanao asa amina fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy