Seminera
Almà 43, 48–50: Mianatra avy amin’ireo toko momba ny ady


“Almà 43, 48–50: Mianatra amin’ireo toko momba ny ady,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 43, 48–50,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 43, 48–50

Mianatra avy amin’ireo toko momba ny ady

Sary
Nefita mirongo fiadiana ao amina toeram-pialofana iray

Ny ampahany farany amin’ny bokin’i Almà dia milazalaza fotoanan’ny fifandirana sy ady. Ny paikady nampiasain’ny Nefita tao amin’ireo ady ireo dia afaka manampy antsika hampivelatra paikady azontsika ampiasaina amin’ny ady isan’andro ataontsika amin’i Satana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampihatra ny soratra masina amin’ny tenanao mba handraisanao ny fiarovan’ny Tompo amin’ireo fanafihana tsy tapaka sy mitombo ataon’ilay fahavalo.

Ampio ny mpianatra hahita heviny ho an’ny tenan’izy ireo manokana ao amin’ny soratra masina. Amporisiho ny mpianatra hampiasa fahaiza-mandalina samihafa mba hanatsarana ny fahatakaran’izy ireo ny soratra masina. Azon’izy ireo atao ny mitady antsipiriany ao amin’ny fizotran’ny tantara, manao fampitahana sy fampifandraisana ny tantara ao amin’ny soratra masina sy ny fiainan’izy ireo manokana, ary mamaritra ny fomba hampiharan’izy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: asao ny mpianatra handalina ny Almà 43:18–21, 37–38 ka hitady ireo lesona izay afaka manampy azy ireo amin’ny ady ataon’izy ireo amin’i Satana.

Sahanasa fianarana azo atao

Mamantatra ny fahavalo

Hevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka ity mandritra ny fotoana ifanakalozan’ny mpianatra hevitra amin’ny valin-tenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana izay manaraka izany.

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina toy izao:

Mitombo ao anatin’ ny faritry ny fahavalo ianareo. … [Ny fahavalo] dia hita any amin’ ireo tokantrano, fialamboly, fampitam-baovao, fiteny—ao amin’ ny zavatra rehetra manodidina anareo. Raha ny ankamaroan’ ny zava-miseho dia tsy hita ny fanatrehany eo. (Boyd K. Packer, “Ahoana no ahafahana manohy miaina araka ny tokony ho izy ao amin’ny faritry ny fahavalo,” Liahona, ôkt. 2012, 2)

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba io fanambarana io?

  • Inona avy no ohatra azonao eritreretina ka maneho ny zavatra noresahin’ny Filoha Packer?

Tokony hieritreritra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ny mpianatra fa tsy hamaly amin’ny feo mafy.

Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny fomba iharan’ny teny nambaran’ny Filoha Packer aminao. Inona avy no sasantsasany amin’ireo fomba voamarikao fa iantraikan’ny fakam-panahin’i Satana aminao na amin’ny olona akaiky ny fonao? Inona avy no ezaka ataonao hiarovana ny tenanao amin’ny fanafihany?

Ireo ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita

Ny fiafaran’ny bokin’i Almà dia milazalaza ny sasany amin’ireo ady izay niseho teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Rehefa mandalina ireo tantara ireo ianao, dia afaka mianatra lesona sarobidy izay afaka manampy anao amin’ny ady ataonao amin’i Satana. Ohatra, ireo tanjona sy tetikadin’ny Lamanita dia azo ampitahaina amin’ireo tanjona sy tetikadin’i Satana amintsika.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina ary anarana manaraka ireto. Eo ambonin’ny Almà 43:5–8, soraty ny hoe Zerahemnà. Eo ambonin’ny Almà 46:3–5, 10, soraty ny hoe Amalikià. Azo atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona sy manendry azy ireo handalina andian’andinin-tsoratra masina iray.

Vakio ny Almà 43:5–8; 46:3–5, 10, ka tadiavo ny zavatra nataon’ny mpitarika ratsy fanahin’ny Lamanita izay mitovy amin’ireo tanjona sy tetikadin’i Satana.

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra tanjona sy tetikady nampiasain’ilay olona nohalalinin’izy ireo.

  • Ahoana no itovian’ny tanjona sy tetikadin’ireo mpitarika ireo amin’ny an’i Satana?

Sary
I Môrônia niaraka tamin’ny fanevan’ny fahafahana

Ny tafiky ny Nefita dia notarihin’ny lehilahy marina iray nantsoina hoe Môrônia.

Hevero ny hanoratra ity andinin-tsoratra masina manaraka ity eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo toko sy andininy momba an’i Zerahemnà sy i Amalikià teo aloha. Soraty eo ambonin’ilay toko sy andininy vaovao ny hoe Môrônia.

Vakio ny Almà 48:11–13, 17, hitadiavana ireo toetra mifanaraka amin’i Kristy na ireo toetoetran’i Môrônia.

Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra ireo toetoetran’i Môrônia izay mampahatsiahy azy ireo ny Mpamonjy.

  • Inona no hitanao?

Mampihatra ny soratra masina amin’ny tenanao

Ireo fampitahana nataonao tao amin’ny soratra masina hatreto, dia afaka manomana anao hampitaha, na hampifandray, antsipiriany hafa avy amin’ireo tantara ireo amin’ny fiainanao.

Asehoy ireto dingana manaraka ireto mba hahafahan’ny mpianatra mijery azy ireo mandritra ny lesona.

Ity dingana manaraka ity dia afaka manampy anao hampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanao. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ireto dingana ireto.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana.

Ampiharo amin’ny alalan’ny fampiasana io dingana io ny fahaiza-mandalina soratra masina mampitaha, rehefa mianatra momba ny iray amin’ireo ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita ianao.

Ity manaraka ity dia natao hitarihan-dalana ny mpianatra amin’ny fampiharana ny soratra masina ary hanomanana azy ireo hanao izany samirery ao aoriandriana ao rehefa mandeha ny lesona.

Dingana 1: Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Vakio ny Almà 43:17–21, 37–39, 51–54 ka tadiavo antsipiriany manan-danja. Mety ho isan’ireny antsipiriany ireny ny olona, na toerana, na zavatra, na fihetsika izay nasongadina.

Angataho ny mpianatra hizara ireo antsipiriany manan-danja hitan’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo. Azo soratana eny amin’ny solaitrabe izany. Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hamantatra ireto antsipiriany manan-danja manaraka ireto.

Ao anatin’ireo antsipiriany mety ho tsikaritrao ny fiarovan’i Môrônia ny tafiny amina fiadiana sy fanamiana matevina, ny Lamanita tsy manao fiarovana, ary ny Nefita mandresy ny Lamanita na dia vitsy an’isa tokoa aza.

Dingana 2: Manaova fampitahana amin’ny fiainanao

Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo antsipiriany hitanao tao amin’ny dingana teo aloha mitaha amin-javatra ara-panahy na toe-javatra eo amin’ny fiainanao.

Mety ho nampitahainao tamin’ny fiadian’ny Nefita ny fiadian’ Andriamanitra. Mety ho nampitahainao tamin’ny fandresena an’i Satana sy ny fakam-panahiny ihany koa ny fandresen’ny Nefita.

Dingana 3: Fantaro ireo lesona sarobidy

Eritrereto ny zavatra nianaranao tamin’io tantara io ka afaka mihatra aminao. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy.

Manasà mpianatra maro hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy no lesona sasantsasany ianaranao avy amin’io ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita io ka afaka manampy anao amin’ireo ady ataonao amin’i Satana?

  • Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’i Jesoa Kristy?

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe i Jesoa Kristy dia manolotra antsika ny fiarovana ilaintsika amin’ny ady ataontsika amin’i Satana.

Dingana 4: Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampihatra ireo lesona hitanao tao amin’ny dingana teo aloha.

  • Inona no azonao atao mba handraisana ny fiarovan’i Jesoa Kristy amin’i Satana?

Ankoatra ireo fomba maro ampiharana io fahamarinana io, mety ho tao an’eritreritrao ny fomba isian’ny fiarovan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fihetsika mahatoky toy ny vavaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5), fandalinana soratra masina (jereo ny 1 Nefia 15:24), na fitandremana ireo didin’ny Tompo (jereo ny Môzià 2:41).

Ampiharo indray ilay fampiharana ny soratra masina

Ity manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampiasa ny fahaiza-manao amin’ny fampiharan’izy ireo samirery ny soratra masina. Raha ilaina, dia omeo mpiara-miasa na vondrona iray hiarahany miasa ny mpianatra. Asehoy ireto soratra masina manaraka ireto ary ataovy mijery ireo dingana efatra naseho teo aloha tao amin’ny lesona ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo mampiasa izany eo am-pandalinana.

Misafidiana roa farafahakeliny amin’ireto andian’andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary rehefa mandalina ianao, dia mizàra mampiasa ilay dingana arahina misy dingana efatra amin’ny fampiharana ny soratra masina.

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hampiditra zavatra azonao manokana avy tamin’ireo andininy ireo.

  • Inona avy no antsipiriany manan-danja hitanao tamina tantara iray nohalalininao?

  • Inona avy no fampitahana sasantsasany nataonao tamin’ireo antsipiriany ireo sy ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no lesona iray na maromaro nianaranao avy tamin’io tantara io?

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo lesona ireo eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy